Eo An-tokonan’ny Asa Bebe Kokoa
“TSY nahitana toe-tsaina tia mifaninana tao. Samy naniry ny hahombiazan’ny hafa ny rehetra”, hoy i Richard sy i Lusia, rehefa nilazalaza ny amin’ireo mpiara-mianatra taminy tao amin’ny kilasy faha-105-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. “Samy hafa avokoa izahay rehetra, kanefa sarobidy aminay ny mpianatra tsirairay.” Niombon-kevitra tamin’izany i Lowell, mpianatra hafa, ary nanampy teny hoe: “Nampifanatona anay ny tsy fitovianay.”
Tena samy hafa tokoa ny nahaforona ilay kilasy, izay nahazo diplaoma tamin’ny 12 Septambra 1998. Mpisava lalana tany amin’ny faritra nilana mpitory ilay Fanjakana maro, ny sasany tamin’ireo mpianatra; ny hafa nanompo tamim-pahatokiana tsy dia lavitra ny nisy azy. Nisy vitsivitsy, toa an’i Mats sy i Rose-Marie, tsy maintsy nilofo mafy nandritra ny ora maro mba hanatsarana ny fahaizany teny anglisy, talohan’ny nidirany tao amin’ilay sekoly. Maro tamin’ireo mpianatra no efa nieritreritra ny hanao ny fanompoan’ny misionera hatramin’ny fahazazany. In-12 nanao fangatahana ny mpivady iray; endrey ny hafaliany rehefa nahazo fanasana ho amin’ilay kilasy faha-105 izy mivady!
Nandeha haingana loatra ireo 20 herinandro nahazoan’ny rehetra fampiofanana mafy. Tsy hitahitan’ireo mpianatra akory, dia indro efa namerina ny devoara farany sy efa nanao ny tatitra am-bava farany izy ireo, ary dia tonga ilay andro fizarana diplaoma.
I Albert Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpitari-draharaha tamin’ilay fandaharana. Nampahatsiahiviny an’ilay kilasy fa “teo an-tokonan’ny asa bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny fampianarana Baiboly” izy ireo, ka hanaraka ny dian’ireo 7 000 mahery hafa izay efa nialoha azy tao Gileada. Nomarihiny fa nandritra ny fotoam-pahavaratra, ireo mpianatra dia nanana fahafahana tsy manam-paharoa nifanerasera tamin’ireo misionera efa ela nihetezana izay tonga nitsidika ny foibe maneran-tany tamin’ny fotoan’ny fivoriambe iraisam-pirenena.
Avy eo ny Rahalahy Schroeder dia nampiditra an’i Max Larson, ao amin’ny Komitin’ny Fampandehanana ny Asa ao Amin’ny Betela, izay namelabelatra ny loha hevitra hoe “Fampianarana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay”. Notononin’ny Rahalahy Larson ny Ohabolana 1:5, izay milaza hoe: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara”. Ilaina ny fahaizan-javatra mba hahatongavana ho misionera mahita vokatra. Eo anatrehan’ny mpanjaka no ijoroan’ny olona mailaka, na mahay. (Ohabolana 22:29). Nahazo fampianarana nandritra ny dimy volana ireo mpianatra, koa izao dia ampy fitaovana tsara izy ireo mba hisoloana tena ireo Mpanjaka lehibe indrindra, dia i Jehovah Andriamanitra sy i Kristy Jesosy.
I David Olson, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, no nanao ny lahateny manaraka momba ny loha hevitra hoe “Miezaha Hampifaly ny Fon’i Jehovah”. Nanontany izy hoe: “Inona no azon’ny olombelona tsy lavorary atao mba hampifaliana ny fon’Andriamanitra?” Inona ny valiny? Afaka manompo azy amim-pahatokiana sy amim-pifaliana ary afaka maneho tsy fivadihana aminy izy ireo. Irin’i Jehovah ny hankafizan’ny vahoakany ny fanompoana azy. Rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra amim-pifaliana isika, dia mampifaly ny fony. (Ohabolana 27:11). Novakin’ny Rahalahy Olson ny taratasy iray nosoratan’ny mpivady misionera iray, izay nahazo diplaoman’ny kilasy faha-104 tao Gileada. Mankafy ny asa vaovao nanendrena azy ve izy mivady? “Manana mpitory 140 eo ho eo izahay, ary mpanatrika fivoriana 250 ka hatramin’ny 300, amin’ny antsalany”, hoy ny nosoratan’izy ireo momba ny kôngregasiônany. “Ny fanompoana eny amin’ny saha no tsara indrindra. Manana fampianarana efatra avy izahay, ary efa tonga mivory sahady ny sasany.”
I Lyman Swingle, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no nanazava ilay foto-kevitra hoe “Fotoana Iatoana mba Hitanisana ny Fitahiana Raisinareo”. Nitondra fitahiana maro ny fampiofanana tao Gileada. Nanampy ny mpianatra hitombo fahalalana, hitombo fankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah, sy hamboly toetra tena ilaina, toy ny fanetren-tena, izany. “Mahatonga hanetry tena ny fahatongavana eto mba handaniana fotoana hihainoana fampianarana”, hoy ny Rahalahy Swingle, sady hoy koa izy: “Ho tena ampy fitaovana tokoa ianareo mba hiderana an’i Jehovah, rehefa hiala eto.”
“Endrey ny Fifalianareo, koa Nahoana no Manahy?” Izany no lohatenin’ny lahateny nataon’i Daniel Sydlik, izay anisan’ny Fitambara-mpitantana koa. Rehefa mipoitra ny olana, dia mitadiava tari-dalana avy ao amin’ny Soratra Masina, hoy ny fampirisihany. Nampiasa andinin-teny nofantenana avy tao amin’ny Matio toko faha-6 ny Rahalahy Sydlik, ka nanazava tamin’ny ohatra ny fomba azo anaovana izany. Mety hahatonga antsika hanahy ny amin’ny zavatra andavanandro, toy ny sakafo sy ny fitafiana, ny tsy fahampiam-pinoana. Fantatr’i Jehovah anefa izay ilaintsika. (Matio 6:25, 30). Hanampy trotraka fotsiny ny fahasahiranana entin’ny andro tsirairay ny fanahiana. (Matio 6:34). Etsy an-danin’izany, dia tena ilaina ny fandaharana mialoha. (Ampitahao amin’ny Lioka 14:28.) “Tsy ny fieritreretana amim-pahendrena ny hoavy akory no noraran’i Jesosy, fa ny fanahiana tsy amim-pahendrena ny amin’ny hoavy”, hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Sydlik. “Ny fanaovan-javatra no iray amin’ny fanafody mandaitra indrindra rehefa tratran’ny fanahiana. Rehefa manomboka manahy isika, dia tsara ny hanombohantsika miresaka momba ny fahamarinana.”
Torohevitra nomen’ny mpampianatra teo am-panaovam-beloma
Mpampianatra telo ao Gileada no nanao ireo lahateny manaraka. I Karl Adams no nanao ny lahateny voalohany, momba ilay loha hevitra hoe “Inona no Havalinareo An’i Jehovah?” Niorina tamin’ny Salamo faha-116 ny lahateniny, ary nety ho nihira io salamo io i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. (Matio 26:30, NW, fanamarihana ambany pejy). Inona no tao an-tsain’i Jesosy teo am-pihirany ny hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko”? (Salamo 116:12). Nety ho nieritreritra ny vatana lavorary nomanin’i Jehovah ho azy izy. (Hebreo 10:5). Ny ampitson’iny, dia hanolotra ilay vatana ho sorona izy, ka hanaporofo ny halalin’ny fitiavany. Nahatsapa ny hatsaram-pon’i Jehovah ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-105, nandritra ireo dimy volana lasa. Izao izy ireo dia haneho ny fitiavany an’Andriamanitra amin’ny fiasana mafy any amin’ny faritany nanendrena azy ho misionera.
I Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada, no nanao ny lahateny faharoa, ary notoroany hevitra ireo mpianatra hoe “Manohiza Manao Izay Mahitsy”. Niaritra fitondrana tsy ara-drariny nandritra ny 13 taona i Josefa, rehefa namidy ho andevo tany Ejipta. Navelany hampijanona azy tsy hanompo an’Andriamanitra ve ireo zava-dratsy nataon’ny hafa? Tsia, nanohy nanao izay mahitsy izy. Avy eo, tamin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia nafahana tamin’ireo fisedrana azy i Josefa. Tampoka teo, dia nalana avy tao am-ponja izy ka napetraka tao an-dapa. (Genesisy, toko faha-37-50). Nanontany ireo mpianany àry ilay mpampianatra hoe: “Raha tsy araka ny nampoizinareo ny zavatra hitanareo any amin’ny faritany nanendrena anareo ho misionera, hiala ve ianareo? Hanaiky ho resin’ny famoizam-po ve ianareo? Sa hiaritra ianareo, toy ny nataon’i Josefa?”
Farany, dia i Wallace Liverance, izay mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada, no nitari-draharaha tamin’ny fiaraha-nidinika velombelona nifanaovany tamin’ny mpianatra, momba ilay loha hevitra hoe “Ambarao Ilay Mpanjaka sy Ilay Fanjakana”. Nitantara izay hitany teny amin’ny fitoriana isan-trano, isaky ny fivarotana, sy teny amin’ny arabe ny mpianatra sasany. Ny hafa nitantara ny fomba nanombohany ny fitoriana tamin’ny olona nampiasa fiteny hafa. Ny hafa kosa nampiseho ny fomba fitory amin’ny olona samy hafa fiaviana ara-pivavahana. Samy dodona ny handray anjara feno amin’ny fanompoana eny amin’ny saha misionera ireo rehetra nahazo diplaoma.
Misionera sambatra, efa ela nihetezana
I Robert Wallen kosa no nanao ny anjara manaraka, nitondra ny lohateny hoe “Ireo Vokatra Mahafaly Entin’ny Fanompoan’ny Misionera”. Fanadinadinana rahalahy efatra izay anisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny foibe, ilay anjarany. Vao haingana ireo rahalahy efatra ireo dia niaraka tamin’ny misionera za-draharaha, ka nahazo fampaherezana tamin’izany. Niaiky avy hatrany ireo misionera fa tsy mora taminy ny nianatra fiteny vaovao, ny nizatra tamin’ny kolontsaina hafa, na ny nizatra tamin’ny toe-tany hafa. Teo koa ny fotoana nanembonany ny tany aminy. Indraindray dia nipoitra ny olana teo amin’ny fahasalamana. Nitana toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra anefa ireo misionera tao anatin’izany rehetra izany, ary dia notahina ny faharetany. Nitondra olona maro ho amin’ny fahalalana an’i Jehovah ny sasany. Ny hafa nandray anjara tamin’ny fomba maro samihafa tamin’ny fitomboana ankapoben’ny asan’ilay Fanjakana tany amin’ny taniny.
I Carey Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no nanao ny lahateny farany. Nanao famerenana ireo zavatra nisongadina tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” izy. “Inona no vokatr’ilay fandaharan’ny fivoriambe teo amin’ny fifandraisanareo tamin’i Jehovah?”, hoy ny fanontaniany tamin’ny mpanatrika. Nampifanoherin’ilay mpandahateny ireo fitahiana entin’ny fanarahana ny lalan’Andriamanitra sy ny fiafarana mampalahelo ho an’ireo manaraka ny lalan’izao tontolo izao. Nampitandrina toy izao izy, rehefa niresaka ny amin’ny fandikan-dalàna nataon’i Mosesy tao Meriba: “Na dia efa nanompo tamim-pahatokiana hatramin’ny taona maro aza ny olona iray, dia tsy manamaivana ny fandikana, na dia kely aza, ny lalàny marina i Jehovah.” (Nomery 20:2-13). Enga anie ny mpanompon’Andriamanitra rehetra hatraiza hatraiza ka hifikitra mafy hatrany amin’ny tombontsoam-panompoany sarobidy!
Tonga ny fotoana nandraisan’ireo mpianatra ny diplaomany. Avy eo dia nisy solontenan’ilay kilasy namaky taratasy fankasitrahana noho ilay fampiofanana noraisin’ireo mpianatra. Vita ilay fandaharam-pizarana diplaoma, taorian’ny hira famaranana sy ny vavaka avy tamin’ny fo. Vao fanombohana fotsiny anefa izany ho an’ilay kilasy faha-105, satria “teo an-tokonan’ny asa bebe kokoa” ireo misionera vaovao ireo.
[Efajoro, pejy 23]
Antontan’isa Momba Ilay kilasy
Isan’ny tany nanana solontena: 9
Isan’ny tany nanendrena: 17
Isan’ny mpianatra: 48
Isan’ireo mpivady: 24
Salan’ny taona: 33
Salan’ny taona nahatao amin’ny fahamarinana: 16
Salan’ny taona nahatao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12
[Efajoro, pejy 24]
Nifidy ny Fanompoana Manontolo Andro Izy Ireo
“Fony aho mbola kely kokoa, dia tsy nikasa ny ho mpisava lalana aho”, hoy i Ben, izay nahazo diplaoman’ilay kilasy faha-105. “Nihevitra aho fa ireo izay manana fahaizana manokana sy ao anatin’ny tarehin-javatra filamatra ihany no afaka ny ho mpisava lalana”, hoy ny teny nanampiny. “Tena nianatra ny ho tia ny fanompoana teny amin’ny saha anefa aho. Avy eo, indray andro, dia tonga tao an-tsaiko ny hoe hay, fandraisana anjara bebe kokoa eo amin’ny fanompoana fotsiny no dikan’ny hoe manao ny asan’ny mpisava lalana. Tamin’izay no nahatakarako fa afaka ny ho mpisava lalana koa aho.”
“Nanana fiheverana ambony momba ny mpanompo manontolo andro foana ny tao an-tranonay”, hoy ny fitantaran’i Lusia. Tsaroany ny fientanentanana be tao amin’ny kôngregasiônany, isaky ny nisy misionera tonga nitsidika. Hoy i Lusia: “Rehefa nihalehibe aho, dia tsy nahagaga raha nikasa ny hanao ny fanompoana manontolo andro.”
Maty ny renin’i Theodis, fony izy 15 taona. “Tamin’izay fotoana izay, dia nanohana ahy tokoa ny kôngregasiôna”, hoy izy. “Koa nanontany tena aho hoe: ‘Ahoana no azoko ampisehoana ny fankasitrahako?’ ” Nitarika azy hiditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro izany, ary ho amin’ny asan’ny misionera ankehitriny.
[Sary, pejy 25]
Ny Kilasy Faha-105 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana
1) Sampson, M.; Brown, I.; Heggli, G.; Abuyen, E.; Desbois, M.; Pourthié, P. 2) Kassam, G.; Lindberg, R.; Dapuzzo, A.; Taylor, C.; LeFevre, K.; Walker, S. 3) Baker, L.; Pellas, M.; Woggon, E.; Böhne, C.; Asplund, J.; Haile, J. 4) Pourthié, T.; Whittaker, J.; Palmer, L.; Norton, S.; Gering, M.; Haile, W. 5) Walker, J.; Böhne, A.; Groenveld, C.; Washington, M.; Whittaker, D.; Abuyen, J. 6) Gering, W.; Washington, K.; Pellas, M.; Desbois, R.; Heggli, T.; Asplund, Å. 7) Woggon, B.; LeFevre, R.; Taylor, L.; Brown, T.; Groenveld, R.; Palmer, R. 8) Norton, P.; Sampson, T.; Baker, C.; Lindberg, M.; Kassam, M.; Dapuzzo, M.