TANTARAM-PIAINANA
“Lasa Tiako Be ny Fanompoana!”
TANY Balclutha, any amin’ny Nosy Atsimo any Nouvelle-Zélande, aho no lehibe. Tena akaiky an’i Jehovah aho tamin’ny mbola kely, dia tiako be koa ilay hoe tao amin’ny fahamarinana. Mbola tsy kamo nivory izany mihitsy aho! Nahafinaritra be ahy koa ny fiangonana nisy anay. Nahatsiaro ho voaro sy sambatra aho tao. Tsy ilay karazan’olona sahisahy be ireny aho, nefa tiako ny nandeha nanompo isan-kerinandro. Tsy natahotra nitory tamin’ny mpiara-mianatra tamiko sy tamin’ny olon-kafa aho. Tena faly aho hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia nanokan-tena ho an’Andriamanitra aho tamin’izaho 11 taona.
TSY FALY INTSONY AHO
Nampalahelo fa tsy dia nifandray akaiky tamin’i Jehovah intsony aho, tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Hoatran’ny hoe afaka nanao izay rehetra tiany ny mpiara-mianatra tamiko, fa izaho indray hitako hoe voafehifehy be. Hentitra be no fahitako ny fitsipika napetrak’i Dada sy Neny sy ny fitsipika arahin’ny Kristianina. Hoatran’ny nandreraka be koa ny fanompoana an’i Jehovah. Marina fa tsy nisalasala mihitsy aho hoe nisy i Jehovah, nefa tsy nahatsiaro ho akaiky azy intsony aho.
Nanompo ihany aho tamin’izany fa zara raha nanao. Tsy nanomana mihitsy aho rehefa mba nitory. Sahirana àry aho nanombo-dresaka, ary na dia nahita olona niresaka tsara aza aho dia tsy hitako izay hanohizana an’ilay izy. Tsy mahagaga raha tsy nanana fampianarana Baiboly sy fitsidihana aho, dia vao mainka lasa tsy tiako ny fanompoana. Nieritreritra aho hoe: ‘Fa maninona àry ny olona sasany no mbola mahavita mitory foana?’
Tena te hahaleo tena aho tamin’izaho 17 taona. Nahoroko àry ny entako dia niala tao an-trano aho, ary nifindra tany Aostralia. Nalahelo be i Dada sy Neny. Natahotra ry zareo nefa natoky ihany hoe mbola hanompo an’i Jehovah aho.
Vao mainka niharatsy anefa ny ara-panahiko tany Aostralia. Zara raha nivory aho. Olona hoatr’ahy koa no nataoko namana. Raha nivory, ohatra, izahay androany, dia tsy nampaninona anay ny nandeha nisotrosotro sy nandihy tany amin’ny boîte de nuit ny ampitson’iny. Rehefa mieritreritra ny lasa aho, dia hoatran’ny hoe tsy an-tany tsy am-parafara aho tamin’izany. Ny tongotro ilany fotsiny mantsy no tao amin’ny fahamarinana, fa ny ilany tany amin’ity tontolo ity.
TSY NAMPOIZIKO HOE HANAMPY AHY ILAY IZY
Nihaona tamin’ny rahavavy iray aho, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. Tsy fantany akory hoe izy no nahatonga ahy handinika indray ny fomba fiainako. Tamara no anarany, ary mpiandraikitra ny faritra ny vadiny. Nanasa azy mivady hipetraka tao aminay nandritra ny herinandro izahay indray mandeha. Nipetraka niaraka tamina rahavavy mpitovo efatra aho tamin’izany. Niaraka taminay i Tamara rehefa nikarakara ny fiangonana ny vadiny. Nahafinaritra be mihitsy tamin’izany fa niara-nihomehy taminay izy. Tsotra be izy sady mora iresahana. Gaga aho hoe tena tia an’i Jehovah izy nefa nahay nifalifaly koa.
Nafana fo be i Tamara. Tena tiany ny fahamarinana sy ny fanompoana, dia nifindra tamin’ny olon-kafa izany. Faly be mihitsy izy nanao izay tsara indrindra ho an’i Jehovah. Izaho anefa tsy sambatra satria zara raha nanompo azy. Nanova be ny fiainako ny nahita hoe nanana toe-tsaina tsara i Tamara sady tena sambatra. Milaza ny Baiboly hoe tian’i Jehovah hanompo azy “amim-pifaliana” sy “amim-pihobiana” isika rehetra, dia nampahatsiahy ahy an’izany ny ohatra navelan’i Tamara.—Sal. 100:2.
LASA TIA NANOMPO INDRAY AHO
Te ho faly hoatran’i Tamara aho, nefa nisy fiovana be tsy maintsy nataoko vao tanteraka izany. Nataoko tsikelikely ilay izy satria tsy vita vetivety. Nanomboka nanomana, ohatra, aho rehefa hanompo dia nanao mpisava lalana mpanampy tsindraindray. Tsy dia natahotra intsony aho vokatr’izany. Lasa nahafa-po be ahy koa ny fanompoako rehefa nampiasa Baiboly matetika kokoa aho. Nanao mpisava lalana mpanampy isam-bolana aho tsy ela taorian’izay.
Olona ara-panahy tsara sy tsy mitovy taona ary nankafy ny fanompoany an’i Jehovah no nataoko namana. Nisy vokany tamiko ny ohatra tsara navelan-dry zareo. Lasa nandinika, ohatra, aho hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako. Lasa namaky Baiboly isan’andro koa aho. Vao mainka tiako ny fanompoana, dia nanao mpisava lalana maharitra mihitsy aho. Izay indray aho vao nahatsapa hoe sambatra sy tamana tao amin’ny fiangonana. Efa aman-taonany aho no tsy nahatsapa an’izany!
NAHAZO NAMANA HIARA-HANAO MPISAVA LALANA AMIKO AHO!
Nihaona tamin’i Alex aho herintaona tatỳ aoriana. Tena tsara fanahy izy sady tsotra sy tia an’i Jehovah ary tena tia nanompo. Mpanampy amin’ny fanompoana izy tamin’izany, sady efa mpisava lalana nandritra ny enin-taona. Efa nanitatra tany Malawi koa izy. Nisy vokany be taminy ny fiarahana tamin’ny misionera tany, sady nandrisika azy mba hanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana foana.
Nivady izahay sy Alex tamin’ny 2003, ary mbola manompo manontolo andro hatramin’izao. Betsaka ny zavatra nahafinaritra nianaranay tamin’izany, ary nahazo fitahiana be dia be avy amin’i Jehovah izahay.
VAO MAINKA IZAHAY NOTAHIN’I JEHOVAH!
Voatendry ho misionera tany Timaoro Atsinanana izahay tamin’ny 2009. Firenena kely any amin’ny vondronosin’i Indonezia izy io, ary i Dili no renivohiny. Gaga izahay sady faly be, nefa natahotra koa. Tonga tany Dili izahay dimy volana tatỳ aoriana.
Niova be ny fiainanay rehefa nifindra tany. Vaovao taminay ny kolontsaina, ny fiteny, ny sakafo, ary ny fomba fiaina, dia tsy maintsy nizatra an’izany izahay. Rehefa nanompo izahay matetika, dia nahita olona nahantra be sy tsy dia nahita fianarana ary nampijalina. Betsaka koa no nitondra takaitra sy nanana ratram-po vokatry ny ady sy ny herisetra.a
Nahafinaritra be anefa ny fanompoana! Nihaona tamin’ny ankizivavy 13 taona atao hoe Maria aho indray mandeha.b Nampalahelo kely izy. Maty ny mamany taona vitsivitsy talohan’izay, nefa zara izy raha nihaona tamin’ny dadany. Tsy nanana tanjona i Maria, hoatran’ny ankizy maro mitovy taona aminy. Tadidiko hoe nitomany izy indray mandeha rehefa namboraka ny tao am-pony tamiko. Tsy nisy azoko anefa izay nolazainy satria mbola tsy nahay tsara ny fiteniny aho. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho, dia nangataka taminy mba hanampy ahy hampahery an’i Maria. Namakiako andinin-teny vitsivitsy izy avy eo. Hitako hoe nanova an’i Maria ny fahamarinana rehefa nandeha ny fotoana. Lasa falifaly kokoa izy dia nihatsara ny paoziny. Ny fiainany manontolo mihitsy no niova. Natao batisa izy ary manana fampianarana Baiboly maromaro. Lasa manana fianakaviana ara-panahy izao i Maria, ary mahatsapa hoe tiana.
Tahin’i Jehovah ny asa fitoriana any Timaoro Atsinanana. Marina fa tao anatin’ny folo taona lasa ny ankamaroan’ny mpitory tany no natao batisa. Betsaka amin-dry zareo anefa no mpisava lalana, mpanampy amin’ny fanompoana, na anti-panahy. Ny hafa indray manompo any amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana, dia mandika boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny any. Nahafaly ahy ny nahita azy ireo nihira tany am-pivoriana sy nitsikitsiky. Tiako koa ny nahita an-dry zareo lasa naman’i Jehovah.
IZAO NO FIAINANA TIAKO INDRINDRA!
Tsy nitovy tamin’ny fiainanay tany Aostralia mihitsy ny fiainanay tany Timaoro Atsinanana. Mbola tsy nahafinaritra hoatr’izany anefa ny fiainako. Indraindray izahay nisisika tao anaty bisy kely feno olona, nefa efa nisy trondro maina sy legioma be dia be nifatratra tao. Nisy fotoana koa izahay nampianatra Baiboly tao amin’ny tranokely anankiray, dia nahamay be tao anatin’ilay izy. Tany ny gorodona tamin’izay. Ny akoho amin’io mandehandeha eran’ny trano. Tsy mora aloha tamin’ireny e! Nieritreritra anefa aho matetika hoe: ‘Tsy misy hatakaloko an’izao!’
Tena misaotra an’i Dada sy Neny aho rehefa mieritreritra ny lasa, satria nanao izay rehetra azony natao ry zareo mba hampianarana ahy ny fitsipik’i Jehovah. Nanampy be ahy koa ry zareo, na dia tamin’izaho nalemy ara-panahy aza. Hitako hoe marina ny Ohabolana 22:6. Reharehan’i Dada sy Neny izao izahay sy Alex. Tena faly ry zareo mahita anay ampiasain’i Jehovah. Nanomboka nanao ny asan’ny faritra izahay tamin’ny 2016, dia fiangonana ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Aostralazia no tsidihinay.
Hoatran’ny tsy mampino hoe izaho tsy tia nitory taloha! Lasa tiako be anefa ny fanompoana amin’izao. Na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainanao, dia tsy misy mahafaly hoatran’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny 18 taona izao izahay sy Alex, ary ireo no fotoana mamy indrindra teo amin’ny fiainako. Hitako fa tena marina ny tenin’i Davida mpanao salamo tamin’i Jehovah hoe: “Hiravoravo ... izay rehetra mialoka aminao, ka hihoby mandritra ny fotoana tsy voafetra. ... Hifaly aminao ny olona tia ny anaranao.”—Sal. 5:11.
a Nitolona ho an’ny fahaleovan-tena ny olona tany Timaoro Atsinanana, dia nisy ady foana tany nandritra ny 20 taona mahery nanomboka tamin’ny 1975.
b Novana ny anarana.