Josoa
5 Dia nataon’i Jehovah ritra teo anoloan’ny Israelita ny ranon’i Jordana mandra-piampitan’izy ireo. Raha vao naheno an’izany ny mpanjaka rehetra teo amin’ny Amorita+ izay teny ampita andrefan’ny Reniranon’i* Jordana, sy ny mpanjaka rehetran’ny Kananita+ tany amoron-tsiraka, dia natahotra be*+ sady tsy nanana herim-po hiadiana intsony noho ny amin’ny Israelita.+
2 Ary nilaza tamin’i Josoa i Jehovah tamin’izay hoe: “Manamboara antsy amin’ny vatoafo, dia ataovy fanindroany ny famorana+ ny lehilahy israelita.” 3 Nanamboatra antsy tamin’ny vatoafo àry i Josoa, dia noforany tao Gibeata-haralota*+ ny lehilahy israelita. 4 Izao no antony nanaovan’i Josoa an’ilay famorana: Maty tany an-tany efitra, tamin’izy ireo teny an-dalana, ny lehilahy mpiady* rehetra avy tany Ejipta, taorian’ny nialan’izy ireo tany.+ 5 Efa voafora ny olona rehetra niala avy tany Ejipta. Tsy voafora kosa ny olona rehetra teraka teny an-dalana, tany an-tany efitra, taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. 6 Nandeha tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona+ mantsy ny Israelita, mandra-paharipaka an’ilay firenena manontolo, izany hoe ny lehilahy mpiady niala avy tany Ejipta izay tsy nankatò ny tenin’i Jehovah.+ Efa nianiana tamin’izy ireo i Jehovah fa tsy hamela azy hahita an’ilay tany+ nanaovan’i Jehovah fianianana tamin’ny razambeny hoe homeny antsika,+ dia tany tondra-dronono sy tantely.+ 7 Ny zanak’izy ireo lahy àry no nataony solony,+ ka ireny no noforan’i Josoa. Mbola tsy voafora izy ireny, satria tsy noforana tamin’izy ireo teny an-dalana.
8 Rehefa voafora ilay firenena manontolo, dia mbola nijanona tany amin’izay nisy azy tao an-toby mandra-pahasitrany.
9 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Androany no nesoriko* taminareo ny fanalam-baraka nataon’i Ejipta.” Nantsoina hoe Gilgala*+ àry ny anaran’izany toerana izany hatramin’izao.
10 Mbola nitoby tao Gilgala ny Israelita, ka nankalaza ny Paska teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko, tamin’ny takarivan’ny andro faha-14 amin’ny volana.+ 11 Ny ampitson’ny Paska, dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, izany hoe mofo tsy misy lalivay+ sy voam-bary natono. 12 Dia tsy nisy intsony ny mana nanomboka tamin’ilay andro nihinanan’izy ireo ny vokatry ny tany. Tsy nisy mana ho an’ny Israelita intsony,+ fa nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin’iny taona iny.+
13 Rehefa teo akaikin’i Jeriko i Josoa, dia nahita lehilahy+ nitana sabatra, nijoro teo anatrehany.+ Nanatona azy i Josoa ka niteny hoe: “Namanay ianao sa naman’ny fahavalonay?” 14 Dia hoy ilay lehilahy: “Tonga* eto aho satria izaho no lehiben’ny* tafik’i Jehovah.”+ Dia niondrika i Josoa ka niankohoka tamin’ny tany, sady niteny hoe: “Misy zavatra tokony holazain’ny tompoko amin’ny mpanompony ve?” 15 Ary hoy ilay lehiben’ny tafik’i Jehovah tamin’i Josoa: “Esory ny kapa eny an-tongotrao, fa masina io toerana misy anao io.” Dia nataon’i Josoa avy hatrany izany.+