Joba
36 Hoy ihany i Eliho:
2 “Mahareta kely amiko fa hanazava aho.
Mbola misy teny asain’Andriamanitra lazaiko mantsy.
7 Tsy miala eny amin’ny olo-marina ny masony;+
Apetrany eo amin’ny seza fiandrianana miaraka amin’ny mpanjaka izy ireo,*+ ka misandratra mandrakizay.
8 Raha voagejan’ny gadra vy anefa izy ireo
Ka voafatotry ny fahoriana,
9 Dia ampahafantarin’Andriamanitra azy ireo izay nataony,
Izany hoe ny nandikany lalàna noho izy ireo nirehareha.
10 Sokafany ny sofin’izy ireo mba hihaino fanitsiana,
Ka teneniny izy ireo mba hiala amin’ny fanao ratsy.+
11 Raha mankatò sy manompo azy izy ireo,
Dia hiadana mandritra ny androm-piainany,
Ary hahafinaritra ny taona hiainany.+
13 Hitana lolompo ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.*
Tsy miantso vonjy izy ireo na dia fatorany aza.
15 Mamonjy an’izay mijaly kosa Andriamanitra* mandritra ny fahorian’izy ireo;
Sokafany ny sofin’izy ireo mba hihaino azy rehefa misy mampahory azy ireo.
16 Sintoniny hiala eo am-pototry ny fahoriana ianao+
Ka entiny any amin’ny toerana malalaka tsy misy maneritery,+
Ary sakafo matsiro sady tondraka no eo ambony latabatrao ho fampiononana anao.+
17 Dia ho afa-po ianao rehefa voaheloka ny ratsy fanahy,+
Rehefa mivoaka ny didim-pitsarana ary ampiharina ny rariny.
18 Mitandrema anefa sao lasa manao ratsy* ianao noho ny hatezerana,+
Ary aza avela hitarika anao any amin’ny lalan-diso ny tsolotra be dia be.
20 Aza maniry ny hahatongavan’ny alina,
Izay tsy ahitana ny olona eo amin’ny toerany.
22 Jereo fa misandratra Andriamanitra noho ny heriny;
Iza no mba mpampianatra mitovy aminy?
25 Mahita an’izany ny olombelona rehetra,
Ary mitazana avy eny lavitra eny ny olombelona mety maty.