Tantara Voalohany
4 Ny zanakalahin’i Joda dia i Pereza,+ Hezrona,+ Karmy, Hora,+ ary Sobala.+ 2 I Reaia zanak’i Sobala niteraka an’i Jahata, ary Jahata niteraka an’i Ahomay sy Lahada. Avy tamin’ireo no niavian’ny fianakavian’ny Zoraita.+ 3 Ireto avy ny zanakalahin’ny rain’i* Etama:+ Jezirela sy Jisma ary Jidbasy —ary Hazelelpony no anaran’ny anabavin’izy ireo—, 4 ka i Penoela no rain’i Gedora, ary Ezera no rain’i Hosa. Ireo no zanak’i Hora+ lahimatoan’i Efrata sady rain’i Betlehema.+ 5 Nanana vady roa i Asora+ rain’i Tekoa,+ dia i Hela sy Nara. 6 Ireto avy no naterak’i Nara taminy: Ahozama, Hefera, Temeny, ary Hahastary. Ireo no zanak’i Nara. 7 Ny zanakalahin’i Hela dia i Zareta sy Jizara ary Etnana. 8 I Koza niteraka an’i Anoba sy Zobeba ary ireo fianakavian’i Aharela zanak’i Haroma.
9 Nahazo voninahitra kokoa noho ny rahalahiny i Jabeza. Nataon’ny reniny hoe Jabeza* ny anarany, satria hoy izy: “Narary aho niteraka azy.” 10 Niantso an’ilay Andriamanitry ny Israely i Jabeza, ka niteny hoe: “Mba tahio re aho dia itaro ny faritry ny taniko e! Ary enga anie ianao hanampy ahy sy hiaro ahy amin’ny loza, dia amin’izay tsy hisy zava-dratsy hanjo ahy!” Dia nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.
11 I Keloba rahalahin’i Soha niteraka an’i Mehira, rain’i Estona. 12 I Estona indray niteraka an’i Beti-rafa sy Pasea ary Tehina rain’i Ira-nahasa. Ireo no olona tao Reka. 13 Ny zanakalahin’i Kenaza dia i Otniela+ sy Seraia. Ary ny zanakalahin’i* Otniela dia i Hatata. 14 I Meonotahy niteraka an’i Ofra. I Seraia no niteraka an’i Joaba rain’i Ge-harasima.* Izany no natao anarany satria mpanao asa tanana ny mponina tao.
15 Ny zanakalahin’i Kaleba+ zanak’i Jefone dia i Iro sy Elaha ary Nama. Ary ny zanakalahin’i* Elaha dia i Kenaza. 16 Ny zanakalahin’i Jehalalila dia i Zifa, Zifaha, Tiria, ary Asarela. 17 Ny zanakalahin’i Ezra dia i Jatera, Mareda, Efera, ary Jalona. Niteraka an’i Miriama sy Samay ary Jisba rain’i Estemoa izy.* 18 Ary ilay vadiny jiosy dia niteraka an’i Jareda rain’i Gedora, sy Hebera rain’i Soko, ary Jakotiela rain’i Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia zanakavavin’i Farao. I Bitia ilay nalain’i Mareda ho vadiny.
19 Ireto avy ny zanakalahin’ny vadin’i Hodia: Ny rain’i Keila Garmita sy Estemoa Makatita. Anabavin’i Nahama io vadin’i Hodia io. 20 Ny zanakalahin’i Simona dia i Amnona, Rina, Ben-hanana, ary Tilona. Ary ny zanakalahin’i Jisy dia i Zoheta sy Ben-zoheta.
21 Ny zanakalahin’i Sela+ zanak’i Joda, dia i Era rain’i Leka, Lada rain’i Maresa, ireo fianakavian’ny mpanenona lamba tena tsara avy amin’ny ankohonan’i Asbea, 22 Jokima, ireo olona tao Kozeba, Joasy, sy Sarafa, izay samy nanambady vehivavy moabita, ary Jasobi-lehema. Lisitra efa taloha be ireo.* 23 Mpanefy tanimanga izy ireo, ary nipetraka tao Netaima sy Gadera. Sady nipetraka tao izy ireo no niasa ho an’ny mpanjaka.
24 Ny zanakalahin’i Simeona+ dia i Nemoela, Jamina, Jariba, Zera, ary Saoly.+ 25 I Saoly niteraka an’i Saloma, ary Saloma niteraka an’i Mibsama, ary Mibsama niteraka an’i Misma. 26 I Misma niteraka an’i Hamoela, ary Hamoela niteraka an’i Zakora, ary Zakora niteraka an’i Simey. 27 Nanana zanakalahy 16 sy zanakavavy 6 i Simey, fa ny rahalahiny kosa tsy nanan-janaka firy. Tsy nisy tamin’ny fianakavian’izy ireo nanan-janaka be dia be hoatran’ny an’ny fokon’i Joda.+ 28 Ireto avy ny tanàna nipetrahan’izy ireo: Beri-sheba,+ Molada,+ Hazara-soala,+ 29 Bilaha, Azema,+ Tolada, 30 Betoela,+ Horma,+ Ziklaga,+ 31 Beti-markabota, Hazara-sosima,+ Beti-biry, ary Saraima. Ireo no tanànany mandra-pahalasa mpanjaka an’i Davida.
32 I Etama, Aina, Rimona, Tokena, ary Asana+ no tanàna keliny. Dimy ireo tanàna ireo, 33 miampy an’ireo tanàna kely manodidina an’ireo tanàna ireo hatrany Bala. Ireo no voasoratra ao amin’ny tetirazany,* ary tao amin’ireo toerana ireo izy ireo no nipetraka. 34 I Mesobaba, Jamleka, Josa zanak’i Amazia, 35 Joela, Jeho zanak’i Josibia, zanak’i Seraia, zanak’i Asiela, 36 ary Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jesimiela, Benaia, 37 Ziza zanak’i Sify, zanak’i Alona, zanak’i Jedaia, zanak’i Simry, zanak’i Semaia: 38 Ireo voatonona anarana ireo no mpiadidy teo amin’ny fianakaviany. Dia lasa be dia be ny tao amin’ny fianakaviambeny. 39 Nankany amin’ny fidirana mankao Gedora hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha izy ireo, mba hitady kijana ho an’ny ondry aman’osiny. 40 Dia nahita kijana lonaka sady be vilona izy ireo tamin’ny farany. Nalalaka be ilay tany sady nangingina no tsy nisy nanelingelina. Ny taranak’i Hama+ no nipetraka tao taloha. 41 Tamin’ny andron’i Hezekia+ mpanjakan’ny Joda no tonga ireo voasoratra anarana ireo. Noravan’izy ireo ny tranolain’ny Hamita sy ny Meonita hitany tao. Naringany izy ireny ka tsy hita intsony hatramin’izao. Dia izy ireo indray no lasa nipetraka tao, satria nisy kijana ho an’ny ondry aman’osiny tao.
42 Nankany amin’ny Tendrombohitra Seira+ ny sasany tamin’ny taranak’i Simeona, ary nisy 500 lahy izy ireo. Ary nitarika azy ireo i Pelatia, Nearia, Refaia, ary Oziela, izay samy zanak’i Jisy. 43 Dia naringan’izy ireo izay sisa tavela tamin’ny Amalekita+ afa-nandositra. Mbola mipetraka ao izy ireo hatramin’izao.