Ireo kaonsily: ankasitrahan’Andriamanitra ve izany?
NY TENY hoe “filan-kevitra” dia mahatonga hieritreritra ny amin’ny karazam-pitondram-panjakana eo an-toerana fantatra tsara. Mora azo ny dikan’ny teny hoe “filan-kevitra ao amin’ny tanàna (conseil municipal)”. Tsy dia mahazatra kokoa kosa anefa ny teny hoe “kaonsily”. Ny kaonsilin’ny mpitondra fivavahana dia lazalazaina ho “fivoriambe mampiseho ny Eglizy, izay omen-dalana hiara-mandinika vao manapa-kevitra ary matetika hanao lalàna ny amin’ny raharaha momba ny hevitra inoana, ny fitsipi-pitondrantena sy ny fifehezana ara-pivavahana”.
Heverin’ny Eglizy katolika ho eokimenika ny 21 amin’ireo kaonsily maro natao tao anatin’ireo taonjato, ka nalahatra ho anisan’io sokajiny io ireo kaonsily natao nanomboka tamin’ny an’i Nicée tamin’ny 325 ka hatramin’ny kaonsilin’ny Vatican faharoa (1962-1965). Araka ny voalazan’ny Encyclopédie américaine, “dia ny papa no miantso ireo kaonsily eokimenika. Izy no mitarika izany, mametra ny fandaharana, ny famaranana azy ary mamoaka ireo didy avy amin’izany. (...) Miaraka amin’ny papa, dia ny kaonsily eokimenika no fiasana kolejialin’ny kaonsily eokimenika no fiasana kolejialin’ny Eglizy, ary mikambana aminy, izy io dia mampiseho ny fahefana hampianatra tsy mety diso ao amin’ny Eglizy amin’ny lafin’ny finoana sy ny toe-pitondrantena”. — Boky VIII, pejy faha-85.
Ny niandohany
Mpitondra fivavahana maro no mino fa ireo kaonsilin’ny finoana lazaina fa kristiana dia azo ampitahaina amin’ny fivoriana nalamin’ny apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. Manantitrantitra àry izy ireo fa ireo kaonsily taty aoriana dia manana fahefana hanao fanapahan-kevitra tahaka izany koa amin’ny lafin’ny finoana sy ny toe-pitondrantena (Asan’ny apostoly 15:2, 6, 22). Nahazoan-dalana avy amin’Andriamanitra ve anefa ireny kaonsily ireny? Ankasitrahany ve izany?
Mahaliana fa ao amin’ny Marka 3:6 (MN), ny fitenenana hoe “miara-mandinika” dia avy amin’ny teny grika iray manondro ‘fivorian’olona manome ny heviny sy torohevitra’. Vakintsika ao amin’io andininy io fa ny Fariseo dia ‘niara-nandinika’ tamin’ireo mpanohana an’i Heroda, mba hampamonoana an’i Jesosy. Azo antoka fa tsy nankasitraka an’io “kaonsily” io Andriamanitra! Nampitandrina an’ireo mpianany tokoa i Jesosy mba tsy hametraka ny fitokisany amin’ny olona toy izany (Marka 8:15). Hisy antony tokony tsy hitokisana toy izany an’ireo kaonsilin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ve?
Izao koa no nolazain’i Jesosy: “Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:20). Aoka àry hodinihintsika ireo vokatry ny kaonsily isan-karazany.
Izay nanapaka azy ireo
Araka ny voalazan’ny Encyclopédie américaine, ireo kaonsilim-pirenena nampiasaina handaminana ny Eglizy katolika tany Espagne, tany Grande-Bretagne sy tany an-toeran-kafa dia matetika no “nantsoina sy notapahin’ny fahefana tsy ara-pivavahana”. Ireo kaonsily lehibe nahavory ireo filoha ara-pivavahana tao amin’ny Empira romana manontolo “dia tsy fantatra talohan’ny kaonsilin’i Nicée (325 amin’ny fanisan-taona iraisana)” izay novorin’ny emperora Constantin. Araka ny hevitr’ilay mpanoratra tantara britanika atao hoe H. G. Wells, i Constantin dia nampiditra ny politika sy ny aotokrasia tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana iray efa voazarazara mafy. Izao no nosoratan’i Wells: “Tsy ny kaonsilin’i Nicée ihany, fa ny kaonsily lehibe rehetra: ireo an’i Constantinople (381 sy 553), an’i Efesosy (431) sy an’i Chalcédoine (451) dia nantsoin’ny fahefana imperialy.” Ahoana no nahafahan’Andriamanitra nankasitraka izany, satria ireo kristiana marina tsy nanandrana nampifangaro ny fivavahany tamin’ny politika, fa nitana fialanalanana tanteraka kosa? — Jaona 17:16; Jakoba 1:27.
“Ireo kaonsily lehibe izay nanaraka dia matetika no simban’ny politika ara-pivavahan’ny empira sy ny fifandrafian’ireo “patriarcats” [faritany entin’ny eveka na ny arseveka]”, hoy ny teny nanampin’ny Encyclopédie américaine. Koa satria ireny kaonsily ireny voamariky ny firaisan-tetika sy ny fifandrafian’ny mpitondra fivavahana, dia tsy namoa ny vokatry ny fanahy toy ny fitiavana sy ny fiadanana izany. Nanimba azy kosa aza ny asan’ny nofo, anisan’izany ny “fankahalana, fifandirana, fialonana, (...) ady antsanga, tsy fifanarahana, fisarahan-kevitra”. Raha niresaka ny amin’ny asan’ny nofo anefa ny apostoly Paoly dia nanome izao fampitandremana izao: “Ireo izay manao zavatra toy izany dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.” (Galatiana 5:19-23, Osty, fandikan-teny katolika). Ahoana àry no azo anamafisana fa ankasitrahan’Andriamanitra ireo kaonsilin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
Faharatsiana maharikoriko
Nieritreritra i H. G. Wells fa ny sain’i Constantin dia nanapaka tao amin’ireo raharahan’ny Eglizy. Nanao izao fanamarihana izao izy: “Tena hevitry ny mpanjaka tsy refesi-mandidy, hevitry ny lehilahy iray tsy mahay miasa raha tsy afaka amin’izay rehetra mety ho fanoherana sy fanakianana, no nanosika an’i Constantin hanafoana izay rehetra mety ho fitiavana fiadian-kevitra sy fisaratsarahana, hamoritra ny hevitra rehetra, tamin’ny fandidiana ny mpino hanaraka hevitra inoana tokana. Noho izany, ny tantaran’ny Eglizy teo ambany fitarihan’i Constantin izao dia tonga ny an’ny ady mahery vaika izay tsy maintsy hanaraka ny fandidiany tampoka sy mafy hanaiky ny hevitry ny maro. Avy aminy no nahazoan’ny Eglizy ny toe-tsainy mandidindidy sy mitompo teny fantatra, ny fironany hamorona fandaminana iray mamory ho amin’ny fitoerana iray, mifanitsy amin’ny an’ny Empira romana.”
Ny fiampangana ho manohitra ny finoana dia niharihary ho fomba iray tsy mifaditrovana mba hanafoanana ireo mpanohitra izay sahy nihaika ireo kaonsilin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izay rehetra nilaza hevitra hafa na nanandrana nampiseho porofo nalaina avy ao amin’ny Soratra Masina mba hanoherana ireo zavatra inoana sy ireo fitsipika (ireo lalàn’ny Eglizy) avy amin’ireo kaonsily dia nomarihina fa fanoherana ny finoana.
Ny fahavononana hanafoana ny fanoherana dia namoha ny lalana ho amin’ny faharatsiana mahatsiravina. Ny ankamaroan’ireo izay noheverina fa meloka ho nanohitra ny zavatra inoana voalaza tamin’ny kaonsily iray dia nodorana teo amin’ny antontan-kitay; navela hiala aina moramora ampahibemaso izy ireny, nolazaina fa tamin’ny anaran’i Kristy!
Ohatra, ny kaonsilin’i Constance (1414-1418) dia nantsoina mba hamaranana ny fifandirana momba ny maha-izy ny papa ara-dalàna sy handinihana ny amin’ny fanoheran’i Wycliffe sy Hus ny finoana. Tantaraina fa soavaly telo arivo sy iray alina no nitondra olona nankany Constance tamin’io fisehoan-javatra lehibe io. Nandritra ny kaonsily, dia notsaraina sy nomelohina i Jan Hus, avy eo dia natolotra an’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana sy nodorana teo amin’ny antontan-kitay.
Inona no holazaina ny amin’ny foto-pinoana?
Marina fa ny kristiana marina rehetra dia ‘miray teny’. Ny antony anefa dia tsy hoe satria izy ireny iharan’ny fanerena tsy milefitra ampiharin’ny mpitondra fivavahana, fa satria kosa ny zavatra inoan’izy ireny sy ny fanaony dia miorina mafy amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra (I Korintiana 1:10; Asan’ny apostoly 17:10, 11; II Timoty 3:16, 17). Amin’ny endriny ahoana anefa no isehoan’ireo kaonsily rehefa dinihina ireo fanapahan-keviny raha ny amin’ny foto-pinoana?
Na dia nisy nihevitra tokoa aza fa nanamarika tamin’ny vato fotsy ny tantaran’ny teolojia ireo kaonsily, tao an-tsain’ny maro izany dia vatom-pasana nandevenana, noho ny famelezana mafy ho fanafoanana, ireo fampianarana kristiana madio. Aoka hohazavaintsika izany: Tamin’ny 325, ny kaonsilin’i Nicée dia nampiditra ny fampianarana ny amin’ny Kristy nitafy nofo na Olona Andriamanitra. Io fampianarana io izay mandà ny hoe olombelona fotsiny Kristy dia nanjary ny anankiray tamin’ireo namitaka indrindra tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana (jereo II Jaona 7). Izany tokoa dia nampiala olona an-tapitrisany maro tamin’i Jehovah Andriamanitra ka nahatonga azy ireny hino ny Trinite mahasanganehana! Tsy misy na dia iray aza amin’ireo kaonsily tafavory taty aoriana nanandrana nanitsy izany fahadisoan-kevitra izany. Miharihary fa mifanohitra amin’ny Soratra Masina anefa ny fampianarana ny amin’ny Trinite na Andriamanitra telo izay iray, satria izao no nolazain’i Jesosy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Nety ho nankasitrahan’Andriamanitra ve ny kaonsily iray izay nanamaizina ny fahamarinana ny amin’ny maha-izy azy sy ny amin’ny an’ny Zanany?
Ny fampianarana naorin’ny kaonsily iray dia mety harodan’ny hafa iray. Ohatra, araka ny asehon’ny tabilao eo ambony, ny fampiasana sary ao amin’ny fanompoam-pivavahana dia nariana tamin’ny kaonsily iray nalamina tany Constantinople tamin’ny 730. Naorina indray tamin’ny nataon’ny kaonsily hafa iray anefa izany fanao izany. Mazava ho azy fa asehon’ny Baiboly fa ny fanamboarana sy ny fampiasana sary ara-pivavahana dia karazam-panompoan-tsampy ary tsy mifanaraka amin’ny kristianisma. — Eksodosy 20:4-6; I Jaona 5:21.
Araka ny asehon’ny tabilao koa, tamin’ireo foto-pampianarana notohanan’ireo kaonsilin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia tao ny batemin-jazakely, ny tsy fanambadiana andidiana ireo pretra, ny afo fandiovana sy ny afobe mirehitra. Ny Soratra Masina anefa dia tsy manohana na ny batisan-jazakely, na ny tsy fanambadiana toy izany, na ny afobe mivaivay, toy ny tsy fanasiany fitenenana ny amin’ny afo fandiovana (Matio 28:19, 20; I Timoty 4:1-3; Joba 14:13). Koa satria ireo izay maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra tokony hivavaka aminy amin’ny “fanahy sy ny fahamarinana”, ahoana no mety hankasitrahan’Andriamanitra kaonsily mamporisika hanaraka fampianaran-diso? — Jaona 4:23, 24.
Ny fivoriana tany Jerosalema
Momba ireo kaonsily, dia izao no nosoratan’i Otto Karrer: “Afa-tsy ilay antsoina hoe kaonsily apostolika [natao tany amin’ny taona 49 amin’ny fanisan-taona iraisana], izay ny fanapahan-kevitra dia an’ny lovantsofin’ny fanambarana apostolika araka an’Andriamanitra, ny kaonsily rehetra dia vokatry ny Eglizy taty aorian’ny apostoly. Tsy nitranga tao anatin’ny vanim-potoana nanorenana ny Eglizy izany.” — Ireo kaonsilin’ny Eglizy (anglisy).
Tsy azo lavina fa ny kaonsilin’ny fivavahana lazaina fa kristiana rehetra dia hafa dia hafa noho ny fihaonamben’ireo apostoly sy ireo loholona natao tany Jerosalema tamin’ny taonjato I. Tsy nisy mihitsy mpitondra fivavahana liam-pahefana tonga teo tamin’izay mba hametraka zioga mavesatra teo an-tsoroky ny hafa na mba hamelona ny lelafon’ny antontan-kitay mirehitra iray. Ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra kosa no niharihary. Notarihin’ny fanahy masina ireo fiaraha-mandinika alohan’ny fanapahan-kevitra ary nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Manao toy izany koa ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao mba handaminana raharaha mifandray amin’ny Soratra Masina.
Nilaza toy izao, ankoatra ny zavatra hafa, ny taratasy nalefan’ireo apostoly sy loholona tany Jerosalema ho an’ny mpino hafa: “Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.” (Asan’ny apostoly 15:22-29). Tsy lalàna avy amin’olombelona fotsiny akory izany, fa fepetra takina mifototra amin’ny didy navoakan’ilay Mpanao lalàna lehibe teo aloha. — Genesisy 9:3, 4; Deoteronomia 5:8-10, 18; Isaia 33:22.
Nankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra io fivoriana nataon’ireo apostoly sy ireo loholona tany Jerosalema tamin’ny taonjato I io, satria notahiny ireo fanapahan-kevitra natao tany. Ambonin’izany, io fivoriana io dia nanohana ny asa fitoriana ilay Fanjakana izay nampiditra Jentilisa maro tao anatin’ny kongregasiona kristiana. Mifanohitra amin’izany, ireo zava-nitranga ara-tantara dia manaporofo miharihary fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ireo kaonsilin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
[Tabilao, pejy 26]
FOTO-PAMPIANARANA NOLANINA KAONSILY DATY
Batemin-jazakely Carthage 253
Tsy fanambadiana Trente 1545
Fivavahana amin’ny
sary noraranaa Constantinople 730
Fivavahana amin’ny
sary naorina indray Constantinople 842
Nicée 787
Fisaraham-panambadiana rarana Trente 1545
Afobe mirehitra Lyon 1274
Florence 1573
Tsy fandovan’i Maria virijina
fahotana Avignon 1457
Fitafian’i Kristy nofo Nicée 325
Chalcédoine 451
Fandrarana ireo lahika tsy
hitory teny eny ambony
polipitra Constantinople 681
Afo fandiovana Florence 1573
Trente 1545
Trinite Nicée 325
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo foto-pampianarana ireo ihany no mifanaraka amin’ny Baiboly.
b Ireo foto-pampianarana ireo ihany no mifanaraka amin’ny Baiboly.