Empira Very Iray Izay Mahasanganehana Ireo Mpanakiana ny Baiboly
“Taloha, ny tantaran’ny empira asyriana dia iray amin’ireo toko maizina indrindra tamin’ny tantaran’izao tontolo izao.” “Ny hany fantatra momba an’i Ninive fahizay dia voafaoka tao amin’ireo teny nalaina tetsy sy teroa sy ireo faminaniana nanisy fitenenana ny aminy ao amin’ny Baiboly, ary ireo fanamarihana tsindraindray sy tapatapany momba ny tantara asyriana nosoratan’i Diodorus Siculus (...) sy ny hafa.” — Cyclopædia of Biblical Literature, Boky voalohany sy fahatelo, 1862.
ILAY mpanoratra tantara grika atao hoe Diodorus Siculus dia niaina tany amin’ny 2 000 taona lasa izay. I Ninive, araka ny filazany, dia tanàna nanana zoro efatra; ny lafiny efatra nitambatra dia nanome halavana 480 stadio. Izany dia manome refin’ny manodidina 60 maily [96 km]! Manome sary mitovy amin’izany ny Baiboly amin’ny filazalazana an’i Ninive ho tanàna lehibe nisy “làlana hateloana”. — Jona 3:3.
Tsy nety nino ireo mpanakiana tamin’ny taonjato faha-19 fa nety ho lehibe toy izany ny tanàna tsy fantatra iray teo amin’izao tontolo izao fahizay. Nilaza koa izy ireo fa, raha nisy aza i Ninive, dia tsy maintsy ho anisan’ny sivilizasiona tranainy iray talohan’i Babylona izy io.
Io fiheverana io dia nifanohitra tamin’ny Genesisy toko faha-10 izay milaza fa i Nimroda, zafiafin’i Noa, dia nanorina ny fanjakana ara-politika voalohany tao amin’ny faritr’i Babela, na Babylona. “Nivoaka avy tamin’izany tany izany izy”, hoy ny teny nanohizan’ny Baiboly azy, “ka nankany Asyria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobot-ira sy Kala, ary Resena teo anelanelan’i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.” (Genesisy 10:8-12). Mariho fa lazalazain’ilay andinin-teny ho “tanàna lehibe” iray ireo tanàna asyriana vaovao efatra.
Tamin’ny 1843, i Paul-Émile Botta, arkeology frantsay, dia nahita voalohany ireo sisa tsy rava tamin’ny lapa iray izay hita fa anisan’ny tanàna asyriana. Rehefa fantatry ny besinimaro ny vaovao momba io fahitan-javatra voalohany io, dia niteraka fahataitairana lehibe izany. “Nitombo hatrany ny fahalianan’ny besinimaro”, hoy ny fanazavan’i Alan Millard ao amin’ilay bokiny hoe Treasures From Bible Times, “rehefa hita fa ilay lapa dia ny an’i Sargona, ilay mpanjakan’i Asyria voalaza anarana ao amin’ny Isaia 20:1, izay nampisalasala ny fisiany satria tsy fantatra izy io raha tsy tamin’izany.”
Teo anelanelan’izay, dia nisy arkeology hafa iray, i Austen Henry Layard nanomboka nihady sisan-javatra tsy rava teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Nimrud, teo amin’ny 42 kilaometatra atsimo andrefan’i Khorsabad. Hita fa i Kala ilay sisan-javatra tsy rava — dia ny iray tamin’ireo tanàna asyriana efatra nasiana fitenenana tao amin’ny Genesisy 10:11. Avy eo, tamin’ny 1849, i Layard dia namongatra sisan-javatra tsy rava tamin’ny lapa goavana iray teo amin’ny toerana antsoina hoe Kuyunjik, teo anelanelan’i Kala sy Khorsabad. Hita fa anisan’i Ninive ilay lapa. Eo anelanelan’i Khorsabad sy Kala, dia misy sisan-javatra tsy rava tamin’ny tanàna kely hafa, anisan’izany ny dongona iray antsoina hoe Karamles. “Raha raisintsika ho zoron’ny efamira iray ireo dongona lehibe efatra, dia i Nimrúd [Kala], i Koyunjik [Ninive], i Khorsabad, ary i Karamles”, hoy ny fanamarihan’i Layard, “dia ho hita fa ireo lafiny efatra dia saiky mifanitsy marina amin’ny 480 stadio na 60 maily voalazan’ny manam-pahaizana manokana momba ny jeografia, izay mahaforona ilay dia hateloana nataon’ny mpaminany [Jona].”
Toa hita àry fa nampiarahin’i Jona ho “tanàna lehibe” iray ireo tanàna kely efatra ireo, tamin’ny fiantsoana azy ireo tamin’ilay anaran-tanàna voatanisa voalohany ao amin’ny Genesisy 10:11, dia i Ninive. Toy izany koa no atao amin’izao andro izao. Misy tsy fitoviana, ohatra, eo amin’ilay tanànan’i Londres tany am-boalohany sy ny manodidina azy, izay mahaforona ilay antsoina indraindray hoe “Londres Lehibe kokoa”.
Mpanjaka asyriana iray niavonavona
Ilay lapa tao Ninive dia nanana efitra maherin’ny 70, sy rindrina efa ho telo kilaometatra. Teo amin’ireny rindrina ireny dia nisy sisa tsy may tamin’ny sary sokitra nampahatsiaro fandresena ara-tafika sy fahavitan-javatra hafa. Simba be ny ankamaroany. Teo am-pifaranan’ny fijanonany teo amin’ilay toerana anefa, i Layard dia nahita efitrano iray izay voatahiry tsy simba tamin’ny fomba niavaka. Teo amin’ireo rindrina dia nisy sary nampiseho ny famaboana tanàna mimanda mafy iray, nisy babo niara-namindra teo anoloan’ilay mpanjaka nanafika izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana iray teo ivelan’ilay tanàna. Teo ambonin’ilay mpanjaka dia nisy soratra izay nadikan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny soratra asyriana toy izao: “Sankeriba, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjakan’i Asyria, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana nimedu ary nisafo ireo zavatra babo (nalaina) avy tany Lakisy (La-ki-su).”
Amin’izao andro izao dia azo jerena ao amin’ny British Museum io sary sy soratra io. Izy io dia mifanaraka amin’ilay zava-nitranga ara-tantara voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:13, 14 manao hoe: “Tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy. Ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda, naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan’i Asyria nampandoa an’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.”
Nisy soratra hafa hita teo amin’ireo sisan-javatra tsy rava tamin’i Ninive nanome tsipiriany fanampiny mikasika ilay fanafihan’i Sankeriba ny Joda sy ilay hetra naloan’i Hezekia. “Angamba iray amin’ireo fifanandrifian-javatra niavaka indrindra teo amin’ny fanaporofoana ara-tantara voatana an-tsoratra, ny habetsahan’ny harena volamena nalaina tamin’i Hezekia, talenta telo-polo. Izany dia mifanaraka ao amin’ireo fitantarana roa mahaleo tena tanteraka”, hoy ny nosoratan’i Layard. Nanambara i Sir Henry Rawlinson, izay nanampy tamin’ny famakiana ilay soratra asyriana, fa ireo soratra ireo “dia nametraka ny maha-izy ara-tantara [an’i Sankeriba] hihoatra ny ady hevitra rehetra”. Ankoatra izany, dia nanontany toy izao i Layard ao amin’ny bokiny hoe Nineveh and Babylon: “Iza moa no nino, talohan’ireny fahitan-javatra voalohany ireny, fa nety ho niseho na nety ho nisy ny hoe tao ambanin’ny antontan-tany sy fakofako izay nanamarika ny toerana nisy an’i Ninive, dia ho nahitana ilay tantara momba ny ady teo amin’i Hezekia sy i Sankeriba, nosoratan’i Sankeriba mihitsy tamin’ilay fotoana nitrangan’izany indrindra, ary manamarina ilay fitantarana ara-baiboly na dia amin’ny an-tsipiriany madinika indrindra aza?”
Marina aloha fa misy tsipiriany sasany momba ny fitantaran’i Sankeriba tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Nanao izao fanamarihana izao, ohatra, ilay arkeology atao hoe Alan Millard: “Tonga ny zava-misy manaitra ny saina indrindra, eo amin’ny faran’ny [fitantaran’i Sankeriba]. Nandefa ny irany sy ny hetra rehetra tany amin’i Sankeriba i Hezekia ‘tatỳ aoriana, tany Ninive’. Tsy nitondra izany nody tamim-pandresena toy ny fomba nahazatra, ny tafika asyriana.” Milaza ny Baiboly fa naloa talohan’ny niverenan’ny mpanjakan’i Asyria tany Ninive ilay hetra. (2 Mpanjaka 18:15-17). Nahoana no tsy mitovy? Ary nahoana i Sankeriba no tsy afaka nirehareha ny amin’ny fandresena an’i Jerosalema, renivohitra jodiana, toy ny nireharehany ny amin’ny fandreseny an’i Lakisy, tanàna nimanda jodiana? Manome ny valiny ny mpanoratra Baiboly telo. Nanoratra toy izao ny iray amin’izy ireo, vavolombelona nanatri-maso: “Dia avy Ilay Anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo. Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.” — Isaia 37:36, 37; 2 Mpanjaka 19:35; 2 Tantara 32:21.
Mamaran-teny toy izao i Millard ao amin’ilay bokiny hoe Treasures From Bible Times: “Tsy misy antony tsara mahatonga hisalasala ny amin’io tatitra io (...) Takatra mora foana fa tsy ho nitana an-tsoratra fahavoazana lehibe toy izany mba hovakin’ny mpandimby azy i Sankeriba, satria izany dia ho nanala baraka azy.” Niezaka kosa i Sankeriba nanao izay hiheverana fa nahomby ilay fanafihana nataony tany Jodia ka nanohy nanaiky azy i Hezekia tamin’ny fandefasana ilay hetra tany Ninive.
Voamarina ny fiavian’i Asyria
Nahitana tranom-boky nirakitra takela-tanimanga an’aliny maro koa tao Ninive. Ireo tahirin-kevitra ireo dia manaporofo fa ny Empira Asyriana dia nanana ny fiandohany tany atsimon’i Babylona, toy izay lazain’ny Genesisy 10:11. Tamin’ny fampiasana io fanazavana io, dia nanomboka nampifantoka ny fiezahany nianatsimo kokoa ireo arkeology. Nanazava toy izao ny Encyclopædia Biblica: “Izay sisan-javatra rehetra navelan’ny Asyriana dia mampiharihary ny fiaviany babyloniana. Ny fiteniny sy ny fomba fanorany, ny haisorany, ny fivavahany, ary ny fahaizany manao zavatra dia nalaina avy tany amin’ireo mpifanolobodirindrina taminy any atsimo, nasiana fanovana kely fotsiny.”
Ny fahitan-javatra voalohany toy ilay etsy ambony dia nanery ireo mpanakiana ny Baiboly handanjalanja ny fiheverany. Tsy azo lavina fa ny famakafakana amim-pahatsorana ny Baiboly dia mampiharihary fa nosoratan’ny mpanoratra nitandrina sy marina izy io. Taorian’ny famakafakany ny Baiboly, dia niteny toy izao i Salmon P. Chase, lehiben’ny fitsarana taloha tao amin’ny Fitsarana Tampony tany Etazonia: “Fandinihana lava, tsy nisy vazivazy sy lalina ilay izy: ary amin’ny fampiasana fotopoto-pitsipika momba ny fanamarinan-javatra iray ihany amin’io raharaha ara-pivavahana io toy ny ataoko mandrakariva amin’ny raharaha tsy ara-pivavahana, dia tonga amin’ny fanapahan-kevitra aho fa ny Baiboly dia boky mihoatra ny ara-dalàna, fa izy io dia avy amin’Andriamanitra.” — The Book of Books: An Introduction.
Tsy azo lavina fa ny Baiboly dia mihoatra lavitra noho ny tantara marina fotsiny. Tenin’Andriamanitra avy tamin’ny tsindrimandry izy io, fanomezana iray ho tombontsoan’ny taranak’olombelona. (2 Timoty 3:16). Azo jerena ny porofon’izany amin’ny fandinihana ny jeografia araka ny Baiboly. Hodinihina ao amin’ny nomerao manaraka izany.
[Sary, pejy 6, 7]
Ambony: Tsipirian-javatra telo nalaina avy amin’ny sary sokitra amin’ny rindrina
Ambany: Sary sokitra amin’ny rindrina asyriana milazalaza ny fanaovana fahirano an’i Lakisy
[Sary nahazoan-dalana]
(Courtesy of The British Museum)
(From The Bible in the British Museum, published by British Museum Press)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Courtesy of the Trustees of The British Museum