Ny Antony Maha-sarobidy Aoka Izany Ireo Taratasy Mivalona eo Amin’ny Fanompoantsika Amin’izao Andro Izao
1 Tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1991, pejy faha-30, dia nisy fitantarana iray nitondra ny lohateny hoe “Nahita Taratasy Mivalona Iray Teny Amin’ny Lalamby Izy”. Izy io dia niresaka momba ny mpanara-maso ny asa fikojakojana lalamby izay nahita iray tamin’ireo taratasy mivalona natontantsika nihitsoka teo ambanin’ny lalamby iray. Namaky ilay taratasy mivalona avy hatrany izy, ary avy eo dia hoy izy tamin’ny vinantolahiny: “Nahita ny fahamarinana aho androany!” Nanafatra zavatra vita an-tsoratra fanampiny izy mianaka ary dia nianatra azy ireo. Ankehitriny, dia maherin’ny zato amin’ny taranak’izy ireo no marisika ao amin’ny fahamarinana. Izany dia mampiseho ny vokatra mety ho azo avy amin’ny famakiana taratasy mivalona iray monja.
2 Fahaiza-manararaotra ireo fahafahana miseho: Ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra dia mahay manararaotra ireo fahafahana hametraka taratasy mivalona. Ny tanora Vavolombelona iray dia nahamarika fa nalahelo noho ny fahafatesan’ny rafozambaviny ny mpampianatra azy. Nanoratra taratasy feno fampiononana ho an’ilay mpampianatra azy ilay anabavy tanora ary nampiarahiny tamin’ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? izany. Nanoratra taratasy fisaorana ilay mpampianatra ary avy eo dia niresaka tamin’io anabavintsika tanora io. Ankehitriny io mpampianatra io dia mandray ireo gazety tsy tapaka avy aminy.
3 Ny mpitory sasany izay nitory teo amin’ny lalana mitondra ho any amin’ny toerana fandevenana iray dia nahita olona nandalotra fasana. Nahay nanararaotra izany fahafahana izany mba hanolorana taratasy mivalona ireo mpitory. Andro fety nandehanan’ny olona maro hitsidika ilay toerana fandevenana ny ampitso, hany ka nanapa-kevitra ny hijanona teo amin’ny fidiran’ilay toerana sy hanolotra taratasy mivalona ireo mpitory. Taratasy mivalona maherin’ny dimanjato no voapetraka, ary olona telo monja no nanda. Ny taona nanaraka, dia niverina teny ireo mpitory ary nizara taratasy mivalona maherin’ny arivo, ary olona enina monja no nanda. Olona maromaro no naneho fankasitrahana lalina. Namaky ilay taratasy mivalona teo am-pandaozana ilay toerana ny lehilahy iray, ary vetivety taorian’izay izy dia niverina mba hiresaka tamin’ilay anabavy nanome izany azy. Hoy izy: “Misy olona iray tiako hamaky ity hafatra ity koa. Afaka mahazo hafa iray koa ve aho?”
4 Kely velarana ireo taratasy mivalona ary mora entina eny amin’izay rehetra alehantsika. Rehefa mifampiresaka tsotra amin’olona isika, na olom-pantatra izany na olon-tsy fantatra, dia tokony hiezaka mba hanao teny fohy izay mety hitarika ho amin’ny firesahana momba ny iray amin’ireo taratasy mivalona valo ananantsika amin’izao fotoana izao. Azo atao izany rehefa miresaka amin’ny mpifanila trano isika, na rehefa miantsena na miandry ny hahatongavan’ny fotoana nifanaovantsika tamin’olona, na rehefa mitsidika havana, na amin’ny tarehin-javatra maro hafa koa.
5 Ny antony andairan’izy ireo: Manintona ireo loko amin’ireo taratasy mivalona. Fohy izy ireo. Tsy mahatsiaro ho tototra satria hoe voatery hanao famakian-teny be dia be ireo tompon-trano na ireo anaovantsika resaka tsotra. Kanefa mahatana ny saina tanteraka sady ahazoana fampianarana ny hafatra ao anatiny. Mahazo fomba fijery araka ny Soratra Masina mafy orina momba ilay foto-kevitra resahina ao amin’ilay taratasy mivalona ilay mamaky azy. Rehefa avy nandray ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao sy nandinika azy indray ny tovolahy iray dia nihiaka hoe: “Mbola tsy nahare fanazavana mampahery toy izany momba ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao mihitsy aho!”
6 Maniry hampiasa ireo taratasy mivalona ireo amin’ny toe-javatra mety rehetra isika. Mpitory maro no nahita fa nanampy izy ireny tamin’ny fanombohana resaka teo amin’ny fitoriana isan-trano. Fampianarana maro tarihina amin’izao fotoana izao no natomboka tamin’ny alalan’ny taratasy mivalona iray. Eo amin’ny pejy faha-4 amin’ity Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity, dia misy fanoloran-kevitra azo ampiharina sasany momba ny fampiasana taratasy mivalona amin’ny fomba mandaitra. Eny, kely ireo taratasy mivalona, kanefa fitaovana sarobidy ho an’ny fanompoantsika.