Ilay raharaha lehibe — Inona moa izy io?
INONA moa ilay raharaha lehibe atrehin’ny tsirairay avy amintsika? Moa ve izy io ny fisondrotry ny haavon’ny ranomasina sy ny toetr’andro tsy ara-dalàna ateraky ny hafanan’ny bolantany? Moa ve izany ny fihenan’ny sosona “ozone” mitarika antsika tsy ho voaro amin’ny fomba mampidi-doza eo ambany taratra “ultraviolet” manimban’ny masoandro? Moa ve izany fihoaran’ny isan’ny mponina, izay mifangaro amin’ireo zava-manahirana hafa, toy ny fahantrana sy ny heloka bevava? Sa kosa izany ny fahatsinjovana ny fandripahana an-tapitrisany maro tsy hay tombanana ao anatin’ny ady noklehera iray, ka izay rehetra mety ho tafavoaka velona amin’ny fandripahana, amin’ny farany dia ho fatin’ny hatsiaka, na ny mosary, na ny taratra noklehera ihany?
Rehefa avy niresaka ny amin’ireo sy ny zava-manahirana hafa ny gazety Scientific American tamin’ny 1989, dia nanatsoaka hevitra toy izao: “Ny mety hisian’ny ady noklehera dia tsy isalasalana fa mampiseho ny loza mahatsiravina indrindra tsy hahafahana (...) hivoaka velona.” Moa àry ve ny ady noklehera no ilay raharaha lehibe atrehintsika?
Ilay raharaha lehibe
Noho ny fiovana teo amin’ny rivo-piainana ara-politika hatramin’ny 1989, dia mety ho toa tsy azo ampoizina loatra ny ady noklehera. Na izany aza, raha mbola eo ny fiadiana noklehera, dia hametraka fandrahonana lehibe ho an’ny taranak’olombelona izy ireny. Kanefa, ny vaovao tao amin’ny 1990 Britannica Book of the Year dia nanasongadina raharaha lehibe hafa. Araka ny voalazan’io boky io, dia maherin’ny 230 tapitrisa amin’ny mponina eto an-tany no tsy mino an’Andriamanitra. Misy loharanom-baovao hafa mampiseho fa an-tapitrisany maro amboniny no voataonan’ny filôzôfia tatsinanana izay mihevitra fa tsy misy Mpamorona. Ankoatra izany, raha mino Mpamorona iray ny an-jato tapitrisany maro, dia hafa tanteraka ny heviny momba azy io. Ary amin’ny toe-javatra maro be, dia mitondra fahafaham-baraka lehibe ho an’ilay Iray lazainy fa tompoiny ny asan’izy ireny. — 2 Petera 2:1, 2.
Raha misy Andriamanitra — ary tsy isalasalana fa tena izany mihitsy — dia azo antoka fa tsy maintsy mahakasika azy ilay raharaha lehibe amin’izao andro izao. Nahoana izy no namorona ny taranak’olombelona? Inona no andraikitsika aminy? Ahoana no ho fihetsiny manoloana ny fomba animban’ny olona ny tany? Ary ahoana no hamaliany ny fihaikana aseho amin’ny alalan’ny fandavan’ireo maro be tsy hino azy na hanaiky ny sitrapony? Raha ny marina, ilay raharaha lehibeatrehin’ny tsirairay amintsika dia ny fanekentsika na ny fandavantsika ny fiandrianan’Andriamanitra, “izay hany manana anarana hoe JEHOVAH”. — Salamo 83:18, Fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques.
Ny niandohan’izao rehetra izao
Mazava ho azy fa ho an’ireo izay tsy mino an’Andriamanitra, dia maivana ny andraikitsika aminy. Nefa na iza na iza mijery amin’ny maso tsy miangatra ny sary sy ny hakanton’ny tany fonenantsika, dia voatery miaiky fa tsy maintsy misy Mpanao sary lehibe iray nanao izany. Marina fa amin’ny fanandramana manazava ireo zava-mahagaga vita-Nanahary manodidina antsika, dia manilika an’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo mpahay siansa. Maro be, ohatra, no milaza fa nitombo ho amin’ny habeny ankehitriny izao rehetra izao, niainga avy tamin’ny teboka bitika kely kokoa noho ny loham-paingotra, ary nitranga “ho azy” tamin’ny kisendrasendra avokoa izany, tsy nila Mpamorona. Kanefa, rehefa avy nanazava teôria vaovao iray malaza ny amin’ny fomba niantombohan’izao rehetra izao ilay mpahay fizika atao hoe Hanbury Brown, ao amin’ilay bokiny hoe The Wisdom of Science, dia miaiky toy izao izy: “Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia inoako fa izany dia toa fandrebirebena fotsiny fa tsy fanazavana.” Manatsoaka hevitra ny profesora Brown fa “ny fiandohana sy ny zava-kendren’ny tontolo” dia “zava-miafina lehibe” izay toa tsy hain’ny siansa fantarina.
Nasehon’ny mpahay siansa fa ny tenan-javatra sy ny hery dia mifandray akaiky, ka afaka miova ho hery ny tenan-javatra, ary afaka miova ho tenan-javatra ny hery. Araka ny hita amin’ny fipoahana noklehera, ny fatrany kely anankiray amin’ny tenan-javatra dia mampiseho fatran-kery goavana iray. Aiza àry no loharanon’ny hery rehetra asehon’ireo kintana 100 000 tapitrisa ao amin’ny vahindanitra misy antsika, ary koa ireo vahindanitra 1 000 tapitrisa mahery izay mahaforona izao rehetra izao hita maso?
Hoy ny Baiboly: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” Iza moa ilay hoe Izy? Mirakitra ny valiny ny Baiboly: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” — Isaia 40:26; 42:5, 8.
Ny fanombantombanana fa niandoha tamin’ny kisendrasendra ny tany mbamin’ny sisa amin’izao rehetra izao, dia fanesorana ny voninahitra tokony ho an’ilay Mpamorona, Jehovah Andriamanitra. (Apokalypsy 4:11). Izany koa dia manala antony manosika mahery iray hanao zavatra amim-pahatsiarovana andraikitra ho an’ny tany. Raha fantatry ny olombelona fa tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra izy raha ny amin’izay ataony amin’ireo zavatra noforoniny, dia mety hitandrina kokoa izy eo amin’ny zavatra toy ny fandotoana, fanimbana ny sosona “ozone”, ary ny fanafanana ny bolantany.
Ny niandohan’ny fiainana
Hevero koa ity fanontaniana ity: Ahoana no niantombohan’ny fiainana? Nampianarina ny olona fa tonga tamin’ny fomba tsy nisy fandraisan’Andriamanitra anjara ny fiainana. Nefa mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika ara-tsiansa mafy orina iray izany. Teo aloha, dia ninoana fa avy tamin’ny tain’omby ny voantay, avy tamin’ny nofo lo ny kankana, ary avy tamin’ny fotaka ny totozy. Na dia nandritra ny taonjato farany aza, dia nampianatra ny mpahay siansa fa avy amin’ny tenan-javatra tsy manana aina ireo zavamiaina bitika indrindra. Nefa notoherin’i Redi, Pasteur, ary ireo mpahay siansa maro hafa ny hevitra toy izany. Manambara toy izao ny The World Book Encyclopedia (fanontana 1990): “Taorian’ny fanandramana nataon’i Pasteur, dia neken’ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana momba ny biôlôjia ilay hevitra hoe avy amin’ny fiainana tena misy avokoa ny fiainana rehetra.”
Na izany aza, dia mamoaka tsangan-kevitra ireo mpahay siansa fa hafa ny zavatra taloha ela be tany. Milaza izy ireo fa ireo zavamiaina tokan-tsela voalohany dia nitranga tamin’ny kisendrasedra avy tamin’ny fifangaroan-javatra tsy manana aina nantsoiny hoe lasopy tany am-piandohana, izay nisy ireo raha simika nilaina mba hahavelona. “Ny kisendrasendra, ary ny kisendrasendra irery ihany no nanao azy rehetra, niainga avy tamin’ny lasopy tany am-piandohana ka mandra-pahatongany ho olona”, hoy ny ambaran’i Christian de Duve ao amin’ny A Guided Tour of the Living Cell.
Milaza toy izao ny Baiboly raha miresaka ny amin’Andriamanitra: “Fa ao aminao no misy loharanon’aina”. (Salamo 36:9). Mifanaraka marina amin’izay efa voadinika io fanambarana io, dia ny hoe tsy mety afa-tsy hoe avy amin’ny fiainana efa nisy taloha ny fiainana. Koa satria ny siansa be mpanaraka indrindra anefa mifidy ny hihevitra ny anankiray amin’ireo fanomezana sarobidy indrindra avy amin’Andriamanitra, dia ny aina, ho toy ny zavatra tonga tamin’ny kisendrasendra fotsiny, dia olona maro be no tsy mahatsapa tena ho manana andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra raha ny amin’ny fomba ampiasany ny fiainany. Araka izany, dia mandika ny lalàn’Andriamanitra izy ireny, mifampahory, mifangalatra, mifamono, mandany vola be tsy toko tsy forohana sy fotoana ary fahaizana amin’ny famoronana fitaovam-piadiana natao hamonoana olona izay mamono sy mandripaka sady manan-kery mampihorohoro.
Fandaminana ilay raharaha
Ankoatra ireo tsy mino an’Andriamanitra sy ireo tia fanavaozana, dia misy maro hafa tsy hita isa mandà ny fiandrianan’Andriamanitra. Maro be tokoa amin’izao andro izao no mihambo ho mino an’Andriamanitra, ary maherin’ny 1 700 tapitrisa no milaza tena ho kristiana. Nandritra ireo taonjato, dia nidera an-karihary an’Andriamanitra tamin’ny fotoam-pivavahany ireo fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nefa, aiza akory izay tena fifikiran’ny ankamaroan’ireo olona 1 700 tapitrisa mahery amin’ny fiandrianan’Andriamanitra eo?
Ny isam-batan’olona sy ny firenena dia samy nampiseho ny tsy firaharahany izany tamin’ny fanoherana ireo didy hentitr’Andriamanitra. Ireo firenena mihambo ho kristiana dia nanao zavatra nanamavo an’Andriamanitra tamin’ny herisetra, anisan’izany ireo ady lehibe roa nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona — ary ireo mpitondra fivavahana “kristiana” teo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia nitso-drano izany ady izany! Tamin’ny alalan’ny fihatsarambelatsihy toy izany no nampisehoany an’Andriamanitra tamin’ny fomba diso, araka ny ambaran’ny Baiboly hoe: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany.” — Titosy 1:16.
Na izany aza, dia “tsy mahazo mandà ny tenany” Andriamanitra. (2 Timoty 2:13). Tsy maintsy ho avy ny andro izay handaminany ny endriny rehetra amin’io raharaha momba ny fiandrianany io, mifanaraka amin’ny fikasany manokana voalaza toy izao: “Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:23). Nefa, nahoana izy no naka fotoana ela be aoka izany? Ahoana no hahavoalamina ilay raharaha amin’ny farany? Ary ahoana no ahafahanao manao fanapahan-kevitra mety manoloana io raharaha lehibe indrindra io?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Eo amin’ ny fonony, erỳ ambany: U.S. Naval Observatory photo
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Eo ambany: U.S. Naval Observatory photo