Mety ho fisehoana ivelany fotsiny ny hatsaran-tarehy
EVA, ny vehivavy voalohany, ary ny hany noforonin’Andriamanitra, dia azo inoana fa ny vehivavy tsara tarehy indrindra nisy hatramin’izay, nefa izany dia tsy nisakana azy, ary koa an’i Adama vadiny, tsy hikomy tamin’i Jehovah. Tapaka ireo fatorana akaiky nampiray azy tamin’Andriamanitra noho izany nataony izany, ary loza lehibe no nianjera tamin’ny taranak’olombelona. Taorian’ny fahadisoany dia tsy isalasalana fa tena tsara tarehy hatrany i Eva, nefa fisehoana ivelany fotsiny ny hatsaran-tarehiny.
Na ahoana na ahoana, ny hatsaran-tarehy dia fanomezan’Andriamanitra. Koa satria tsy mitovy ny azon’ny olombelona amin’io fanomezana io, ny sasany dia ho tia ny ho tsara tarehy kokoa noho ny maha-izy azy; raha ny marina dia maro ireo izay miezaka mampisongadina ny tombontsoa ara-batana ananany, ka izany dia maka fotoana sy vola be aminy. Mampiseho marimarina anefa ny ohatr’i Eva fa tsy misy vidiny ny hatsaran-tarehy raha tsy miaraka amin’ny toetra hafa. Toetra inona avy moa no tiantsika horesahina? Hampiseho amintsika izany ny fitantarana izay nitranga tamin’ny vehivavy Solemita tsara tarehy iray tamin’ny andron’i Solomona mpanjaka.
Zavatra sarobidy kokoa noho ny hatsaran-tarehy
Ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, dia resahin’ny Baiboly amintsika ny amin’ny zazavavy tantsaha iray izay raiki-pitia tamin’ny mpiandry ondry iray. Noho ny hatsaran-tarehiny nanintona ny fiheveran’ny mpanjaka, dia nasainy tonga tany Jerosalema izy tamin’ny fikasana haka azy ho vady. Endrey izany anjara tsara ho an’io olona tanora io! Hahazoany harena sy fahefana ny hatsaran-tarehiny ao an-dapa; hanan-kery ao amin’ny fanjakana izy. Kanefa dia nolavin’ilay zazavavy tamim-pahatapahan-kevitra ny fanambatambazana ara-pitiavan’ny mpanjaka. Tamin’ny fandavana ny renty sy ny haren’i Jerosalema dia nitoetra ho tsy nivadika tamin’ny mpiandry ondriny izy. Tsy fisehoana ivelany velively fotsiny ny hatsaran-tarehiny. Tsy maivan-tsaina, na mora taitra, na fatra-pitia harena io zazavavy io. Izy kosa dia namirapiratra tamin’ny hatsaran-tarehy anaty izay tsy nananan’i Eva razambeny. — Tonon-kiran’i Solomona 1:15; 4:1; 8:4, 6, 10.
Ireo fandriky ny hatsaran-tarehy ara-batana
Mifanohitra amin’ny hatsaran-tarehy anaty, ny hatsaran-tarehy ara-batana, na dia faniry aza, dia mety ho loharanon’ny fanaintainana lehibe. Araka izany, efa ho 4 000 taona lasa izao no niainan’i Dina, zanakavavin’i Jakoba patriarka. Azo antoka fa zazavavy tena tsara tarehy tokoa i Dina, nefa tsy hendry loatra izy, satria tia ny fiarahana tamin’ny “zazavavy tompon-tany” izy; tamin’izay ny tovolahy iray voasintona taminy atao hoe Sekema no nisavika azy. — Genesisy 34:1, 2.
Raha tsy miaraka amina toetra tsara lalina ny hatsaran-tarehy dia mety hampitsiry ihany koa ny fiavonavonana. Nanan-janakalahy nantsoina hoe Absaloma i Davida mpanjaka, ka izao no resahin’ny Baiboly amintsika ny aminy: “Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an’i Absaloma teo amin’ny Isiraely rehetra”. (2 Samoela 14:25). Kanefa ny hatsaran-tarehy, fisehoana ivelan’i Absaloma, dia nanafina haratsian-tarehy anaty: nieboebo loatra izy, fatra-paniry laza ary lozabe. Nampiasa ny hatsarany ilay tovolahy fetsy mba hahazoana olona hanohana azy teo amin’ny Isiraely sy hikomy amin’ny mpanjaka rainy. Marina aloha fa novonoina tamin’ny farany ilay Absaloma tsara tarehy, nefa izany dia taorian’ny fandentehana ny fanjakana tao amin’ny ady an-trano.
Ny hatsaran-tarehy eo amin’ny lehilahy
Araka izany dia resahin’ny Baiboly amintsika na ny lehilahy toa an’i Absaloma na ny vehivavy nanana izany tombontsoa izany, dia tsy inona fa ny hatsaran-tarehy. Josefa, anadahin’i Dina hafa reny taminy, izay izy no zandriny, dia lehilahy tsy nanaiky hofitahin’ny hatsarany manokana (Genesisy 30:20-24). Tamin’ny fahatanorany, ireo rahalahiny nialona azy dia nivarotra azy tamina mpandranto izay nitondra azy ho any Egypta. Tany izy dia novidin’ny manamboninahitra iray natao hoe Potifara, izay, noho ny fahamarinany sy ny asa tsarany, dia nanao azy ho mpanapaka ny tranony. Rehefa nandeha ny fotoana, “Josefa dia bikana sady tsara tarehy”. — Genesisy 39:6.
Nanomboka naniry an’i Josefa ny vadin’i Potifara ary nanandrana nanangoly azy. Nasehon’ilay tovolahy tamin’izay fa ankoatra ny hatsarana ara-batana dia nanana hatsaran-tarehy anaty izy. Nolaviny ny hanota tamin’i Potifara tompony, ary nandositra izy mba hialana tamin’io vehivavy io. Ilay ramatoa meloka, sosotra, dia niampanga azy ho nanandrana nisavika ny tenany, koa natao an-tranomaizina ilay tovolahy. Na dia teo aza izany famelezana nahatsiravina izany, dia tsy kivy Josefa, ary ny fitondrantenany tsara dia tsara tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra toy izany dia ohatra ho an’ny olona mahitsy hatramin’izao androntsika izao.
Araka ny asehon’ireo ohatra ireo, ny hatsaran-tarehy anaty — ny an’ny maha-izy ny tena, indrindra rehefa voavolavolan’ny finoana an’Andriamanitra — dia sarobidy lavitra noho ny hatsarana ivelany. Tokony hisaintsaina izany ireo olona tanora izay mihevitra ny hanambady, toy izany koa ireo mpampiasa eo am-pitadiavana mpiasa. Fanampin’izany, na toy inona na toy inona hatsaran-tarehintsika ara-batana, dia aoka hotadidiantsika rehetra fa afaka mamiratra amin’ny hatsaran-tarehy mbola lehibe lavitra isika rehetra: dia ny hatsaran-tarehy anaty. Inona no mahaforona izany hatsarana izany? Ahoana no mety hahazoana izany? Ireo fanontaniana ireo no resahin’ny lahatsoratra manaraka.