Manontany ny Tanora Hoe...
Fiainana Roa Sosona Iza no Tokony Hampahalalaina Izany?
“Nitondra ahy tany amin’ireo fivoriana kristiana i Dada sy i Neny, ary nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy aho”, hoy ny fieken’i Robert. “Nefa niriko ny mba ho tiana sy heken’ny ankizy hafa tany an-tsekoly. Koa mba hilazana ahy hoe ‘mahavita azy’ sy mba ho tian’ny hafa, dia nanomboka nifoka sigara aho tao amin’ny kilasy fahenina. Tao amin’ny kilasy fahadimy, dia nanomboka nampiasa LSD sy nifoka maoly aho. Tao amin’ny kilasy fahefatra, dia nanomboka nitsindrona tamin’ny zava-mahadomelina atao hoe speed aho. Namitaka ny olona rehetra aho — nefa nijaly aho tato anatiko.”
TANORA maro amin’izao andro izao — ao anatin’izany ny tanora sasany notezain’ny ray aman-dreny kristiana — no manana fiainana roa sosona. Tsy hoe mampiasa zava-mahadomelina tahaka an’i Robert avokoa izy ireo. Nefa ao an-damosin’ny ray aman-dreniny, ny tanora sasany dia mampiaraka, misotro zava-pisotro misy alkaola, manao akanjo sampontsampona, mihaino mozika mitabataba, mamonjy lanonana tsy voafehy, ary manao zavatra hafa maro be miafina, izay tsy ankasitrahana na raran’ny ray aman-dreniny. Moa ve ianao manana izany fomba fiaina izany?
Raha izany no izy, dia azo inoana fa fantatrao fa ratsy ny ataonao. Tahaka an’i Robert, dia mety henjehin’ny feon’ny fieritreretanao meloka mihitsy aza ianao. (Romana 2:15). Tsy mahafinaritra anefa ny mieritreritra ny hoe hanambara amin’ny ray aman-dreny ny zava-dratsy ataon’ny tena. Ary rehefa mihevitra izay mety ho vokany ianao, dia mety ho toa marim-pototra ilay fanaporofoan-kevitra manao hoe: ‘Izay tsy fantatry ny ray aman-dreniko dia tsy hanimba azy ireo.’ Mety hanimba anao anefa izany.
Fiheverana diso
Mety hahatsapa ianao, ohatra, fa manana antony ara-dalàna hitarainana ny amin’ny fomba fanaovan’ny ray aman-dreninao zavatra. Marina angamba ny anao. Nefa, na dia sarotiny tafahoatra, tsy azo ifampiresahana, na manjakazaka aza izy ireo indraindray, moa ve izany manamarina ny tsy fankatoavana maharitra? Tsy izany, araka ny Tenin’Andriamanitra, izay manoro hevitra toy izao: “Maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20). Ary ahoana raha tsapanao fa manana antony azo ekena ny ho sosotra amin’ny ray aman-dreninao ianao? Ara-drariny ve ny hampisehoana izany fahasosoranao izany amin’ny fandikana amin’ny fomba miafina ireo fari-pitsipika nomen’Andriamanitra? Raha ny marina, amin’izany ianao dia hanao zavatra toy ny hoe ‘sosotra amin’i Jehovah’. (Ohabolana 19:3). Ny zavatra tokony hatao dia ny manatona ny ray aman-dreninao sy miara-miresaka aminy amim-pahatoniana ny amin’izay mety ho alahelo rehetra anananao. — Ohabolana 15:22.
Diso tahaka izany koa ny hinoana fa fiarovana ny ray aman-dreninao amin’ny alahelo ny mangina. Nilaza toy izao ny ankizilahy iray 16 taona: “Tsy hiresaka momba izay zavatra handiso fanantenana [ny ray aman-dreniko] aho.” Mbola hevi-dravina koa ny fiheverana toy izany satria famitahan-tena fotsiny. Araka ny ilazan’ny Baiboly azy, ny fanaovan-javatra tahaka izany dia toy ny olona “miarahaba tena (...) ny amin’ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy”. (Salamo 36:2). Raha tena miahy ny amin’ny fihetseham-pon’ny ray aman-dreninao ianao, dia hanalavitra ny tsy fankatoavana azy ireo voalohany indrindra. Etsy an-danin’izany, dia azo inoana fa tsy hisy dikany izay mety ho fanandramana rehetra hanafina zavatra amin’ny ray aman-dreninao, satria tsy isalasalana fa efa fantatry ny olon-kafa ny momba ny fiainanao miafina.
Tsy misy zavatra miafina
Ireo Isiraelita taloha dia nianatra izany rehefa nanandrana nandositra ny famaizana tamin’ny fanafenana ny zava-dratsy nataony. Nampitandrina toy izao i Isaia mpaminany: “Lozan’izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’i Jehovah, sady ao amin’ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?” (Isaia 29:15). Nanadino ireo Isiraelita fa Andriamanitra dia nahita ny asa fanaovana fitondran-tena ratsy nataony. Tamin’ny fotoana nety, dia nampamoahiny izy ireo noho ireo fahadisoany.
Tamin’ny taonjato voalohany, dia hita fa marina koa izany tamin’ny Kristiana sasany tao anatin’ny kongregasiona. Vakio ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:1-11 (NW) ny fitantarana momba an’i Ananiasy sy i Safira vadiny. Rehefa nisy vola manokana nomena mba hikarakarana ireo Kristiana sahirana, dia nivarotra tany iray i Ananiasy ary nilaza tamin-kasahiana fa nanao fanomezana ny vola rehetra vidiny. Raha ny tena izy anefa, dia “nitahiry tamim-piafenana sasany tamin’ny vidiny” i Ananiasy mba ho azy manokana. Voafitaka tamin’izany fihamboana ho malala-tanana izany ve Andriamanitra? Tsy izany velively. “Tsy olona no nofitahinao fa Andriamanitra”, hoy ny apostoly Petera. “Rehefa nandre izany teny izany i Ananiasy, dia nikarapoka ka niala aina”. I Safira, izay niray tsikombakomba taminy, dia maty fotoana fohy taorian’izay. Toa samy nanadino izy ireo fa Andriamanitra dia “mahalala ny miafina ao am-po”. — Salamo 44:21.
Tahaka izany koa amin’izao andro izao, na dia afaka manafina amin’ny ray aman-dreninao ny fitondran-tenanao ratsy aza ianao, dia tsy afaka ny hanafina izany fitondran-tena ratsy izany amin’ny maso matsilon’i Jehovah Andriamanitra. “Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany”, hoy ny Hebreo 4:13, “fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” Afaka ny hahatsapa ny ho tsy aharihary kokoa noho izany ve ianao? Ary amin’ny farany, dia hiseho amin’ny hafa koa ireo fahotanao miafina. Milaza toy izao ny Ohabolana 20:11: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” Milaza toy izao ny ohabolana hafa iray: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina”. — Ohabolana 28:13.
Ny vehivavy tanora iray atao hoe Tammy dia nianatra izany fony izy tanora. Na dia notezain’ny ray aman-dreny kristiana aza izy, dia nanomboka nifoka sigara, nisotro, sy nampiaraka tamin’ny olona tsy mpino. Niezaka mafy nanafina ny fahalotoam-pitondran-tenany izy, nefa hoy izy mahatsiaro: “Nahamarika fiovana teo amiko ny ray aman-dreniko. Nanjary nikomy sy nanana toe-tsaina tsy tia fiankinana aho. Rehefa manana fiainana roa sosona ny olona iray, dia tsy maintsy miseho izany na ho ela na ho haingana. Tamiko izany dia tsy ela. Tratran’ny raiko nampiaraka tamin’ny ankizilahy iray tao amin’ny sekoly iray teny amin’ny manodidina aho”.
Izay tsapan’i Jehovah
Noho izany, izay tsy fantatry ny ray aman-dreninao dia afaka — ary azo inoana — fa hampalahelo azy ireo amin’ny fotoana mety. Ny mbola zava-dehibe aza dia izao: efa mba nanontany tena ve ianao hoe: ‘Inona no tsapan’i Jehovah momba ireo izay miaina ao anatin’ny lainga?’ Mamaly toy izao ny Salamo 5:5, 6: “Halanao ny mpanao ratsy rehetra. Haringanao ny mpiteny lainga, ny olona (...) mpamitaka dia ataon’i Jehovah ho zava-betaveta.” Aza mamita-tena amin’ny fiheverana fa afaka mampitony an’Andriamanitra ianao amin’ny fisalorana fotsiny fifikirana aminy rehefa manatrika fivoriana ara-pivavahana. Fantany rehefa ‘manaja azy amin’ny molony ny olona, fa lavitra azy kosa ny fony’. — Marka 7:6.
Araka izany dia niaiky toy izao ny tanora iray atao hoe Ricardo, izay nanao fahalotoam-pitondran-tena: “Mahatsiravina rehefa mahafantatra ny tena fa nampalahelo an’i Jehovah.” Nefa, mety ho tena hisy ve izany hoe mampalahelo an’i Jehovah — izany hoe, mandratra azy? Izany tokoa! Rehefa nahafoy ny Lalàn’Andriamanitra ny firenen’Isiraely fahiny dia “nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely” izy ireo. (Salamo 78:41). Toy inona moa no tsy maintsy ho alahelony amin’izao andro izao rehefa manao zava-dratsy miafina ireo tanora notezaina tao “amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”! — Efesiana 6:4, NW.
Ny alahelon’ny ray aman-dreny
Eritrereto manaraka izany, fa tsy afaka ny hijanona mandrakizay ao amin’ny miafina ianao. Adidinao amin’Andriamanitra sy amin’ny ray aman-dreninao ary amin’ny tenanao ny milaza ny marina sy ny mitsotra izay nataonao niafina. Marina fa mety hahasanganehana sy hisy vokany mampalahelo mafy angamba ny fanaovana izany. (Hebreo 12:10, 11). Raha niaina tao anatin’ny lainga sy ny fitaka ianao, dia nandrava ny fitokiana nananan’ny ray aman-dreninao taminao. Koa aza gaga raha sarotiny bebe kokoa aminao noho ny teo aloha izy ireo. “Rehefa nahatratra ahy nampiaraka tamin’ny ankizilahy ny raiko”, hoy ny tsaroan’i Tammy, “dia natahotra izy. Tsapany izao fa tsy azo nitokiana aho. Nidika ho fanaraha-maso ahy foana izany.” Niaiky anefa i Tammy fa nijinja fotsiny izay nafafiny izy. — Galatiana 6:7.
Azonao ampoizina koa ny hampalahelo sy ny hahasosotra ny ray aman-dreninao. Voaloto ny anarany sy ny lazany. (Ampitahao amin’ny Genesisy 34:30.) Raha Vavolombelon’i Jehovah ny rainao, dia mety ho voatery hafoiny ireo tombontsoany sasany ao anatin’ny kongregasiona. (Titosy 1:5-7). Eny, araka ny ilazan’ny Ohabolana 17:25 azy, dia “mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy” ny tanora mikomy iray.
Ilay mpanoratra atao hoe Joy P. Gage dia milazalaza amin’ny fomba manohina ny fo izay tsapan’ny ray aman-dreny sasany rehefa mikomy ny zanaka iray. Hoy izy: “Ny sasany mitomany mangina. Ny sasany mitomany migoigoika. Ny sasany mitomany miafina. Mitomany noho ny lasa izy ireo. Mitomany izy ireo satria tampoka teo dia tsy misy hoavy. Mitomany noho izay nety ho nisy izy ireo. Mitomany noho izay azo antoka fa hisy izy ireo. Mitomany noho ny fahasosorana izy ireo. Mitomany noho ny fahadisoam-panantenana izy ireo.” Marina fa tsy ho mora ny fiatrehana izany alahelo nentinao ho an’ireo olon-droa tia anao indrindra ireo izany. Milaza toy izao i Tammy: “Rehefa mitodika ny lasa aho dia niriko ny tsy hampitondra alahelo be dia be toy izany ny raiko sy ny reniko.”
Kanefa, tsy afaka ny hiverin-dalana sy hanafoana ny lasa ianao. Ary na dia hanahirana sy hananosarotra aza izany, dia manana adidy hiezaka handamina ny raharaha ianao. (Ampitahao amin’ny Isaia 1:18, NW.) Izany dia midika ho filazana ny marina amin’ny ray aman-dreninao, amin’ny fiekena fa nampalahelo sy nahasosotra azy ianao, amin’ny fanekena izay mety ho famaizana ampihariny aminao. Ny filazanao ny marina no mety ho dingana voalohany hitondra fifaliana ho an’ny fon’ny ray aman-dreninao, sy ho an’ny fon’i Jehovah Andriamanitra, ary koa hahazoanao ny fahafaham-po mahafaly entin’ny feon’ny fieritreretana madio. — Ohabolana 27:11; 2 Korintiana 4:2.
Nefa, ahoana amin’izay àry no tokony hilazana izany amin’ny ray aman-dreninao? Ahoana no ahafahanao miala ny fananana fiainana roa sosona? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Sary, pejy 20]
Ny filazana ny marina dia afaka mitondra fanamaivanana ho anao sy ho an’ny ray aman-dreninao