Genesisy
15 Taorian’izany, dia niteny tamin’i Abrama tao amin’ny fahitana i Jehovah hoe: “Aza matahotra,+ ry Abrama. Izaho no ampinganao,+ ary hahazo valisoa lehibe ianao.”+ 2 Dia hoy i Abrama: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, inona no homenao ahy? Izaho ity mbola tsy manan-janaka ihany, ka i Eliezera+ avy any Damaskosy no handova ny fananako.” 3 Hoy koa i Abrama: “Tsy nomenao taranaka+ aho, ka ny iray amin’ny mpanompoko no handova sy handimby ahy.” 4 Hoy anefa i Jehovah taminy: “Tsy handova na handimby anao izany lehilahy izany, fa ny zanakao lahy* mihitsy no handova sy handimby anao.”+
5 Dia nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: “Mba jereo ange ny lanitra, azafady e! Dia isao ny kintana raha mahavita manisa azy ianao.” Hoy koa izy taminy: “Ho tahaka an’ireo ny taranakao.”+ 6 Ary naneho finoana an’i Jehovah izy,+ ka nekeny* hoe olo-marina.+ 7 Hoy ihany izy taminy: “Izaho no Jehovah, ilay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeanina, mba hanome anao an’ity tany ity. Dia ho lasanao izy ity.”+ 8 Dia hoy i Abrama: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ahoana no hahafantarako fa ho lasako ity tany ity?” 9 Dia hoy izy taminy: “Itondray vantotr’ombivavy telo taona aho, dia osivavy telo taona, sy ondrilahy telo taona, sy domohina, ary zana-boromailala.” 10 Ary nalain’i Abrama daholo izany, dia nozarainy roa avy, ka ny ilany nataony teo amin’ny andaniny, ary ny ilany teo amin’ny ankilany.* Ny vorona kosa tsy notetehiny. 11 Ary nidina nankeo amin’ny fatin’ireo biby ireo ny vorona mpihaza, nefa noroahin’i Abrama foana.
12 Rehefa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso i Abrama. Dia nisy haizina nampahatahotra be nanarona azy. 13 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Abrama: “Fantaro tsara fa ho vahiny any an-tanin’olona ny taranakao. Ary hataon’ny mponina any andevo ry zareo, ka hampijaliny 400 taona.+ 14 Hotsaraiko anefa ilay firenena hotompoin’izy ireo.+ Aorian’izay izy ireo dia hivoaka hitondra zava-tsoa be dia be.+ 15 Ianao kosa handeha amim-piadanana any amin’ny razambenao, ary ho tratrantitra ianao vao halevina.+ 16 Hiverina eto+ anefa ny taranakao amin’ny andron’ny zafiafiny, satria mbola tsy tafahoatra ny fahadisoan’ny Amorita.”+
17 Rehefa nilentika ny masoandro ka lasa maizina be ny andro, dia nisy lafaoro midona-tsetroka nipoitra. Nisy fanilo mirehitra koa nandalo teo anelanelan’ireo biby nozaraina roa. 18 Dia nanao fifanekena tamin’i Abrama i Jehovah tamin’io andro io,+ hoe: “Ny taranakao no homeko an’ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe. 19 Ny tany homeko azy ireo dia ny tanin’ny Kenita+ sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20 sy ny Hetita+ sy ny Perizita+ sy ny Refaima+ 21 sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.”+