Jehovah sy Kristy — Mpampita hafatra lehibe indrindra
“Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — AMOSA 3:7.
1. Fomba fampitana hafatra inona avy no ampiasaina amin’izao andro izao?
AMIN’IZAO andro izao, ny fampitana hafatra dia raharaham-barotra andaniana dôlara an-tapitrisany maromaro. Ireo boky rehetra avoaka, ireo gazety sy gazetiboky rehetra atonta tsy tapaka, ireo fandaharana rehetra aely ao amin’ny televiziona sy ny radiao, ary koa ireo sarimihetsika sy ireo lalao an-tsehatra rehetra dia ezaka ho amin’ny fampitana hafatra avokoa. Toy izany koa ny amin’ireo taratasy rehetra soratana sy alefa paositra ary ireo antso an-telefaonina rehetra. Ezaka ho amin’ny fampitana hafatra avokoa ireny rehetra ireny.
2. Inona no ohatra sasany ny amin’ny fandrosoana vitan’ny olona teo amin’ny lafiny teknika amin’ny fampitana hafatra?
2 Ireo fandrosoana vitan’ny olona teo amin’ny lafiny teknika amin’ny fampitana hafatra dia mahatalanjona. Ohatra, ireo tariby telegrafika vita amin’ny “fibre optique” izay tsara lavitra noho ny tariby varahina, dia afaka mitondra fifampiresahana an-telefaonina an’aliny maro amin’ny fotoana iray ihany. Eo koa ny fampitana hafatra amin’ny zanabolana (satellite), izay mihodina manodidina ny tany eny amin’ny habakabaka sady manana fitaovana fampitana ny sary sy ny feo amin’ny telefaonina sy telegrafy, ary ny radiao sy ny televiziona. Ny zanabolana iray toy izany dia afaka mikarakara hafatra an-telefaonina 30 000 indray miaraka!
3. Inona no mitranga rehefa misy hantsana eo amin’ny fifampiresahana?
3 Na dia eo aza anefa ireo fomba fampitana hafatra rehetra ireo, dia misy fahoriana be aoka izany eo amin’izao tontolo izao noho ny tsy fisian’ny fifampiresahana eo amin’ny isam-batan’olona. Araka izany, dia ilazana isika fa “misy tevana mihamitombo — ‘hantsana makadiry eo amin’ny fifampiresahana’ — eo amin’ireo mpitondra sy ireo entina”. Ary inona moa ilay mahazatra ny miantso azy hoe hantsana mampisaraka ny taranaka? Moa ve izany tsy ny tsy fetezan’ireo ray aman-dreny sy ny zanany mifampiresaka amim-pahombiazana? Manao tatitra ireo mpanome torohevitra momba ny fanambadiana fa ny zava-manahirana lehibe indrindra eo amin’ny fanambadiana dia ny tsy fisian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Mety hiteraka fahafatesana mihitsy aza ny fahatapahan’ny fampitana hafatra mety. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1990, dia namoy ny ainy ny olona 73 tamin’ny fianjeran’ny fiaramanidina iray, ka anisan’ny antony nahatonga izany dia niharihary fa ny fahatapahan’ny fampitana hafatra teo amin’ilay mpanamory sy ny mpanara-maso tetỳ an-tany. Izao no nambaran’ny lohateny lehibe iray tamin’ny gazety: “Nitondra ho amin’ny loza ny vato nisakana teo amin’ny fampitana hafatra.”
4. a) Inona no atao hoe “fampitana hafatra” eo amin’ny kristiana? b) Inona no zava-kendren’ny fampitana hafatra ataon’ny kristiana?
4 Inona no atao hoe fampitana hafatra eo amin’ny kristiana? Araka ny rakibolana iray, ny “fampitana hafatra” dia midika ho “fampitana filazana, hevitra na fihetseham-po mba handraisana na hahatakarana izany amin’ny fomba mahafapo”. Ny rakibolana hafa iray dia mamaritra izany ho “teknika ampiasaina mba hilazana hevitra amin’ny fomba mandaitra”. Mariho ilay famaritana hoe ‘filazana hevitra amin’ny fomba mandaitra’. Ilaina indrindra ny handairan’ny fampitana hafatra andraisan’ny kristiana anjara satria ny zava-kendreny dia ny hanohinana ny fon’ny olona amin’ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fanantenana fa hanao zavatra mifanaraka amin’izay ianarany izy ireo. Amin’ny fomba manokana, io fampitana hafatra io dia atosiky ny tsy fitiavan-tena, ny fitiavana.
Jehovah amin’ny maha-Mpampita hafatra azy
5. Inona no iray amin’ireo fomba voalohany nampitan’i Jehovah Andriamanitra hafatra tamin’ny olombelona?
5 Tsy isalasalana fa i Jehovah Andriamanitra no Mpampita hafatra lehibe indrindra. Koa satria izy namorona antsika araka ny endriny sy fitoviana aminy, dia afaka mampita hafatra amintsika izy, ary azontsika atao ny miresaka ny aminy amin’ny hafa. Na dia hatramin’ny namoronana ny olombelona aza dia nampita hafatra momba ny tenany tamin’ny zavaboariny teto an-tany i Jehovah. Ny fomba iray nanaovany izany dia tamin’ny alalan’ny zavatra noforoniny hita maso. Araka izany, dia izao no ambaran’ny mpanao salamo amintsika: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy. Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” (Salamo 19:1, 2). Ary ny Romana 1:20 (NW) dia mampahafantatra antsika fa “ny toetrany tsara [ny an’Andriamanitra] tsy hita maso, dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana izao tontolo izao”. Ny hoe “hita mazava tsara” dia milaza fampitana hafatra mandaitra!
6. Inona no hafatra nampitain’i Jehovah tamin’ireo zavaboariny teto an-tany fony izy ireo mbola tao amin’ny zaridainan’i Edena?
6 Ireo tsy mino an’Andriamanitra sy ny fanambarany dia manandrana mampino antsika fa tsy maintsy miankina amin’ny loharanom-panazavana avy amin’ny tenany ny olombelona mba hamantarana tsara ny anton’ny fisiany. Nasehon’ny Tenin’Andriamanitra mazava anefa fa nampita hafatra tamin’ny olombelona hatrany am-boalohany Andriamanitra. Araka izany, Andriamanitra dia nanome didy mba hiterahana toy izao ho an’ilay lehilahy sy vehivavy voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny (...) biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” Andriamanitra dia nanome azy ireo koa fahafahana hanaram-po tamin’ireo voankazo tao amin’ilay zaridaina — afa-tsy ny iray ihany izay naningana. Avy eo, rehefa tsy nankatò i Adama sy i Eva, dia nilaza ny fampanantenana mesianika voalohany i Jehovah, ka nanome tara-panantenana ho an’ny taranak’olombelona: “Hampifandrafesiko hianao [ilay menarana] sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” — Genesisy 1:28; 2:16, 17; 3:15.
7. Inona no ampahafantarin’ny bokin’ny Genesisy mikasika ny fampitan’i Jehovah hafatra tamin’ireo mpanompony?
7 Rehefa feno fialonana nikendry hahafaty olona i Kaina zanak’i Adama, dia nampita hafatra taminy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny filazana, raha ny marina, hoe: ‘Mitandrema! Mitolo-batana ho amin’ny zava-manahirana ianao!’ Tsy nety nanaraka izany fampitandremana izany anefa i Kaina ka namono nahafaty ny rahalahiny. (Genesisy 4:6-8). Avy eo, rehefa nanjary feno herisetra sy faharatsiana ny tany, dia nampitain’i Jehovah tamin’i Noa, lehilahy marina, ny fikasany hanadio ny tany tsy hisy ireo izay nandoto azy. (Genesisy 6:13–7:5). Taorian’ny safodrano, rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambo fiara i Noa sy ny fianakaviany, dia nampitain’i Jehovah tamin’izy ireo ny fikasany momba ny fahamasinan’ny aina sy ny ra, ary tamin’ny alalan’ny avana, dia nanome antoka azy ireo izy fa tsy handringana intsony ny zavamiaina rehetra amin’ny safodrano. Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nampitain’i Jehovah tamin’i Abrahama ny fikasany ny hitahiana ny fianakavian’olombelona rehetra amin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama. (Genesisy 9:1-17; 12:1-3; 22:11, 12, 16-18). Ary rehefa nandidy ny handringana ireo olom-betaveta tao Sodoma sy Gomora Andriamanitra, dia nampahafantatra tamim-pitiavana izany zava-nisy izany tamin’i Abrahama izy, tamin’ny filazana hoe: “Hafeniko amin’i Abrahama va izay hataoko?” — Genesisy 18:17.
8. Tamin’ny fomba efatra inona avy no nampitan’i Jehovah hafatra tamin’ireo mpanompony teto an-tany?
8 Nanomboka tamin’i Mosesy, i Jehovah dia nampiasa mpaminany maro nifandimby mba hampitana hafatra tamin’ny Isiraely. (Hebreo 1:1). Indraindray izy dia nanao soratononina am-bava, toy ny fony izy nilaza tamin’i Mosesy hoe: “Soraty ireo teny ireo”. (Eksodosy 34:27). Matetika kokoa i Jehovah dia nampita hafatra tamin’ireo mpitondra teniny tamin’ny alalan’ny fahitana, toy ny efa nataony tamin’i Abrahama.a Nampiasa nofy koa i Jehovah mba hampitana hafatra tamin’ny olona, ary tsy tamin’ireo mpanompony ihany, fa tamin’ireo nifandray tamin’ny mpanompony koa. Ohatra, i Jehovah dia nanao izay hahazoan’ny roa tamin’ireo mpiara-nigadra tamin’i Josefa nofy izay nolazain’i Josefa tamin’izy ireo ny heviny. Nataon’i Jehovah koa izay hanonofisan’i Farao sy i Nebokadnezara, ary nohazavain’i Josefa sy i Daniela mpanompony tamin’izy ireo ny heviny. (Genesisy 40:8–41:32; Daniela toko faha-2 sy faha-4). Fanampin’izany, tamin’ny toe-javatra maro dia nampiasa anjely mpitondra hafatra i Jehovah mba hampitana hafatra tamin’ireo mpanompony. — Eksodosy 3:2; Mpitsara 6:11; Matio 1:20; Lioka 1:26.
9. Inona no nanosika an’i Jehovah hampita hafatra tamin’ny Isiraely vahoakany, araka ny hita amin’ny fitenenany hoe ahoana?
9 Izany fampitana hafatra rehetra nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny izany dia nanome taratry ny fitiavany ny Isiraely vahoakany. Ho ohatra, dia izao no nolazainy tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” (Ezekiela 33:11). Mpampita hafatra nahari-po sy naneho faharetana tamin’ny vahoakany mpikomy fahiny i Jehovah, araka ny hita avy amin’ny 2 Tantara 36:15, 16 hoe: “Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany. Kanjo ny olona (...) nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny (...) ka tsy nisy nahavonjy azy.”
10. Ahoana no ampitan’i Jehovah hafatra amin’ny vahoakany amin’izao andro izao, ary hatraiza no maha-Andriamanitry ny fampitana hafatra azy?
10 Amin’izao andro izao isika dia manana ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry, ny Baiboly masina, izay amin’ny alalany no ampitan’i Jehovah amintsika fampahafantarana momba ny tenany, sy ny fikasany ary ny sitrapony ny amintsika. (2 Timoty 3:16, 17). Raha ny marina, araka ny ambaran’i Jehovah, ilay Mpampita hafatra Miavaka indrindra, dia hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7). Ampahafantariny ny mpanompony izay kasainy hatao.
Ilay Zanak’Andriamanitra amin’ny maha-Mpampita hafatra azy
11. Iza moa no fitaovana lehibe indrindra nampiasain’i Jehovah mba hampitana hafatra tamin’ny olombelona, ary nahoana no mifanentana ny anaram-boninahitra hoe “ny Teny”?
11 Tamin’ireo iraka rehetra nampiasain’i Jehovah mba hampitana ny sitrapony, ny lehibe indrindra dia ny Teny, ny Logos, izay tonga Jesosy Kristy. Inona moa no hevitry ny niantsoana azy hoe ny Teny, na Logos? Izany dia milaza fa izy no Mpitondra tenin’i Jehovah Ambony indrindra. Ary inona no atao hoe Mpitondra teny? Izay mampita ny tokony holazain’ny iray hafa. Koa ny Logos àry dia tonga mpampita ny tenin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ireo zavaboariny nanan-tsaina teto an-tany. Zava-dehibe aoka izany ny anjara asany ka nantsoina hoe ny Teny izy. — Jaona 1:1, 2, 14.
12. a) Ho amin’ny fikasana inona no nahatongavan’i Jesosy teto an-tany? b) Inona no manamarina fa nanatanteraka tamim-pahatokiana izany fikasana izany izy?
12 Niteny tamin’i Pontio Pilato ny tenan’i Jesosy fa ny fikasana lehibe indrindra nahatongavany teto an-tany dia ny hampita ny fahamarinana tamin’ny olombelona: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Ary ny fitantarana ao amin’ny Filazantsara dia milaza ny fomba nanatanterahany tsara izany fanendrena izany. Nekena ho ny toriteny lehibe indrindra nataon’olona ilay Toriteniny teny an-tendrombohitra. Tamin’ny fomba tsara toy inona moa no nampitany hafatra tamin’ny alalan’io toriteny io! “Talanjona ny vahoaka [izay nandre ilay toriteny] noho ny fampianarany”. (Matio 7:28). Mikasika ny toe-javatra hafa iray, dia izao no vakintsika: “Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ny hafaliana.” (Marka 12:37). Rehefa nisy mpiandry raharaha sasany nirahina mba hisambotra an’i Jesosy, dia niverina tsy nitondra azy izy ireo. Nahoana? Hoy ny navalin’izy ireo ny Fariseo: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” — Jaona 7:46.
Nirahina mba ho mpampita hafatra ireo mpianatr’i Kristy
13. Inona no mampiseho fa tsy nianina tamin’ny naha-mpampita hafatra tokana azy i Kristy?
13 Tsy nianina tamin’ny naha-mpampita hafatra tokana azy i Jesosy fa, naniraka apostoly 12 aloha izy, ary avy eo dia mpitory ny filazantsara 70 mba hialoha lalana tamin’ny naha-mpampita ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Lioka 9:1; 10:1). Avy eo, fotoana fohy talohan’ny niakarany ho any an-danitra, dia naniraka ny mpianany mba hanao asa manokana izy. Asa inona? Araka ny vakintsika ao amin’ny Matio 28:19, 20, dia nomeny toromarika ireo mba ho mpampita hafatra; ary tsy maintsy mampianatra koa ny hafa ho tonga mpampita hafatra izy ireo.
14. Vokatra toy inona moa no hitan’ireo kristiana mpampita hafatra voalohany?
14 Moa ve ireo mpianatra mpampita hafatra nahita vokatra tsara? Azo antoka fa toy izany izy ireo! Ho vokatry ny fitorian’izy ireo tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir., dia nisy fanahy 3 000 nanampy isa tao amin’ilay kongregasiona kristiana vao niforona. Tsy ela ilay isa dia tafakatra ho 5 000 lahy. (Asan’ny apostoly 2:41; 4:4). Tsy nahagaga raha toa ireo fahavalony jiosy ka niampanga azy ireo ho nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany ary nitaraina tatỳ aoriana fa namadika ny tany onenana tamin’ny fitoriany izy ireo! — Asan’ny apostoly 5:28; 17:6, MN.
15. Fitaovana inona no ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao mba hampitana hafatra amin’ny olombelona?
15 Ahoana ny amin’izao androntsika izao? Araka ny nambara mialoha ao amin’ny Matio 24:3, 45-47, MN, ilay Mpampianatra, Jesosy Kristy, dia nanendry “ny mpanompo mahatoky sy malina”, voaforon’ireo kristiana voahosotra, mba hikarakara ny fananany rehetra eto an-tany mandritra ny andro fanatrehany. Io mpanompo mahatoky sy malina io dia asehon’ny Kolejy Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, izay manana ny “Watch Tower Bible and Tract Society” ho masoivoho. Mety indrindra ny niantsoana koa an’io mpanompo mahatoky sy malina io hoe fitaovana fampitan’Andriamanitra hafatra. Izy io kosa, ho setriny, dia mampirisika antsika ho tonga mpampita hafatra tsara. Raha ny marina, ny nomerao voalohany indrindra tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenan”i Ziona sady mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy, dia nanoro hevitra ireo mpamaky azy toy izao: “Raha misy mpifanila trano aminao na namanao heverinao fa ho liana na handray soa avy amin’ireo toromarika [ato amin’ity gazety ity], dia azonao sintonina ho amin’izany ny sainy; ka amin’izany dia hitory ny Teny sy hanao soa amin’ny olona rehetra ianao raha mbola manana fahafahana hanao izany”.
16. Inona no mampiseho fa be kokoa noho ny famakiana fotsiny ny Baiboly no ilain’Andriamanitra mba hampitana hafatra amin’ny fomba mandaitra amin’ireo mpanompony eto an-tany?
16 Kanefa ny fahafahana mampiasa ny Tenin’Andriamanitra sy ny famakiana azy manokana fotsiny dia tsy ampy mba hahazoana ny fahalalana marina izay mametraka olona iray eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Tsarovy ilay tandapa etiopiana izay namaky ny faminanian’i Isaia fa tsy nahazo izay novakiny. Nanazava taminy ilay faminaniana i Filipo, mpitory ny Filazantsara, ary taorian’izay izy dia vonona ny hatao batisa tamin’ny naha-mpianatr’i Kristy. (Asan’ny apostoly 8:27-38). Ny hoe bebe kokoa no ilaina noho ny famakian’ny tena manokana fotsiny ny Baiboly dia mety ho hita avy ao amin’ny Efesiana 4:11-13, izay anehoan’i Paoly fa i Kristy dia tsy nanome fotsiny ny sasany ho apostoly sy mpaminany nahazo tsindrimandry fa nomeny koa “ny sasany ho evanjelistra, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe”.
17. Amin’ny marika famantarana inona avy no ahafahantsika mamantatra ilay fitaovana ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao mba hampitana ny fikasany amin’ny taranak’olombelona?
17 Ahoana no ahafahantsika mamantatra ireo izay ampiasain’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, mba hanampiana ny olona ho tonga kristiana izay hahatratra ny toeran’ny lehilahy lehibe? Araka ny filazan’i Jesosy, ny iray amin’ireo marika famantarana dia ho ny fifanehoan’izy ireo fitiavana toy ny nitiavan’i Jesosy ny mpanara-dia azy. (Jaona 13:34, 35). Izao no marika famantarana hafa iray: Tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo, toy ny tsy naha-anisan’izao tontolo izao an’i Jesosy. (Jaona 15:19; 17:16). Mbola marika hafa iray koa ny faneken’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra ho fahamarinana, toy ny nataon’i Jesosy, mitady mandrakariva ny fahefany. (Matio 22:29; Jaona 17:17) Ny fanaovana izay hanandratana ny anaran’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesosy, dia marika hafa iray. (Matio 6:9; Jaona 17:6). Ary ny marika hafa iray fanampiny dia ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 4:17; 24:14). Antokon’olona iray ihany no mahafeno ireo fepetra ireo, dia ireo mpampita hafatra iraisam-pirenena fantatra ho kristiana Vavolombelon’i Jehovah.
18. Faritra telo ho an’ny fifampiresahana inona avy no horesahin’ireo lahatsoratra manaraka?
18 Ny fampitana hafatra anefa, dia milaza andraikitra amin’ny hafa. Manana andraikitra ny hampita hafatra amin’iza moa ny kristiana? Amin’ny fotony, dia misy faritra telo izay tsy maintsy hiahian’ny kristiana mba hitanana ny fifampiresahana hisokatra hatrany: eo amin’ny faritry ny fianakaviana, ao amin’ny kongregasiona kristiana, ary eo amin’ny saha fanompoana kristiana. Ireo lahatsoratra manaraka dia hivaofy ny amin’ireo lafiny amin’ny foto-dresatsika ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Genesisy 15:1; 46:2; Nomery 8:4, MN; 2 Samoela 7:17; 2 Tantara 9:29; Isaia 1:1; Ezekiela 11:24; Daniela 2:19; Obadia 1; Nahoma 1:1; Asan’ny apostoly 16:9; Apokalypsy 9:17.
Ahoana no havalinao?
◻ Fanimbana inona no mety hateraky ny tsy fisian’ny fifampiresahana?
◻ Iza moa ireo mpampita hafatra roa lehibe indrindra?
◻ Fomba isan-karazany inona avy no nampiasain’Andriamanitra mba hampitana hafatra tamin’ny olombelona?
◻ Ahoana no nihoaran’i Jesosy ny hafa rehetra tamin’ny naha-mpampita hafatra azy?
◻ Toy inona no fahombiazana hitan’ireo kristiana voalohany teo amin’ny fampitana hafatra?
[Sary, pejy 18]
Sahala amin’ny Rainy any an-danitra, i Jesosy dia mpampita hafatra nangoraka