Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nanandratra Ilay Andriamanitra Marina i Elia
IZY no lehilahy nokarohina indrindra teo amin’ny Isiraely. Azo lazaina hoe azo antoka ny hamonoana azy ho faty raha toa ka tratran’ny mpanjaka izy. Iza io lehilahy natao haza lambo io? I Elia mpaminanin’i Jehovah.
I Ahaba Mpanjaka sy i Jezebela vadiny mpanompo sampy dia nampiroborobo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Isiraely. Ho vokany, dia nitondra hain-tany teo amin’ilay faritra i Jehovah, ka efa teo amin’ny fahefa-taonany tamin’izay izany hain-tany izany. Nanomboka nampamono ireo mpaminanin’i Jehovah i Jezebela romotra, fa i Ahaba kosa dia nikaroka manokana an’i Elia. Telo taona mahery talohan’izay tokoa mantsy dia i Elia no nilaza tamin’i Ahaba hoe: “Tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.” (1 Mpanjaka 17:1). Ary mbola nitohy ihany ilay hain-tany vokatr’izany.
Tao anatin’izany tarehin-javatra nampidi-doza izany no nilazan’i Jehovah tamin’i Elia hoe: “Mandehana hiseho amin’i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho.” Nankatò ny didin’i Jehovah i Elia na dia tena notandindomin-doza aza ny ainy. — 1 Mpanjaka 18:1, 2.
Nihaona ny mpifanandrina roa
“Hay! tonga etỳ hianao, ry ilay mampidi-doza amin’ny Isiraely!”, hoy i Ahaba, raha vao nahita an’i Elia. “Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ny Isiraely”, hoy ny valin-teny feno fahasahiana nataon’i Elia, “fa hianao sy ny mpianakavin’ny rainao ihany tamin’ny nandavanareo ny didin’i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.” Avy eo i Elia dia nandidy ny hamoriana ny Isiraely rehetra teo amin’ny Tendrombohitra Karmela, anisan’izany “ny mpaminanin’i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ny Aseraha efa-jato”. Avy eo dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka: “Mandra-pahoviana no [hikolepaka an-daniny roa, Fandikan-teny Katolika] hianareo?a Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy, fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” — 1 Mpanjaka 18:17-21.
Gina tsy nahateny ny olona. Niaiky angamba izy ireo fa meloka satria tsy nanolotra fifikirana tsy nizarazara tamin’i Jehovah. (Eksodosy 20:4, 5). Na angamba efa donto loatra ny feon’ny fieritreretany ka tsy noheveriny ho fahotana akory ny hoe nizara tamin’i Jehovah sy i Bala ny tsy fivadihany. Na ahoana na ahoana, dia nasain’i Elia naka vantotr’ombilahy roa ny olona, ka ny iray ho an’ireo mpaminanin’i Bala ary ilay iray hafa kosa ho azy. Samy homanina hatao fanatitra ireo vantotr’ombilahy roa ireo, kanefa dia tsy hisy afo harehitra. “Miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo hianareo”, hoy i Elia, “ary izaho kosa hiantso ny anaran’i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra.” — 1 Mpanjaka 18:23, 24.
Nisandratra i Jehovah
Nanomboka “nihinjakinjaka tamin’ny alitara izay nataony” ireo mpaminanin’i Bala. Nandritra ny maraina manontolo dia niantsoantso izy ireo hoe: “Ry Bala ô, henoy izahay!” Tsy namaly anefa i Bala. (1 Mpanjaka 18:26). Nanomboka naneso azy ireo toy izao i Elia nony avy eo: “Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy”. (1 Mpanjaka 18:27). Nanomboka niteti-tena tamin’ny sabatra sy ny lefona mihitsy aza ireo mpaminanin’i Bala. Izany dia fanao izay matetika nampiasain’ny mpanompo sampy mba hanairana ny fangoraham-pon’ireo andriamaniny.b — 1 Mpanjaka 18:28.
Efa dila tamin’izay ny mitataovovonana, ary nanohy “naminany” ireo mpaminanin’i Bala. Tamin’io toe-javatra io, ny teny hoe “naminany” dia mampita hevitra hoe mitondra tena amin’ny fomba mitrifantrifana sy tsy misy fifehezan-tena intsony. Tany amin’ny faran’ny tolakandro, dia nilaza toy izao tamin’ny olona i Elia tamin’ny farany: “Manatòna ahy.” Variana nijery ny rehetra raha nanorina indray ny alitaran’i Jehovah i Elia, ka nandavaka hady kely nanodidina azy io, nandrasarasa an’ilay vantotr’ombilahy, ary nametraka azy teo ambonin’ny alitara izay nisy kitay natao handorana azy io. Taorian’izany, dia natao vonton-drano tanteraka ilay ombilahy sy ny alitara ary ny kitay, ary ilay hady kely dia nofenoina rano (tsy isalasalana fa ranomasina nalaina avy tao amin’ny Ranomasina Mediterane). Nivavaka tamin’i Jehovah i Elia nony avy eo, ka hoy izy: “Aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.” — 1 Mpanjaka 18:29-37.
Tampoka teo dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra “ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady kely”. Tonga dia niankohoka ny olona teo am-pahitana izany, ka nanao hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” Araka ny baikon’i Elia, dia nosamborina ireo mpaminanin’i Bala ka nentina tany amin’ny ony Kisona, izay namonoana azy ireo ho faty. — 1 Mpanjaka 18:38-40.
Fianarana ho antsika
Mety ho toy ny hoe nampiseho fahasahiana mihoatra noho ny an’ny olombelona i Elia. Manome toky antsika anefa i Jakoba mpanoratra ny Baiboly fa i “Elia dia olona tahaka antsika ihany”. (Jakoba 5:17). Tsy vita fanefitra tamin’izay nety ho fahatsapana tahotra sy fanahiana izy. Ohatra, rehefa nivoady ny hamaly faty i Jezebela, tatỳ aoriana, noho ny famoizana ireo mpaminanin’i Bala, dia nandositra i Elia ary niantso an’i Jehovah tao amin’ny vavaka hoe: “Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô”. — 1 Mpanjaka 19:4.
Tsy nanala ny ain’i Elia tamin’ny fahafatesana i Jehovah. Nanome fanampiana tamim-pamindram-po kosa izy. (1 Mpanjaka 19:5-8). Afaka matoky ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao fa hanao toy izany koa i Jehovah rehefa mandia fotoam-panahiana mafy izy ireo, angamba noho ny fanenjehana. Eny tokoa, raha mivavaka mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah izy ireo, dia afaka manome azy “hery mihoatra noho ny mahazatra” (NW ) izy, ka na dia “voageja manodidina” aza izy ireo, dia tsy ho “tery” tsy akory. Araka izany, dia hampiana hiaritra toa an’i Elia, izy ireo. — 2 Korintiana 4:7, 8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manipy hevitra ny manam-pahaizana sasany fa i Elia dia mety ho nilaza tsy nivantana ny dihy niharo fombafomba nataon’ireo mpivavaka tamin’i Bala. Ampiasaina koa io teny hoe nikolepaka na “nihinjakinjaka” io, ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:26, mba hilazalazana ny dihin’ireo mpaminanin’i Bala.
b Manipy hevitra ny sasany fa nisy ifandraisana tamin’ilay fanaovana sorona olombelona ny fanapahana rantsambatana. Ireo fanaovan-javatra roa ireo dia samy milaza an-kolaka fa hahazoana sitraka amin’ny andriamanitra iray ny fampijaliana ara-batana na ny fandatsahan-dra.