Mety ve ny Mifraody mba Hahazoana Naoty Tsara?
MBOLA mianatra ve ianao? Angamba ianao mahalala ankizy mifraody mba hahazoana naoty tsara. Betsaka no manao an’izany. Nanadihady mpianatra 30 000 teo ho eo tany amin’ny lise any Etazonia ny Fikambanana Josephson, tamin’ny 2008. Niaiky ny 64 isan-jatony fa efa nifraody tamin’io taona io. Misy milaza anefa fa mihoatra ny 75 isan-jato ny ankizy mifraody.
Olana lehibe any Eoropa koa ny fraody, indrindra fa ny fisandohana. Hoy ny gazety navoakan’ny Oniversite iray any Espaina: “Fanao vaovao sy miely patrana izao ny mivarotra laza adina miaraka amin’ny valiny na ny mivarotra famelabelarana hahazoana diplaoman’ny oniversite. Alaina ao amin’ny Internet izany.”
Nahoana no lasa olana lehibe ny fraody? Tena mahasoa ve ny mifraody? Mbola tsara foana ve ny manao ny marina, na dia mety hahakely naoty aza izany?
Nahoana no betsaka ny mifraody?
Tsy manaraka fitsipika intsony. Hoy ny Gazetin’ny Filan-kevitra Amerikanina Momba ny Sekoly: “Maro ny mpanabe milaza fa tia tena ny olona sady tsy manaraka fitsipika intsony, ka lasa be ny mifraody.” Mpianatry ny lise ny ankizivavy iray ary manaraka fiofanana manokana sy haingana kokoa. Hoy izy: ‘Mifraody daholo izahay. Te hahazo naoty tsara izahay mba ho tafiditra any amin’ny sekoly tsara. Tsy hoe maditra na mpandika lalàna izahay, fa mba te hianatra eny amin’ny oniversite tsara fotsiny.’ Na ny ray aman-dreny sasany aza manana toe-tsaina toy izany. Tiany ho “tafita” ny zanany ka tsy mampaninona azy na mifraody aza. Vao mainka àry tsy miraharaha fitsipika ny zanany.
Te ho tafita. Misy ankizy mifraody nefa tsy tratra, ka lasa mifraody ny ankizy sasany sao ho resin’izy ireny, hoy i Donald McCabe, mpanorina ny Foibe Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fraody sy Kolikoly any Am-pianarana.
Noho ny teknolojia. Mandroso ny teknolojia ka lasa mora kokoa ny mifraody sady afaka mampiasa fitaovana arifomba ny ankizy. Afaka mandika laza adina sy valiny ao amin’ny Internet ny ankizy rehefa manao entimody, ary mizara izany amin’ny namany. Vitsy ihany ny ankizy tratra ka vao mainka ny hafa roboka.
Betsaka ny ohatra ratsy. Toy ny mifraody koa ireo olon-dehibe maro mpanao hosoka amin’ny raharaham-barotra sy politika ary fanatanjahan-tena. Misy aza ray aman-dreny zatra manao hosoka rehefa mandoa hetra na saram-piantohana. Hoy i David Callahan, mpanoratra ny boky Lasa Fomba Fiaina ny Fitaka (anglisy): “Rehefa tsy manao ny marina ny manam-pahefana na ny olona tokony ho modely, dia toy ny milaza amin’ny ankizy hoe mety ny mifraody.” Marina ve anefa izany? Tena tsy mampaninona ve ny mifraody raha te hahazo naoty tsara kokoa?
Nahoana no tsara kokoa ny tsy mifraody?
Eritrereto hoe: ‘Nahoana moa no ilaina ny mianatra tsara?’ Ilaina izany mba hahatonga an’ilay mpianatra hahay handray andraikitra, ohatra hoe hahay hamakafaka sy hamaha olana rehefa any am-piasana. Tsy mahay an’izany anefa ny ankizy zatra mifraody. Misandoka ho mahay àry ny ankizy zatra mifraody, ary tsy hanampy azy hahita fahombiazana izany.
Hoy i Callahan: “Raha mbola kely ny olona no efa zatra tsy manao ny marina, ohatra hoe mifraody, dia mety ho zatra an’izany koa izy rehefa miasa.” Toy ny ankoso-bolamena na famantaranandro tsara ivelany fotsiny ireny olona ireny, ka handiso fanantenana amin’ny farany.
Mety ho tratra koa ny mpifraody ka hijinja ny vokatr’izany. Mety ho afa-baraka sy ho menatra aloha izy, nefa mety ho voaroaka ao an-tsekoly koa na hiharan’ny sazy mafy noho izany aza. Hoy ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Tsy hoe manao ny marina anefa isika satria fotsiny hoe matahotra sao ho tratra raha mifraody. Mbola misy antony tsara noho izany.
Izay manao ny marina no tena hahomby
Hendry ny ankizy miezaka hanana toetra tsara. Hahasoa azy mandritra ny androm-piainany izany fa tsy rehefa manao fanadinana ihany. Mianatra tsara àry izy ireo ary miezaka hanana toetra mahatonga azy hanana ny hajany. Ho tian’ny mpampiasa izy amin’izay sady ho sambatra foana.
Hita ao amin’ny Baiboly ireny toetra tsara ireny ary tsy ho voa mafy mihitsy ny ankizy manana azy ireny. “Ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” kosa ireny ankizy ireny, araka ny voalazan’ny 2 Timoty 3:16, 17. Hoy i Jorge, ankizy ao amin’ny taona fahasivy: “Mifraody ny mpiara-mianatra amiko satria te hahazo naoty tsara nefa tsy te hiezaka. Izaho kosa te hampifaly an’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 14:2 hoe: ‘Izay mandeha amin’ny fahitsiana no matahotra an’i Jehovah, fa izay miala amin’izany kosa manamavo Azy.’ Fantatro hoe tsy misy zavatra azo afenina an’Andriamanitra. Tsy mifraody àry aho sady tsy manoro ny hafa rehefa fanadinana.”
Tsy ireo ankizy miezaka hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly angamba no mahay indrindra ao am-pianarana. Izy ireo anefa no hendry indrindra, satria miezaka hanana fahazarana tsara izay hanampy azy hahomby foana eo amin’ny fiainany. (Salamo 1:1-3; Matio 7:24, 25) Afaka matoky koa izy ireo hoe ampian’ny Mpamorona sy mahazo sitraka aminy.
[Efajoro/Sary, pejy 28]
TORO LALANA TSARA HOSAINTSAININA
● “Haharitra mandrakizay ny vava milaza ny marina, fa mihelina kosa ny lela fandainga.”—Ohabolana 12:19.
● “Hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana.”—Ohabolana 28:20.
● “Hotsarain’Andriamanitra ny karazan’asa rehetra mbamin’ny zava-miafina rehetra, ka izy no hamaritra na tsara izany na ratsy.”—Mpitoriteny 12:14.
● ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.
[Sary, pejy 26, 27]
Mandroso ny teknolojia ka lasa mora kokoa ny mifraody sady afaka mampiasa fitaovana arifomba ny ankizy
[Sary, pejy 28]
Toy ny famantaranandro tsara ivelany fotsiny ny mpianatra mifraody