Mahalalà An’i Jehovah — Ilay Andriamanitra Velona
REHEFA nampitaha ny fomba fihevitry ny Hindoa momba an’Andriamanitra tamin’ny an’ny fivavahana hafa ny Pr. S. Radhakrishnan, avy any India, dia nanamarika hoe: “Hafa ny Andriamanitry ny Hebreo. Velona sady mandray anjara amin’ny tantara izy ary liana amin’ireo fiovana sy zavatra tsy ampoizina eto amin’itỳ tontolo miova itỳ. Tena misy izy ary mifandray amintsika.”
Ny anaran’ilay Andriamanitry ny Baiboly amin’ny teny hebreo dia hoe יהוה, izay adika hoe “Jehovah”. Ihoarany avokoa ny andriamanitra hafa rehetra. Inona no fantatsika momba azy? Ahoana no nifampiraharahany tamin’ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly?
“Nifanatrika” i Jehovah sy i Mosesy
Nisy fifandraisana akaiky sy “nifanatrika” teo amin’i Jehovah sy i Mosesy mpanompony, na dia tsy afaka nahita an’Andriamanitra ara-bakiteny aza i Mosesy. (Deoteronomia 34:10; Eksodosy 33:20). Tamin’ny fahatanorany, ny fon’i Mosesy dia niandany tamin’ny Isiraelita, izay nandevozina tany Egypta tamin’izany fotoana izany. Nanda ilay fiainana nananany fony izy anisan’ny mpianakavin’i Farao, izy, satria “nifidy (...) hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra”. (Hebreo 11:25). Ho vokany, dia nomen’i Jehovah tombontsoa manokana maro i Mosesy.
Fony izy anisan’ny mpianakavin’i Farao, dia “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” i Mosesy. (Asan’ny Apostoly 7:22). Mba hitarihana ny firenen’ny Isiraely anefa, dia nila namboly fanetren-tena sy faharetana ary fahalemem-panahy koa izy. Izany no nataony nandritra ireo 40 taona naha-mpiandry ondry azy tany Midiana. (Eksodosy 2:15-22; Nomery 12:3). Na dia tsy hitan’ny maso aza i Jehovah, dia nampiharihary ny tenany sy ny fikasany tamin’i Mosesy, ary nanankina ireo Didy Folo taminy tamin’ny alalan’ny anjely. (Eksodosy 3:1-10; 19:3–20:20; Asan’ny Apostoly 7:53; Hebreo 11:27). Milaza amintsika ny Baiboly fa “niteny nifanatrika tamin’i Mosesy [i Jehovah], tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany”. (Eksodosy 33:11). Hoy tokoa i Jehovah momba ny tenany: “Mifanatrika no itenenako aminy”. Endre izany fifandraisana manokana sy sarobidy nananan’i Mosesy tamin’ilay Andriamaniny tsy hita maso nefa velona! — Nomery 12:8.
Ankoatra ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely tany am-boalohany, i Mosesy dia nirakitra an-tsoratra ilay Fehezan-dalàna sy ny sampantsampany rehetra. Nanankinana tombontsoa sarobidy iray hafa koa izy — ny fanoratana ny bokin’ny Genesisy. Ny tapany farany amin’io boky io dia tantara fantatry ny fianakaviany tsara, ka noho izany dia somary mora noraketina an-tsoratra ihany. Taiza anefa no nahazoan’i Mosesy ireo tsipiriany momba ny tantaran’ny olona tany am-boalohany? Nety ho nanana tahirin-taratasy tranainy, izay notahirizin’ireo razambeny, i Mosesy, ka ireny no nampiasainy. Etsy an-danin’izany, dia nety ho nahazo tsipiriany nampitaina am-bava na nahariharin’i Jehovah nivantana taminy, izy. Lehilahy mendri-panajana samy hafa taona no nanaiky hatramin’ny ela ny fifandraisana manokana nananan’i Mosesy tamin’ilay Andriamaniny tamin’io lafiny io.
Jehovah — Ilay Andriamanitra velon’i Elia
I Elia mpaminany koa dia nahalala an’i Jehovah ho Andriamanitra velona. Be zotom-po ho an’ny fivavahana madio i Elia, ary nanompo an’i Jehovah, na dia nanjary niharan’ny fankahalana sy ny fanoherana mafy avy tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala, ilay andriamanitra lehibe indrindran’ny Kananita, aza izy. — 1 Mpanjaka 18:17-40.
Nitady hamono an’i Elia i Ahaba, Mpanjakan’ny Isiraely, sy i Jezebela vadiny. May ny hamonjy ny ainy i Elia, ka nandositra nankany Beri-sheba, tany andrefan’ny Ranomasina Maty. Nirenireny tany an’efitra izy tany ary nangataka tao amin’ny vavaka mba ho faty. (1 Mpanjaka 19:1-4). Moa ve i Jehovah nahafoy an’i Elia? Tsy niahy an’ilay mpanompony nahatoky intsony ve izy? Nety ho nieritreritra izany i Elia, nefa tena diso hevitra tanteraka izy! Tatỳ aoriana, dia niteny moramora taminy i Jehovah, ka nanontany hoe: “Manao inona atỳ hianao, ry Elia?” Rehefa avy nisy fampisehoan-kery tsy araka ny nahazatra sy nanaitra mafy, dia “nisy feo [indray] nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ hianao ry Elia?” Naneho io fiahiana manokana an’i Elia io i Jehovah, mba hampaherezana ilay mpanompony azony nitokiana. Mbola nanana asa fanampiny ho an’i Elia Andriamanitra, ary feno risi-po i Elia nanoina izany antso izany! Nanatanteraka tamim-pahatokiana ireo asa nanendrena azy i Elia, ka nanamasina ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamaniny velona. — 1 Mpanjaka 19:9-18.
Rehefa nanda ny firenen’ny Isiraely i Jehovah, dia tsy niteny nivantana tamin’ireo mpanompony teto an-tany intsony. Izany akory tsy nidika fa nihena ny fiahiany manokana azy ireo. Tamin’ny alalan’ny fanahiny masina izy dia mbola nitarika sy nanatanjaka azy ireo ihany teo amin’ny fanompoana azy. Raiso, ho ohatra, ny apostoly Paoly, fantatra taloha tamin’ny anarana hoe Saoly.
Ny nitarihan’ny fanahy masina an’i Paoly
I Saoly dia avy tany Tarsosy, tanàna lehibe iray tany Kilikia. Hebreo ny ray aman-dreniny, nefa olom-pirenena romana hatry ny fony vao teraka izy. Ny fanabeazana azon’i Saoly anefa dia araka ny foto-pinoana hentitr’ireo Fariseo. Tatỳ aoriana, tao Jerosalema, dia nanana fahafahana nampianarina “teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela”, mpampianatra ny Lalàna fanta-daza, izy. — Asan’ny Apostoly 22:3, 26-28.
Noho ny zotom-po diso fiantefan’i Saoly ho an’ny lovantsofina jiosy, dia nanjary nandray anjara tamin’ny fanenjehana tamin-kalozana ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izy. Nankasitraka ny famonoana an’i Stefana, ny maritiora kristiana voalohany, mihitsy aza izy. (Asan’ny Apostoly 7:58-60; 8:1, 3). Tatỳ aoriana izy dia niaiky fa, na dia mpiteny ratsy sady mpanenjika sy mpampahory aza ny tenany taloha, dia “nahazo famindrampo (...), satria tamin’ny tsi-fahalalana no [nanaovany] izany noho ny tsi-finoana”. — 1 Timoty 1:13.
Natosiky ny faniriana feno fahatsoram-po hanompo an’Andriamanitra i Saoly. Rehefa avy niova finoana teny an-dalana ho any Damaskosy izy, dia nampiasa azy tamin-kery i Jehovah. Notarihin’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty mba hanampy azy i Ananiasy, mpianatra kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Taorian’izay i Paoly (ilay anarana romana nahafantarana an’i Saoly rehefa tonga Kristiana izy) dia notarihin’ny fanahy masin’i Jehovah mba hanatanteraka fanompoana naharitra sady namokatra tany Eoropa sy Azia Minora. — Asan’ny Apostoly 13:2-5; 16:9, 10.
Afaka mamantatra izany fitarihan’ny fanahy masina izany koa ve isika amin’izao andro izao? Eny.
Tsy misakana ny fiahiana manokana avy amin’i Jehovah ny tsy finoana an’Andriamanitra
Prezidà faharoan’ny Fikambanana Watch Tower i Joseph F. Rutherford. Tamin’ny 1906 izy dia tonga Mpianatra ny Baiboly vita batisa — araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay — voatendry ho mpanolo-tsaina momba ny lalàna ho an’ny Fikambanana ny taona nanaraka, ary tonga ny prezidàny tamin’ny Janoary 1917. Kanefa, nisy fotoana tsy ninoan’io mpisolovava tanora io an’Andriamanitra. Ahoana no nahatongavany ho mpanompo kristian’i Jehovah mafana fo be?
Tamin’ny Jolay 1913, i Rutherford dia mpitari-draharaha tamin’ny fivoriamben’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, natao tany Springfield, any Massachusetts, any Etazonia. Nanadinadina azy ny mpanao gazety iray avy tamin’ny The Homestead tany an-toerana, ary navoaka tao amin’ny tatitra fahatsiarovana momba io fivoriambe io koa ilay fitantarana.
Nanazava i Rutherford fa tamin’ny fotoana nikasany hanambady, dia nanaraka ny finoan’ny Batista ny tenany, fa ny fofombadiny kosa ny an’ny Presbyteriana. Rehefa nilaza ny pastoran’i Rutherford fa “ho any amin’ny afobe ny fofombadiny satria hoe tsy vita batisa, fa i Rutherford kosa hivantana ho any an-danitra satria hoe vita batisa, dia nahatsiaro rikoriko ny sainy nahay nandrindra hevitra”.
Nikaroka tamim-pitandremana nandritra ny taona maro i Rutherford vao nahaorina indray ny finoany ny fisian’ny Andriamanitra velona iray. Ny hevitra hoe “izay tsy mahafa-po ny saina dia tsy manana zo hahafa-po ny fo” no niaingany, hoy izy. Ny Kristiana dia “tsy maintsy mahazo antoka fa marina ny Soratra Masina izay inoany”, hoy ny nohazavain’i Rutherford. Ary hoy ny teny nanampiny: “Tsy maintsy fantatr’izy ireo izay fototra ijoroan’ny tenany.” — Jereo ny 2 Timoty 3:16, 17.
Eny, na dia amin’izao andro izao aza, ny olona tsy mino an’Andriamanitra na misalasala ny amin’ny fisiany dia afaka mikaroka ao amin’ny Soratra Masina sy manorina finoana ary mamboly fifandraisana manokana sy matanjaka amin’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa avy nianatra ny Baiboly tamim-pitandremana tamin’ny alalan’ny bokin’ny Watch Tower hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ny lehilahy tanora iray, dia niaiky toy izao: “Tsy nino an’Andriamanitra aho fony aho nanomboka izao fianarana izao, nefa izao aho dia mahita fa ny fahalalana ny Baiboly dia nampitsimbadika ambony ambany ny fomba fisainako. Manomboka mahalala an’i Jehovah sy mitoky aminy aho.”
“Ny adala” sy Andriamanitra
“Tsy tonga tao an-tsain’ny mpanoratra ny TT [Soratra Hebreo], na iza na iza, mihitsy ny hoe hanaporofo na tsy hanaiky ny fisian’Andriamanitra”, hoy ny Pr. James Hastings ao amin’ny A Dictionary of the Bible. “Tsy araka ny fisainan’ny tontolo tranainy tamin’ny ankapobeny ny handa ny fisian’Andriamanitra, na ny handroso hevitra mba hanaporofoana azy io. Io finoana io dia voajanahary tao amin’ny sain’ny olombelona ary niombonan’ny olona rehetra.” Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe natahotra an’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra tamin’izany fotoana izany. Tsia. Ny Salamo 14:1 sy 53:1 dia samy miresaka momba “ny adala” izay nanao anakampo hoe: “Tsy misy Andriamanitra.”
Karazan’olona manao ahoana moa io adala io, izay mandà ny fisian’Andriamanitra? Tsy hoe olona tsy mahay na inona na inona eo amin’ny ara-tsaina akory izy io. Ilay teny hebreo hoe na·valʹ eto kosa dia manondro tsy fahampiana eo amin’ny ara-pitondran-tena. Ny Profesora S. R. Driver, araka ireo teniny ao amin’ny The Parallel Psalter, dia milaza fa ilay zavatra tsy mety ao amin’ilay adala dia “tsy fahalemena ara-tsaina akory, fa tsy firaikana ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana, tsy fahaiza-mitsara mibaribary”.
Manohy milazalaza ny fikororosiana ara-pitondran-tena ateraky ny fihetsika toy izany ilay mpanao salamo, ka manao hoe: “Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.” (Salamo 14:1). Hoy ny teny famintinan’ny Pr. Hastings: “Miantehitra amin’io tsy fisian’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao io sy amin’ny tsy fisian’ny fanasaziana ny olona, ka manjary ratsy fitondran-tena no sady manao zavatra tena mahatsiravina.” Manaraka an-karihary fotopoto-pitsipika tsy araka an’Andriamanitra izy ireo ary manilika ny fisian’ny Andriamanitra velona iray, satria tsy tiany ny hampamoahan’izy io azy. Hadalana anefa ny fisainana toy izany amin’izao andro izao toy ny tamin’ny andro nanoratan’ilay mpanao salamo ny teniny, 3 000 taona mahery lasa izay.
Fampitandremana avy amin’ilay Andriamanitsika velona
Andeha isika izao hiverina ho amin’ireo fanontaniana napetraka tao amin’ny lahatsoratra voalohany. Nahoana no olona maro be no tsy afaka mampifanaraka ny fisian’ny Andriamanitra velona iray amin’ny fijaliana manenika izao tontolo izao ankehitriny?
Ny Baiboly dia mirakitra fanazavana an-tsoratra avy amin’ny lehilahy izay ‘niteny avy tamin’Andriamanitra araka izay nitondran’ny fanahy masina azy’. (2 Petera 1:21). Izy io irery no mampiharihary amintsika an’ilay Andriamanitra velona, dia i Jehovah. Mampitandrina antsika koa izy io ny amin’ny persona ratsy iray, izay tsy hitan’ny mason’ny olona, ary tena mahay mitarika sy mifehy ny fisainan’ny olombelona amin-kery — i Satana Devoly. Raha tsy mino ny fisian’ny Andriamanitra velona iray tokoa isika, ahoana no ahafahantsika mino ny fisian’ny Devoly, na Satana, velona iray?
Hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona ara-tsindrimandry: ‘Ilay atao hoe Devoly sy Satana dia mamitaka izao tontolo izao.’ (Apokalypsy 12:9). Tatỳ aoriana, dia hoy i Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Ireo fanambarana ireo dia manome taratry ny tenin’i Jesosy, izay noraketin’i Jaona tao amin’ny Filazantsarany toy izao: “Avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.” — Jaona 14:30.
Tena mifanalavitra tanteraka amin’izay inoan’ny olona ankehitriny io fampianaran’ny Soratra Masina io! “Ny firesahana momba ny Devoly dia tena efa lany andro ankehitriny. Ny vanim-potoan’ny tsy fetezana hino sy ny siansa misy antsika dia nandefa an’i Satana hisotro ronono”, hoy ny Catholic Herald. Kanefa, dia hoy ny tenin’i Jesosy tamin-kery tamin’ireo lehilahy naniry hamono azy: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.” — Jaona 8:44.
Azon’ny saina ekena tsara ny fanazavan’ny Baiboly momba ny herin’i Satana. Ataony mazava tsara hoe nahoana izao tontolo izao no ampahorin’ny fankahalana sy ny ady ary ny herisetra tsy amin’ny antony, toy ny hita tany Dunblane, (voalaza ao amin’ny pejy faha-3 sy faha-4), nefa ny ankamaroan’ny olona maniry hiaina amim-piadanana sy firaisan-tsaina. Ambonin’izany, dia tsy i Satana irery no fahavalo tsy maintsy iadiantsika. Ny Baiboly dia mampitandrina koa ny amin’ireo devoly, na hoe demonia — zavaboary ara-panahy ratsy izay nanaraka an’i Satana mba hamitahana sy hamelezana ny olombelona. (Joda 6). I Jesosy Kristy dia niatrika ny herin’ireo fanahy ireo imbetsaka, ary afaka nandresy azy ireo izy. — Matio 12:22-24; Lioka 9:37-43.
Ny fikasan’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia ny hanadio itỳ tany itỳ amin’ny faharatsiana, sy ny hanafoana tanteraka ny asan’i Satana sy ireo demoniany amin’ny farany. Miorina amin’ny fahalalantsika an’i Jehovah, dia afaka manana finoana mafy orina sy matoky ny fampanantenany isika. Hoy izy: “Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.” Tena Andriamanitra velona marina i Jehovah ho an’izay rehetra mahalala sy manolotra fanompoam-pivavahana ary manompo azy. Izy, ary izy irery ihany, no azontsika ianteherana mba hahazoana famonjena. — Isaia 43:10, 11.
[Sary, pejy 7]
Sary sokitra tamin’ny taonjato faha-18, mampiseho an’i Mosesy nanoratra ara-tsindrimandry ny Genesisy 1:1
[Sary nahazoan-dalana]
Avy ao amin’ny The Holy Bible nataon’i J. Baskett, Oxford
[Sary, pejy 8]
Nandresy an’ireo demonia imbetsaka i Jesosy Kristy