Ry zatovo, tandremo ny fananana fiainana roa sosona
“Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; (...) nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany.” — MPITORITENY 11:9.
1, 2. Manonòna ohatra ny amin’ny zatovolahy iray izay nanana fiainana roa sosona.
“HATRAMIN’NY fahazazako dia notezaina tao amin’ny kristianisma, teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, aho, hoy ny nosoratan’ny tovolahy anankiray. Kanefa ny fitondrantenako, na tao an-trano aza, dia nifanohitra tanteraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika sy fomba fihevitry ny ray aman-dreniko. Nanana fiainana ratsy aho, dia fiainana tsy voafehy mampiavaka an’izao tontolo izao.”
2 Nanohy toy izao izy: “Na dia talohan’ny fahafolo taonako aza dia nihatsaravelatsihy tamim-pahakingana araka izay azoko natao aho. Tiako ny horaisina ka hanana namana tany an-tsekoly sady hifanaraka tsara amin’ny ray aman-dreniko. Tao an-dakilasy, dia nanaraka araka izay azo atao ny fanao sy ny fitondrantenan’ny hafa aho (...). Tany an-trano kosa, dia olona hafa dia hafa noho izany aho: kristiana nanana fitondrantena tsara, araka ny nanirian’ny ray aman-dreniko azy.”
3. a) Antoka inona no anananay, nefa inona koa no fantatray? b) Noho ny fikendrena inona no hiresahanay manokana amin’ny zatovo?
3 Inoanay fa ny fitondrantenan’io tovolahy io dia tsy manome taratry ny an’ny ankamaroanareo, ry zatovo izay anisan’ny kongregasiona. Amin’ny ankamaroany, dia tsy isalasalanay fa marina amin’ny ray aman-dreninareo sy ny kongregasiona ianareo ary mahafaly anay izany. Kanefa fantatray fa ny sasany izay toa manana fitondrantena mahitsy dia manafina tsara araka izay azony atao ny zavatra ratsy ataony amin’ny olon-dehibe. Noho izany dia mipetraka ny fanontaniana hoe: Moa ve ianareo ny karazan’olona tianareo hampinoana anay, sa manana fiainana roa sosona kosa ianareo? Tsy mametraka izany fanontaniana izany amin’ny saina miahiahy akory izahay, fa satria tianay amim-pahatsorana kosa ianareo, ka irinay ny hanampy anareo hifaly amin’ny fahatanoranareo, amin’ny fandaniana izany amin’ny fomba mahafinaritra an’i Jehovah. — Mpitoriteny 11:9, 10; 12:14; 2 Korintiana 5:10.
4. Ohatra inona avy ny amin’ny olon-dehibe nanana fiainana roa sosona moa no lazain’ny Baiboly? Kanefa, inona no voamarika tao anatin’izao fotoana faramparany izao teo amin’ny zatovo?
4 Angamba ianao manontany tena hoe: ‘Nahoana no kendrena ny tanora? Ary ahoana kosa ny olon-dehibe?’ Tsy misy isalasalana fa tokony hitandrin-tena amin’ny fananana fiainana roa sosona koa ny olon-dehibe. Gehazy, mpanompon’i Elisa, dia nitady hamitaka ny tompony. Nandramany nafenina taminy fa nandray fanomezana avy tamin’i Namàna izy (2 Mpanjaka 5:20-26). Ananiasy sy Safira, izay olon-dehibe, dia nandainga mba hisehoana ho tsaratsara kokoa noho izay naha-izy azy. Nilaza izy ireo fa nomeny ny apostoly avokoa ny vola vidin’ny saha iray, kanefa nisy nanajanonany (Asa. 5:1-4). Kanefa, matoa izahay mitodika manokana aminareo, ry zatovo, dia satria nomarihinay tamin’izao fotoana faramparany izao fa mihamaro kokoa aminareo no nanaiky ho voataonan’ny fakam-panahy hanana fiainana roa sosona.
Nahoana no manana fiainana roa sosona ny sasany
5. a) Nahoana no manana fiainana roa sosona ny zatovo sasany? b) Ahoana matetika no itondran’ny hafa ireo zatovo izay manana fitondrantena tsara, ary inona no ataon’ny sasany amin’izy ireny noho izany?
5 Nahoana no manana fiainana roa sosona ny sasany? Manome ny iray amin’ireo antony lehibe indrindra ny tovolahy anankiray tamin’ny filazana hoe: “Tsy te-hiavaka aho sao hamoy ny namako. Marina fa matetika dia esoina ny tena rehefa miavaka amin’ny hafa amin’ny fanaovana ny tsara (jereo 1 Petera 3:16; 4:4). Mba hialana amin’izany karazana tarehin-javatra izany sady mba handraisan’ny hafa azy, dia misy tanora tonga hatramin’ny fimamoana na amin’ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ny zatovovavy mpianatra iray 13 taona, izay tsy Vavolombelona ary nahazo vokatra tsara dia tsara tamin’ny taranja rehetra sady nandray anjara foana tamin’ireo resadresaka natao tao an-dakilasy dia nitaraina toy izao: “Tsy manintona ny ankizilahy ny olona toa maotina loatra tahaka ahy (...) Mihevitra ny tsy hianatra tsara loatra aho na hanao zavatra hafa mba hisondrotana eo amin’ny fitiavany.”
6. Inona no nitarika an’i Petera hanao zavatra tsy nety, koa inona no tokony famaranan-kevitra momba ny zatovo?
6 Ny tenan’ny apostoly Petera koa aza dia tonga hatramin’ny fiahiana kokoa ny amin’ny lazany noho izay fantany fa marina. Rehefa tonga tany Antiokia izay nisy azy ny kristiana nanana fiaviana jiosy avy tany Jerosalema, dia natahotra izy sao homeny tsiny ho nifanerasera tamin’ny Jentilisa tonga kristiana, koa nihatakataka tamin’ireto farany izy (Galatiana 2:11-14). Koa satria kristiana matotra tahaka izany aza latsaka tamin’ny fitaoman’ny sasany tamin’ireo namany, moa ve tokony hahagaga raha mitranga amin’ireo zatovo tsy ampy fanandraman-javatra koa ny toy izany? — Ohabolana 22:15.
7. Nahoana no voan’ny fakam-panahy hanana fiainana roa sosona ny zatovo sasany?
7 Manana fiainana roa sosona ny zatovo sasany noho ny antony iray mifandray amin’ilay vao avy noresahintsika: mihevitra izy ireo fa tsy mba mandany fotoana mahafinaritra. Mandre ny mpiara-mianatra aminy miresaka ny amin’ny fialam-boliny izy ireo, ohatra, takariva nahavariana nihainoana mozika “kanto” sy nisotroana ary nampiasana zavatra mahadomelina. Na, mandre azy ireny miteny fa nanoroka ankizilahy toy izao na tovovavy toy irỳ ka nanana firaisana taminy koa izy ireo. Amin’izay dia mitsimoka ao am-pony ny faniriana hahafantatra ireny zavatra ireny ka manosika azy hanandrana izay antsoin’ny Baiboly hoe “fifaliana vetivety amin’ny fahotana.” — Hebreo 11:24, 25; 1 Korintiana 10:6-8.
8. Noho ny antony lehibe inona no mahatonga ny zatovo hanana fiainana roa sosona?
8 Izao anefa no antony tena lehibe mahatonga ny zatovo hanana fiainana roa sosona: Eo imasony Jehovah dia tsy persona tena misy ary ny fanorenana izao tontolo izao vaovao tsy ho ela dia tsy azo antoka. Tsy tena mino ireo fampanantenan’i Jehovah izy ireo na mihevitra ireo fampitandremana omeny amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany hita maso momba ny vokatra entin’ny tsy fankatoavana ireo lalàny (Galatiana 6:7, 8). Tsy tahaka an’i Mosesy izay lazain’ny Baiboly toy izao izy ireo; “Nijery ny famalian-tsoa [nampanantenain’Andriamanitra] izy. (...) Fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” Tena nisy tamin’i Mosesy Jehovah sy ireo fampanantenany. Nefa ireo izay manana fiainana roa sosona dia tsy manana finoana toy izany. Izay tian’i Satana ho hitany fotsiny no hitany, dia: ny famirapiratry ny fandehan-javatra tarihiny. Mitady ny fifaliana vetivety amin’ny fahotana àry izy ireo, sady manandrana ny miseho ho marina. — Hebreo 11:26, 27.
Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
9. a) Ahoana no mety hahatonga ny ray aman-dreny hanao izay hananan’ny zanany fiainana roa sosona? b) Tokony hahay hanavaka inona ny olon-dehibe, ary tokony ho mailaka hanao inona izy?
9 Nanao izao fanamarihana izao ilay tovolahy notononina tetsy am-piandohan’ity lahatsoratra ity: “Izay nandavana ahy tany an-tsekoly dia nahazoako dera tao an-trano. Nefa nila nihoatra noho izany aho, nila olona izay azoko nianteherana, azoko niresahana sy namborahana ny tao am-poko aho. Nefa tsy nahita izany rehetra izany teo amin’ny ray aman-dreniko aho.” Ry ray aman-dreny, moa ve ianareo mitandrina mba tsy hahatonga ny zanakareo hanana fiainana roa sosona? Moa ve ianareo manome azy ireo ny fiheverana manokana sy ny fitarihana izay ilainy? Ilain’ny olon-dehibe ny mahay manavaka ireo fisedrana mahatsiravina zakain’ireo tanora kristiana any an-tsekoly, fisedrana izay mety hikiky ny finoany. Tokony ho mailaka hanao izay rehetra azony atao izy ireo mba hampaherezana sy hanampiana azy ireny. — Salamo 73:2, 3; Hebreo 12:3, 12, 13.
10. a) Fanontaniana inona avy no tokony hovalian’ny ray aman-dreny? b) Inona no miseho matetika rehefa tsy manome fitarihana ara-pitondrantena ny zanany mihitsy ny ray aman-dreny?
10 Matetika mihitsy ny zatovo no manontany tena ny amin’ny fifandraisany amin’ny lehilahy raha vavy ny tenany sy amin’ny vehivavy raha lahy ny tenany. Mampalahelo anefa fa izany dia foto-kevitra izay halavirin’ny ray aman-dreny maro ny miresaka azy. “Tsy mba nanana resadresaka tamim-pahatsorana tamiko mihitsy izy ireo, hoy ny tadidin’ny zazavavy mpianatra tsara tarehy iray 15 taona. Izay rehetra fantatro momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, dia voatery nianarako izaho samy irery. (...) Tsy ho sahy na oviana na oviana hiresaka amin’izy ireo ny amin’io raharaha io aho, kanefa maro erỳ ny zavatra niriko ho fantatra.” Namarana tamin’izao teny izao izy: “Nitatra ny hantsana nampisaraka ahy tamin’ny ray aman-dreniko ary tonga tena tia namantapanta-javatra aho sady adaladala no nalaky tezitra.” Tato aoriana dia nanaiky ny fitaoman’ny tovolahy iray io zazavavy io. Nefa moa ve izy irery no tompon’andraikitra tamin’ny fahadisoany? — Ohabolana 22:3; 27:12.
11. a) Ahoana no anehoan’ny ray aman-dreny fa tia ireo zanany izy? b) Ahoana no fandraisan’ny zatovo amin’ny ankapobeny izany karazam-pitiavana izany?
11 Zava-dehibe mihitsy ny hampisehoan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany fa tena tia azy ireo izy, amin’ny fanokanana fotoana ho azy, amin’ny fanaovana resadresaky ny mpifampatoky aminy sy amin’ny famerana fitsipi-pitondrantena ho azy (Ohabolana 15:22; 20:18). “Heveriko fa raha tena miahy tokoa ahy izy ireo dia hametra fitsipika sasany ho ahy”, hoy ny fanamarihan’ny zatovo hafa iray. Na dia hitan’ireo zanakao ho manery loatra aza ny fitsipika feranao amin’izao fotoana izao, dia ho tonga hatramin’ny fankasitrahana izany izy any aoriana. Porofon’izany izao nosoratan’ny tovovavy iray tamin-dreniny izao: “Izaho izay nandeha foana teny an-tsisin’izay noleferinao sady nitady fomba ihoarana foana ireo fitsipika hentitra noferanao, ankehitriny dia velom-pankasitrahana lalina anao aho noho ny nahasarotiny anao tamiko.” Asehoy àry fa tia ny zanakareo ianareo amin’ny fitakiana aminy ny hanarahany ny toromarikareo. Ataovy ny anjaranareo mba tsy hananany fiainana roa sosona, amin’ny fisian’ny fifampiresahana tsara eo aminareo sy izy ary amin’ny fahazoany manatona anareo rehefa mila anareo izy!
12. Fihetsika tsy mampiseho fahendrena inona asehon’ny ray aman-dreny sasany moa no mahatonga ny zanany hanana fiainana roa sosona?
12 Mbola azon’ny ray aman-dreny atao ny tsy hahatonga ny zanany hanana fiainana roa sosona amin’ny fomba hafa koa. Misongadina amin’izao fanamarihana nataon’ny mpitsara iray tao amin’ny Fitsarana fitarainana ao amin’ny Fanjakan’i New Jersey (Etazonia) izao izany: “Ny mpampianatra dia manandrana mifehy ireo mpianatra tsy mitondra tena tsara any an-tsekoly, ny ray aman-dreny kosa manome tsiny azy ireo noho izany, fa tsy mba manohana azy akory.” Ny sasany dia toa mino, tsy ara-drariny, fa tsy hahavita ratsy mihitsy ny zanany. Mody tsy mihaino izy ireo, na dia rehefa misy loholona na tompon’andraikitra hafa ao amin’ny kongregasiona aza mampahafantatra azy ireo ny fitondrantena ratsin’ny zanany. Amin’ny fanaovana toy izany, dia manao izay hitondran’ireo zanany tena amim-pihatsarambelatsihy izy ireo.
Raha ny marina mitovy amin’inona moa izany?
13. Mitovy amin’inona moa raha ny marina ny fananana fiainana roa sosona?
13 Tokony ho takatra tsara fa ny fananana fiainana roa sosona dia sahala amin’ny fiainana ao amin’ny lainga, fitondrana tena toy ny mpanoloky sy ny mpihatsaravelatsihy (Salamo 12:2; 2 Timoty 3:13). Ny fanaovana toy izany dia mitovy amin’ny fanahafana an’i Satana izay “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava”. (2 Korintiana 11:14, 15.) Izany koa dia fanahafana ireo mpitondra fivavahana izay nilazan’i Jesosy izao: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” (Matio 23:27, 28). Miharihary àry fa ireo izay manana fiainana roa sosona dia manota amin’Andriamanitra.
14. Nahoana no ilaina ny mitandrin-tena tsy hanana fiainana roa sosona?
14 Mendrika ny hoheverina tsara koa izao toe-javatra izao: Tsy azo afenina foana akory ny fitondrantena feno fihatsarambelatsihy. “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany”, hoy ny Baiboly (Ohabolana 20:11; Lioka 12:1-3). Ny fitondrantenanao tokoa, na tsara izany na ratsy, dia tsy maintsy fantatra na ho ela na ho haingana. Ary ny Baiboly anefa dia manome antoka antsika fa Andriamanitra dia hanafay tokoa ny mpihatsaravelatsihy (Matio 24:51). Tsy azo lavina fa tsara lavitra kokoa àry ny tsy manana fiainana roa sosona.
Ny fomba hanalavirana an’izany
15. Inona no mety hanampy ny zatovo tsy hanana fiainana roa sosona?
15 Ny fomba tsara iray tsy hahatongavana amin’ny fananana fiainana roa sosona dia ny fisaintsainana ny amin’izay voafaoka marina amin’izany fihetsika izany, avy eo dia ny fanontaniana tena hoe: Toy izany ve no tiako hiheverana ahy, dia tahaka ny mpihatsaravelatsihy, mpanahaka an’i Satana sy ny Fariseo? Tsy ho izany mihitsy! Ny fomba hafa iray koa dia ny fieritreretana ny alahelo sy ireo loza hojinjainao amin’ny fanaovan-javatra toy izany. Tadidio izay nahazo an’i Gehazy noho ny nanandramany niaina tao anatin’ny lainga: ny habokan’i Namàna dia niraikitra taminy ary boka mandra-pahatapitry ny androny izy. Raha ny amin’i Ananiasy sy Safira kosa dia novonoin’Andriamanitra izy ireo noho ny nanandramany niseho ho nalala-tanana kokoa noho izay tena naha-izy azy. — 2 Mpanjaka 5:27; Asa. 5:5, 9, 10.
16. Inona no nahazo ny tovolahy iray nanaraka fomba fiaina mampiavaka an’izao tontolo izao?
16 Hevero koa ireo ohatra amin’izao andro izao. Tany Etazonia dia nanomboka nianatra Baiboly sy nanatrika ireo fivoriana natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny tovolahy iray. Nefa tatỳ aoriana, dia nanaraka ny fomba fiaina mampiavaka an’izao tontolo izao izy ka nitsahatra tsy niaraka tamin’ny kongregasiona. Taona maro tatỳ aoriana, dia nanoratra toy izao izy: “Efa ho roa volana izay dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba handefasany Vavolombelona iray ho atỳ amiko satria naniry hifandray amin’ny vahoakany indray aho. Nanomboka nianatra indray aho, ary tamin’izay no nandrenesako vaovao nampivarahontsana: iray volana lasa izay dia nampiharihary ny famotopotorana aretina fa azon’ny sarkoman’i Kaposi izay mifandray koa amin’ilay aretina vaovao tsy azo sitranina atao hoe SIDA aho.” Namarana tamin’izao teny izao izy: “Raha mba nihaino sady nanaja ireo fampitandremana ao amin’ny Baiboly mantsy aho, dia tsy ho tonga tamin’izao toerana izao ankehitriny!” Tsy ho tianao tokoa ny hanana fitondrantena hitarika vokany mampalahelo tahaka izany! Tsy misy zavatra tena tsara mihitsy azon’izao tontolo izao atolotra. — 1 Jaona 2:15-17.
17. Zavatra hafa inona tokony hoeritreretina moa no hanampy ny zatovo tsy hanana fiainana roa sosona?
17 Ho moramora kokoa aminao ny tsy hanana fiainana roa sosona raha mieritreritra ny amin’ny vokatra hoentin’ny fitondrantena toy izany eo amin’ny anaran’i Jehovah ianao. Ilay tovolahy voalaza teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity dia nitantara fa indray andro dia nisy nahita azy nifoka sigara ka nilaza taminy hoe: “Tsy fantatro fa mahazo mifoka sigara ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy Vavolombelon’i Jehovah moa ianao?” Niaiky izy tatỳ aoriana fa nampikorontan-tsaina azy lalina ilay fanontaniana, satria nahatonga azy hahatsapa fa nanala baraka an’i Jehovah ny fitondrantenany. Izany ve no irinao? Tahaka ireo Isiraelita nivadika tamin’ny lasa, moa ve ianao manao tsinontsinona an’Andriamanitra ka ho tonga hatramin’ny fandotoana ny anarany? — Salamo 78:36, 37, 41; Ezekiela 36:22.
18. a) Manao ahoana moa ny fihetsiky ny ray aman-dreny amin’ny ankapobeny rehefa mahafantatra izy fa manana fiainana roa sosona ny zanany? b) Nahoana izany no tokony hanosika ny tanora kristiana tsy hanana fiainana roa sosona?
18 Eritrereto koa ny amin’ny lazan’ireo ray aman-dreninao sy ny amin’ny fihetseham-pony. “Indray andro dia fantatry ny ray aman-dreniko ny marina momba ahy, hoy ilay tovolahy noresahina tetsy ambony. Nahakivy mafy azy izany. Ary voalohany teo amin’ny fiainako no nahitako ny ray sy ny reniko nitomany. Nalahelo mafy noho ny nataoko izy ireo.” Azo inoana fa hitomany koa ny ray aman-dreninao raha fantany indray andro any fa manana fiainana roa sosona ianao. Izany ve no irinao? “Aleo laza tsara toy izay harena betsaka”, hoy ny Baiboly (Ohabolana 22:1, Français courant). Tsy ny lazanao fotsiny no simba amin’ny fananana fiainana roa sosona fa ny an’ny ray aman-dreninao koa. Mandoto izany ianao ka mahatonga azy ireo hietry sy ho sanganehana. — Ohabolana 10:1; 17:21.
19. Vokatra inona avy no nentin’ny fitondrantena ratsin’ireo zanak’i Jakoba lahy teo amin’ny rainy, ary lesona inona no azo tsoahina avy amin’izany?
19 Izay nitranga tamin’ireo zanak’i Jakoba lahy dia mampiseho fa mety handoto ny anaran’ireo ray aman-dreniny ny zanaka. Taorian’ny nisavihana an’i Dina anabaviny, dia novonoin’izy ireo ny lehilahy tao an-tanàna nisehoan’ilay heloka, avy eo dia norobainy izany, ka nahatonga an’i Jakoba hitaraina tamin’izao teny izao: “Efa nahatonga loza amiko hianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho”. Avy eo aza dia nasain’Andriamanitra nandao ilay faritra Jakoba (Genesisy 34:30; 35:1). Raha toa manana fiainana roa sosona ianao dia mety hanamaimbo koa ny anaran’ny ray sy ny reninao ka hitarika henatra ho azy izany na dia eo anatrehan’ny mpifanolobodirindrina aminy sy ny sakaizany aza. Marina tokoa ity fanambaran’ny Baiboly ity: “Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.” — Ohabolana 17:25.
20. Fanomezana kanto inona moa no navelan’ireo ray aman-dreny kristiana handraisan’ny zanany soa?
20 Kanefa inoanay fa tsy tianareo ny hampalahelo ny ray aman-dreninareo sy hampitondra fahoriana mangidy azy. Eritrereto àry ny ho vokatry ny fitondrantenanareo eo aminy. Raha toa, ankoatra izany koa ka mahita fahasambarana manana ray aman-dreny kristiana ianareo, dia hevero fa tsy hoe nanome ny fiainana ho anareo fotsiny izy ireo, fa nanome zavatra mbola sarobidy kokoa ihany aza. Hoy tokoa ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Fa tsara noho ny aina ny famindramponao [hatsaram-ponao, MN ] (Salamo 63:3). Eny, tamin’ny nitaizany anao tao anatin’ny fahamarinana, dia namela anao hahita soa amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra ny ray aman-dreninao sady nanampy anao hampifamatotra fifandraisana tsara aminy. Izany dia tombontsoa sarobidy lavitra noho ny fahavelomana, satria na ho faty aza ianao, Andriamanitra dia hanome anao indray ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa.
Ampio ny hafa mba tsy hananany fiainana roa sosona
21. a) Andraikitra inona no ananan’ireo zatovo iray mahalala fa tsy mitondra tena tsara ny hafa? b) Ohatra tsara inona no nomen’ny zatovovavy iray 13 taona tamin’izany lafiny izany?
21 Inona no hatao raha mahafantatra kristiana iray izay manana fiainana roa sosona ianao? Voalohany indrindra dia amporisiho hanatona ireo loholona izy. Ary raha tsy mety manao izany izy? Amin’izay, araka ny Baiboly, dia manana adidy hilaza ny amin’ny fitondrantena ratsin’io olona io ianao (Levitikosy 5:1). Fantatsika fa tsy zavatra mora akory izany nefa izany no tokony hatao. “Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza”, hoy ny Baiboly (Ohabolana 27:6). Rehefa avy nandre lahateny miresaka ny amin’izany andraikitra araka ny Baiboly izany ny zatovovavy 13 taona dia nanatona ny sakaizany iray izay fantany fa nanao zavatra ratsy ka nasainy niaiky ny fahadisoany tamin’ireo loholona izy. “Avy eo dia nohamariniko raha nanambara ny fahadisoany tamin’ny anankiray amin’ireo loholona izy, hoy ny nosoratany. Koa satria tsy nanao izany izy, dia nandeha niresaka tamin’ny iray taminy aho”. Nametraka izao fanontaniana izao io zatovovavy io avy eo: “Nety ve ny nataoko tamin’ny nilazako izay nataon’io ‘sakaizako tsara indrindra teo aloha’ io?” Eny tokoa! Na dia mety hisy vokany mampahory aza ny dingana toy izany amin’ny voalohany, dia mety hiseho ho loharanom-pifaliana izany atỳ aoriana, ary mety hahatonga famonjena mihitsy ho an’ilay mpanota aza. — Hebreo 12:11.
22. Torohevitra mampiseho fahendrena inona avy moa no amporisihina ny zatovo mba harahiny ary soa inona avy no ho azony avy amin’izany?
22 Kanefa ry zatovo, afaka manalavitra izany fahasahiranana rehetra izany ianareo amin’ny tsy fananana fiainana roa sosona. Manehoa àry fahendrena. Mampifamatora fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra, tahaka ny amin’ny sakaiza akaiky. Mivavaha aminy tsy tapaka, angataho ny fanampiany ary mianara amim-pahazotoana ny Teniny, dia ny Baiboly, mba hahatonga anareo hankasitraka tokoa ireo toetrany noho izany. Amin’izay ianareo dia handray soa avy amin’izany sady hampifaly ny fon’ireo ray aman-dreninareo. Ary ny mbola lehibe kokoa ihany, dia hampifaly ny fon’i Jehovah ianareo. — Ohabolana 27:11.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no manana fiainana roa sosona ny zatovo sasany?
◻ Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny ray aman-dreny sasany hanao izay hananan’ny zanany fiainana roa sosona?
◻ Raha ny marina, mitovy amin’inona moa ny fananana fiainana roa sosona?
◻ Inona no mety hanampy ny zatovo tsy hanana fiainana roa sosona?
◻ Andraikitra inona no ananan’ireo zatovo izay mahalala fa nanao fahotana lehibe ny tanora hafa?
[Sary, pejy 18]
Asehon’ny ray aman-dreny fa tia ireo zanany izy amin’ny fanaovana resadresaky ny mpifampatoky aminy.
[Sary, pejy 20]
Raha fantatrao fa nanao fahadisoana lehibe ny olona iray dia amporisiho hiaiky izany izy.