Joba
16 Dia namaly i Joba hoe:
2 “Efa nandre zavatra be dia be hoatr’izany aho.
Mpampionona mandreraka daholo ianareo!+
3 Hisy farany ve izany resa-be izany?
Fa inona no mahatonga anao hamaly hoatr’izany?
4 Izaho koa mba mahay miteny hoatr’anareo.
Raha ianareo no teo amin’ny toerako,
Dia ho afaka nanao teny tsara lahatra hamelezana anareo aho,
Sady ho nihivingivin-doha naneso+ anareo.
5 Aleoko anefa milaza teny mankahery anareo,
Ary hanamaivana anareo ny fampiononana lazain’ny vavako.+
6 Raha miteny aho, dia tsy manamaivana ny fahoriako izany.+
Ary raha mangina aho, dia hampihena ny fanaintainako ve izany?
8 Mihazona ahy koa ianao, ary lasa hitan’ny olona izany,
Ka mihamahia aho ary miampanga ahy izany.
9 Mamiravira ahy ny hatezerany, ary mankahala ahy izy.+
Mihidy vazana izy mijery ahy.
Masiaka amiko ny mason’ny fahavaloko.+
10 Nitanatana vava handrapaka ahy ny olona,+
Ary nandatsa ahy ka namely tehamaina ahy;
Anaovan’izy ireo tambabe aho.+
11 Atolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ireo tovolahy aho,
Ary atosiny mafy eo an-tanan’ny ratsy fanahy.+
12 Nilamina ny fiainako, nefa nopotehiny.+
Noraisiny tamin’ny hatoko aho dia natontany ka torotoro,
Ary nokendreny tamin’ny zana-tsipìkany.
13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany.+
Trobarany tsy ananany antra ny voako;+
Ararany amin’ny tany ny aferoko.
14 Gorobahany tsy an-kijanona hoatran’ny manda aho;
Miantoraka hamely ahy toy ny miaramila izy.
16 Boramena aho satria mitomany foana,+
Ary mivalomainty* ny hodi-masoko,
17 Nefa izaho tsy mba nanisy ratsy olona mihitsy,
Ary madio ny vavaka ataoko.
18 Ry tany ô, aza totofana ny rako!+
Ary aoka ny fitarainako tsy hanana toerana ialana sasatra!
19 Na izao aza, dia misy vavolombeloko any an-danitra;
Any amin’ny avo ilay vavolombelona afaka miaro ahy.