Genesisy
34 Ary zatra niarakaraka tamin’ny* tovovavy tompon-tany+ i Dina zanakavavin’i Jakoba sy Lea.+ 2 Rehefa nahita azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora Hivita,+ mpiadidy tao amin’ilay tany, dia naka azy ka nanolana azy. 3 Dia lasa raiki-pitia tamin’i Dina zanakavavin’i Jakoba i Sekema. Tena tia an’ilay tovovavy izy, ka nanao teny nambabo ny fony.* 4 Farany, dia hoy i Sekema tamin’i Hamora+ rainy: “Alaivo ho vadiko ilay ankizivavy iny.”
5 Ary henon’i Jakoba fa efa nandoto an’i Dina zanany vavy i Sekema. Ny zanany lahy anefa mbola niandry ny biby fiompiny tany an-tsaha tamin’izay. Nangina àry aloha i Jakoba mandra-piverin’izy ireo. 6 Avy eo dia nivoaka hiresaka tamin’i Jakoba i Hamora, rain’i Sekema. 7 Henon’ny zanakalahin’i Jakoba anefa izay nitranga, ka tonga dia nody avy tany an-tsaha izy ireo. Tena sosotra izy ireo sady tezitra be, satria nanala baraka ny Israely i Sekema, rehefa nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Jakoba,+ nefa zavatra tsy tokony hatao mihitsy+ izany.
8 Ary niresaka tamin’izy ireo i Hamora hoe: “Raiki-pitia amin’ny zanakareo vavy i Sekema zanako. Koa mba omeo azy re izy ho vadiny e! 9 Andao isika hanao fifanarahana,* ka omeo ho vadin’ny zanakay lahy ny zanakareo vavy, ary alaivo ho vadin’ny zanakareo lahy ny zanakay vavy.+ 10 Mahazo miara-monina aminay ianareo, ka ho afaka hipetraka eny amin’izay tianareo hipetrahana eto amin’ity tany ity. Mipetraha eto dia manaova varotra eto, ary ataovy izay hahatamana anareo.” 11 Ary hoy i Sekema tamin’ny rain’ilay tovovavy sy ny anadahiny: “Mba tanteraho re ny faniriako e, fa homeko anareo izay angatahinareo amiko. 12 Afaka mitaky vodiondry lafo be amiko ianareo, sady afaka mangataka fanomezana faran’izay lafo vidy,+ fa vonona aho hanome an’izay teneninareo. Fa mba omeo ho vadiko fotsiny ilay ankizivavy iny.”
13 Ary namitaka an’i Sekema sy Hamora rainy ny zanakalahin’i Jakoba, satria i Sekema nandoto an’i Dina anabavin’izy ireo. 14 Dia namaly izy ireo hoe: “Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an’ny lehilahy tsy mifora,*+ fa manala baraka anay izany. 15 Izao atao vao hanaiky izahay: Tsy maintsy manao hoatr’anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.+ 16 Dia homenay anareo ny zanakay vavy, ary halainay ho anay ny zanakareo vavy. Hiara-monina aminareo koa izahay, dia ho lasa firenena iray isika. 17 Fa raha tsy manaraka ny teninay ianareo ka tsy manaiky hoforana, dia halainay ny anabavinay dia handeha izahay.”
18 Ary tian’i Hamora+ sy Sekema zanany+ ny hevitr’izy ireo. 19 Dia tsy nangataka andro ilay tovolahy fa nanao an’izay nangatahin’izy ireo,+ satria nahafinaritra azy ny zanakavavin’i Jakoba. Izy koa no nohajaina indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy manontolo.
20 Dia nankeo am-bavahadin’ny tanàna i Hamora sy Sekema zanany, ka niteny tamin’ny lehilahy tao an-tanàna+ hoe: 21 “Te hihavana amintsika ireo olona ireo. Koa aleo izy hipetraka eto amin’ity tany ity sy hanao varotra eto, satria malalaka be ny tany ka mbola antonona azy. Azontsika alaina ho vady ny zanany vavy, ary azontsika omena azy koa ny zanatsika vavy.+ 22 Fa raha izao no ataontsika vao hanaiky hiara-monina amintsika izy ireo mba ho lasa firenena iray isika sy ry zareo: Tsy maintsy forana+ hoatran-dry zareo koa ny lehilahy rehetra eto amintsika. 23 Dia tsy ho lasantsika ve amin’izay ny fananany sy ny harenany ary ny biby fiompiny rehetra? Aleo hekentsika izay lazainy, mba hiara-monina amintsika ry zareo.” 24 Ary nanaiky ny tenin’i Hamora sy Sekema zanany ny olona rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany, ka noforana ny lahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanàna.
25 Tamin’ny andro fahatelo anefa, raha iny mbola nanaintaina iny ireo lehilahy ireo, dia samy naka ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy Levy, anadahin’i Dina.+ Dia niditra tao an-tanàna izy roa lahy, nefa tsy nisy niahiahy azy mihitsy, dia novonoiny daholo ny lehilahy rehetra tao.+ 26 Dia novonoiny tamin’ny sabatra i Hamora sy Sekema zanany, dia avy eo nalainy tao an-tranon’i Sekema i Dina ka lasa izy ireo. 27 Tonga koa ny zanakalahin’i Jakoba hafa ka nandroba ny tanànan’ireo lehilahy novonoina ireo, satria nandoto ny anabaviny ireo.+ 28 Dia nalain’ny zanak’i Jakoba ny ondrin’izy ireo, ny ombiny, ny ampondrany, sy izay tao an-tanàna, ary izay teny an-tsaha. 29 Nalainy daholo koa ny fananan’izy ireo, sady nentiny ho babo daholo ny zanany kely sy ny vadiny, ary norobainy ny zava-drehetra tany anaty trano.
30 Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy Levy:+ “Efa nampidi-kizo ahy mihitsy ianareo, fa noho ny nataonareo, dia lasa maimbo amin’ny mponina eto amin’ity tany ity aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Isika anefa vitsy kely, dia hitambatra hanafika antsika ry zareo, ka ho ripaka izaho sy ny ankohonako.” 31 Hoy anefa izy ireo: “Ny anabavinay kosa ve dia avelanay hataon’ny olona hoatran’ny mpivaro-tena?”