Nahoana no Atahorana ny Apokalypsy?
“EFA hatramin’ny am-polony taona maro izao ireo mpiraikitra amim-pototra [fondamentalistes] kristianina no naminany fa [hisy] karazana faharavana hanenika ny fiaraha-monina manontolo atsy ho atsy”, hoy i Damian Thompson, mpanoratra momba ny fivavahana, ao amin’ny gazetiboky Time. “Akory ny hagagan’izy ireo ankehitriny fa, tsy vitan’ny hoe heverina ho zava-dehibe ireny fisehoan-javatra eritreretina hitranga ireny, fa aely koa, sady amin’izay indray olona naneso azy ireny taloha mihitsy no mampiely azy, dia ireo mpamorona programana ôrdinatera, ireo lehiben’ny fandraharahana sy ireo mpanao politika.” Nolazainy marimarina fa ilay fahatahorana hoe ho simba ny ôrdinatera maneran-tany amin’ny taona 2000 dia “tsy mampino fa nampiova olona tena tsy tia fivavahana ho tonga mpino ny taonarivo”, izay matahotra ny hiavian’ny loza toy ny “fisahotaham-bahoaka, ny fitondram-panjakana tsy afa-manao na inona na inona, ny rotaka mba hahazoana sakafo, ny fianjeran’ny fiaramanidina amin’ireo trano avo dia avo”.
Manampy trotraka ny fitebiteben’ny olon-drehetra ny fanaovan-javatra mahavelom-panahiana ataon’ireo antokom-pivavahana madinika maro samihafa, izay lazaina matetika hoe “apokalyptika”. Tamin’ny Janoary 1999, dia hoy ilay gazety frantsay mpiseho isan’andro hoe Le Figaro, tao amin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Jerosalema sy ny Anjombon’ny Apokalypsy”: “Tombanan’ireo mpitandro ny filaminana [israelianina] ho maherin’ny zato ny isan’ireo ‘mpino ny taonarivo’ efa miandry sahady ny parousie [fanatrehan’i Kristy] na ny apokalypsy, eo amin’ny Tendrombohitra Oliva na eny amin’ny manodidina azy io.”
Mirakitra tatitra manokana momba ireo “Sekta Mpitory Fara Andro” ny 1998 Britannica Book of the Year. Ankoatra ny zavatra hafa, dia notononiny ireo sekta mpamono tena toy ny Heaven’s Gate (Vavahadin’ny Lanitra), People’s Temple (ny Tempolin’ny Vahoaka), ny Temple Solaire, sy ny Aum Shinrikyo (Fahamarinana Fara Tampony) izay nikotrika ilay fanafihana tamin’ny gaza mahafaty tao amin’ny métro tao Tokyo, tamin’ny 1995, ka nahafaty olona 12, ary nankarary olona an’arivony maro. Rehefa namintina io tatitra io i Martin E. Marty, profesora momba ny fivavahana ao amin’ny Oniversiten’i Chicago, dia izao no nosoratany: “Ny famadihana ny pejin’ny kalandrie mankamin’ny taona 2000 dia mampientanentana — ary saiky azo antoka tanteraka fa hampisy izao karazam-paminaniana sy hetsika rehetra izao. Mety hanjary hampidi-doza ny sasany. Tsy tokony hanaovana rainazy ny fiatrehana izany fotoana izany.”
Tantaran’ny tahotra ny Apokalypsy
Anaran’ny boky farany ao amin’ny Baiboly ny Apokalypsy na Fanambarana. Nosoratana tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany am.f.i. izy io. Noho io boky io faminaniana sy noho ny fampiasany teny an’ohatra lalina, ilay mpamari-toetra hoe “apokalyptika” dia nanjary nampiharina tamin’ny karazana asa soratra iray izay niandoha ela be talohan’ny nanoratana ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly. Ny fanoharana mifandray amin’ny angano ampiasain’io asa soratra io dia efa hatrany amin’ny andron’i Persa fahiny, ary efa talohan’izany mihitsy aza. Noho izany, dia resahin’ny The Jewish Encyclopedia fa “manana ireo toetoetra mampiavaka manokana ny Babylonianina ny ankamaroan’ireo olona araka ny angano, izay nampidirina tao amin’io asa soratra [jiosy apokalyptika] io”.
Niroborobo ny asa soratra jiosy apokalyptika, teo am-piandohan’ny taonjato faharoa al.f.i. ka hatrany amin’ny faran’ny taonjato faharoa am.f.i. Nanoratra toy izao ny manam-pahaizana momba ny Baiboly iray, raha nanazava ny anton’ireny asa soratra ireny: “Nizara ny fotoana rehetra ho vanim-potoana roa ny Jiosy. Teo ny hoe izao vanim-potoana ankehitriny izao, izay ratsy tanteraka (...). Niandry ny faran’izao zava-misy izao ny Jiosy, noho izany. Teo koa ny vanim-potoana mbola ho avy izay tokony ho tsara tanteraka, fotoam-pahasambarana tanteraka homen’Andriamanitra, izay hanjakan’ny fiadanana sy ny fanambinana ara-nofo ary ny fahamarinana (...). Ahoana no hahatonga izao vanim-potoana ankehitriny izao ho ilay vanim-potoana ho avy? Nino ny Jiosy fa tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny hanatanteraka izany fiovana izany, ka noho izany, dia niandrandra ny fisalovanan’Andriamanitra mivantana izy ireo. (...) Nantsoina hoe Ny Andron’ny Tompo ilay andro hiavian’Andriamanitra, ary izy io dia tokony ho fotoana hahatsiravina hisian’ny horohoro sy fandravana ary fitsarana, izay ho fahoriana hanamarika ny fahaterahan’ilay vanim-potoana vaovao. Mivaofy ireo fisehoan-javatra ireo ny asa soratra apokalyptika rehetra.”
Marim-pototra ve ny tahotra ny Apokalypsy?
Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, na Haramagedona, ka amin’io no hamongorana ny ratsy fanahy. Hanaraka izany ny vanim-potoana iray haharitra arivo taona (indraindray antsoina hoe Fanjakana Arivo Taona). Halefa ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana mandritra izany fotoana izany, ary hitsara ny taranak’olombelona i Kristy. (Apokalypsy 16:14, 16; 20:1-4). Tamin’ny Moyen Âge, dia nisy olona sasany diso fandray ny hevitr’ireny faminaniana ireny, satria nilaza ilay “Masindahy” katolika atao hoe Augustin (354-430 am.f.i.) fa efa nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Kristy ny Fanjakana Arivo Taona, ka aorian’izay dia hisy ny Fitsarana Farany. Toa tsy noeritreretin’i Augustin firy ny amin’ilay fe-potoana, kanefa rehefa nanatona ny taona 1000, dia nitombo ny tahotra sao hisy loza. Tsy mifanara-kevitra ireo mpahay tantara mahakasika ny halehiben’io tahotra ny apokalypsy tamin’ny Moyen Âge io. Na toy inona na toy inona anefa fielezan’io tahotra io, dia hita tokoa tamin’ny farany fa tsy marim-pototra ilay izy.
Toy izany koa amin’izao andro izao. Atahoran’ny mpivavaka sy ny tsy mpivavaka ny taona 2000 na 2001 sao hitondra apokalypsy mampivarahontsana. Marim-pototra ve anefa izany tahotra izany? Ary moa ve zavatra tokony hatahorana sa tokony hantenaina kosa ny hafatra raketin’ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Fanambarana na Apokalypsy? Tohizo kely ange ny vakiteninao e!
[Sary, pejy 4]
Hita fa tsy marim-pototra ny tahotra ny Apokalypsy tamin’ny Moyen Âge
[Sary nahazoan-dalana]
© Cliché Bibliothèque Nationale de France, Paris
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Maya/Sipa Press