Fampiasana ny Lalàna mba Hiarovana ny Vaovao Tsara
HATRAMIN’IZAY nanorenan’ny olona tanàna, dia nanorina manda koa izy. Fiarovana ireny manda ireny, indrindra fa tamin’ny andro fahiny. Afaka niady avy teny an-tampon’io fefy io ireo mpiaro tanàna, mba tsy hahafahan’ny mpanafika hanagorobaka na hihady ny fototr’ilay manda. Tsy ireo mponina tao an-tanàna ihany no voaro, fa matetika koa no nahita fialofana tao, ireo izay nonina teny amin’ny tanàna manodidina. — 2 Samoela 11:20-24; Isaia 25:12.
Toy izany koa, fa nanorina manda fiarovana miorina amin’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy natsangana mba hampitokanana ny Vavolombelona amin’ny sisa amin’ny fiaraha-monina akory io manda io, satria fantatra ho tia mifanerasera amin’ny hafa sy mahay mifandray amin’olona ny Vavolombelon’i Jehovah. Nohamafisin’izy io kosa aza ny fanomezan’ny lalàna antoka fa manana fahafahana fototra ny olona rehetra. Miaro ny zon’ny Vavolombelona ara-dalàna koa izy io, etsy an-danin’izany, mba hahafahan’izy ireo hanao ny fanompoam-pivavahany amin-kalalahana. (Ampitahao amin’ny Matio 5:14-16.) Miaro ny fomba anolorany fanompoam-pivavahana sy ny zony hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, io manda io. Inona io manda io, ary ahoana no nanorenana azy io?
Fanorenana manda fiarovana miorina amin’ny lalàna
Na dia manana fahalalahana ara-pivavahana aza ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny ankamaroan’ireo tany, dia niharam-pamelezana tsy marim-pototra izy ireo tany amin’ny tany sasany. Rehefa nasiana adihevitra ny fahalalahany hanao fanompoam-pivavahana amin’ny alalan’ny fiaraha-mivory sy ny fitoriana isan-trano, dia nampiakarin’izy ireo tany amin’ny fitsarana ny raharaha. Efa an’arivony maro ny isan’ireo raharaha ara-pitsarana nahatafiditra ny Vavolombelona, maneran-tany.a Tsy nandresy foana akory izy ireo tamin’ireny rehetra ireny. Rehefa nanameloka azy ireo anefa ny fitsarana ambaratonga voalohany, dia matetika izy ireo no nampiakatra ho amin’ny fitsarana ambony kokoa. Inona no vokatr’izany?
Nandritra ny am-polony taona maro tamin’ity taonjato faha-20 ity, ireo fandresena ara-pitsarana tany amin’ny tany maro dia môdely azo ianteherana izay nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo raharaha ara-pitsarana tatỳ aoriana. Nahaforona manda fiarovana miorina amin’ny lalàna ireny didim-pitsarana nahitana fahombiazana ireny, toy ny biriky na vato mahaforona manda iray. Manohy miady ho an’ny fahalalahana hanao ny fanompoam-pivavahany ny Vavolombelona, avy eny an-tampon’io manda môdely io.
Raiso ho ohatra ilay raharaha Murdock miady amin’ny Commonwealth any Pennsylvanie, izay notapahin’ny Fitsarana Tampony any Etazonia, tamin’ny 3 May 1943. Inty no fanontaniana napoitra tamin’ilay raharaha: Tokony hoterena handoa patanty ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanelezany ireo zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahany? Nanizingizina ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy tokony hotakina ny hanaovan’izy ireo izany. Tsy varotra ny asa fitorian’izy ireo, ary tsy ho toy izany na oviana na oviana. Tsy ny hahazo vola no zava-kendren’izy ireo, fa ny hitory ny vaovao tsara kosa. (Matio 10:8; 2 Korintiana 2:17). Tamin’ny didim-pitsarana momba ny raharaha Murdock, dia niombon-kevitra tamin’ny Vavolombelona ny Fitsarana, ka nanizingizina fa izay mety ho fitakiana fandoavam-patanty alohan’ny hanelezana zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana dia tsy nifanaraka tamin’ny lalàm-panorenana.b Môdely lehibe io didim-pitsarana io, ka nampiasa azy io ho toy ny fahefana teo amin’ny raharaha ara-pitsarana maro ny Vavolombelona hatramin’izay, ary nahita fahombiazana. Hita fa biriky mafy orina eo amin’ilay manda fiarovana miorina amin’ny lalàna, ilay didim-pitsarana tamin’ny raharaha Murdock.
Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny olon-drehetra ny raharaha toy izany. Hoy ny University of Cincinnati Law Review momba ny fandraisan’ny Vavolombelona anjara tamin’ny fiarovana ny zo sivily tany Etazonia: “Nanan-kery lehibe teo amin’ny fivoaran’ny lalàm-panorenana, ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra fa tamin’ny nanitarany ny fefy fiarovana ny fahafaha-miteny sy ny fivavahana.”
Fanamafisana ilay manda
Mihamafy kokoa ilay manda isaky ny misy fandresena ara-pitsarana. Diniho ange ny vitsivitsy amin’ireo didim-pitsarana tamin’ireo taona 1990, izay nitondra soa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah mbamin’ireo tia fahafahana hafa rehetra maneran-tany e.
Gresy. Tamin’ny 25 May 1993, ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, dia nanohana ny zo ananan’ny olom-pirenena grika, dia ny hampianatra ireo zavatra inoany ara-pivavahana amin’ny hafa. I Minos Kokkinakis, izay 84 taona tamin’izay, no tafiditra tao amin’ilay raharaha. Noho izy Vavolombelon’i Jehovah, dia voasambotra maherin’ny in-60 i Kokkinakis hatramin’ny 1938, nentina niseho teo amin’ny fitsarana grika im-18, ary nandany enin-taona mahery tany am-ponja. Ny tena fototry ny nanamelohana azy dia lalàna grika tamin’ny 1930 izay mandrara ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena. Io lalàna io no rangory fototry ny afo nisamborana Vavolombelon’i Jehovah efa ho 20 000 nanomboka tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1992. Nambaran’ilay Fitsarana Eoropeanina fa nanitsakitsaka ny fahalalahana ara-pivavahan’i Kokkinakis ny fitondram-panjakana grika. Onitra nitentina 72 tapitrisa no azony avy tamin’ny fitsarana noho izany. Nambaran’ilay Fitsarana tao amin’ny didim-pitsarana fa tena “fivavahana fantatra” tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1993, pejy faha-27-31.
Meksika. Nisy dingana lehibe iray natao teo amin’ny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana tany Meksika, tamin’ny 16 Jolay 1992. Navoaka tamin’io daty io ny Lalàna Momba ireo Fikambanana Ara-pivavahana sy ny Fanompoam-pivavahana Ampahibemaso. Avy amin’io lalàna io, no ahafahan’ny antokon’olona mpivavaka mahazo ny toerana ara-dalàna mahafikambanana ara-pivavahana azy, rehefa misoratra amin’ny fanjakana izy, araka ny takina. Toy ireo fivavahana hafa tao amin’ilay tany ihany ny Vavolombelon’i Jehovah teo aloha: Efa nisy, saingy tsy ara-dalàna. Nangataka ny hosoratana amin’ny fanjakana ny Vavolombelona, tamin’ny 13 Aprily 1993. Mahafaly fa nanjary voasoratra ara-dalàna izy ireo tamin’ny 7 May 1993, tamin’ny anarana hoe La Torre del Vigía, A. R., sy Los Testigos de Jehová en México, A. R. Samy fikambanana ara-pivavahana avokoa ireo roa ireo. — Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Jolay 1994, pejy faha-12-14.
Brezila. Tamin’ny Novambra 1990, ny Ivon-toeram-pirenena Misahana ny Fiantohana Sosialy (INSS), any Brezila dia nampahafantatra ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower fa tsy hoheverina ho toy ny minisitra ara-pivavahana intsony ireo manompo an-tsitrapo ao amin’ny Betela (anaran’ireo tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah), ka noho izany, dia hihatra amin’izy ireo ny sata mifehy ny mpiasa any Brezila. Nampiakatra fitsarana ambony hanoherana ilay didim-pitsarana, ny Vavolombelona. Tamin’ny 7 Jona 1996, ny Mpanolo-tsaina Ara-pitsaran’ny Tonian’ny Fampanoavana ao Brasília dia namoaka didim-pitsarana niaro ny toeran’ireo mpiasa ao amin’ny Betela ho anisan’ny fikambanana ara-pivavahana, fa tsy mpikarama amin’ny orinasa.
Japon. Tamin’ny 8 Martsa 1996, ny Fitsarana Tampony tany Japon dia namoaka didim-pitsarana iray momba ny raharaha mahakasika ny fianarana sy ny fahalalahana ara-pivavahana, ho tombontsoan’ny rehetra any Japon. Niray feo ilay fitsarana nanambara fa nandika lalàna ny Lise Teknika Indostrialy Monisipalin’i Kobe, noho izy io nandroaka an’i Kunihito Kobayashi izay tsy nety nandray anjara tamin’ny fanazaran-tena tamin’ny arts martiaux. Sambany, tamin’io fanambarana io, no namoahan’ny Fitsarana Tampony didim-pitsarana iray niorina tamin’ny fahalalahana ara-pivavahana izay iantohan’ny Lalàm-panorenan’i Japon. Nanaraka ny feon’ny fieritreretany io Vavolombelona tanora io ka nihevitra fa izany fanazaran-tena izany dia tsy nifanaraka tamin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly, toy ilay hita ao amin’ny Isaia 2:4 manao hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Môdely ho an’ireo raharaha ara-pitsarana amin’ny hoavy, ilay didim-pitsarana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1996, pejy faha-19-21.
Tamin’ny 9 Febroary 1998, ny Fitsarana Avo ao Tokyo dia namoaka didim-pitsarana niavaka hafa iray, izay niaro ny zon’ny Vavolombelona iray antsoina hoe Misae Takeda. Zony tokoa mantsy ny tsy hanaiky fitsaboana izay tsy nifanaraka tamin’ny didin’ny Baiboly ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny ra’. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Nampiakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony io raharaha io, ary mbola ho hita eo ihany raha hotohanana ilay didim-pitsaran’ny Fitsarana Avo.
Philippines. Tamin’ny didim-pitsarana iray navoaka tamin’ny 1 Martsa 1993, dia niray feo namoaka didy nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Fitsarana Avo tany Philippines tamin’ny raharaha iray nahatafiditra tanora vavolombelona. Noroahina tany an-tsekoly izy ireo noho ny nandavany tamim-panajana tsy hiarahaba saina.
Ny didim-pitsarana tsirairay nahazoana fandresena dia toy ny vato na biriky fanampiny izay manamafy ilay manda araka ny lalàna izay miaro ny zon’ny olona rehetra, fa tsy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah fotsiny.
Fiarovana ilay manda
Voasoratra ara-dalàna any amin’ny tany 153 ny Vavolombelon’i Jehovah, ka rariny raha manana fahalalahana be toy ireo fivavahana hafa ekena ho ara-dalàna. Rehefa avy nenjehina sy norarana nandritra ny am-polony taona maro tany Eoropa Atsinanana sy ny Firaisana Sovietika teo aloha ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ekena ara-dalàna ankehitriny any amin’ny tany toa an’i Albania, i Biélorussie, i Géorgie, i Hongria, i Kazakhstan, i Kirghizistan, ny Repoblika tseky, i Romania sy i Slovakia. Mbola asiana adihevitra be na lavina mihitsy aza anefa amin’izao andro izao ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany, anisan’izany ny tany sasany any Eoropa Andrefana izay manana rafitra ara-pitsarana niorina efa hatramin’ny ela. Milofo mafy “misaina fampahoriana araka ny lalàna” ireo mpanohitra, mba hamelezana ny Vavolombelona. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy). Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?c
Maniry hiara-miasa amin’ireo fitondram-panjakana rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa iriny koa ny hanana fahalalahana ara-dalàna hanao ny fanompoam-pivavahany. Miaiky mafy izy ireo fa tsy manan-kery izay lalàna na didim-pitsarana mandrara azy ireo tsy hankato ny didin’Andriamanitra, ka anisan’izany ilay didy nomena azy ireo mba hitory ny vaovao tsara. (Marka 13:10). Raha tsy azo anaovana raharaham-pihavanana ilay izy, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no hanao ny dingana voalohany eo amin’ny sehatry ny fitsarana ka handray ireo fepetra rehetra ilaina mba hampiakarana ny raharaha, mba hiarovan’ny lalàna ny zo nomen’Andriamanitra azy hanao fanompoam-pivavahana. Matoky tanteraka an’izao fampanantenan’Andriamanitra izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina”. — Isaia 54:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mifandray amin’ny fitsarana, dia jereo, aza fady, ny toko faha-30 amin’ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Tamin’ilay didim-pitsarana tamin’ny raharaha Murdock, dia nofoanan’ny Fitsarana Tampony ilay hevitra notanany tamin’ny raharaha Jones miady amin’ny Tanànan’i Opelika. Tamin’ny raharaha Jones tamin’ny 1942 mantsy, ny Fitsarana Tampony dia nanohana didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay nanameloka an’i Rosco Jones, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nomelohina izy fa nampiely zavatra vita an-tsoratra teny amin’ny araben’i Opelika, any Alabama, kanefa tsy nandoa patanty.
c Jereo ny lahatsoratra hoe “Ankahalaina Noho ny Finoany” sy ny hoe “Fiarovana ny Finoantsika” eo amin’ny pejy faha-8-18.
[Efajoro, pejy 21]
Fiarovana ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah
Nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hoentina teo anatrehan’ireo mpitsara sy manam-pahefana manerana izao tontolo izao, ny fanenjehana azy ireo. (Lioka 21:12, 13). Tsy nikely soroka nampiasa ny lalàna mba hiarovana ny zony, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo fandresena ara-pitsarana tany amin’ny tany maro dia nanampy mba hiarovana ny fahalalahana omen’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, ka anisan’izany ny zony:
◻ hitory isan-trano, tsy voafatotr’ireo fameperana atao amin’ireo mpivarotra — Murdock miady amin’ny Commonwealth any Pennsylvanie, Fitsarana Tampony Amerikanina (1943); Kokkinakis miady amin’i Gresy, Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) (1993).
◻ hiara-mivory amin-kalalahana mba hivavaka — Manoussakis sy ny Hafa miady amin’i Gresy, CEDH (1996).
◻ hanapaka ny amin’izay fomba azony anajana ny sainam-pirenena na faneva hafa, araka izay amelan’ny feon’ny fieritreretany azy — Filan-kevim-panjakana Momba ny Fampianarana any Virginie Andrefana miady amin’i Barnette, Fitsarana Tampony Amerikana (1943); Fitsarana Tampony any Philippines (1993); Fitsarana Tampony any Inde (1986).
◻ tsy hanao raharaha miaramila izay mandika ny feon’ny fieritreretany kristianina. — Georgiadis miady amin’i Gresy, CEDH (1997).
◻ hifidy ny fitsaboana sy ny fanafody izay tsy manohitra ny feon’ny fieritreretany — Malette miady amin’i Shulman, Ontario, Kanada, Fitsarana Ambony (1990); Watch Tower miady amin’ny E.L.A., Fitsarana Ambony, San Juan, Porto Rico (1995); Fosmire miady amin’i Nicoleau, New York, Etazonia, Fitsarana Ambony (1990).
◻ hitaiza ny zanany mifanaraka amin’ireo zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly, eny fa na dia asiana adihevitra aza ireny zavatra inoany ireny rehefa iadian’ny mpivady misaraka ny fitaizana ny ankizy — St-Laurent miady amin’i Soucy, Fitsarana Tampony any Kanada (1997); Hoffmann miady amin’i Aotrisy, CEDH (1993).
◻ hanana sy hampiasa fikambanana ara-dalàna izay tsy handoa hetra toy ireo fikambanana ampiasain’ny fivavahana hafa ekena ho ara-dalàna — Ny vahoaka miady amin’i Haring, New York, Etazonia, Fitsarana Ambony (1960).
◻ mba hoentina toy ireo mpiasa manontolo andro any amin’ny fivavahana hafa ireo izay voatendry ho amin’ny fanompoana manontolo andro manokana, eo amin’ny sehatry ny hetra — Ivon-toeram-pirenena Misahana ny Fiantohana Sosialy, Brasília, (1996).
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck
[Sary, pejy 20]
Minos Kokkinakis sy ny vadiny
[Sary, pejy 20]
Kunihito Kobayashi