Tononkiran’i Solomona
6 “Lasa aiza ilay malalanao,
Ry vehivavy tsara tarehy indrindra ô?
Nivily aiza ilay malalanao?
Andao isika hitady azy.”
2 “Lasa nidina any an-jaridainany ny malalako,
Any amin’ny zaridaina feno zava-manitra.
Fa hiandry ondry any izy,
Sady hioty lisy.+
Miandry ondry eny amin’ny toerana feno lisy izy.”+
4 “Tsara tarehy hoatran’i Tirza*+ ianao, ry malalako,+
Kanto hoatran’i Jerosalema,+
Ary mahavariana toy ny tafika milahatra manodidina ny sainany.+
Ny volonao dia hoatran’ny andian’osy
Miara-midina avy eny Gileada.+
6 Ny nifinao dia toy ny andian’ondry
Izay miakatra avy ao anaty rano nanasana azy.
Miteraka kambana izy rehetra,
Ary tsy misy tsy mahavanona anaka.
8 Na eo aza ireo vehivavy 60 vadin’ny mpanjaka,
Sy ny vadikeliny 80,
Ary ny ankizivaviny tsy hita isa,+
9 Dia iray ihany no voromailalako,+ ilay tsy misy tsininy.
Vavitokan’ny reniny izy,
Ary izy no zanaka tena tian’ilay* niteraka azy.
Nahita azy ny ankizivavy, ka nilaza hoe sambatra izy.
Nidera azy koa ny vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny hoe:
10 ‘Iza io vehivavy mamirapiratra* hoatran’ny hazavana vao maraina io?
Tsara tarehy toy ny volana fenomanana izy,
Sady madio tahaka ny tara-masoandro,
Ary mahavariana toy ny tafika milahatra manodidina ny sainany.’”+
11 “Nidina nankany amin’ny saha feno voanjoala+ aho,
Mba hijery ny zavamaniry vao mitsiry eny an-dohasaha,*
Sy hijery raha efa mitsimoka* ny voaloboka,
Ary efa mamony ny ampongabendanitra.
12 Tena te hahita an’izany aho,
Ka tsy nampoiziko akory
Dia tonga teny amin’ny kalesin’ny olona ambony* aho.”
13 “Miverena! Miverena, ry Solemita ô!
Miverena re e! Miverena,
Mba hijerenay anao indray!”
“Fa maninona ianareo no mandinika an’ilay Solemita?”+
“Hoatran’ny dihin’ny toby roa* izy!”