Ny Antony Ampiasan’izy Ireo Relìka eo Amin’ny Fanompoam-pivavahany
NAPLES, any Italia. Alao sary an-tsaina hoe tany ianao tany am-piandohan’ny taonjato faha-18 amin’ny fanisan-taona iraisana. Tao anatin’ny katedralin’io tanàna io, no indro, nijoro teo anoloan’ny relìka ara-pivavahana malaza iray ilay filôzôfa irlanday atao hoe George Berkeley. Nibanjina tamin’ny maso feno fisalasalana ilay naseho ho toy ny ra mitsiranok’i “San Gennaro”, “Masindahy” Janvier, “olo-masina” katolika iray, izy.
Tsy dia niova firy i Naples raha ny amin’io lafin-javatra io. Ohatra, na dia teo aza ny haratsian’ny andro, tamin’ny fotoana iray tao anatin’ireo taona faramparany, dia hipoky ny olona indray ilay fiangonana, ary nisy toa fahagagana niseho tao. Noraisina tamin’ny tehaka nafana ilay relìka sy ny filaharambe iray notarihin’ny arseveka kardinaly. Eny, toy ny efa nisehoany imbetsaka teo aloha, dia hita tamin’izay indray koa fa nitsiranoka ny ran’i “San Gennaro”. Nisy fahagagana nikasika an’io relìka ara-pivavahana io nitranga, araka ny fitantarana, hatramin’ny taonjato faha-14.
Araka ny lovantsofina katolika, ny relìka (avy amin’ny teny latina hoe relinquere, midika hoe “mamela aoriana”) dia zavatra iray navelan’ny olona iray heverina ho masina. Araka ny nomarihin’ny Dizionario Ecclesiastico, ny relìka dia “faritana mazava ho ny vatana na ampahany amin’ny vatana sy ny lavenon’ilay olo-masina, ary amin’ny heviny malalaka kokoa dia ny zavatra izay nifampikasoka tamin’ny vatan’ilay olo-masina, ary noho izany, dia mendrika ny hankamasinina.”
Fanohanan’ny papa
Papa efatra, fara fahakeliny, nandritra ireo 70 taona lasa, no naneho fiheverana manokana ny relìka. Mampiseho ny gazety katolika iray fa sahala amin’i Pio XI nodimbasany, ny papa Pio XII dia “nitahiry relìkan’ny masimbavin’i Lisieux tany amin’ny tenany.” I Paoly VI dia “nitahiry rantsantanana iray an’ny apostoly [Tomà] teo ambonin’ny biraony tao amin’ny efitrano famakiam-bokiny”, ary i Joany Paoly II indray dia “mitahiry, ao amin’ny efitranony manokana, sombiny tamin’ny (...) sisam-patin’i” “Masindahy Benoît” sy i “Masindahy André”. (30 giorni, Martsa 1990, pejy faha-50). Rehefa heverina ny fanohanan’ny papa toy izany, dia tsy mahagaga raha mitombo ny fangatahana relìka hanaovana fankamasinina mitokana na iarahan’ny daholobe.
Angamba maro no maneho fihetsika feno fanajana ireo relìka ara-pivavahana noho ireo toa fahagagana mifandray amin’izy ireny. Ny fanohanan’ny papa dia toa antony hafa iray koa mahatonga azy ireny halaza. Nefa, moa ve ankasitrahan’Andriamanitra ny fankamasinana ireo relìka ara-pivavahana?
[Sary, pejy 3]
Fasiana relìka, vata iray itahirizana ireo relìka ara-pivavahana