Nomery
33 Ireto avy ny lalana nalehan’ny vahoakan’Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta+ araka ny antokony*+ avy izy ireo, ary i Mosesy sy Arona no nitarika azy tamin’izay.+ 2 Nosoratan’i Mosesy foana izay toerana niaingana isaky ny lalana nandalovan’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah. Ireto avy izany lalana izany, niainga avy teo amin’ny toerana anankiray mankany amin’ny anankiray:+ 3 Niainga avy tao Ramesesa+ ny Israelita tamin’ny andro faha-15 amin’ny volana voalohany.+ Ny ampitson’ny Paska+ ihany izy ireo dia nivoaka teo imason’ny Ejipsianina rehetra sady feno toky.* 4 Nandevina ny lahimatoany rehetra novonoin’i Jehovah ny Ejipsianina tamin’izay,+ satria efa nofaizin’i Jehovah ny andriamanitry ny Ejipsianina.+
5 Niainga avy tao Ramesesa àry ny Israelita, dia nitoby tao Sokota;+ 6 niainga avy tao Sokota, dia nitoby tao Etama+ teo an-tsisin’ny tany efitra; 7 niainga avy tao Etama, dia niverina tany Pihahirota, teny akaikin’i Bala-zefona,+ dia nitoby nanandrify an’i Migdola.+ 8 Niainga avy tao Pihahirota izy ireo taorian’izay, dia namakivaky teo afovoan’ny ranomasina+ mba hankany an-tany efitra.+ Nandeha lalana telo andro tany an-tany efitr’i Etama+ izy ireo, dia nitoby tao Mara.+
9 Avy eo dia niainga avy tao Mara izy ireo, dia tonga tao Elima. Nisy loharano 12 sy hazo palmie 70 tao Elima, ka nitoby tao izy ireo.+ 10 Niainga avy tao Elima indray izy ireo, dia nitoby teo akaikin’ny Ranomasina Mena; 11 niainga avy teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sina;+ 12 niainga avy tany an-tany efitr’i Sina, dia nitoby tao Dopka; 13 niainga avy tao Dopka, dia nitoby tao Alosy; 14 niainga avy tao Alosy, dia nitoby tao Refidima.+ Tsy nisy rano hosotroin’ny olona tao tamin’izay. 15 Niainga avy tao Refidima indray izy ireo, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sinay.+
16 Niainga avy tany an-tany efitr’i Sinay izy ireo, dia nitoby tao Kibrota-hatava;+ 17 niainga avy tao Kibrota-hatava, dia nitoby tao Hazerota;+ 18 niainga avy tao Hazerota, dia nitoby tao Ritma; 19 niainga avy tao Ritma, dia nitoby tao Rimona-pereza; 20 niainga avy tao Rimona-pereza, dia nitoby tao Libna; 21 niainga avy tao Libna, dia nitoby tao Risa; 22 niainga avy tao Risa, dia nitoby tao Kehelata; 23 ary niainga avy tao Kehelata, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sapera.
24 Niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Sapera indray izy ireo, dia nitoby tao Harada; 25 niainga avy tao Harada, dia nitoby tao Makelota; 26 niainga+ avy tao Makelota, dia nitoby tao Tahata; 27 niainga avy tao Tahata, dia nitoby tao Tera; 28 niainga avy tao Tera, dia nitoby tao Mitka; 29 niainga avy tao Mitka, dia nitoby tao Hasmona; 30 niainga avy tao Hasmona, dia nitoby tao Moserota; 31 niainga avy tao Moserota, dia nitoby tao Bene-jakana;+ 32 niainga avy tao Bene-jakana, dia nitoby tao Hora-hagidgada; 33 niainga avy tao Hora-hagidgada, dia nitoby tao Jotbata;+ 34 niainga avy tao Jotbata, dia nitoby tao Abrona; 35 niainga avy tao Abrona, dia nitoby tao Eziona-gebera;+ 36 ary niainga avy tao Eziona-gebera, dia nitoby tao an-tany efitr’i Zina,+ izany hoe Kadesy.
37 Taorian’izay, dia niainga avy tao Kadesy izy ireo, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Hora,+ teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma. 38 Dia niakatra teo amin’ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny baikon’i Jehovah. Tao izy no maty, tamin’ny taona faha-40 taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy.+ 39 Ary 123 taona i Arona tamin’izy maty tao amin’ny Tendrombohitra Hora.
40 Dia henon’ilay Kananita mpanjakan’i Arada,+ izay nipetraka tany Negeba, tany Kanana, fa tonga ny Israelita.
41 Tatỳ aoriana, dia niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Hora ny Israelita,+ dia nitoby tao Zalmona; 42 niainga avy tao Zalmona, dia nitoby tao Ponona; 43 niainga avy tao Ponona, dia nitoby tao Obota;+ 44 niainga avy tao Obota, dia nitoby tao Ie-abarima, teo amin’ny sisin-tanin’i Moaba;+ 45 niainga avy tao Ima, dia nitoby tao Dibona-gada;+ 46 niainga avy tao Dibona-gada, dia nitoby tao Almona-diblataima; 47 niainga avy tao Almona-diblataima, dia nitoby teo amin’ireo tendrombohitr’i Abarima,+ tandrifin’i Nebo;+ 48 ary niainga avy teo amin’ireo tendrombohitr’i Abarima, dia nitoby teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.+ 49 Mbola nitoby teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana izy ireo, nanomboka tany Beti-jesimota ka hatrany Abela-sitima,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba.
50 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, teo amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko: 51 “Teneno ny Israelita hoe: ‘Hiampita an’i Jordana izao ianareo, dia hiditra ao Kanana.+ 52 Roahy eo anatrehanareo daholo ny mponina ao amin’ilay tany, dia poteho daholo ny sarivongana vato namboarin’izy ireo.+ Poteho daholo koa ny sarivongana metaly*+ sy ny toerana avo masina ao.+ 53 Ary alaivo ho anareo ilay tany, dia mipetraha ao. Tena homeko ho fanananareo mantsy io tany io.+ 54 Dia zarao isaky ny foko sy fianakaviana ilay tany, ka ataovy antsapaka.+ Tokony hataonareo ngeza kokoa ny an’izay foko lehibe kokoa, fa hatao kely kokoa ny an’izay foko kely kokoa.+ Izay tany azon’ny foko tsirairay amin’ny antsapaka no ho lasa lovany. Ary araka ny fokon’ny razambenareo no hahazoanareo tany ho anjara lovanareo.+
55 “‘Fa raha tsy roahinareo hiala eo anatrehanareo ny mponina ao amin’ilay tany,+ dia ho toy ny zavatra malailay amin’ny masonareo ny olona avelanareo hijanona ao, sady ho toy ny tsilo eo amin’ny andilanareo. Hampijaly anareo ry zareo, eo amin’ilay tany hipetrahanareo.+ 56 Ary izay noeritreretiko hatao amin-dry zareo no hataoko aminareo.’”+