Nomery
9 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay tamin’ny volana voalohany+ tamin’ny taona faharoa, taorian’ny nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta: 2 “Tokony hataon’ny Israelita vonona ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska,+ amin’ny fotoana voatondro.+ 3 Tokony hataonareo vonona ilay izy amin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity, amin’ny takariva,* amin’ny fotoana voatondro. Araka ny lalàna rehetra sy araka ny fanao rehetra momba azy io no tokony hikarakaranareo azy.”+
4 Koa nasain’i Mosesy nikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ny Israelita. 5 Dia nokarakarain’izy ireo tamin’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany, tamin’ny takariva,* ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tany an-tany efitr’i Sinay. Araka ny didy rehetra nomen’i Jehovah an’i Mosesy no nanaovan’ny Israelita an’izany.
6 Naloto anefa ny olona sasany satria nikasika faty,+ ka tsy afaka nikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tamin’iny andro iny. Koa niseho teo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy ireo tamin’izay,+ 7 dia niteny hoe: “Marina fa maloto izahay satria nikasika faty. Maninona anefa izahay no sakanana tsy hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah amin’ny fotoana voatondro, miaraka amin’ny Israelita hafa?”+ 8 Dia hoy i Mosesy tamin’ireo: “Andraso eto aloha, fa aleo hofantariko izay didin’i Jehovah momba anareo.”+
9 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 10 “Teneno ny Israelita hoe: ‘Raha misy aminareo na amin’ny taranakareo any aoriana any lasa maloto satria nikasika faty,+ na tsy maintsy nandeha lavitra, dia hikarakara an’ilay biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’i Jehovah ihany izy. 11 Ny andro faha-14 amin’ny volana faharoa,+ amin’ny takariva,* no tokony hikarakarany an’ilay izy. Tokony hohaniny miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy ny anana mangidy izy io.+ 12 Tsy havelany hisy ambiny tratra maraina ilay izy,+ sady tsy hisy hotapahiny ny taolany. Araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hikarakarany azy.+ 13 Fa raha madio kosa ilay olona na tsy nandeha lavitra nefa tsy nikarakara an’ilay biby hatao sorona hankalazana ny Paska, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny izany olona izany.+ Tsy nanolotra an’ilay fanatitra ho an’i Jehovah tamin’ny fotoana voatondro mantsy izy. Hizaka ny vokatry ny fahotany izy.
14 “‘Ary raha misy olona hafa firenena mipetraka eo aminareo, dia tokony hikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’i Jehovah koa izy.+ Araka ny lalàn’ny Paska sy araka izay efa fanao amin’izy io no hikarakarany azy.+ Tokony hitovy ihany ny lalàna ho an’ny vahiny sy ny teratany.’”+
15 Tamin’ilay andro nananganana ny tranolay,+ dia nanarona an’ilay tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny rahona. Fa zavatra hoatran’ny afo kosa no teo ambonin’ny tranolay tamin’ny takariva ka mandra-paharainan’ny andro.+ 16 Dia izany foana no nitranga: Ilay rahona no nanarona an’ilay tranolay rehefa antoandro, fa zavatra hoatran’ny afo kosa rehefa alina.+ 17 Isaky ny niakatra avy teo ambonin’ny tranolay ilay rahona, dia niainga avy hatrany ny Israelita.+ Teo amin’izay nijanonan’ny rahona kosa ny Israelita no nitoby.+ 18 Niainga ny Israelita rehefa nanome baiko i Jehovah, ary nitoby izy ireo rehefa izay no baikon’i Jehovah.+ Nitoby teo foana izy ireo, raha mbola nijanona teo ambonin’ny tranolay ilay rahona. 19 Rehefa nijanona andro maro teo ambonin’ny tranolay ilay rahona, dia nankatò an’i Jehovah ny Israelita ka tsy niainga.+ 20 Nijanona andro vitsivitsy teo ambonin’ny tranolay ilay rahona indraindray. Nitoby teo foana izy ireo rehefa nanome baiko i Jehovah, ary niainga izy ireo rehefa izay no baikon’i Jehovah. 21 Nijanona nanomboka tamin’ny takariva ka hatramin’ny maraina fotsiny ilay rahona indraindray. Rehefa niakatra ilay rahona ny maraina, dia niainga izy ireo. Koa niainga izy ireo, na andro na alina no niakaran’ilay rahona.+ 22 Na roa andro na iray volana na mihoatra an’izany no nijanonan’ilay rahona teo ambonin’ny tranolay, dia nitoby teo foana ny Israelita fa tsy niainga. Rehefa niakatra anefa ilay rahona, dia niainga izy ireo. 23 Nijanona izy ireo ka nitoby rehefa nanome baiko i Jehovah, fa niainga kosa rehefa izay no baikon’i Jehovah. Nankatò ny didin’i Jehovah izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy.