Manao ahoana ny halehiben’ny fitiavanao?
NY “BALANE” dia akorandriaka kely tsy resahina firy. Kanefa ny mampiavaka azy dia izy mahay miraikitra mafy amin’ny zavatra fidiny itoerana. Ny tsiambaratelony dia ao amin’ny dity amboariny. Mahery aoka izany izy io ka ny sosony zara raha misy valo ampaharivon’ny milimetatra dia ahitana hery firaiketana efa ho dimanjato kilaograma isaky ny santimetatra toradroa! Izay rehetra nanandrana nanongotra “balane” iray tamin’ny zavatra niraiketany dia ho afaka hanaporofo ny herin’io zavatra mahagaga io.
Io fiavahana io dia manazava zava-misy fantatry ny kristiana tsara. Ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany tokoa dia voaforon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, ny fiteny rehetra, ny firazanana rehetra sy ny kilasy ara-tsosialy rehetra. Voakambana mafy amin’ny fomba mahagaga anefa izy io. Inona no tsiambaratelony? Izany dia fatorana mampiray koa, simenitra mbola mahery kokoa noho ny dity avoakan’ny “balane” kely. Ahariharin’ny apostoly Paoly amintsika ny karazany rehefa nanoratra toy izao izy: “Mitafia fitiavana, fa fatorana mampiray tanteraka izany.” — Kolosiana 3:14, MN.
Marina fa izay rehetra antsoina hoe fitiavana dia tsy voatery ho antony mampiray akory. Ady maro no natao tamin’ny anaran’ny “fitiavan-tanindrazana”. Etsy andaniny koa, ny fitiavana feno fitiavan-tena dia mety hitarika ho amin’ny fahasarotam-piaro. Fa raha ny “fitiavam-bola”, izy io dia “fototry ny ratsy rehetra”. (I Timoty 6:10.) Farany, matoa miaina amin’ny andro mahory isika, ankoatra ny zavatra hafa dia satria olona be dia be no “tia tena”. — II Timoty 3:1, 2.
Amin’izany, inona moa no karazam-pitiavana mety hampiray ny kristiana? Fitiavana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena sy malalaka.
Inona no loharanon’io fitiavana io?
Ny valin’io fanontaniana io dia voafintina amin’ireto teny telo nataon’ny apostoly Jaona ireto: “Andriamanitra dia fitiavana.” (I Jaona 4:8). Ny fitiavan’i Jehovah dia hita taratra amin’ny fahamoram-panahiny amintsika. Rehefa fakafakaina dia avy aminy izay rehetra tsara. Eny, “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony”. (Jakoba 1:17.) Marina izany, tsy amin’izao tontolo izao hita maso ananantsika rehetra ihany, fa noho ny soa ara-panahy raisin’ny kristiana velom-pankasitrahana be dia be indrindra koa.
Jesosy Kristy dia nanintona ny saintsika ho amin’ny lafiny hafa miavaka amin’ny fitiavan’Andriamanitra raha nanambara hoe: “Izy [Jehovah] mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45). Tsy mijanona amin’ny soa ara-nofo ihany anefa ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona manontolo. Nanazava izany tamin’izao teny izao tokoa i Jesosy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Azo atao ve ny maka sary an-tsaina fitiavana malalaka kokoa noho izany?
Ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamin’ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny dia fitiavana mifototra mafy amin’ny fotopoto-pitsipika. Amin’ny teny grika izy io dia antsoina hoe agapê. Mazava ho azy fa mahatsapa izany karazam-pitiavana izany koa ho an’ireo kristiana i Jehovah. Amin’izy ireo anefa, dia misy tsy fitoviany kely manampy izany. Rehefa mamaly ny fitiavan’Andriamanitra tokoa ny olona iray, dia asehon’Andriamanitra aminy koa ny fitiavana nantsoin’ny Grika hoe philia, izany hoe ny “fisakaizana” na ny “firaiketam-po”. Nanantitrantitra toy izao i Jesosy: “Ny Ray koa aza manana firaiketam-po aminareo, satria nanana firaiketam-po tamiko ianareo.” — Jaona 16:27, MN.
Aoka isika hanahaka ny fitiavan’Andriamanitra
Ny fitiavana mahatalanjona izay miasa ho toy ny fatorana mampiray eo amin’ny samy kristiana dia sahala amin’ny an’i Jehovah. Araka ny nanambaran’ny apostoly Jaona azy, “isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (I Jaona 4:19.) Toy izany ny fitiavana mampiavaka ny kristiana marina. Izany dia tena vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. — Jaona 13:34, 35; Galatiana 5:22.
Ny kristiana dia tokony haneho ny fitiavany voalohany indrindra amin’ny Rainy any an-danitra, ary manaraka izany amin’ny mpiara-belona aminy (Matio 22:37-39). Koa satria ny fitiavan’Andriamanitra mivoha sy mitatra be dia be, dia mety koa raha mivoha ny fitiavantsika an’ireo namantsika kristiana ka ‘mihamalalaka’. Noho izany antony izany no nanoratan’ny apostoly Paoly izao manaraka izao ho an’ireo kristiana tany Korinto: “Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. (...) Dia mba mihalalaha kosa hianareo.” — II Korintiana 6:11-13.
Ahoana no azontsika anomezana taratry ny fitiavan’i Jehovah amin’ny tena halehibeny? Aoka isika handinika ohatra vitsivitsy.
‘Aoka isika hanalalaka’ ny fitiavantsika ao anatin’ny faritry ny fianakaviana
Nambaran’i Paoly fa amin’ny “andro farany” dia tsy hisy ny “firaiketam-po araka ny natiora” (II Timoty 3:1-3, MN ). Na dia ao aza izany rehetra izany, eo anivon’ny fianakaviana kristiana dia tokony ho be dia be ny fitiavana: fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika (agapê), hampian’ny fitiavana amim-pisakaizana sy firaiketam-po (philia). — Matio 10:37; Efesiana 5:28; Titosy 2:4.
Tsy mora foana akory ny maneho fitiavana. Matetika ny zava-manahirana ara-bola no mitarika ratra amin’ny lafiny ara-piraiketam-po ao anatin’ny fianakaviana iray. Mety ho sosotra ny olona iray satria tsy manam-potoana betsaka homena azy ny vadiny. Araka izany, ny vehivavy toy izany dia hanjary hieritreritra fa tsy miraharaha azy ny vadiny na mihevitra azy ho anisan’ny ravaka. Zatovo maro no mino mafy fa tsy mahatakatra ny fiheviny ny ray aman-dreniny. Ahoana no handaminana zava-manahirana karazan’izany?
Ho an’ny tsirairay avy amin’ny resahina, alohan’ny zavatra rehetra, ny fanafodiny dia ny fanarahana ny ohatra omen’i Jehovah amin’ny ‘fanalalahana’ ny fitiavan’ny tena. Nanome izao torohevitra manaraka izao i Paoly fahiny: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy. Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany. Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” — Kolosiana 3:18-21.
Rehefa mitranga ny zava-manahirana, dia ilaina tokoa ny hivavahana amin’Andriamanitra mba hanampiany antsika hampihatra fitiavana. Zava-dehibe koa ny hifampiresahana sy ny hianarana tsy tapaka ny Baiboly ao anatin’ny fianakaviana (Deoteronomia 6:4-9). Mba hanorenana fifandraisana feno fitiavana, dia fianakaviana maro no nihevitra fa tsara ny hampiasana ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent”, izay mivoaka tsy tapaka ao amin’ny Réveillez-vous!.
Fitiavana mivoha sy malalaka eo anivon’ny kongregasiona
Raha mampalahelo ny mahita ray aman-dreny sy zanaka tsy ampy fifankatiavana, dia mampalahelo koa fa misy kristiana tsy mifaneho fitiavana ampy. Izao tokoa no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany.” — I Jaona 4:20.
Ny fitiavana dia hanampy antsika haniry foana izay hahasoa an’ireo namantsika (I Korintiana 13:4, 7). Tsy isalasalana fa mety hahita ny anankiray amin’ireo rahalahintsika miady amin’ny zava-manahirana lehibe isika, angamba noho izy ‘mijinja izay afafiny’ amin’ny fanaovan-javatra tsy voahevitra (Galatiana 6:7). Ny fitiavana anefa dia hanosika antsika hitana fihetsika manorina eo anoloany. Ohatra, hohalavirintsika ny hilaza anakampo hoe: “Efa niahiahy foana ny aminy aho.” Na dia malemy finoana aza ny rahalahintsika, dia ho tsara ny hisaintsainantsika ny amin’ny faharetana asehon’i Jehovah amin’ny osa sy ny hiezahantsika hanahaka ny famindrampony hetsehin’ny fitiavana. — II Petera 3:9.
Ny fitiavana manjaka eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah dia manampy koa ireo tanora kristiana hahita ny fijoroany ao anatin’ireo taon-tsarotra maha-zatovo azy. Rehefa nanontaniana ny zazavavy Afrikana iray izay nanampy azy hifikitra hatrany amin’ny fanompoam-pivavahana marina, dia nanao izao fanazavana izao izy: “Izay nanamarika ahy indrindra, dia tsy izay novakiko tao amin’ny Baiboly loatra fa ny fitiavana naseho tamiko tamin’ireo fivoriana kristiana sy ny fandraisana ahy tao.”
Araka izany àry, ny fitiavana mivoha sy malalaka dia mety hampiray ny kongregasiona iray. Tadidio anefa fa mitatra amin’ny olombelona rehetra ny fitiavan’i Jehovah. Ahoana no azontsika anahafana azy amin’io lafiny io?
Aoka isika ho tia izay tsy fantatsika
Nohazavain’i Jesosy ny fomba iray tsy manam-paharoa fampisehoana fitiavana na dia amin’ireo olona tsy fantatsika aza rehefa nilaza toy izao izy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN ). Marina tokoa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiseho ny fitiavany ny namany rehefa manambara ny vaovao tsara amin’olona tsy fantany tanteraka izy ireo.
Noho ny fitiavany ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny, ny kristiana dia miezaka hanampy olona tsy fantatra amin’ny lafiny maro hafa koa. Tsy misy hafa amin’ilay Samaritana tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, izy ireo dia miezaka mba ho mpiray monina tsara, “hanao soa amin’ny olona rehetra”, ary matetika izy no mahazo vokatra manorina sady tsy ampoizina (Galatiana 6:10; Lioka 10:29-37). Tany Alaska, ohatra, ny zazavavy iray izay nitory ny vaovao tsara tany amin’ny 250 kilaometatra mahery avy teo aminy dia tafahaona tamin’ny fianakaviana nahantra dia nahantra iray izay simba ny fiarakodiany. Rehefa nandre ny tarehin-javatra sarotra hitan’ireo olona ireo ny rain’ilay zazavavy dia tsy nisalasala nandeha 500 kilaometatra mahery mba hamonjena azy ireo, ka izany dia nahatonga azy ho afaka hanao fanambarana ny amin’ny fikasan’i Jehovah sy ny Fanjakany. Rehefa avy nianatra ny Baiboly ilay lehilahy sy ny vadiny dia nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Mifaly koa izy ireo ankehitriny mampahafantatra ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy. — Asan’ny apostoly 20:35.
Mety ho tia an’ireo izay mankahala anao ve ianao?
Ny fitiavana kristiana anefa dia milaza zavatra betsaka kokoa ihany noho ny fitiavana an’ireo izay tsy fantatsika. Izany no nasehon’i Jesosy ny mpianany tamin’ny filazana hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, — mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” — Matio 5:44, 45.
Tena azo atao ve ny ho tia an’ireo izay manenjika antsika? Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina nazia dia nokapohina tamin-kalozana sy noterena hiasa mafy na dia tsy ampy sakafo aza. Mazava tsara fa ho sarotra amin’izy ireo ny hahatsapa firaiketam-po na fisakaizana (philia) mafy ho an’ireo mpanenjika azy. Azony natao kosa anefa ny naneho taminy fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika (agapê), dia ilay nasehon’i Jehovah mihitsy tamin’ny olombelona manontolo. Tamin’izany, araka izay rehetra azony natao, no niresahan’ny Vavolombelona tamin’ireo mpanenjika azy ny hafatra mamelombelon’ny fahamarinana, ka tamin’ny farany ny sasany tamin’ireo mpampijaly azy dia nanaraka ny kristianisma.
Maro no manenjika an’ireo mpanompon’Andriamanitra noho ny tsy fahalalana, sahala amin’i Saoly izay, taty aoriana, dia tonga ny apostoly Paoly (Galatiana 1:13, 14). Raha tadidiantsika ao an-tsaina fa amin’ny lafiny sasany, ireny fahavalo ireny koa dia iharam-pahavoazana noho ny fampielezan-kevitra mandainga avy amin’i Satana, dia ho mora amintsika kokoa ny ho tia azy ireny. — II Korintiana 4:4.
Jehovah, Andriamanitry ny firaiketam-po amim-pitiavana dia mahita fahafinaretana amin’ny famalian-tsoa an’ireo izay maneho fitiavana malalaka sy mivoha eo anivon’ny fianakaviany, ao anatin’ny kongregasiona, eo anoloan’ny olona tsy fantatra ary na dia amin’ireo fahavalony aza. Io fitiavana io dia mampiray mafy ireo fianakaviana sy ireo kongregasiona, tsy misy hafa amin’ny ditin’ny “balane” mahatonga azy ho afaka hiraikitra mafy amin’ny ivelan’ny vatolampy iray. Afa-tsy izany koa, ny fitiavana dia manosika olon-kafa ho tonga hanandrana ny firaisan-tsaina kristiana. Noho izany, moa ve tsy rariny dia rariny ny hamaliantsika ny fitiavan’Andriamanitra amim-pankasitrahana amin’ny fanalalahana foana ihany ny fitiavantsika? Izany dia izany tokoa! Koa aoka isika ‘hanohy hanao izany amin’ny fomba feno kokoa’. — I Tesaloniana 4:9, 10, MN.