Mandeha ny tsaho: hampiely izany ve ianao?
TAMIN’NY ANDRO ANTENATENANY, dia nanomboka niely ny tsaho sarotra inoana tany Eoropa teo amin’ireo izay nilaza tena ho kristiana. Nolazaina fa isan-taona, tamin’ny Paska, dia namono kristiana iray ny Jiosy ka nampiasa ny rany tamin’ireo fombafombam-pivavahany. Niely mihitsy aza ny tsaho fa nisambotra zaza kristiana izy ireo ka nampijaliny mafy izy ireny talohan’ny hamonoana azy mba hampiasana ny rany. Tamin’izao taonjato iainantsika izao, tamin’ny andro nanjakan’ny nazisma tany Alemaina, io zavatra ninoana io dia mbola nampiasaina ho antony nanenjehana ny Jiosy.
Nanaovana fikarohana ny amin’io tantara io, ka imbetsaka izany no voaporofo fa tsy marina. Naharitra nandritra ny arivo taona teo ho eo anefa izany. Raha nisy nitantara izany taminao, ho nampiely izany manodidina anao ve ianao? Tsy isalasalana fa ho tian’ny tsirairay avy amintsika ny hieritreritra fa ho ampy fahendrena na fangoraham-po ny tenany ka hifady ny fanaovana izany. Na ahoana na ahoana, dia hita marina fa fisehoan-javatra sarotra sy miraikitra ny tsaho. Raha vao mandeha ny feo dia sarotra atsahatra. Na dia amin’izao androntsika izao aza, dia mety hitranga tampoka ny tsaho tsinontsinona ka hiely haingana dia haingana.
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny trano Procter & Gamble, fiantohan-draharaha amerikana lehibe iray izay mivarotra zavatra momba ny tokantrano. Vao haingana dia niharan’ny tsaho io orinasa io fa hoe namporisika ny fivavahana amin’i Satana ka ny marika amin’ny zavatra vitany dia marika avy amin’ny demonia. Araka ny honohono hafa iray koa niely aoka izany, ny fitohitohizam-panamboarana haingana nalaza iray dia toa hoe zatra ny nampiditra kankana tao amin’ny “hamburgers”-ny. Taona vitsivitsy lasa izay, dia be dia be no nino fa ny anankiray tamin’ireo Beatles dia matin’ny lozam-piarakodia ka nosoloana olona tsy nisy hafa taminy. Nisy aza tsaho niely ny amin’ireo bokin’ny Fikambanana Watchtower. Notantaraina, ohatra, fa ny mpanao sary iray dia nampiditra mangingina fampisehoana avy amin’ny demonia tao amin’ireo sary fanazavana, nefa tamin’ny farany dia afa-tsarona sy noroahina izy io!
Nampiely anankiray tamin’ireny honohono ireny ve ianao? Raha izany no izy dia nampiely lainga — tsy isalasalana fa tsy nahy — ianao, satria tsy nisy marim-pototra na dia iray aza ireo tsaho ireo. Araka izany, izay nolazaina ny amin’ireo bokin’ny Fikambanana dia tsy azo lavina fa nanimba. Izany dia tena fanendrikendrehana ny kristiana be zotom-po izay mandany ora maro anaovana sary mahafinaritra ho an’ireo gazety, bokikely sy bokintsika. Izany tsaho izany dia mahatsikaiky tsy misy hafa amin’ny raha nolazaina fa rehefa namorona ny volana Andriamanitra dia hoe ninia nanome endriky ny tarehy azy.
Efa ela be izay, dia hoy Jehovah tamin’ny Isiraelita: “Aza manangan-tsaho foana.” (Eksodosy 23:1). Rariny ny nanomezany an’io baiko io. Manimba tokoa ny tsaho toy izany. Mahatonga an’izay mampiely azy hoheverina fa mpandainga izany ka mandahatra azy avy hatrany ho anisan’ireo olona halan’i Jehovah (Ohabolana 6:16-19). Ambonin’izany, dia manimba ny lazan’izay voany izany. Farany dia mampiditra amin’ny fahadisoan-kevitra ny olona izay mihaino azy izany, ary mety hanosika azy hanao zavatra tsy amim-piheverana aza (Nomery 13:32 ka hatramin’ny 14:4). Tena mariky ny tsy fananam-pitiavana mihitsy ny famitahana toy izany ny naman’ny tena. Ny fihetsika toy izany dia mifanohitra amin’izao didin’Andriamanitra izao: “Aza mamitaka, aza mifandainga.” — Levitikosy 19:11; Ohabolana 14:25.
Noho izany, alohan’ny hampahafantarana amin’ny hafa ny vaovao iray rentsika, dia mety ny hahazoantsika antoka ny amin’ny fahamarinany. Ahoana no hahatongavana amin’izany? Mba hahafantarana izany, dia hahasoa antsika ny hahafantarana tsara ny fisehoan-javatra amin’ny tsaho.
Ny tsaho: ahoana no ahaterahany?
Ireo diksionera dia milazalaza ny tsaho ho “feo mandeha, miely etsy sy eroa”, na ho “vaovao tsy voamarina”. Izany karazan-dresaka izany dia mety hiampita am-bava na amin’ny fomba “ofisialy” kokoa, na dia amin’ny gazety na ny radiao aza. Tsy antoky ny fahamarinany akory ny nanomezan’ny televiziona na ny gazety ny filazana iray.
Avy aiza ny tsaho? Matetika no tsy mety ho fantatra izany. Mety hisy handray fanamarihana tsy hentitra iray sendra natao tamin’ny resaka, avy eo dia averiny izany amin’ny fanamafisana ny heviny. Araka izany, ny fanombantombanana hoe “mety hisy zavatra hitranga”, tsy ela dia miova ho fanantitranterana hoe “hitranga izany”. Avy eo dia tsy misy afa-tsy dingana iray mba hilazana fa efa nitranga ilay zavatra. Na dia ny vazivazy iray aza dia mety ho fiandohan’ny tsaho raha mihevitra azy ho tena izy ilay mandre ka mampiseho izany ho tena misy amin’ny manodidina azy.
Mitombo ao anatin’ny rivo-piainana feno fanahiana indrindra ny tsaho. Nolazalazain’i Ezekiela tamin’izao teny izao ny toe-piainana hanjaka any Jerosalema taloha kelin’ny handravana azy: “Tonga ny fitebitebena; hitady famonjena izy ireo; tsy hisy anefa izany. Hifanontona ny loza sy ny tsaho.” (Ezekiela 7:25, 26, Liénart). Rehefa mahazo ny vahoaka ny tahotra, dia hanjary fototry ny honohono i Jerosalema.
Mety hisy hinia hamorona tsaho koa anefa. Izany no nataon’ireo mpisorona jiosy rehefa nitantara tamin’izy ireo ny zava-niseho nahagaga hitan’ny masony tamin’ny fitsanganany ireo miaramila voatendry hiambina ny fasan’i Jesosy. Nodidiany tokoa izy ireo hampiely izao tsaho tsy marina izao: “Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay.” Nankatò ireo miaramila. Izao no vakintsika: “Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ny Jiosy mandraka andro-any.” — Matio 28:13-15.
Nahoana no miely izany?
Ity misy fanontaniana mbola mahaliana kokoa ihany: Nahoana àry ny tsaho rehefa mandeha no miely mafy toy izany? Matetika tokoa dia satria tian’ny olona ny hino izany. Misy mpanao gazety nanorina ny asany rehetra tamin’ny resadresaka momba ireo olo-malaza. Vetivety dia tsy hanana asa izy ireny raha tsy misy olona liana amin’izany resadresa-poana izany. Sahala amin’ny Grika tamin’ny andron’i Paoly, dia olona be dia be no liana foana ny handre “zava-baovao”. — Asan’ny apostoly 17:21.
Miely koa ny tsaho rehefa mifanitsy amin’ny hevitra noraisina sy ny fitompoan-teny fantatra. Matoa nisy sofina nihaino ny finoan-diso hoe namono kristiana ny Jiosy, dia tsy isalasalana fa satria ny tsy Jiosy tsy nahalala tsara ny amin’ny Jiosy dia natahotra azy ireny na nialona azy. Mety ho taratry ny fanahian’ny ankapoben’olona koa ny tsaho iray. Matoa nitohy ny fielezan’ny tsaho ny amin’ny kankana tao amin’ny “hamburgers”, dia satria angamba mahazo ny olona ny tahotra ny fisian’ny fangarony sy ny zavatra anampy afenina ao amin’ny zava-pihinana. Farany, ny honohono ny amin’ny Procter & Gamble dia tsy isalasalana fa namaka noho ny fahalianan’ny olona maro be amin’ny fanompoana demonia sy ny spiritisma.
Any amin’izay rehetra anafenana hatrany ny ataon’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana, dia velona ny resadresaka. Afa-tsy izany koa, dia matetika ny tsaho no velomin’olona mihevitra ny faniriany ho zavatra tena izy. Ohatra, mandritra ny am-polony taona maro, dia nisy firesahana ny amin’ny fahatongavan’ny “soucoupes volantes” teto an-tany izay noheverina fa nitondra zavaboary tsy mitondra loza avy eny amin’ny planeta hafa mandroso ara-tsiansa. Amin’izao taonjato feno fisamboaravoarana izao, ny sasany dia mety hahita fampaherezana amin’ny finoana fa misy tokoa ny manana aina toy izany.
Etsy andaniny koa, ny tsaho tsy marina dia mety hipoitra na ho toa voamarina noho ny filazana diso ny hevitry ny zava-mitranga. Tamin’ny taonjato voalohany, dia be dia be no nino mafy fa nanosika ny Jiosy hiala tamin’ny fivavahana marina i Paoly tamin’ny fialana tamin’ny fampianaran’i Mosesy (Asan’ny apostoly 21:21, 24). Tsy marim-pototra io tsaho io, fa avy amin’ny hoe, nifanaraka tamin’ny fanapahan-kevitr’ireo apostoly sy loholona tao Jerosalema, dia nohamafisin’i Paoly fa tsy nila ny nanaiky ny lalàn’i Mosesy ireo kristiana tsy jiosy. — Asan’ny apostoly 15:5, 28, 29.
Mianara manavaka ny marina amin’ny diso
Tokony hotsoahintsika avy amin’izany ve fa diso daholo izay rehetra miampita am-bava? Tsy izany velively. Tamin’ny andron’i Josoa, dia namboraka toy izao tamin’ireo mpisafo tany tonga tany Jeriko Rahaba: “Fa efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana”. (Josoa 2:10, 11). Teo dia marina izay ren-dRahaba.
Toy izany koa, raha ny amin’ireo famantarana notanterahin’i Jesosy nanerana ny Isiraely, dia mitantara toy izao ny Baiboly: “Ary niely eran’i Syria ny lazany, ka dia nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin’ny androbe ary ny mararin’ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.” (Matio 4:23, 24). Marina koa izay nolazaina ny amin’i Jesosy.
Amin’izany, ahoana no mety hahafantarana raha marina ny filazana iray na tsaho tsy marim-pototra? Ireto misy hevitra maromaro ho tsara raha tadidiana ao an-tsaina rehefa misy olona milaza vaovao tsy fandre aminao:
Iza no nilaza izany taminao? Moa ve izany ny karazan-dehilahy na vehivavy tsy milaza na inona na inona mihitsy raha tsy azony antoka ny ataony? Sa kosa izany olona izany zatra ny mitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa? Moa ve izy io olona tia foana ny ho voalohany hitantara fisehoan-javatra ankafizina? Ny fiandohan’ny tsaho no mahatonga indrindra hahafantatra raha azo inoana izany na tsia. Mipetraka ny fanamarihana ny amin’izany: Ireo izay mitana toeram-pitokisana na fiandraiketana eo anivon’ny kongregasiona, toy ny loholona na ny vehivavy kristiana matotra, dia tokony hahazo antoka indrindra ny amin’ny fahamarinan’ny loharanony alohan’ny hampielezana fanazavana iray, raha tena ilainy ny hanaovana izany. Ireo mpihaino azy tokoa dia ho mailaka kokoa ny hino izay lazain’izy ireny ka hamerina izany. — Asan’ny apostoly 20:28; Titosy 2:3.
Tsara toerana mba hahalala ireo zava-nitranga ve ilay olona niteny taminao? Ny tsaho miavaka dia matetika miandoha amin’ny teny toy ny hoe: “Fantatro tamin’ny dadatoako, izay nandre tamin’ny lehilahy iray miasa any ananona, fa...” Maodimaodia rehefa misy karazam-pitarihan-teny toy izany! Tsy isalasalana fa fantatrao ilay lalaon’ankizy ipetrahan’ny mpandray anjara manaraka faribolana ka mibitsibitsika fehezanteny kely iray amin’ny eo akaikiny ny anankiray aminy. Mamerina izany eo an-tsofin’ny manaraka io, ary dia toy izany hatrany. Rehefa nahodidina ny boribory ilay fehezanteny, dia faly ery ny ankizy rehefa mahatsapa ny fiovany aoka izany. Maro amintsika no efa nanao io lalao io, nefa moa ve isika nahay nanatsoaka fianarana avy tamin’izany. Rehefa miampitampita amin’ny olona toy izany ny tantara iray, dia tena azo ampoizina fa hiova, ary tsy ela dia tsy misy itoviana afa-tsy lavitra amin’izy tamin’ny voalohany intsony. Noho izany, rehefa tsy hay ny manamarina ny loharanon’ny tantara kely iray, dia fahamalinana mandrakariva ny hiheverana fa nety ho niova ilay izy, na diso tanteraka mihitsy.
Fanendrikendrehana ve izany? Raha manimba ny lazan’ny olona iray, ny asa iray, ny firazanana iray na ny fandaminana iray ny fitantarana natao taminao, dia mety ny hiheverana izany amin’ny fomba faran’izay mampiseho fahamalinana. Marina hatrany izany na dia tsy misy fiombonanao hevitra manokana amin’ilay olona na sokajin’olona resahina aza. Fanendrikendrehana foana ny fanendrikendrehana ary lainga foana ny lainga, na iza na iza iharam-pahavoazana noho izany. Nanameloka tsy nisy fihambahambana ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesosy, nefa moa ve azonao atao ny maka sary an-tsaina azy eo am-pampielezana resaka feno fanendrikendrehana ny amin’izy ireny? — I Petera 2:21, 22.
Tokony ho marina ve ilay tantara? Tena mety ve ny hieritreretana fa nisy sambondanitra tonga teto amin’ny planetantsika, fa ny fikambanana ara-barotra lehibe iray dia nanao sonia fanekena tamin’ny Devoly na hoe nisy mpanao sary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah nanafina endrika tao amin’ireo sary tao amin’ny gazety iray? Ilaina indrindra ny tsy hiheverana ho tena marina izany karazan-javatra tsinontsinona izany.
Tapaho ny tsaho ary aelezo ny fahamarinana
Mazava ho azy fa tsy milaza akory izany hoe tsy misy fisehoan-javatra mahatalanjona mihitsy. Mitranga izany. Kanefa rehefa tonga eo amintsika ny akony, dia fanehoana fahendrena ny tsy hinoana an-jamba izay rehetra lazaina ny amin’izany. Rehefa nandeha ny resaka tany Palestina fa ny mpandrafitra iray avy tany Nazareta dia nanao fahagagana, dia hita fa marina ny filazana (Matio 4:24). Nefa, rehefa nahare izany i Jaona Mpanao batisa, dia naniraka ny mpianany izy mba tena hahita hoe inona no tiana holazaina tamin’izany (Matio 11:2, 3). Fihetsika voalanjalanja tsara izany.
Rehefa ren’i Tomasy apostoly ny filazana fa tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nisalasala ny amin’izany izy (Jaona 20:24, 25). Tamin’io toe-javatra hentitra io anefa, dia tokony ho tsapany fa tsy tsaho tsy marim-pototra akory izany. Fantany tokoa fa efa nanangana tamin’ny maty i Jesosy, ary teo izy rehefa niresaka ny amin’ny hahafatesany sy ny hananganana azy amin’ny ho avy i Jesosy (Matio 16:21; Jaona 11:43, 44). Ambonin’izany, ireo izay nitantara taminy ny vaovao dia olona fantany fa mendrika itokisana. Afa-tsy izany koa, dia tsy namerina zavatra henony izy fa hitan’ny masony ireo porofon’izany zava-niseho izany. Tena nety ho afaka nanontany azy ireny àry i Tomasy mba hamantarana fa tsy diso hevitra izy ireo.
Araka izany dia marina ny zava-nitranga sasany tantaraina amintsika. Ny fahaiza-mitsara zavatra anefa dia hampahatsiahy antsika fa ao amin’ny firenena rehetra, ao amin’ny vohitra rehetra toy ny ao amin’ny fandaminana rehetra dia misy tsaho miely, indrindra fa noho ny tahotra sy ny fanirian’ny fitambaran’olona lehibe indrindra. Eny, mety ho fanovana foana ny zavatra tena izy ny tsaho iray, raha izay ihany aza no holazaina. Noho izany, raha sendra mahare vaovao ianao ka tsy fantatrao ny loharanony, dia fakafakaonao tsara izany ary ataovy izay hahazoana antoka ny amin’ny ataonao alohan’ny hampitana izany amin’ny hafa. Tadidio fa “ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry”. (Ohabolana 10:19.) Rehefa miely ny tsaho iray, aoka ianao tsy ho lalana andehanany; aoka kosa ianao ho “lalana tsy azo ivoahana”. Amin’ny fanaovana toy izany no hanarahanao izao fananaran’ny apostoly Paoly izao: “Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” — Efesiana 4:25.
[Teny notsongaina, pejy 24]
Miraikitra ny tsaho. Rehefa alefa indray mandeha izany, dia tsy mitsahatra mora foana.
[Teny notsongaina, pejy 25]
Amin’ny fampielezana tsaho, dia angamba ianao mampiely lainga.
[Teny notsongaina, pejy 26]
Tsy voatery ho diso akory izay miampita am-bava.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Afaka manaporofo izany ve ny olona nampahafantatra anao ilay vaovao?