Tantara Voalohany
16 Nampidirina tao amin’ny tranolay àry ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra ka napetraka tao.+ Natsangan’i Davida ho an’ilay Vata io tranolay io. Dia nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.+ 2 Rehefa avy nanolotra ny fanatitra dorana+ sy ny sorona iombonana+ i Davida, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Jehovah. 3 Samy nizarany mofo boribory sy mofo antrendry ary mofo vita tamin’ny voaloboka maina koa ny Israelita rehetra, na lahy na vavy. 4 Avy eo dia nisy Levita notendreny hanompo eo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah,+ mba hanome voninahitra* sy hisaotra ary hidera an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 5 I Asafa+ no mpitarika ny mpihira, ary nanarakaraka azy i Zakaria. I Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matitia, Eliaba, Benaia, Obeda-edoma, ary Jeiela+ no nitendry zavamaneno sy harpa.+ I Asafa kosa no nampaneno kipantsona.+ 6 Fa i Benaia sy Jahaziela mpisorona foana no nitsoka trompetra teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena nataon’ilay tena Andriamanitra.
7 Namorona hira fisaorana an’i Jehovah i Davida tamin’izay andro izay, ary sambany ilay izy no nasainy nohirain’i Asafa+ sy ny rahalahiny, hoe:
8 “Misaora an’i Jehovah,+ ary miantsoa ny anarany.
Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony!+
10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina,+
Ary enga anie ho faly ny fon’izay mitady an’i Jehovah!+
11 Mitadiava an’i Jehovah+ ary miantehera amin’ny heriny.
Mitadiava sitraka aminy foana.*+
12 Tsarovy ny zavatra mahatalanjona nataony,+
Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,
13 Ry taranak’i Israely mpanompony,+
Ry taranak’i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny.+
14 Izy no Jehovah Andriamanitsika.+
Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+
15 Tsarovy mandrakizay ny fifanekena nataony,
Ary tsarovy hatrany amin’ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,*+
16 Dia ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama,+
Sy ilay fianianana nataony tamin’i Isaka.+
17 Nataony fitsipika ho an’i Jakoba io fianianana io,+
Sady fifanekena maharitra ela be ho an’i Israely.
18 Fa hoy izy: ‘Homeko anao ny tany Kanana,+
Ho anjara lovanao.’+
20 Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,
Ary nifindrafindra tany amin’ny fanjakana samihafa.+
21 Tsy nisy olona navelan’Andriamanitra hampijaly azy ireo,+
Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’izy ireo,+
22 Ka niteny hoe: ‘Aza mikasika ny voahosotro,
Ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.’+
23 Mihirà ho an’i Jehovah, ry tany manontolo!
Ambarao isan’andro ny famonjeny!+
24 Lazao amin’ireo firenena hoe be voninahitra izy,
Ary lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zavatra mahatalanjona nataony.
25 Fa tena miavaka i Jehovah ka izy no mendrika hoderaina indrindra.
Mendrika hatahorana mihoatra noho ny andriamanitra rehetra izy.+
26 Andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena,+
Fa i Jehovah kosa no nanao ny lanitra.+
28 Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, ry foko eo amin’ireo firenena.
Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, satria be voninahitra sady matanjaka izy.+
29 Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany.+
Mitondrà fanomezana ho azy ka midira mankeo anatrehany.+
Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan’i* Jehovah.*+
30 Mangovita eo anatrehany, ry tany manontolo!
Mafy orina ny tany,* ka tsy ho voahozongozona.*+
31 Aoka hiravoravo ny lanitra, ary aoka hifaly ny tany.+
Lazao any amin’ireo firenena hoe: ‘Lasa Mpanjaka i Jehovah!’+
32 Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,
Ary aoka hifaly ny saha sy izay rehetra eo aminy.
35 Dia lazao hoe: ‘Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô!+
Angony izahay ka vonjeo avy any amin’ireo firenena,
Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina,+
Sy ho faly hidera anao.+
Dia hoy ny olona rehetra: “Amena!”* Ary nidera an’i Jehovah izy ireo.
37 Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah i Asafa+ sy ny rahalahiny, mba hanompo foana eo anoloan’ilay Vata,+ araka ny fanao isan’andro.+ 38 Nisy 68 ry Obeda-edoma sy ny rahalahiny. Ary mpiandry vavahady i Obeda-edoma zanak’i Jedotona, sy Hosa. 39 Navelan’i Davida teo anoloan’ny tranolain’i Jehovah teo amin’ny toerana avo tany Gibeona+ koa i Zadoka+ mpisorona sy ny mpisorona hafa, 40 mba hanolotra fanatitra dorana ho an’i Jehovah tsy tapaka eo amin’ny alitara fanaovana fanatitra dorana, amin’ny maraina sy hariva, ary mba hanao an’izay rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Jehovah nandidiany ny Israely.+ 41 Niaraka tamin’izy ireo koa i Hemana sy Jedotona+ ary izay sisa tavela tamin’ny lehilahy voafantina sy voatonona anarana mba hisaotra an’i Jehovah,+ satria “be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay izy.”+ 42 Niaraka tamin’izy ireo i Hemana+ sy Jedotona mba hitsoka ny trompetra sy hampaneno ny kipantsona ary hampiasa ny zavamaneno natao hiderana an’ilay* tena Andriamanitra. Teo am-bavahady kosa ny zanakalahin’i Jedotona.+ 43 Dia samy nody tany an-tranony ny olona rehetra. Lasa nody koa i Davida mba hitso-drano ny ankohonany.