Ny famonjena “ny Isiraely rehetra” sy ny fitahiana ny taranak’olombelona manontolo
1. Koa satria ny repoblikan’Isiraely anisan’ny fandaminan’ny firenena mikambana, nahoana Andriamanitra no tsy hampiasa azy mba hitahiana ny firenena rehetra?
NAMPANANTENA an’i Abrahama patriarka mahatoky Jehovah fa ny fianakaviana rehetra sy ny firenena rehetra dia hotahina amin’ny alalan’ny taranany (Genesisy 12:3; 22:17, 18). Tsy ho azo atao anefa ny hanatsoaka hevitra avy amin’io fampanantenana nambara tamin’ny taonjato faha-20 alohan’ny fanisan-taona iraisana io fa Andriamanitra dia hitahy ny Firenena mikambana, ny fandaminana nandimby ny fikambanam-pirenena maty. Tsy hoe satria anisan’ny O.N.U. àry ny repoblikan’ny Isiraely dia hoe afaka manantena ny hampiasain’ilay Andriamanitry ny Isiraely fahizay mba ho fitahiana ny taranak’olombelona manontolo. Misakantsakana ny Fanjakan’Andriamanitra nankinina amin’ilay ‘taranak’i Abrahama’ tokoa ny O.N.U.. Amin’izany mihitsy no ahaforonany ankehitriny “ny fahavetavetan’ny fandravana”. (Matio 24:15.) Na dia nivavaka toy inona aza ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny raby jiosy mba hitahian’ny lanitra azy, dia tsy fitahiana na ho an’iza na ho an’iza ny O.N.U.. Izy io kosa dia “sarin’ny bibi-dia” izay mampiseho ny fandaminana ara-politikan’i Satana, “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”. Koa tsy ho ela izy io dia haringana miaraka amin’io fandaminana toy ny biby io. — Apokalypsy 13:1-18; II Korintiana 4:4.
2. Amin’ny ahoana ny fihetsiky ny sisa amin’ny “Isiraelita rehetra” no hafa noho ny an’ny repoblikan’Isiraely?
2 Eo am-piandrasana, ny repoblikan’ny Isiraely dia miady amin’ny fanjakana hafa anisan’ny O.N.U. mba hiantohana ny fitohizan’ny fahavelomany. Amin’izany, dia tsy manahaka azy ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” (Romana 11:26). Tsy mivavaka amin’ny “sarin’ny bibi-dia” koa izy. Ny Isiraelita ara-panahy mahaforona azy dia mampiseho ny O.N.U. ho izay tena maha-izy azy eo imason’Andriamanitra, dia: fandrika izay, amin’ny fitarihana ny olona hatoky azy, dia misakana azy ireo tsy hitodika any amin’ilay Fanjakana napetrak’Andriamanitra eo an-tanan’i Jesosy Kristy. Izany fihetsika izany no mahatonga ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra”, dia ny ‘taranak’i Abrahama’ ara-panahy, ho afaka hitoetra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Ao, io sisa io dia miharihary sahady ho fitahiana ho an’ny firenena rehetra sy ny fianakavian’olombelona rehetra. Amin’izany dia voamarina ireo fampanantenana ara-paminanian’i Jehovah.
3, 4. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, inona no nosoratan’Isaia ny amin’ny “firenena rehetra” tokony ho 2 700 taona talohan’ny 1914?
3 2 700 taona mahery izay, dia notsahivin’i Jehovah ny fotoana voalohany handefasana hiady, fiaramanidina sy kalesy fanafihana mifono vy, izay hahitana be dia be ny ady an-davaka, hanaovan’ny miaramila saron-tava misy gaza ka handravan’ny tafondro mahalasa lavitra be toy ny “Bertha goavana” amin’ny ady haneran-tany iray. Eny, tokony ho taonjato 27 talohan’ny ady lehibe voalohany, dia nanome tsindrimandry an’Isaia mpaminany Jehovah mba hilazalazany fisehoan-javatra iray tokony hitranga amin’izany fotoana izany ihany koa. Izao no vakintsika:
4 “Ny teny izay hitan’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’i Joda sy Jerosalema. Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba [Isiraely], mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah. Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy ka hampiaiky firenena maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Ry taranak’i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.” — Isaia 2:1-5.
5. Rehefa heverina amin’ny nataon’ny repoblikan’ny Isiraely, ahoana no tokony handraisana ny faminanian’Isaia ny amin’ny “tranon’i Jehovah”?
5 Amin’izao androntsika izao dia miharihary fa tsy tanteraka amin’i Jerosalema, renivohitry ny repoblikan’Isiraely any atsinanana Afovoany io faminaniana mahafinaritra io. Eo amin’izay nantsoina fahiny hoe tendrombohitra Ziona, dia tsy hita intsony ny tempolin’i Jehovah, fa ny “Coupole du Rocher” sy mosike hafa iray koa natao ho an’i Allah. Raha misy mpizaha tany avy amin’ny firenena maro be samy hafa mankao amin’io toerana io, dia tsy hoe mba hivavahana fa mba hijerena amim-pahafinaretana ireo sangan’asan’ny fanaovana mari-trano silamo ireo. Tsy azo lavina amin’izany fa na dia miaina ‘atỳ am-parany’ aza isika amin’izao fandehan-javatra marary efa ho faty izao, dia tsy tanteraka mihitsy eo amin’ny fanjakan’Isiraely ny faminanian’Isaia. Io dia tsy mahaforona “ny Isiraely” tokony hovonjena ‘daholo’ ho amin’ny fitahiana ny taranak’olombelona manontolo, mba hanatanterahana ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama. Noho izany, ny fitenenana ara-paminaniana hoe “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” dia tokony horaisina amin’ny heviny ara-panahy raha oharina amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”. — Galatiana 6:16.
6. a) Ahoana no teny nilazalazan’i Petera “ny Isiraely rehetra”? b) Taiza ho aiza tamin’ny tantara maneran-tany moa ny “firenena rehetra” no nanomboka nirohotra ho amin’ny “tranon’i Jehovah”?
6 Izany “Isiraelin’Andriamanitra” izany dia tena “firenena” ara-panahy, araka ny nosoritan’ny apostoly Petera tamin’izao teny izao: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga.” (I Petera 2:9). Amin’izao andro izao, dia ny sisa amin’io “firenena masina” io no mampiseho ny “tranon’i Jehovah” ary mahaforona ny fototry ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa 21 taona no nisian’ny “am-parany” raha nanomboka nirohotra “ny firenena rehetra” hanatona ny trano ara-panahin’Andriamanitra, dia trano izay nasandratry ny Vavolombelon’i Jehovah ara-panoharana ho ambonin’ny tampon’ny tendrombohitra. Tamin’izay fotoana izay, dia nirehitra tany Eoropa ny fasisma katolika sy ny nazisma hitleriana.
7. Inona no fanambarana nanakoako nanamarika ny fanombohan’ny fiangonan’ireo firenena tao amin’ny “tranon’i Jehovah”?
7 Ny fanombohan’izany fanangonana izany dia nomarihina tamin’ny fomba manakoako tamin’ny fivoriambe iray natao tamin’ny faramparan’ny lohataonan’ny 1935 tany Washington, renivohitra federalin’i Etazonia any Amerika. Tao amin’ny lahateny iray niavaka indrindra, J. Rutherford, anisan’ny “Isiraely rehetra” sady prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, dia nanitsy fahadisoan-kevitra nitranga tamin’izany fotoana izany teo amin’ny Mpianatra ny Baiboly. Nampahafantariny tokoa fa ny atao hoe “vahoaka maro be” na “olona betsaka” isan-karazany izay mivavaka amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoliny ara-panahy (ny tempolin’i Jerosalema noravan’ny Romana tamin’ny taona 70) dia kilasy iray ho eto an-tany (Apokalypsy 7:9-17, Synodale). Azon’io kilasy io natao ny nanantena ho tafita velona tsy ho ela amin’ny Hara-magedona mba hiditra ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, eo ambany fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nomem-boninahitra tany an-danitra tamin’ny 1914.
8. a) Inona no fisehoan-javatra tsy hay hadinoina nitranga tamin’ny 1935 tao amin’ny fivoriambe tany Washington? b) Tamin’ny heviny ahoana moa “ny firenena rehetra” no nirohotra nanatona ny “tranon’i Jehovah”?
8 Nisy vokany tsy hay hadinoina io fanambarana io. Tamin’io fivoriambe hafa dia hafa io, dia olona 840 no natao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireo. Tsy nisaina tamin’izay ny firenena nanana solontena tao amin’io antokon’olona io. Ny fantatra dia hoe nanana fanantenana Paradisa an-tany tao am-po ireo nahaforona azy. Amin’izao andro izao, 49 taona mahery atỳ aoriana, dia mihoatra lavitra noho ny an’ny “Isiraely rehetra” ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa any amin’ny tany 205 koa ireny kristiana ireny. Amin’izany, amin’ny heviny malalaka, no irohotan’ny “firenena rehetra” ho amin’ny trano ‘nasandratra’ izay atokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.
Ny Vavolombelon’i Jehovah — Mahaforona karazan’olona manao ahoana moa izy ireo?
9. Mifanohitra amin’ny repoblikan’Isiraely, nanao ahoana ny fihetsika narahin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fanatanterahana ny Isaia 2:4?
9 Raha oharina amin’ny repoblikan’Isiraely, mahaforona karazan’olona manao ahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao? Moa ve izy ireo manana fitaovam-piadiana sahala amin’io fanjakana resahina io mba hiadiana amin’ireo izay mahatandindomin-doza ny fisiany? Tsy izany velively. Izy ireo indrindra no mifanandrify amin’ny filazalazana voasoratra ao amin’ny Isaia 2:4. Mba ‘hanandratana’ ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, araka ny arahina ao amin’ny tranony ara-panahy, izy ireny dia azo lazaina hoe nanefy ny sabany ho fangady sy ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Mitoky amin’ny fiarovan’Andriamanitra izy ireny sady manahaka ny Filohany, Jesosy Kristy. Na dia saika avy amin’ny firenena rehetra amin’ny tany aza izy ireny, dia tsy manaiky hotapahin’ny fankahalana noho ny fanindrahindrana ny firenen’ny tena. Tsy mitsabaka amin’ny politika koa izy ireo. Tena nitsahatra tsy nianatra ady amin’ny heviny ara-bakiteny tokoa izy ireo. Tsy momba ny atsy na ny aroa tanteraka koa izy eo anoloan’ny ady sy ny politikan’izao tontolo izao ankehitriny. Afa-tsy izany koa, dia navelan’izy ireo ny fampiasana fiadiana ara-nofo, na famelezana izany na fiarovan-tena. Inoany ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” Raha anisan’izany izy, dia tena azo inoana tokoa fa hiady ho azy tamin’ny fiadiana be kojakojany indrindra ireo mpianany. — Jaona 18:36.
10. a) Inona moa no hany adin’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) “Didy vaovao” inona no arahiny? Ahoana no ampisehoany izany?
10 Ny hany ady ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ara-panahy. Izany dia anoherany ireo fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. Noho izany antony izany no tsy maha-ara-nofo ny fiadian’izy ireo, no tsy andatsahany ran’olona mihitsy (Efesiana 6:10-18). Tsy miady amin’olombelona ny Vavolombelona, indrindra fa amin’ireo rahalahiny ara-panahy, dia ireo anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Araka ny baikon’i Kristy, dia tia an’ireo rahalahiny tahaka ny nitiavan’i Kristy azy ireo izy, ka namoy ny ainy mihitsy ho azy ireo tamin’ny naha-olombelona. Amin’ny fanaovana toy izany, dia arahiny ny “didy vaovao” nomen’i Jesosy ny mpianany tamin’ny fandidiana azy ireo mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo. — Jaona 13:34.
11. Inona moa no lalàna mahita ny fahatanterahany amin’ny fitiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
11 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia hetsehin’ny karazam-pitiavana fahatanterahan’ny lalàna navoaka tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany. Tsy manisy ratsy olona mihitsy izany fitiavana izany. Izany dia lasa lavitra kokoa noho ny “fanaovana asa soa” fotsiny, fara faharatsiny araka ny fandraisana ny hevitr’io teny io mahazatra amin’izao androntsika izao. Ao amin’ny Baiboly, ny teny hebreo sy grika adika hoe “fitiavana” dia manondro zavatra lalina lavitra noho izany “fanaovana asa soa” izany. — Jereo I Korintiana toko faha-13, Crampon; Jérusalem; Maredsous; Ostervald.
Mba hitahiana fa tsy mba hanozonana
12. Ilaina ho any an-danitra ve “ny Isiraely rehetra” mba hanombohan’ny “firenena rehetra” ho voatahy?
12 Avy amin’izany voalaza eo aloha rehetra izany, dia afaka manao izao fanatsoahan-kevitra izao isika: Mba hanombohan’ny fianakaviana rehetra sy ny firenena rehetra amin’ny tany hotahina amin’ny alalan’ny ‘taranak’i Jehovah’, ilay Abrahama Lehibe, dia tsy nilaina ny hanarahan’ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” any an-danitra ny lehibe indrindra amin’izany “taranaka” izany, dia Jesosy Kristy. Efa ho hatramin’ny antsasa-taonjato izao, dia misy mpikambana amin’ny fianakaviana sy firenena maro amin’ny tany nandray fitahiana noho ny “taranaka” nampanantenaina an’i Abrahama. “Ondry hafa” maherin’ny roa tapitrisa sy sasany no nivory mba tsy hahaforona afa-tsy “andiany iray” ihany amin’ny sisa amin’ny mpianatr’ilay Mpiandry tsara nateraky ny fanahin’Andriamanitra izay mamelona fanantenana ny ho any an-danitra ka azo ampitahaina koa amin’ny ondry. — Jaona 10:16.
13. Rehefa tonga tao amin’ny tempoly Jesosy, inona moa no nokendreny ho an’ny “ondry hafa”? Inona no hataony tsy ho ela ho azy?
13 Ny “ondry hafa” voatahy toy izany ankehitriny dia mamelona fanantenana mahatalanjona ny handova raha vao eo am-boalohany, ny Paradisa izay haorina indray eto an-tany mandritra ny arivo taona hanjakan’i Kristy. Hita àry fa rehefa tonga tao amin’ny tempoly ara-panahy Jesosy Kristy, ‘Anjelin’ny faneken’Andriamanitra’ ho amin’ny fitsarana, dia nikendry ny hitahiana ny “ondry hafa” izy fa tsy ny fanozonana azy ireo (Malakia 3:1-3). Ho tonga eo amin’ny tampony indrindra izany fitahiana izany rehefa harovana ny ain’izy ireo amin’ny famakivakiana ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ilay hataony tsy ho ela ho fanoherana ny fahavalony eto an-tany rehetra voangona ao Hara-magedona”. (Apokalypsy 16:14, 16.) Fahizay Jehovah dia nandresy imbetsaka ireo fahavalony tao amin’ny faritr’i Megido (Josoa 17:11; Zakaria 12:11). Ao amin’ny saha fiadiana ara-panoharan’i Hara-magedona anefa izy no hahazo ny fandreseny lehibe indrindra, ka izany dia hitondra voninahitra mandrakizay ho azy. Fa raha ny amin’ilay Zanany nasandratra, Jesosy Kristy, dia ho eo anilany izy amin’ny maha-mpitari-tafika azy. — Apokalypsy 19:11-21.
14. a) Afaka mifaly ny amin’inona moa ny “ondry hafa”? b) Firy moa ankehitriny ny isan’ireny “ondry” ireny?
14 Ireo “ondry hafa” dia harovana ao anatin’izany fampisehoana mahagaga ny hery sy ny fahambonian’Andriamanitra izany. Ny ho tafita velona rehetra amin’io ady farany io dia hifaly satria ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” ‘novonjena’ nandritra ny fotoana nanelanelana ny ady anankiroa. Nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 1935, ny “vahoaka maro be” tsy voalazan’ny Baiboly isa dia nanatona an’izany “Isiraely” izany. Manakaiky ny telo tapitrisa ankehitriny ireny “ondry hafa” an’ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy, ireny. “Avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” amin’ny taranak’olombelona izy ireny, araka ny nampanantenain’i Jehovah an’ilay tandindony ara-paminaniana sady ‘sakaizany’, dia Abrahama (Apokalypsy 7:9-17; Jakoba 2:23). Ary mbola tsy vita ny fanangonana ireny “ondry hafa” ireny. Tsy fantatsika hoe hanao ahoana izy ireny rehefa ho vitan’ilay mpiandry tsara ny fanangonana azy, alohan’ny handravana an’i Babylona Lehibe sy ny ady hataon’Andriamanitra amin’ireo sakaiza ara-politikan’io “vehivavy janga” io ao Hara-magedona. — Apokalypsy 17:1 ka hatramin’ny 18:24.
15. Fitahiana inona no nanomboka rehefa niaraka tamin’ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” ny “ondry hafa”?
15 Tsy azo lavina fa misy zava-baovao nanomboka rehefa niaraka tamin’ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” ny “ondry hafa” mba hahaforona miaraka amin’izy ireo “andiany iray” ihany eo ambany fitarihan’ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy, ny lehibe indrindra amin’ny ‘taranak’i Abrahama’. Io fisehoan-javatra io tokoa dia nanamarika ny fiandohan’ny fitahiana zarain’ny “Isiraely rehetra” ho an’ny “ondry hafa” ka mbola hozarainy ho azy ireo ihany mandritra ny arivo taona hanjakan’i Jesosy Kristy, ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao hampidirana azy ireo eo ambany fiarovan’Andriamanitra.
16. Nahoana moa ny “ondry hafa” no tapa-kevitra ny hanohy hanompo an’i Jehovah eo anilan’ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra”?
16 Mifanaraka amin’ny fahitana voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:14-17, dieny izao ny “ondry hafa” dia ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’. Noho izany antony izany no anomezan-dalana azy, amin’ny heviny ara-panahy, hanompo an’Andriamanitra “andro aman-alina eo amin’ny tempoliny”. Jesosy Kristy, “Zanak’ondrin’Andriamanitra”, dia efa manome azy sahady sakafo ara-panahy ampy mba tsy “ho noana” intsony izy. (Jaona 1:29.) Afa-tsy izany koa, io Mpiandry mahatoky io dia mitarika azy ireny “ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina”, ho amin’ny fiainana eo amin’ny tany iray voaova ho Paradisa. Velom-pankasitrahana noho ny fitahiana rehetra raisiny dieny izao noho ny sisa mahatoky amin’ny “Isiraely rehetra” ny “olona betsaka” ka hanohy hanompo an’i Jehovah eo anilany ao anatin’ny faritry ny “andiany iray” ihany, eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’ ary ho fanohanana ilay Fanjakana nankinin’Andriamanitra tamin’i Jesosy Kristy. Tapa-kevitra izy ireo ny haharitra amin’io lalana io mandra-panaisotra ny fahavalon’ilay Fanjakana rehetra tsy ho eo amin’ny ‘fitoeran-tongotr’Andriamanitra’, eto an-tany. — Isaia 66:1; Matio 5:34, 35; Asa. 7:49.
Anjaranao ny mamaly ...
◻ Nahoana Jehovah no tsy hitahy ny taranak’olombelona amin’ny alalan’ny repoblikan’Isiraely
◻ Amin’ny heviny ahoana moa “ny firenena rehetra” amin’izao andro izao no mirohotra manatona ny “tranon’i Jehovah”?
◻ Ahoana no ahatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia 2:4?
◻ Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy Kristy teo anoloan’ny “ondry hafa”? Inona no hataony tsy ho ela ho azy ireo?
◻ Inona no fitahiana nanomboka tanteraka rehefa niaraka tamin’ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” ny “ondry hafa”?
[Sary, pejy 28, 29]
“Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko ianao.” — Genesisy 22:18.