Levitikosy
17 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Mitenena amin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra hoe: ‘Izao no didy nomen’i Jehovah:
3 “‘“Raha misy amin’ny taranak’Israely mamono omby, na ondrilahy kely, na osy, ao amin’ny toby na any ivelan’ny toby, 4 fa tsy mitondra an’izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho fanatitra ho an’i Jehovah, eo anoloan’ny tranolain’i Jehovah, dia meloka ho nandatsa-dra izy. Nandatsa-dra ilay olona, ka haringana tsy ho anisan’ny fireneny. 5 Amin’izay mantsy dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hitondran’ny Israelita ny biby atao sorona, fa hoentiny any amin’i Jehovah, any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Hataony sorona iombonana ho an’i Jehovah izany.+ 6 Dia hafafin’ny mpisorona eo ambony alitaran’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny ran’ilay izy. Ary hodorany ny tavin-kena mba hidona-tsetroka, ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+ 7 Amin’izay izy ireo dia tsy hanao sorona intsony ho an’ireo demonia miendrika osy,*+ izay notompoiny.*+ Fitsipika tokony harahinareo foana izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.”’
8 “Izao no holazainao amin’izy ireo: ‘Raha misy amin’ny taranak’Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, manolotra fanatitra dorana na sorona, 9 nefa tsy mitondra an’izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny izany olona izany.+
10 “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, mihinana ra, na ran’inona izany na ran’inona,+ dia hanohitra an’ilay olona nihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy. 11 Fa ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.+ Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra+ mba handrakofana ny fahotanareo. Ny ra mantsy no mandrakotra fahotana+ satria ao aminy ny aina. 12 Izany no antony nilazako tamin’ny Israelita hoe: “Tsy tokony hisy hihinan-dra ianareo, ary tsy tokony hisy hihinan-dra+ koa ny hafa firenena monina eo aminareo.”+
13 “‘Raha misy amin’ny Israelita na ny hafa firenena monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany ny rany,+ ka hototofany vovoka. 14 Ny ain’ny karaza-nofo rehetra mantsy dia ny rany, satria ao amin’ny ra ny aina. Koa nilaza tamin’ny Israelita aho hoe: “Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona izany na nofon’inona, satria ny rany no ain’ny karaza-nofo rehetra, ka haringana izay mihinan-dra.”+ 15 Raha misy olona mihinana biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia,+ na teratany izy na vahiny, dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy,+ ary hadio avy eo. 16 Fa raha tsy manasa ny akanjony izy sady tsy mandro, dia hizaka ny vokatry ny fahadisoany.’”+