Ampiasao Hitoriana ny Vaovao Tsara ny Taratasy Mivalona
1. Ahoana no nampiasan’ny vahoakan’Andriamanitra ny taratasy mivalona hatramin’izay?
1 Efa ela ny vahoakan’i Jehovah no nampiasa taratasy mivalona mba hitoriana ny vaovao tsara. Nanomboka namoaka ny Trakta ho An’ny Mpianatra ny Baiboly i C. Russell sy ny namany, tamin’ny 1880, ary nomena an’ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana izany mba hozarainy amin’ny olona. Noheverina ho zava-dehibe ny taratasy mivalona ka nampidirin’i C. Russell tao amin’ny anaran’ilay fikambanana ara-dalàna, izay natao hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ny teny hoe “tract” (taratasy mivalona), tamin’ny 1884. Zion’s Watch Tower Tract Society ny anaran’io fikambanana io, tamin’izay, ary Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania izao no iantsoana azy. Taratasy mivalona 300 tapitrisa mahery no efa voazaran’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1918. Mbola mandaitra foana ny taratasy mivalona hatramin’izao.
2. Nahoana ny taratasy mivalona no mandaitra?
2 Mandaitra: Miloko sy manintona ny taratasy mivalona. Mahaliana sy ahalalan-javatra ary fohy izy ireny ka tian’ny olona tsy dia tia mamaky gazety na boky. Mora ny manolotra azy, ka afaka manao izany na dia ny mpitory vaovao sy ny ankizy aza. Kely koa izy ireny ka mora entina.
3. Tantarao ny zavatra niainanao na milazà fitantarana avy amin’ny boky sy gazety mampiseho fa sarobidy ny taratasy mivalona.
3 Maro no nahalala ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny taratasy mivalona. Nahita taratasy mivalona teny an-dalana, ohatra, ny vehivavy iray any Haïti. Nalainy ilay izy, novakiny, ary hoy izy: “Ity no marina!” Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, tatỳ aoriana, nianatra Baiboly, ary natao batisa. Ny herin’ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ilay taratasy mivalona no nahatonga azy hanao an’izany rehetra izany.
4. Inona no tanjontsika rehefa taratasy mivalona no zavatra atolotra amin’ny volana?
4 Fitoriana isan-trano: Mandaitra ny taratasy mivalona ka hatao zavatra atolotra amin’ny volana tsindraindray, manomboka amin’ny Novambra. Ny hanombo-dresaka amin’ilay izy no tanjontsika fa tsy ny hanolotra an’ilay izy fotsiny. Afaka mampiseho ny fomba fianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina na boky hafa isika avy eo, raha liana ilay olona rehefa itoriana na iverenana mitsidika. Ahoana no ampiasantsika taratasy mivalona rehefa mitory isan-trano? Tsy mitovy izy ireny ka tokony ho haintsika tsara izay raketiny.
5. Ahoana no hampiasana taratasy mivalona rehefa mitory isan-trano?
5 Tokony hampifanarahintsika amin’ny faritany sy ny taratasy mivalona ampiasaintsika ny fomba fitorintsika. Azontsika omena an’ilay olona ilay taratasy mivalona mba hanombohan-dresaka. Mety hahaliana azy ny fonony. Afaka mampiseho taratasy mivalona maromaro koa isika ary avelantsika hifidy izay tiany ilay olona. Raha misalasala hanokatra varavarana ilay olona, dia azontsika tazonina ilay taratasy mivalona ary atao hitan’ilay olona ny fonony. Azo ilazana koa izy hoe misy zavatra tiantsika hatsofoka ao ambany varavarany ary te hahafantatra ny heviny momba ilay izy isika. Raha fanontaniana ny lohatenin’ilay taratasy mivalona, dia azontsika ampiasaina hanontaniana ny heviny izany. Afaka mamorona fanontaniana mahaliana sy mandrisika azy hiresaka koa anefa isika. Azo atao, avy eo, ny mamaky ampahany amin’ilay taratasy mivalona, miato kely rehefa misy fanontaniana, ary manasa an’ilay olona hilaza ny heviny. Azo vakina ao amin’ny Baiboly ny andinin-teny fototra. Azo faranana ny resaka rehefa avy nandinika hevitra vitsivitsy ianareo, ary mifanaova fotoana mba hanohizana azy. Raha mpametraka zavatra hovakina ho an’ireo tsy tratra an-trano ny fiangonana, dia afaka mamela taratasy mivalona ho an’ireo tsy ao an-tranony isika, fa tsy atao hitan’ny olona ilay izy.
6. Ahoana no hampiasana taratasy mivalona rehefa mitory eny an-dalana?
6 Fitoriana eny an-dalana: Efa nampiasa taratasy mivalona ve ianao rehefa nitory teny an-dalana? Maika sy tsy te hijanona mba hiresaka amintsika ny olona sasany. Mety ho sarotra ny mamantatra raha tena liana izy ireny. Tsara kokoa àry raha taratasy mivalona no omena azy fa tsy ny gazety farany, satria tsy hay raha hovakiny ireo gazety na tsia. Manintona ny fonon’ny taratasy mivalona sady fohy ny hafatra raketiny, ka mety ho te hamaky azy ny olona rehefa manam-potoana kely. Mazava ho azy fa afaka mandinika hevitra sasany ao amin’ilay taratasy mivalona isika raha tsy maika ilay olona.
7. Milazà fitantarana mampiseho ny fomba hampiasana taratasy mivalona rehefa mitory tsy ara-potoana.
7 Fitoriana tsy ara-potoana: Mora ny mitory tsy ara-potoana amin’ny alalan’ny taratasy mivalona. Mitondra taratasy mivalona vitsivitsy ao am-paosiny, ohatra, ny rahalahy iray isaky ny hivoaka ny trano. Rehefa mahita olona izy, ohatra hoe mpivarotra, dia miteny fotsiny hoe te hanome azy zavatra hovakiny ary manolotra taratasy mivalona iray. Nisy mpivady iray koa nandeha tany New York mba hizaha tany. Fantatr’izy ireo fa hahita olona maro avy amin’ny firenena samihafa izy ireo any. Nitondra an’ilay bokikely kely velarana hoe Firenena, sy taratasy mivalona amin’ny fiteny isan-karazany àry izy ireo. Omeny taratasy mivalona amin’ny fiteniny izay olona henony hoe miteny vahiny, na mpivarotra eny amoron-dalana izany, na olona miara-mipetrapetraka amin-dry zareo eny amin’ny zaridaina na any amin’ny hotely fisakafoana.
8. Inona no itovizan’ny taratasy mivalona amin’ny voa afafy?
8 “Mamafaza voa”: Azo ampitovina amin’ny voa afafy ny taratasy mivalona. Mamafy voa be dia be ny mpamboly satria tsy fantany hoe iza amin’ireny no hitsimoka sy hamoa. Hoy ny Mpitoriteny 11:6: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro, satria tsy fantatrao izay ho vanona, na itsy na irỳ, na samy ho vanona izy roa.” Aoka àry isika tsy hitsahatra ‘hampiely fahalalana’ amin’ny alalan’io fitaovana tena mandaitra amin’ny fitoriana io.—Ohab. 15:7.
[Teny notsongaina, pejy 3]
Mandaitra ny taratasy mivalona ka hatao zavatra atolotra amin’ny volana tsindraindray, manomboka amin’ny Novambra