Fampitana hafatra eo anivon’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona
“Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira”. — KOLOSIANA 4:6.
1. Inona no nolazain’i Adama fony Andriamanitra nitondra an’i Eva teo aminy?
“TSY MISY olona toy ny nosy (...) Ny olona tsirairay dia sombina kaontinanta.” Toy izany no nosoratan’ny lehilahy mpandinika avara-pianarana iray, taonjato maromaro lasa izay. Tamin’ny fitenenana izany, dia nohamafisiny fotsiny izay nolazain’ny Mpamorona mikasika an’i Adama hoe: “Tsy tsara raha irery ralehilahy”. Nanana ny fahaizana miteny sy fiteny ho fanomezana i Adama satria nomeny anarana ny biby rehetra. Tsy nanana zavaboary olombelona hafa nahafahany nifampiresaka mihitsy anefa i Adama. Tsy nahagaga àry, raha nihiaka toy izao izy rehefa nentin’Andriamanitra teo aminy ho vadiny i Eva tsara tarehy: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity”! Tamin’izany no nanombohan’i Adama nifampiresaka tamin’olombelona toa azy, teo amin’ny fiaingan’ny fianakavian’olombelona voalohany. — Genesisy 2:18, 23
2. Fanimbana inona no mety hateraky ny fijerena tsy voafehy ny televiziona?
2 Toerana tonga lafatra ho an’ny fifampiresahana ny faritry ny fianakaviana. Raha ny marina, dia miankina amin’izany mihitsy ny fahombiazan’ny fiainam-pianakaviana. Kanefa dia mitaky fotoana sy fiezahana ny fifampiresahana. Amin’izao andro izao, ny iray amin’ireo mpangalatra fotoana lehibe indrindra dia ny televiziona. Mety ho fitaovana manimba izy io amin’ny fomba roa fara fahakeliny. Amin’ny lafiny iray, dia mety haharevo aoka izany izy io ka hahatonga ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana tsy ho afaka aminy, ary hiteraka tsy fisian’ny fifampiresahana. Etsy an-danin’izany, ny televiziona dia azo ampiasaina ho toy ny fialana rehefa misy tsy fifankahazoana na fahatohinan’ny fihetseham-po. Tsy mitady vahaolana amin’ny zava-manahirana ny vady sasany, fa mifidy ny tsy hiteny tsy hivolana sy hijery televiziona. Koa ny televiziona àry dia mety handray anjara amin’ny tsy fetezana hifampiresaka, zavatra izay lazaina fa mpandrava voalohany ny fanambadiana. Ireo izay tsy mahay mitana ny fijerena televiziona ho eo amin’ny toerana faharoa, dia mety hieritreritra ny tsy hampiasa azy io intsony mihitsy. — Matio 5:29; 18:9.
3. Ahoana no nandraisan’ny sasany soa tamin’ny famerana ny fijerena televiziona?
3 Raha ny marina, dia misy tatitra feno risi-po voaray milaza ny amin’ireo fitahiana vokatry ny fampihenana ny fampiasana televiziona na ny tsy fampiasana azy intsony. Nanoratra toy izao ny fianakaviana iray: “Mifampiresaka bebe kokoa izahay (...), manao fikarohana ao amin’ny Baiboly bebe kokoa (...) Miara-manao kilalao izahay (...) Nisy fitomboana teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny asa fanompoana nataonay.” Hoy ny fianakaviana hafa iray rehefa avy nanaisotra tao an-tranony ny televizionany: “Tsy vitan’ny hoe nitsitsy vola izahay [nanao famandrihana tamina fampitana an-tariby fandaharana amin’ny TV avy lavitra (TV par câble) izy ireo] fa nanjary nifanakaiky kokoa izahay tamin’ny naha-fianakaviana ary nahita zavatra hafa maro mahasoa nampiasana ny fotoananay. Tsy mba sorena mihitsy izahay.”
Mijery, miresaka, ary mihaino
4. Ahoana no azon’ny mpivady ifampilazana ny fifankamamiany?
4 Misy endriny samy hafa ny fampitana hafatra eo anivon’ny fianakaviana. Ny sasany dia tsy amin’ny teny. Rehefa mifampijery fotsiny ny olon-droa, izany dia endriny iray amin’ny fampitana hafatra. Ny fiaraha-mitoetra dia afaka mampita fahatsapana fiahiana. Tokony hanalavitra ny fisarahan-toerana mandritra ny vanim-potoana lava ny mpivady raha tsy hoe misy antony tsy azo ialana angaha. Afaka mampitombo ny fahasambarana eo amin’izy samy izy ny mpivady amin’ny fankafizana ny fiarahana akaiky ananan’izy ireo ao anatin’ny fatoran’ny fanambadiana. Amin’ny fomba fihetsika maneho firaiketam-po nefa feno fanajana izay ifanehoan’izy ireo, na eny imason’olona na mitokana, amin’ny fanehoana fahamendrehana eo amin’ny fitafiana sy ny fihetsika, izy ireo dia afaka mampita mangina ny fifankamamiany lalina. Nilaza izany toy izao i Solomona mpanjaka hendry: “Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.” — Ohabolana 5:18.
5, 6. Nahoana ireo lehilahy vady no tokony hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana amin’ny vadiny?
5 Ny fampitana hafatra koa dia mitaky firesahana sy teny ifamaliana — dinidinika ifanaovana fa tsy kabary tsy valiana. Raha mahay milaza ny fihetseham-pony kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy sasany, izany dia tsy fialan-tsiny ho an’ny lehilahy vady mba ho tonga namana mangina. Tokony ho fantatry ny lehilahy vady kristiana fa ny tsy fisian’ny fifampiresahana dia zava-manahirana lehibe ao amin’ny fanambadiana maro, ka tokony hiasa mafy izy ireo mba hitanana ny fifampiresahana hisokatra hatrany. Hanao izany marina tokoa izy ireo, miaraka amin’ny vadiny, raha manaraka ilay torohevitra tsara dia tsara nomen’ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 5:25-33. Mba hitiavan’ny lehilahy iray ny vadiny tahaka ny tenany ihany, dia tsy maintsy miahy ny hahasoa azy sy ny hahasambatra azy izy fa tsy ny an’ny tenany ihany. Mba hahavitana izany, dia tena ilaina ny fifampiresahana.
6 Ny lehilahy vady dia tsy tokony hihevitra fa ny vadiny dia tokony haminavina na hanombantombana fa mankamamy azy izy. Mila ny homena toky ny amin’ny fitiavan-dralehilahy azy izy. Azon’ny lehilahy aseho amin’ny fomba maro ny fankamamiany — amin’ny fanaovana teny mamy sy fanomezana tsy ampoizina, ary koa amin’ny fanomezana azy mandrakariva fahalalana feno ny amin’ny raharaha izay mety hisy akony eo aminy. Eo koa ny zava-tsarotra tsy maintsy resena eo amin’ny fanehoana fankasitrahana noho ny fiezahan’ny vehivavy vady — na eo amin’ny fihaingoany manokana izany, na amin’ny asa mafy ataony ho an’ny fianakaviana, na eo amin’ny fanohanany amin’ny fo manontolo ireo asa ara-panahy. Fanampin’izany, mba hanarahan’ny lehilahy vady iray ny torohevitry ny apostoly Petera ao amin’ny 1 Petera 3:7 (MN), milaza ny ‘hitoerana miaraka amin’ny vadiny araka ny fahalalana’, dia tsy maintsy mahay mipetraka eo amin’ny toerany izy, ka asehony izany amin’ny firesahana aminy ny amin’ny raharaha rehetra iombonana, ary manome voninahitra azy toy ny fanaka malemilemy kokoa izy. — Ohabolana 31:28, 29
7. Inona no adidin’ny vehivavy vady mba hifampiresahana amin’ny vadiny?
7 Toy izany koa fa, mba hanarahan’ny vehivavy vady ny torohevitra momba ny fanekena ao amin’ny Efesiana 5:22-24, dia ilainy ny hiahy ny hitanana ny fifampiresahana amin’ny vadiny hisokatra hatrany. Ilainy ny manome ho an’ny vadiny “fanajana lalina”, amin’ny fiteniny sy amin’ny fitondrantenany. Tsy tokony hanao zavatra amin’ny tsy fiankinana na tsy hiraharaha ny fanirian-dralehilahy mihitsy izy. (Efesiana 5:33, MN). Amin’ny fotoana rehetra dia tokony hisy resaka tsiambaratelo eo aminy sy ny vadiny. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:22, MN.
8. Mba hitanana ny fifampiresahana hisokatra hatrany, dia tsy maintsy vonona ny hanao inona ireo vehivavy vady?
8 Fanampin’izany, ny vehivavy vady dia tokony hanalavitra amim-pitandremana ny fiaretana alahelo mangina ho fampisehoana fitseran-tena. Raha misy tsy fifankahazoana, aoka izy hitady ny fotoana mety mba hiresahana ny amin’ilay raharaha. Eny, mandraisa fianarana avy amin’i Estera vadin’ny mpanjaka. Nisy raharaha niankinan’ny aina tsy maintsy nanintonany ny sain’ny vadiny. Ny fanaovany zavatra haingana tamim-pahendrena sy tamim-pandanjalanjana dia nidika ho famonjena ho an’ireo Jiosy. Manana adidy amin’ny vadintsika sy amin’ny tenantsika isika ny hifampiresaka raha voaratra na mbola maratra ny fihetseham-pontsika. Ny fandanjalanjana sy ny fahalalana vazivazy amin’ny fomba madio, dia afaka manampy mba hanamora ny fifampiresahana. — Estera 4:15–5:8.
9. Inona no anjara asan’ny fihainoana eo amin’ny fifampiresahana?
9 Tafiditra amin’ny fampiasana fitenenana mba hitanana ny fifampiresahana hisokatra hatrany, ny adidin’ny tsirairay hihaino izay lazain’ny hafa — ary ny fiezahana hanamarika izay tsy nolazaina mivantana. Izany dia mitaky ny hihainoana amim-pitandremana ilay miresaka. Tsy vitan’ny hoe mila mahatsikaritra ny tena hevitra ambara fotsiny ny tena, fa ilaina koa ny mandinika amim-pitandremana ny tena fihetseham-po fonosin’ny teny lazaina, ny fomba ilazana zavatra iray. Mazàna dia tsy ampy eo amin’ny lehilahy vady izany. Mety hijaly ireo vehivavy satria tsy mety mihaino azy ny vadiny. Ary etsy an-daniny koa, ny vehivavy dia mila ny mihaino amim-pitandremana mba hanalavirany ny fanaovana fanatsoahan-kevitra maika loatra. “Hihaino ny olona hendry ary hahazo fahalalana bebe kokoa.” — Ohabolana 1:5, NW.
Fifampiresahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka
10. Mba hanaovana izay mety eo amin’ny fifampiresahana amin’ireo zanany, tsy maintsy vonona ny hanao inona moa ireo ray aman-dreny?
10 Eo koa ny toe-javatra izay ahitan’ny ray aman-dreny sy ny zanany fahasahiranana eo amin’ny fifampiresahana. Ny ‘fanazarana ny zaza amin’ny lalana tokony halehany’ dia mitaky ny fanorenana fifampiresahana. Ny fanaovana izany dia hanampy mba hiantoka fa “na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany”. (Ohabolana 22:6). Ny famoizan’ny ray aman-dreny sasany ireo zanany any amin’izao tontolo izao, indraindray dia mifandray amin’ny hantsana eo amin’ny fifampiresahana izay nitombo nandritra ny fotoana naha-zatovo. Ny adidin’ny ray aman-dreny hifampiresaka tsy tapaka amin’ireo zanany dia miharihary ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Eny, ny ray aman-dreny dia tsy maintsy mandany fotoana miaraka amin’ireo zanany! Tsy maintsy vonona ny hanao sorona ho an’ireo zanany izy ireo.
11. Inona ireo zavatra sasany izay tokony holazain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany?
11 Ry ray aman-dreny, lazao amin’ireo zanakareo fa tian’i Jehovah izy ireo ary ianareo koa dia tia azy. (Ohabolana 4:1-4). Aoka izy ireo hahita ny fahavononanareo hanao sorona fiainana tsy mampananosarotra sy fahafinaretana ho tombontsoan’ny fitomboan’izy ireo ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, ara-batana ary ara-panahy. Zava-dehibe amin’io lafiny io ny fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, izany hoe ny fahaizan’ny ray aman-dreny mijery zavatra amin’ny mason’ireo zanany. Amin’ny fampisehoana fitiavana tsy mitady tombony, ianareo, ry ray aman-dreny, dia afaka manorina fatorana mampiray mafy eo aminareo sy ny zanakareo, ary afaka mampirisika azy ireo mba hamboraka ny ao am-pony aminareo fa tsy amin’ireo namany. — Kolosiana 3:14.
12. Nahoana ny tanora no tokony hifampiresaka malalaka amin’ny ray aman-dreniny?
12 Etsy an-danin’izany, ry tanora, ianareo dia manana adidy ny hifampiresaka amin’ny ray aman-dreninareo. Ny fankasitrahana izay nataony ho anareo dia hanampy anareo hilaza amin’izy ireo ny tsiambaratelonareo. Mila ny fanampian’izy ireo sy ny fanohanany ianareo, ary ho mora kokoa aminy ny hanome izany raha mifampiresaka malalaka aminy ianareo. Nahoana ny namanareo no ataonareo ho mpanome torohevitra anareo lehibe indrindra? Azo inoana fa izy ireo dia tsy nanao zavatra firy ho anareo raha ampitahaina amin’ny ray aman-dreninareo. Tsy manana fanandraman-javatra kokoa noho ianareo eo amin’ny fiainana izy ireo. Ary raha tsy anisan’ny kongregasiona izy ireo, dia tsy tena miahy izay hahasoa anareo maharitra.
Fifampiresahana eo anivon’ny kongregasiona
13, 14. Fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly inona avy no mitarika ho amin’ny fifampiresahana eo amin’ny kristiana?
13 Zava-tsarotra tsy maintsy resena hafa iray ny fitanana ny fifampiresahana hisokatra hatrany amin’ny rahalahinareo ao amin’ny kongregasiona. Anarina mafy isika mba tsy hahafoy “ny fiarahantsika mivory”. Noho ny fikasana inona moa no ivoriantsika? “Mba hifampirisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara”. Mitaky fifampiresahana izany. (Hebreo 10:24, 25, NW). Raha nisy nanafintohina anao, izany dia tsy antony mihitsy hoe tokony tsy hahatongavana any amin’ny fivoriana. Hazony hisokatra hatrany ny fifampiresahana amin’ny fanarahana ho fotopoto-pitsipika ilay torohevitra nomen’i Jesosy antsika araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 18:15-17. Miresaha amin’ilay heverinao fa nahatonga ny alahelonao.
14 Rehefa manan-java-manahirana amin’ny iray amin’ireo rahalahinao ianao, dia araho ny torohevitra araka ny Soratra masina toy ilay hita ao amin’ny Kolosiana 3:13 hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” Mitaky fifampiresahana izany fa tsy fandavana ny hiteny amin’olona akory. Ary raha tsikaritrao fa misy olona toa mangatsiaka aminao, dia araho ilay torohevitra hita ao amin’ny Matio 5:23, 24. Miresaha, ary miezaha mihavana amin’ny rahalahinao. Mitaky fitiavana sy fanetren-tena avy aminao izany, kanefa dia adidinao amin’ny tenanao sy amin’ny rahalahinao mba hanarahana ny torohevitr’i Jesosy.
Torohevitra sy fampirisihana
15. Nahoana ny kristiana no tsy tokony hanao tsirambina raha ny amin’ny filazana torohevitra raha eo amin’ny toerana tokony hanaovana izany izy?
15 Ny adidy hifampiresaka dia tafiditra koa amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Galatiana 6:1 hoe: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy [manana ireo toetra ara-panahy ilaina, MN] amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” Ny tsy fireharehana dia tokony hahatonga antsika handray tsara ny fanintonan’ny hafa ny saintsika ho amin’ny fahadisoana nataontsika teo amin’ny fiteny na ny fitondrantenantsika. Marina tokoa fa isika rehetra dia tokony hanana ny fihetsik’i Davida mpanao salamo rehefa nanoratra izy hoe: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako”. (Salamo 141:5). Ireo loholona indrindra no tokony ho ohatra miavaka amin’ny fanetren-tena, tsy manantitrantitra ny fomba fiheverana manokana iray fa vonona ny hanaiky fanitsiana, mitadidy ao an-tsaina fa “azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza”. — Ohabolana 27:6.
16. Karazana fifampiresahana inona no tokony horaisin’ny mpandahateny tanora tsara?
16 Lalan’ny fahendrena sy ny tsy fireharehana ho an’ny tanora ny fitadiavana torohevitra sy fitarihana avy amin’ny kristiana matotra, izay azo inoana fa hanan-javatra manorina hatolotra. Na dia ireo loholona aza dia afaka mandray soa avy amin’izany fomba izany. Ohatra, ny loholona iray dia nilaza tao amin’ny lahateny fa ireo fitahiana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:16, 17 momba ny tsy haha-noana na hangetaheta intsony, dia zavatra azon’ny ondry hafa antenaina ao amin’ny tontolo vaovao. Kanefa dia nohazavaina fa io andinin-teny io dia mihatra voalohany indrindra amin’izao fotoana izao. (Jereo La Révélation — Le grand dénouement est proche! pejy faha-126-128.) Nihevitra ny loholona iray anisan’ny mpanatrika fa tokony hanisy fitenenana ny amin’ilay raharaha izy, kanefa talohan’ny nananany fahafahana ny hanao izany, dia ilay mpandahateny mihitsy no niantso azy an-telefaonina ary nangataka fanipazan-kevitra mba hanatsarana ny lahateniny. Eny, aoka isika hanao izay hahamora ny raharahan’ireo izay maniry ny hanampy antsika amin’ny filazana ny faniriantsika hahazo torohevitra. Aoka isika tsy ho sarotsarotiny na ho mora tohina loatra.
17. Ahoana no ahafahan’ny fifampiresahana hampandroso ireo rahalahintsika?
17 Nilaza fotopoto-pitsipika iray izay azo ampiharina tsara amin’ny dinidinitsika i Solomona mpanjaka. Hoy izy: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”. (Ohabolana 3:27). Manana adidy ho tia ny rahalahintsika isika. Hoy i Paoly: “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.” (Romana 13:8). Koa aza mahihitra amin’ny teny fampirisihana. Manao ny lahateniny voalohany ve ny mpikarakara momba ny asa tanora iray? Derao izy. Niezaka mafy ve ny anabavy iray na nanao tsara aoka izany ny anjarany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika? Lazao azy fa nahafaly anao ny ezaka nataony. Mazàna ireo rahalahintsika sy anabavintsika dia mikely aina manao izay farany azony atao ka hahazo fampaherezana izy ireo amin’ny teny fankasitrahana feno fitiavana.
18. Aiza no miseho ny fatokian-tena tafahoatra, ary ho hatsaram-panahy ny hanaovana inona?
18 Mifanohitra amin’izany, ny mpandahateny tanora iray dia mety hanana fahaizana maro be, saingy noho ny fahatanorany, dia mety hampiseho fatokian-tena tafahoatra. Karazana fifampiresahana inona no takina eto? Tsy ho naneho hatsaram-panahy ve ny loholona matotra iray raha nidera azy noho ny hevitra tsara dia tsara sasany tao amin’ny fampisehoany, kanefa amin’izay fotoana izay ihany, nanipy hevitra moramora ny amin’ny fomba azony ambolena tsy fireharehana amin’ny hoavy? Haneho fitiavan-drahalahy ny fifampiresahana toy izany ary hanampy ireo tanora mba hanary ireo fihetsika ratsy mialoha, alohan’ny hahatongavany ho za-dratsy.
19. Nahoana ireo loholona sy ireo loham-pianakaviana no tokony ho mpampita hafatra?
19 Ireo loholona dia mifampiresaka amin’izy samy izy ary amin’ny kongregasiona ny amin’ny zavatra mahasoa — amin’ny fanalavirana, mazava ho azy, ny fanambarana tsiambaratelo, toy ireo mifandray amin’ny zava-manahirana ara-pitsarana. Ny fisehoana ho manafin-javatra amin’ny fomba tafahoatra anefa dia miteraka fiahiahiana sy fahakiviana ary mety hanimba ny rivo-piainana feno fisakaizana ao amin’ny kongregasiona — na ao amin’ny fianakaviana. Ohatra, finaritra ny rehetra mandre tatitra iray mampandroso. Toy ny nanirian’ny apostoly Paoly fatratra ny hanambara fanomezana ara-panahy, dia toy izany koa ireo loholona, tokony tsy ho andrin’izy ireo ny hanambara filazana mampandroso amin’ny hafa. — Ohabolana 15:30; 25:25; Romana 1:11, 12.
20. Hivaofy lafiny inona amin’ny fifampiresahana ny lahatsoratra manaraka?
20 Eny, iankinan’ny aina ny fifampiresahana ao amin’ny kongregasiona kristiana sy ao amin’ny fianakaviana kristiana. Ambonin’izany, izy io dia tena ilaina any amin’ny faritra hafa iray koa. Aiza? Any amin’ny fanampoana kristiana. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka dia hodinihintsika ireo fomba hanatsarana ny fahaizantsika mifampiresaka ao amin’io asa tena lehibe io.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no azo andresena ny vato misakana matetika ny fifampiresahan’ny fianakaviana?
◻ Ahoana no ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy vady hiatrika sy handresy ny zava-tsarotra amin’ny fifampiresahana?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka hanalavitra ny hantsana mampisaraka ny taranaka?
◻ Ahoana no mety hisehoan’ny fifampiresahana ho mampandroso ao amin’ny kongregasiona sy ao amin’ny fianakaviana?
[Sary, pejy 23]
Mampitombo ny firoboroboana sy ny fahasambaran’ny fianakaviana ny fifampiresahana tsara