LAHATSORATRA FIANARANA 32
HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo
Tian’i Jehovah Hibebaka ny Olona Rehetra
‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.’—2 PET. 3:9.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no atao hoe mibebaka? Nahoana izany no ilaina? Ary ahoana no anampian’i Jehovah ny karazan’olona rehetra mba hibebaka?
1. Inona no tafiditra amin’ny hoe mibebaka?
TENA ilaina ny mibebaka rehefa manao zavatra tsy mety isika. Resahin’ny Baiboly fa mibebaka ny olona iray rehefa miova ny fiheverany ny karazana fitondran-tena iray, tsy manao an’ilay izy intsony izy, ary tapa-kevitra ny tsy hamerina intsony.—Jereo ny Fanazavana Teny ao amin’ny Baiboly hoe “Fibebahana.”
2. Nahoana isika rehetra no mila mianatra momba ny fibebahana? (Nehemia 8:9-11)
2 Mila mianatra momba ny atao hoe fibebahana ny olombelona rehetra. Fa maninona? Satria manota daholo isika isan’andro. Nandova ota sy fahafatesana isika taranak’i Adama sy Eva. (Rom. 3:23; 5:12) Tsy misy afaka miala amin’izany. Na lehilahy nanam-pinoana miavaka hoatran’ny apostoly Paoly aza niady mafy tamin’ny ota. (Rom. 7:21-24) Midika ve izany hoe tokony halahelo be eny foana isika satria mpanota? Tsy izany mihitsy. Mamindra fo i Jehovah dia tiany ho sambatra isika. Diniho ny zavatra niainan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Nehemia. (Vakio ny Nehemia 8:9-11.) Tsy tian’i Jehovah ho difotry ny alahelo noho ny fahotana nataony ry zareo. Tiany ho faly hanompo azy kosa ry zareo. Fantatr’i Jehovah hoe mahasambatra ny mibebaka dia ampianariny an’izany isika. Raha mibebaka noho ny fahotantsika isika dia afaka matoky fa hamela ny helotsika ilay Raintsika mamindra fo.
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Andao isika hianatra momba ny atao hoe mibebaka. Ireto zavatra telo ireto no hodinihintsika ato: Voalohany, inona no nampianarin’i Jehovah ny Israelita momba ny atao hoe fibebahana? Faharoa, ahoana no nanampian’i Jehovah ny mpanota mba hibebaka? Ary fahatelo, inona no nianaran’ny mpanara-dia an’i Jesosy momba ny atao hoe fibebahana?
INONA NO NAMPIANARIN’I JEHOVAH NY ISRAELITA MOMBA NY FIBEBAHANA?
4. Inona no nampianarin’i Jehovah ny firenen’Israely momba ny hoe mibebaka?
4 Nanao fifanekena na fifanarahana tamin’ny Israelita i Jehovah, tamin’izy nandamina azy ireo mba ho lasa firenena. Ho niaro sy nitahy azy ireo izy raha nankatò ny lalàny foana izy ireo. Izao no toky nomeny ny Israelita momba an’ireny lalàna ireny: “Tsy sarotra loatra aminao izany didy omeko anao androany izany, sady tsy lavitra loatra anao.” (Deot. 30:11, 16) Raha nikomy tamin’Andriamanitra anefa ry zareo, ohatra hoe nifidy hanompo andriamani-kafa, dia tsy ho nitahy azy ireo intsony izy sady hijaly ry zareo. Na izany aza, dia mbola afaka ny hahazo sitraka taminy indray ry zareo. Afaka ‘niverina tamin’i Jehovah Andriamaniny izy ireo ka nihaino ny feony.’ (Deot. 30:1-3, 17-20) Raha tsorina dia hoe afaka nibebaka ry zareo. Ho nanatona azy ireo sy ho nitahy azy ireo indray i Jehovah raha izay no nataony.
5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tsy tofoka tamin’ny vahoakany izy? (2 Mpanjaka 17:13, 14)
5 Nikomy matetika tamin’i Jehovah ilay vahoaka nofidiny. Tsy vitan’ny hoe nanompo sampy ry zareo fa mbola nanao zavatra hafa maharikoriko koa. Lasa nijaly ry zareo vokatr’izany. Tsy nafoin’i Jehovah anefa io vahoakany tsy nankatò io. Imbetsaka izy no naniraka mpaminany hampirisika an-dry zareo hibebaka sy hiverina aminy.—Vakio ny 2 Mpanjaka 17:13, 14.
6. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny mpaminaniny mba hampianarana ny vahoakany hoe zava-dehibe ny mibebaka? (Jereo koa ny sary.)
6 Matetika i Jehovah no nampiasa ny mpaminaniny mba hampitandrina sy hanitsy an’ilay vahoakany. Izao, ohatra, no nasainy nolazain’i Jeremia: “Miverena ry Israely mpikomy ô, ... Tsy hanao tsinontsinona anareo aho na ho sosotra aminareo, satria tsy mivadika aho. ... Tsy ho tezitra mandrakizay aho. Ekeo fotsiny hoe diso ianareo, satria nikomy tamin’i Jehovah.” (Jer. 3:12, 13) Izao koa no nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Joela: “Miverena amiko amin’ny fonareo manontolo.” (Joela 2:12, 13) Nasainy nilaza koa i Isaia hoe: “Diovy ny tenanareo. Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo, ary aza manao ratsy intsony.” (Isaia 1:16-19) Nanontany tamin’ny alalan’i Ezekiela koa izy hoe: “Angaha sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy? ... Tsy satriko aza ve izy mba miala amin’ny ratsy fanaony dia ho velona? Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan’ny olona, na iza izany na iza. ... Koa aza manao ratsy intsony mba ho velona ianareo!” (Ezek. 18:23, 32) Mahafinaritra an’i Jehovah ny mahita olona mibebaka satria tiany ho velona mandrakizay ry zareo. Tsy mipetra-potsiny miandry an’ireo olona nanota mba hiova àry izy, izay vao manampy azy. Andao isika handinika ohatra hafa.
7. Inona no nampianarin’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny alalan’ny tantaran’i Hosea mpaminany sy ny vadiny?
7 Mariho ange izay nampianarin’i Jehovah ny vahoakany e! Ny zavatra niainan’i Gomera vadin’i Hosea mpaminany no nataony ohatra. Nanitsakitsaka an’i Hosea i Gomera dia avy eo nandao azy ary niaraka tamin’ny lehilahy hafa. Tsy nisy nantenaina intsony ve izany ny aminy? Mahalala ny ao am-po i Jehovah dia nilaza tamin’i Hosea hoe: “Mandehana tiavo indray ilay vehivavy miaraka amin’ny lehilahy hafa sy manitsakitsa-bady. Tiavo izy, hoatran’ny itiavan’i Jehovah ny vahoakan’Israely, na dia manompo andriamani-kafa aza izy ireo.” (Hosea 3:1; Ohab. 16:2) Mariho fa mbola nanao fahotana lehibe ny vadin’i Hosea tamin’io fotoana io. Nilaza tamin’i Hosea anefa i Jehovah mba hiezaka hanampy azy sy hamela ny helony dia hampody azy.a Hoatr’izany koa fa tsy nahafoy an’ilay vahoakany mafy loha i Jehovah. Mbola tiany ry zareo na dia nanao fahotana nahatsiravina aza. Nanao zavatra foana àry izy mba hanampiana an-dry zareo hibebaka sy hiova. Midika ve izany fa raha misy olona iray mbola manao fahotana lehibe dia efa miezaka manampy azy hibebaka i Jehovah, ilay “mpandinika ny fo”? (Ohab. 17:3) Andao hojerentsika.
AHOANA NO ANAMPIAN’I JEHOVAH NY MPANOTA HIBEBAKA?
8. Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana an’i Kaina hibebaka? (Genesisy 4:3-7) (Jereo koa ny sary.)
8 I Kaina no lahimatoan’i Adama sy Eva. Nandova ota avy tamin’ny ray aman-dreniny izy. Hoy koa ny Baiboly momba azy: “Ratsy ny nataony.” (1 Jaona 3:12) Izany angamba no nahatonga an’i Jehovah tsy nankasitraka an’i Kaina sy ny fanatiny. Mbola tsy niova ihany i Kaina fa ‘tezitra be sady kivy be.’ Inona àry no nataon’i Jehovah? Niresaka tamin’i Kaina izy. (Vakio ny Genesisy 4:3-7.) Mariho hoe nampisaintsaina moramora azy izy. Nampanantena i Jehovah fa hitahy azy raha miova izy, ary nampitandrina azy koa izy hoe mampidi-doza ny ota. Mampalahelo fa tsy noraharahian’i Kaina ny teniny. Tsy navelany hanampy azy hibebaka i Jehovah. Tofoka ve i Jehovah dia nanapa-kevitra hoe tsy mahavita manampy an’izay mpanota hafa hibebaka intsony? Tsy izany mihitsy!
9. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Davida hibebaka?
9 Tena tia an’i Davida Mpanjaka i Jehovah. Nantsoiny mihitsy aza izy hoe ‘lehilahy sitraky ny fony.’ (Asa. 13:22) Nanao fahotana lehibe anefa i Davida, anisan’izany ny hoe nanitsakitsa-bady sy namono olona. Mendrika ny ho faty izy raha jerena ny Lalàn’i Mosesy. (Lev. 20:10; Nom. 35:31) Tsara fanahy anefa i Jehovah dia nanampy azy.b Nasainy nankany amin’i Davida i Natana mpaminany na dia mbola tsy hita taratra mihitsy aza hoe nibebaka io mpanjaka io. Nanao fanoharana i Natana mba hanohinana ny fony. Tena nandona ny fon’i Davida ilay izy dia nibebaka izy. (2 Sam. 12:1-14) Nanoratra salamo mampihetsi-po izy tatỳ aoriana ary hita amin’izy io hoe nanenina be izy. (Sal. 51, teny mampiditra azy) Be dia be ny mpanota nahazo fampiononana avy amin’io salamo io dia nibebaka. Tena mahafaly ilay hoe tian’i Jehovah i Davida mpanompony ka nampiany hibebaka, sa tsy izany?
10. Inona no tsapanao rehefa mahalala hoe manam-paharetana sy mamela ny heloky ny olombelona mpanota i Jehovah?
10 Halan’i Jehovah ny karazan’ota rehetra ary tsy milefitra amin’izany mihitsy izy. (Sal. 5:4, 5) Fantany anefa hoe mpanota daholo isika dia mifidy ny hanampy antsika hiady amin’ny ota izy satria tiany isika. Na ny olona faran’izay mpanota be aza mbola ezahiny ampiana foana mba hibebaka sy hanatona azy. Tena mampahery ny mahafantatra an’izany! Rehefa misaintsaina ny faharetan’i Jehovah sy ny famelan-kelony isika, dia tapa-kevitra hoe tsy hivadika aminy mihitsy ary hibebaka haingana rehefa manota. Andao hodinihintsika izao hoe inona no nampianarina ny fiangonana kristianina momba ny hoe mibebaka.
INONA NO NIANARAN’NY MPANARA-DIA AN’I JESOSY MOMBA NY FIBEBAHANA?
11-12. Ahoana no nampianaran’i Jesosy ny olona nihaino azy hoe mpamela heloka ny Rainy? (Jereo ny sary.)
11 Tonga ny Mesia tamin’ny taonjato voalohany. Araka ny noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha dia nasain’i Jehovah nampianatra ny olona i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy Kristy hoe zava-dehibe ny mibebaka.—Mat. 3:1, 2; 4:17.
12 Nampianatra ny olona i Jesosy, nandritra ny fanompoany, hoe mpamela heloka ny Rainy. Nanao fanoharana mampihetsi-po momba an’ilay zanaka adala izy, indray mandeha. Naditra be ilay tovolahy nandritra ny fotoana kelikely. “Tonga saina” anefa izy dia nody. Dia ahoana no nataon’ny dadany? Nilaza i Jesosy hoe “mbola lavitra” ilay zanany lahy “dia efa tazan’ny rainy. Nangoraka azy ny rainy dia nihazakazaka ary namihina azy sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” Saika hangataka tamin’ilay dadany io zanany io raha mba azo atao anisan’ny mpanompo ao an-tranony. Niantso azy hoe “zanako” anefa ilay rainy dia nekeny ho anisan’ny fianakaviany indray izy. Izao no nolazain’ilay dadany: ‘Efa very izy nefa hita indray.’ (Lioka 15:11-32) Azo antoka fa efa nahita an’ilay Rainy nangoraka mpanota be dia be nibebaka hoatr’izany i Jesosy, talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany. Tena mampahery ilay fanoharana nataony sady manome toky antsika hoe be famindram-po i Jehovah, ilay Raintsika!
13-14. Inona no nianaran’ny apostoly Petera momba ny fibebahana, ary inona no nampianariny ny hafa momba an’izany? (Jereo koa ny sary.)
13 Nianatra lesona lehibe avy tamin’i Jesosy ny apostoly Petera, momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Matetika mantsy izy no nanao fahadisoana nefa vonona ny hamela azy foana i Jesosy. Rehefa nanda intelo ho tsy nahalala ny Tompony, ohatra, i Petera dia nanenina tongotra aman-tanana ka nalahelo be. (Mat. 26:34, 35, 69-75) Niseho taminy anefa i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty ary mety ho i Petera irery no teo. (Lioka 24:33, 34; 1 Kor. 15:3-5) Be fitiavana i Jesosy ka azo antoka fa nomeny toky io apostoliny nibebaka io, tamin’izay, hoe voavela ny helony.
14 Afaka nampianatra ny hafa momba ny atao hoe fibebahana sy famelan-keloka i Petera satria izy mihitsy no efa niaina an’izany. Nandaha-teny teo anatrehan’ny Jiosy maro be tsy mpino izy taoriana kelin’ny fetin’ny Pentekosta. Nanazava tamin’izy ireo izy tamin’izay hoe novonoin-dry zareo ho faty ny Mesia. Be fitiavana koa anefa izy nampirisika an’ilay vahoaka hoe: “Koa mibebaha, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho voafafa ny fahotanareo. Amin’izay dia hisy fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah.” (Asa. 3:14, 15, 17, 19) Nasehon’i Petera àry hoe te hiverina amin’Andriamanitra ny mpanota iray rehefa mibebaka, izany hoe te hanova ny toe-tsainy sy ny ataony ary te hampifaly an’Andriamanitra. Nilaza koa ilay apostoly fa hofafan’i Jehovah ny fahotan’izy ireo, na ataony hoatran’ny tsy nisy. Izao no toky nomen’i Petera ny Kristianina, taona maro tatỳ aoriana: ‘Manam-paharetana aminareo i Jehovah, satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.’ (2 Pet. 3:9) Tena mahavelom-panantenana an’ireo Kristianina nanao fahotana izany, na dia fahotana lehibe aza no vitany!
15-16. a) Nahoana no lasa azon’ny apostoly Paoly tsara ny dikan’ny hoe famelan-keloka? (1 Timoty 1:12-15) b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
15 Vitsy ihany angamba ny olona nila nibebaka sy navela heloka kokoa noho i Saoly avy any Tarsosy. Nanenjika mafy ny mpanara-dia an’i Kristy mantsy izy. Nieritreritra angamba ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’izany hoe tsy hibebaka mihitsy izy, dia tsy misy antenaina intsony ny aminy. Tsy mitovy amin’ny fomba fisainan’ny olona tsy lavorary hoatr’izany ny an’i Jesosy. Hitan’izy sy ny Rainy ny toetra tsaran’i Saoly. Izao no lazain’i Jesosy: “Fanaka nofidiko izany lehilahy izany.” (Asa. 9:15) Nanao fahagagana mihitsy aza izy mba hanampiana an’i Saoly hibebaka. (Asa. 7:58–8:3; 9:1-9, 17-20) Lasa Kristianina i Saoly ary nantsoina hoe apostoly Paoly tatỳ aoriana. Matetika izy no nilaza fa tena nankasitrahany ny hatsaram-panahy sy famindram-po naseho taminy. (Vakio ny 1 Timoty 1:12-15.) Izao no nampianarin’io apostoly io: “Tian’Andriamanitra hibebaka ianao matoa tsara fanahy aminao izy.”—Rom. 2:4.
16 Henon’i Paoly, indray mandeha, hoe nisy olona ratsy fitondran-tena be tao amin’ny fiangonana tao Korinto. Ahoana no nandaminany an’ilay izy? Hita tamin’izay nolazainy fa be fitiavana i Jehovah rehefa manasazy ary zava-dehibe ny famindram-po. Hodinihintsika misimisy kokoa ny momba an’izay ao amin’ilay lahatsoratra manaraka.
HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao
a Maningana io zavatra nampanaovina an’i Hosea io. Raha misy olona itsakitsahin’ny vadiny amin’izao dia tsy takin’i Jehovah ny hijanonan’ilay tsy manan-tsiny amin’ny vadiny. Raha ny marina aza dia nasain’i Jehovah nilaza ny Zanany hoe azon’ilay olona tsy manan-tsiny atao ny misara-panambadiana raha izay no safidiny.—Mat. 5:32; 19:9.
b Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2012, p. 21-23, feh. 3-10 ilay lahatsoratra hoe “Mahasoa Anao ny Famelan-kelok’i Jehovah.”