Genesisy
13 Niala tany Ejipta avy eo i Abrama sy ny vadiny, dia nentiny izay rehetra nananany. Niakatra nankany Negeba+ izy ireo, niaraka tamin’i Lota. 2 Nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena be dia be i Abrama tamin’izay.+ 3 Nifindrafindra toby izy teny an-dalana avy any Negeba nankany Betela, mandra-pahatongany teo amin’ilay toerana nasiany ny tranolainy taloha, teo anelanelan’i Betela sy Ay,+ 4 teo amin’ilay toerana nanorenany alitara. Ary niantso ny anaran’i Jehovah teo i Abrama.
5 Nanana ondry sy omby ary tranolay koa i Lota, ilay niaraka tamin’i Abrama. 6 Lasa tsy antonona azy rehetra àry ilay tany, satria lasa be dia be ny fananan’izy ireo, ka tsy afaka niara-nipetraka intsony izy ireo. 7 Dia nifamaly be ny mpiandry ny biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lota.—Ny Kananita sy ny Perizita no nipetraka tao amin’ilay tany,+ tamin’izany fotoana izany.— 8 Dia hoy i Abrama tamin’i Lota:+ “Azafady re e! Tsy tokony hifamaly izaho sy ianao, na ny mpiandry ny biby fiompiko sy ny anao, fa mpirahalahy isika. 9 Afaka mifidy an’izay tianao hipetrahana eto amin’ity tany ity ianao. Fa aleo isika misaraka e! Raha miankavia ianao, dia izaho hiankavanana. Fa raha miankavanana kosa ianao, dia izaho hiankavia.” 10 Dia nitazana i Lota, ka hitany fa azon-drano tsara ny faritr’i Jordana manontolo+ hatrany Zoara,+ toy ilay zaridainan’i Jehovah,+ hoatran’i Ejipta. Azon-drano tsara ilay faritra talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora. 11 Nifidy ny faritr’i Jordana manontolo àry i Lota, ka nafindrany niantsinanana ny tobiny. Dia nisaraka izy mianaka. 12 Ary nijanona tany Kanana i Abrama, fa i Lota kosa nipetraka teny amin’ireo tanànan’ny faritr’i Jordana.+ Tamin’ny farany, dia nanangana ny tranolainy teo akaikin’i Sodoma i Lota. 13 Ratsy fanahy anefa ny olona tao Sodoma sady mpanota be teo imason’i Jehovah.+
14 Hoy i Jehovah tamin’i Abrama, rehefa nisaraka izy sy Lota: “Azafady ange e! Jereo avy eo amin’ny toerana misy anao eo ny manodidina, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana. 15 Fa homeko ho fanananao sy ny taranakao mandrakizay ireo tany rehetra tazanao ireo.+ 16 Ary hataoko be dia be tahaka ny vovoka amin’ny tany ny taranakao. Raha misy mahavita manisa ny vovoka amin’ny tany, dia ho voaisa koa ny taranakao.+ 17 Mandehana àry mitety an’ilay tany amin’ny lavany sy ny sakany, satria ianao no homeko azy io.” 18 Ary nipetraka tao anaty tranolay foana i Abrama. Tatỳ aoriana, dia tonga teo amin’ireo hazobe tao Mamre+ tany Hebrona+ izy, ka nonina teo. Ary nanorina alitara ho an’i Jehovah teo izy.+