LAHATSORATRA FIANARANA 33
HIRA 130 Andao Hifamela
Manahaka ny Fiheveran’i Jehovah An’izay Nanao Fahotana Lehibe ny Fiangonana
‘Raha misy olona sendra manota, dia manana mpanampy isika.’—1 JAONA 2:1.
HEVITRA HODINIHINA
Nisy nanao fahotana lehibe tao amin’ny fiangonana tany Korinto. Hojerentsika ato izay azontsika ianarana avy amin’ny fomba nandaminana an’izany.
1. Tian’i Jehovah hanao inona ny olona rehetra?
NOFORONIN’I Jehovah hanana safidy malalaka ny olombelona. Mampiasa an’io fanomezana io foana isika isaky ny mandray fanapahan-kevitra. Ny fanapahan-kevitra hoe hanokan-tena ho an’i Jehovah sy ho anisan’ny fianakaviany no fanapahan-kevitra lehibe indrindra ataon’ny olona iray. Tian’i Jehovah hanao an’izany ny olon-drehetra. Tiany mantsy ny olona ary mitady ny tsara indrindra ho azy ireo izy. Tiany hinamana aminy sy hiaina mandrakizay daholo isika.—Deot. 30:19, 20; Gal. 6:7, 8.
2. Inona no antenain’i Jehovah amin’ny mpanota tsy mibebaka? (1 Jaona 2:1)
2 Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah fa ny tsirairay no avelany hanapa-kevitra. Ahoana àry raha misy Kristianina vita batisa mandika ny lalàn’Andriamanitra ka manao fahotana lehibe? Tsy maintsy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy raha tsy mibebaka. (1 Kor. 5:13) Na izany aza, dia mbola manantena mafy i Jehovah hoe hiverina aminy ilay olona nanota. Izay mihitsy, raha ny marina, no antony nanomezany ny vidim-panavotana: Mba hahafahany mamela ny heloky ny mpanota mibebaka. (Vakio ny 1 Jaona 2:1.) Manambitamby ny mpanota ilay Andriamanitsika be fitiavana ary miangavy azy ireo hibebaka.—Zak. 1:3; Rom. 2:4; Jak. 4:8.
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Tian’i Jehovah hitovy amin’ny azy ny fiheverantsika ny fahotana lehibe sy ny olona nanao fahotana lehibe. Ho hitantsika ato ny fomba hanaovana an’izany. Rehefa mamaky an’ity lahatsoratra ity ianao dia jereo hoe: 1) Inona no nataon’ny fiangonana tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany rehefa nisy nanao fahotana lehibe? 2) Inona no toromarika nomen’ny apostoly Paoly rehefa nibebaka ilay olona nanota? 3) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny Kristianina nanao fahotana lehibe rehefa jerena io tantara io?
AHOANA NO NATAO REHEFA NISY NANAO FAHOTANA LEHIBE TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY?
4. Inona no nitranga tao amin’ny fiangonana iray tao Korinto? (1 Korintianina 5:1, 2)
4 Vakio ny 1 Korintianina 5:1, 2. Naheno vaovao mampanahy momba an’ilay fiangonana vao niforona tao Korinto i Paoly tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Nanao firaisana tamin’ny renikeliny ny rahalahy iray tao amin’ilay fiangonana. Tena maharikoriko izany ary “tsy fahita na dia eo amin’ny hafa firenena aza”! Nilefitra tamin’izany ilay fiangonana sady mety ho nirehareha tamin’ilay izy koa. Nieritreritra angamba ny sasany tamin-dry zareo hoe manahaka an’Andriamanitra ry zareo satria Izy be famindram-po sy mahatakatra an’izay mahazo ny olombelona tsy lavorary. Tsy milefitra amin’ny mpanompony manao ratsy anefa i Jehovah. Azo antoka hoe nanala baraka ny fiangonana ilay lehilahy rehefa tsy nahalala menatra hoatr’izany. Mety ho nanahaka azy koa izay Kristianina nifanerasera taminy. Inona àry no nasain’i Paoly nataon’ilay fiangonana?
5. Inona no nasain’i Paoly nataon’ilay fiangonana, ary inona no tiany holazaina? (1 Korintianina 5:13) (Jereo koa ny sary.)
5 Vakio ny 1 Korintianina 5:13. Nahazo fanahy masina i Paoly dia nanoratra taratasy nilaza hoe tsy maintsy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana ilay mpanota tsy nibebaka. Ahoana izany no tokony ho fifandraisan’ny Kristianina tsy mivadika amin’ilay nanota? Nilaza tamin-dry zareo i Paoly mba ‘tsy hifanerasera intsony’ amin’io olona io. Inona no dikan’izany? Nanazava i Paoly fa tafiditra amin’io didy io ny hoe tsy tokony hatao “na dia ny miara-misakafo amin’ny olona hoatr’izany aza.” (1 Kor. 5:11) Mampifandray kokoa mantsy ilay hoe miara-misakafo. Mazava àry ny tian’i Paoly holazaina tamin’ilay fiangonana: Tsy tokony hifandrairay amin’io lehilahy io intsony ry zareo. Hiaro ny fiangonana izany mba tsy hanao zava-dratsy hoatr’azy. (1 Kor. 5:5-7) Rehefa tsy nifandray akaiky tamin’ilay lehilahy koa ny fiangonana dia mety ho tonga saina izy hoe nampalahelo be an’i Jehovah ny nataony, ary mety ho menatra izy ka te hibebaka.
6. Inona no vokatry ny taratasin’i Paoly tamin’ilay fiangonana sy tamin’ilay nanao ratsy?
6 Rehefa lasa ilay taratasy ho an’ny Kristianina tany Korinto dia lasa saina i Paoly hoe ahoana izao no handraisan’ny fiangonana an’ilay izy. Nitondra vaovao nahafaly be azy i Titosy tatỳ aoriana, hoe nampiharin’ny fiangonana tsara ny toromarika nomen’i Paoly tao amin’ilay taratasy. (2 Kor. 7:6, 7) Nibebaka koa ilay lehilahy tao anatin’ireo volana vitsivitsy taorian’ny nandefasan’i Paoly an’ilay taratasy! Novany ny fitondran-tenany sy ny toe-tsainy dia nanaraka ny fitsipik’i Jehovah indray izy. (2 Kor. 7:8-11) Inona indray izao no hasain’i Paoly hataon’ilay fiangonana?
AHOANA NO TOKONY HATAON’NY FIANGONANA TAMIN’ILAY MPANOTA NIBEBAKA?
7. Inona no vokany rehefa nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana ilay olona nanao ratsy? (2 Korintianina 2:5-8)
7 Vakio ny 2 Korintianina 2:5-8. Nilaza i Paoly hoe ‘ampy ho an’ilay olona ny fananarana mafy nataon’ny ankamaroanareo.’ Tratra izany ny tanjon’ilay fananarana. Fa inona ilay tanjona? Mba hahatonga an’ilay olona hibebaka.—Heb. 12:11.
8. Inona no nasain’i Paoly nataon’ilay fiangonana?
8 Nanome toromarika an’ilay fiangonana àry i Paoly hoe tokony ho ‘vonona hamela’ ny helok’ilay rahalahy ry zareo, “sady ho tsara fanahy rehefa manao an’izany, ka hampionona azy.” Nilaza koa izy hoe tokony ‘hanome toky azy izy ireo hoe tian-dry zareo izy.’ Inona izany no tian’i Paoly hataon’ilay fiangonana? Tsy hoe avelan’izy ireo hiverina ho anisan’ny vahoakan’i Jehovah fotsiny ilay olona. Tokony hasehon-dry zareo amin’ny teniny sy ny ataony koa hoe tena namela ny helok’ilay lehilahy nibebaka ry zareo sady tia azy. Ho hita mazava amin’izay fa faly nandray azy ho anisan’ny fiangonana indray ry zareo.
9. Raha nisy olona tsy te hamela ny helok’ilay mpanota nibebaka, dia mety ho inona no antony?
9 Nisy tsy nazoto handray tsara an’ilay mpanota nibebaka ve tao amin’ilay fiangonana? Tsy lazain’ny Baiboly izany nefa mety ho nitranga. Nampikorontana an’ilay fiangonana mantsy ny nataon’ilay lehilahy ary mety ho nahamenatra ny sasany tao koa. Mety ho nisy nahatsapa hoe tsy rariny raha raisina tsara ilay rahalahy, nefa ry zareo niady mafy erỳ mba hadio fitondran-tena foana. (Ampitahao amin’ny Lioka 15:28-30.) Nahoana anefa ilay fiangonana no tokony hampiseho hoe tena tia an’ilay rahalahy niverina?
10-11. Inona no mety ho nitranga raha tsy nety namela ny helok’ilay mpanota nibebaka ny anti-panahy?
10 Eritrereto izay nitranga raha ohatra ny anti-panahy ka tsy namela an’ilay rahalahy hiverina ho anisan’ny fiangonana nefa izy efa tena nibebaka, na hoe efa tafaverina izy fa tsy nampiseho taminy ny fiangonana hoe tia azy. Mety ho difotry ny “alahelo be loatra” izy. Mety hieritreritra izy hoe tsy misy antenaina intsony ny aminy. Mety ho tsy te hiezaka hiverina hifandray amin’Andriamanitra intsony mihitsy aza izy.
11 Ny tena loza aza dia hoe ny rahalahy sy anabavy ihany no manimba ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah, raha tsy mety mamela ny helok’ilay mpanota nibebaka ry zareo. Tsy mba tia mamela heloka hoatran’i Jehovah mantsy ry zareo fa lasa masiaka sy tsy misy indrafo hoatran’i Satana. Lasa hoatran’ny fitaovana ampiasain’i Devoly ry zareo mba hanakanana an’ilay lehilahy tsy hanompo an’i Jehovah.—2 Kor. 2:10, 11; Efes. 4:27.
12. Ahoana no hanahafan’ilay fiangonana an’i Jehovah?
12 Ahoana izany no hanahafan’ilay fiangonana tany Korinto an’i Jehovah fa tsy i Satana? Tokony hanao hoatran’i Jehovah ry zareo rehefa mifandray amin’ilay mpanota nibebaka. Mariho ange izay nolazain’ny mpanoratra Baiboly momba an’i Jehovah e! Nilaza, ohatra, i Davida hoe “tsara toetra sy vonona hamela heloka” izy. (Sal. 86:5) Nanoratra koa i Mika hoe: ‘Iza no Andriamanitra hoatr’anao, izay mamela fahadisoana sy mamela heloka?’ (Mika 7:18) Izao koa no nolazain’i Isaia: “Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny ratsy fanaony, ary ny mpanao ratsy tsy hieritreritra zava-dratsy intsony. Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy, dia amin’ilay Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.”—Isaia 55:7.
13. Nahoana no nety raha noraisina ho anisan’ny fiangonana amin’izay ilay mpanota nibebaka? (Jereo ilay hoe “Oviana no Voaray Indray Ilay Lehilahy Tany Korinto?”)
13 Raha te hanahaka an’i Jehovah ilay fiangonana tany Korinto dia tsy maintsy noraisiny tsara ilay lehilahy nibebaka, ary nomeny toky hoe tian-dry zareo izy. Nasehon’ilay fiangonana hoe ‘nankatò tamin’ny zava-drehetra’ ry zareo, rehefa narahiny ilay toromarik’i Paoly hoe raisina tsara ilay mpanota nibebaka. (2 Kor. 2:9) Marina hoe vao amam-bolana no nanesorana an’ilay lehilahy tsy ho anisan’ny fiangonana, nefa nahomby ilay famaizana satria nahatonga azy hibebaka. Tsy nisy antony niandrasana intsony àry fa tokony haverina ho anisan’ny fiangonana amin’izay izy.
MIEZAHA HANAO NY RARINY SY HAMINDRA FO HOATRAN’I JEHOVAH
14-15. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nandaminana an’ilay zava-nitranga tany Korinto? (2 Petera 3:9) (Jereo koa ny sary.)
14 Nosoratana sy notehirizina ilay zava-nitranga tany Korinto fahiny “mba hampianarana antsika.” (Rom. 15:4) Hitantsika avy amin’iny tantara iny hoe tsy milefitra i Jehovah rehefa misy mpanompony manao fahotana lehibe. Tsy hoe “mamindra fo” amin’ny mpanota tsy mibebaka izy dia avelany hiaraka amin’ny mpanompony tsy mivadika eny foana ilay olona. Marina hoe mamindra fo i Jehovah, nefa tsy hoe milefitra loatra na mampandefitra ny fitsipiny. (Joda 4) Tsy mamindra fo mihitsy izy raha manao an’izany fa vao mainka aza mampidi-doza ny fiangonana manontolo.—Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33.
15 Na izany aza, dia hitantsika hoe tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny olona fa tiany hovonjena daholo izay azony vonjena. Mamindra fo izy rehefa miova ny olona iray sady te hihavana aminy indray. (Ezek. 33:11; vakio ny 2 Petera 3:9.) Izany no nahatonga azy hampiasa an’i Paoly mba hanazava tamin’ilay fiangonana tany Korinto hoe tokony hamela heloka sy handray tsara an’ilay lehilahy nibebaka sy niova ry zareo.
16. Inona no tsapanao rehefa avy nandinika ny fomba nandaminana an’ilay zava-nitranga tany Korinto ianao?
16 Hitantsika tamin’ny fomba nandaminana an’ilay zava-nitranga tany Korinto hoe be fitiavana i Jehovah sady manao ny rariny sy hitsiny. (Sal. 33:5) Tsy vao mainka ve izany mandrisika anao hidera an’Andriamanitra? Isika rehetra mihitsy, raha ny marina, no mpanota dia mila ny famelan-keloka avy aminy daholo. Tokony ho velom-pisaorana an’i Jehovah isika rehetra noho ny vidim-panavotana, satria izay no ahafahany mamela ny helotsika. Tena mampionona sy manome toky antsika ny mahalala hoe tia be ny vahoakany i Jehovah sady mitady ny tsara indrindra ho an-dry zareo!
17. Inona no hodinihintsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka?
17 Ary ahoana indray no atao rehefa misy manao fahotana lehibe amin’izao? Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe manahaka an’i Jehovah ry zareo, ka tian-dry zareo hampiana hibebaka ny mpanao ratsy? Ahoana no tokony hataon’ny fiangonana rehefa manapa-kevitra ny anti-panahy hoe esorina na raisina ho anisan’ny fiangonana indray ny olona iray? Hovaliana ao amin’ireo lahatsoratra manaraka izany.
HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo