Mazotoa Amin’izay Tsara!
1 Maro ny antony tokony ‘hampahazoto antsika amin’izay tsara’, amin’izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao. (1 Pet. 3:13) Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no antony lehibe indrindra. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Hoy ny apostoly Petera momba izany: “Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, . . . fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina.” (1 Pet. 1:18, 19) Mankasitraka an’io fanehoam-pitiavana miavaka io isika, ka manjary mazoto hanao izay tsara. Ekentsika koa fa “nanolotra ny tenany hamonjy antsika [i Jesosy], mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.”—Tit. 2:14; 2 Kor. 5:14, 15.
2 Mifandray tsara amin’Andriamanitra sy ahiny amim-pitiavana isika, rehefa mampifaly azy. Hoy ihany i Petera: “Na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, . . . aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy.” (1 Pet. 3:10-12) Amin’izao andro mampidi-doza izao, dia tena mahafaly ny mahafantatra fa miahy antsika i Jehovah sady vonona hanao zavatra mba hiarovana antsika “tahaka ny anakandriamasony.”—Deot. 32:10; 2 Tant. 16:9.
3 Voasedra ny Kristianina voalohany nanoratan’i Petera ny taratasiny, nefa nafana fo sy nazoto be, ary nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona betsaka araka izay azony natao. (1 Pet. 1:6; 4:12) Toy izany koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Miaina amin’ny “andro mahory” isika, nefa mazoto manao ny sitrapon’i Jehovah, satria mankasitraka ny hatsaram-panahiny. (2 Tim. 3:1; Sal. 145:7) Andeha hodinihintsika ny asa tsara sasany hataontsika amim-pahazotoana mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana.
4 Manasà olona hanatrika ny Fahatsiarovana: Maneho fankasitrahana ny avotra izay fanomezana sarobidy isika, rehefa manatrika ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, fanao isan-taona. Hatao ny alarobia 16 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, izy io amin’ity taona ity. (Lioka 22:19, 20) Nisy 15 597 746 ny mpanatrika tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra nalefan’ny fiangonana 94 600! Nitombo 220 000 mahery izany, raha oharina amin’ny tamin’ny taona 2001.
5 Firy no hanatrika amin’ity taona ity? Miankina amin’ny fahazotoantsika manasa olona izany. Manaova àry aloha lisitry ny olona rehetra tianao hasaina. Ny mpianakavinao no tokony hosoratanao voalohany indrindra. Raha tsy Vavolombelona ny vadinao, dia lazao aminy fa tena tianao raha miara-manatrika azy io ianareo. Nisy lehilahy iray tsy Vavolombelona nilaza fa nanatrika ny Fahatsiarovana izy tamin’ny taon-dasa, satria tsapany fa tena zava-dehibe tamin’ny vadiny ny hanatrehany azy io. Azonao atao ao amin’ilay lisitra koa ny havana, mpiray tanàna, mpiara-miasa, na mpiara-mianatra aminao. Aza hadinoina ny olona ampianarinao Baiboly.
6 Rehefa vita ilay lisitra, dia manokàna fotoana hiresahana amin’ireo olona ireo tsirairay. Ampiasao ilay taratasy fanasana amin’ny Fahatsiarovana. Soraty amin’ny milina na ataovy sora-tanana mazava eo ambany amin’ilay taratasy ny fotoana sy toerana hanaovana ilay izy, mba hahatsiarovan’ilay olona azy. Tsidiho na antsoy an-telefaonina izy ireo, mba hampahatsiahivana azy, rehefa akaiky ny 16 Aprily. Aoka isika hanampy olona betsaka araka izay azo atao, mba hanatrika io fankalazana masina indrindra io.
7 Ampio izay nanatrika ny Fahatsiarovana: Fotoam-pifaliana foana ny alina anaovana ny Fahatsiarovana. Afaka mandray ireo olona tsy mpanatrika ny fivoriantsika isika amin’io. Ataovy izay hahatongavana aloha sy hijanonana elaela, araka izay mety eo an-toerana. Manatòna an’ireo vaovao, ary miezaha hifankahalala aminy. Mahaiza mandray vahiny.—Rom. 12:13.
8 Azo ampiana handroso kokoa eo amin’ny ara-panahy ve ny sasany, amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tranony? Miezaha maka ny anarana sy adiresin’izay mbola tsy misy mitsidika, mba hanampianao azy. Mety handroso ka ho tonga mpitory tsy vita batisa ny sasany, alohan’ny Fahatsiarovana amin’ny herintaona, raha ampiana amim-pitiavana. Asao hanatrika ny lahateny manokana, hatao ny 27 Aprily, ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana, rehefa mitsidika azy ireo ianao.
9 Afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ve ianao? Be zotom-po ho an’i Jehovah isika, ka mikely aina manompo azy, mandritra ny vanim-potoana manokana toy izao. Nisy mpisava lalana mpanampy 1 949 teto Madagasikara tamin’ny volana Martsa tamin’ny taon-dasa. Nazoto nametraka gazety izy ireo, ka nahapetraka 15 avy. Nitohy izany risi-po izany tamin’ny volana Aprily, ka nisy mpisava lalana mpanampy 807, nanao fiverenana mitsidika 19 avy, ary nitarika fampianarana Baiboly 5 avy, raha ny salanisa no jerena. Tena tsara ny vokany, rehefa ny fiangonana manontolo no miara-miezaka mitory ny vaovao tsara amim-pahazotoana mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana.
10 Nambaran’ny fiangonana iray nisy mpitory 107 sy mpisava lalana maharitra 9, fa “volana nahatalanjona” ny Aprily tamin’ny taon-dasa. Nisy mpisava lalana mpanampy 53 tao amin’izy ireo, anisan’izany ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana rehetra. Ahoana no nampirisihan’ny anti-panahy ny mpitory mba ho mpisava lalana mpanampy tamin’iny volana iny? Ela be talohan’io volana io izy ireo dia efa nampirisika mpitory betsaka araka izay azony natao mba hirotsaka amin’izany. Nasiana fivoriana alohan’ny fanompoana tamin’ny ora samihafa nandritra ny andro, mba hahafahan’ny rehetra hanatrika. Nantitranterina ny fitoriana an-telefaonina, indrindra ho an’ireo efa osa.
11 Nisy anabavy iray efa 86 taona nangataka ho mpisava lalana mpanampy. Tsy afaka mandeha intsony izy, satria marary. Vao maraina izy dia nipetraka tao an-dakozia, ary nitory an-telefaonina nandritra ny ora maromaro. Naka aina nandritra ny ora vitsivitsy izy avy eo, dia namerina indray. Nisy ramatoa iray nilaza taminy fa tsy azony mihitsy hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hitranga ny fahoriana. Maty tao anatin’ireo roa taona lasa mantsy ny vadiny sy zanany roa lahy. Nahavita nitory tsara taminy ilay anabavy, ary nanomboka nianatra Baiboly ilay ramatoa. Afaka miresaka amin’ny olona tsy tratra an-trano mandritra ny andro koa ny mpitory, rehefa mitory amin’ny takariva.
12 Toy izao no namaranan’ireo anti-panahy an’ilay tatitra: “Tena nahafinaritra iny volana iny, ary mankasitraka ny tombontsoa sy fitahiana nomen’i Jehovah anay tsirairay izahay.” Afaka mandray fitahiana toy izany koa ny fiangonanao, raha miomana tsara.
13 Ataovy izay handraisan’ny mpitory rehetra anjara: Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika, ka manokana fotoana isam-bolana mba hitoriana ny vaovao tsara. (Matio 22:37-39) Tokony hiezaka hanampy ny mpitory ao amin’ny Fianarana Bokiny ny mpiandraikitra azy io sy ny mpanampy azy, mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanompoana isam-bolana. Tena tsara, ohatra, raha manao fandaharana mialoha izy ireo mba hiarahana manompo amin’ireo mpitory. Ataovy aloha be izany, fa aza miandry faran’ny volana. Hanam-potoana kokoa ianao amin’izay mba hanampiana azy ireo amim-pitiavana.
14 Misy mpitory efa osa ve ao amin’ny Fianarana Bokinao, ka sarotra aminy ny mandeha manompo? Ekena fa tsy ho afaka hitory firy izy ireo, raha tsy afaka mivoaka ny trano. Mety hanjary ho liana amin’ny fahamarinana anefa ny olona mahita ny asa tsarany, raha mampamirapiratra ny fahazavany araka izay kely vitany izy ireo. (Matio 5:16) Tokony hampahafantarin’ny mpiandraikitra Fianarana Boky azy ireo fa afaka mamerina tatitra izy ireo, na dia 15 minitra monja aza no vitany. Mampahery sy mahafaly an’ireo mpitory tsy mivadika ireo ny hoe afaka mamerina tatitra momba ny fanompoana nataony izy. Izany koa no hahafahana hahazo tatitra marina momba ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany.
15 Tanora mazoto manao izay tsara! Tena mahafinaritra ny mahita tanora kristianina mampiasa ny heriny sy tanjany hanompoana an’i Jehovah! (Ohab. 20:29) Raha tanora ianao, ahoana no ampisehoanao fa mazoto manompo an’i Jehovah ianao amin’izao vanim-potoana manokana izao?
16 Raha mbola tsy mpitory tsy vita batisa ianao, afaka miezaka mba hahazo izany tombontsoa izany ve? Manontania tena hoe: ‘Manana fahalalana fototra momba ny fahamarinana ara-baiboly ve aho? Maniry hitory ilay Fanjakana ve aho? Fakan-tahaka ve ny fitondran-tenako? Mahavita miresaka momba ny finoako ve aho, ka mitory ny vaovao tsara? Manosika ahy hanao izany ve ny foko?’ Raha ‘eny’ no amalianao an’ireo, dia lazao amin’ny ray aman-dreninao fa te ho mpitory ianao. Afaka miresaka amin’ny anti-panahy anisan’ny Komitin’ny Fanompoana izy ireo avy eo.
17 Raha efa mpitory ny vaovao tsara kosa ianao, afaka manararaotra ny vakansy ve ianao mba hanompoana bebe kokoa? Maro ny tanora vita batisa afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, rehefa nanao fandaharam-potoana tsara sy nampian’ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa. Aoka ho tapa-kevitra hanompo bebe kokoa kosa ianao, raha tsy afaka manao toa azy ireo. Mamera tanjona ho anao. Azonao faritana, ohatra, ny ora hanaovanao fanompoana, na ny fomba hanatsaranao ny fanompoanao. Afaka miezaka angamba ianao mba hamaky andinin-teny iray isam-baravarana, hanatsara ny fanaovanao fiverenana mitsidika, hanomboka fampianarana Baiboly, na handray anjara amin’ny endriny hafa amin’ny fanompoana. Ary nahoana raha atao tanjona ny hitondra mpiray tanàna, na mpiara-mianatra aminao, na havana, any amin’ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity? Azo antoka fa ho afa-po sy hampahery ny hafa ianao, raha mandray anjara betsaka amin’ny fanompoana.—1 Tes. 5:11.
18 Ampio ireo vaovao mba handroso: Nisy fampianarana Baiboly 28 952 teo ho eo isam-bolana tamin’ny taon-dasa teto Madagasikara. Maro amin’izy ireny no handroso, ka hanolo-tena sy hatao batisa. Alohan’ny hahatongavany amin’izany anefa, dia mila manampy azy ireny isika mba hahafeno fepetra ho mpitory ny vaovao tsara. Dingana lehibe mba hampianarana azy ireo ho mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izany. (Matio 9:9; Lioka 6:40) Efa misy vonona ho amin’izany ve ny olona ampianarinao Baiboly?
19 Raha tsy azonao antoka hoe manao ahoana ny fandrosoany, dia mangataha fanampiana amin’ny mpiandraikitra ny Fianarana Bokinao na ny mpiandraikitra ny fanompoana. Afaka manasa azy hiaraka hampianatra an’ilay olona angamba ianao. Efa za-draharaha ireo rahalahy ireo, ka afaka manampy anao hamantatra ny fandrosoana ara-panahy nataon’ilay mpianatra. Mety hanoro hevitra anao izy mba hanampianao an’ilay olona handroso ara-panahy.
20 Miresaha amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, rehefa milaza aminao ilay mpianatra hoe te ho mpitory tsy vita batisa izy, sady hitanao fa mahafeno fepetra. Hanasa anti-panahy roa izy, mba hiresaka aminao miaraka amin’ilay mpianatra, ka handinika raha mahafeno fepetra tokoa izy. Hampiasa ny boky Ny Fanompoantsika pejy 98, 99 ireo anti-panahy ireo. Tokony hampiofana an’ilay mpianatra avy hatrany ianao, rehefa ekena ho mpitory izy. Rehefa mamerina tatitra izy, dia holazaina amin’ny fiangonana hoe lasa mpitory tsy vita batisa. Manantena isika fa hisy mpitory tanora sy be taona maro, hiezaka hanao io dingana lehibe io, mandritra izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao.
21 Hahavitana zavatra tena tsara ny fiomanana: Hahomby ny fanompoana mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, rehefa misy fiomanana. (Ohab. 21:5) Betsaka ny raharaha mila karakarain’ny anti-panahy.
22 Tokony handamina fivoriana alohan’ny fanompoana mandritra ny herinandro sy ny faran’ny herinandro ny anti-panahy, mba hanampiana ny fiangonana handray anjara betsaka indrindra amin’ny fanompoana. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no tena tokony hikarakara izany. Azo asiana fivoriana alohan’ny fanompoana koa ve vao maraina, na amin’ny takariva? Tokony holazaina amin’ny fiangonana ireo fandaharana ireo. Tsara raha atao eo amin’ny tabilao misy ny filazana ny fandaharam-potoana.
23 Tokony hamita ny fandaminana ny Fahatsiarovana ny anti-panahy, aloha ben’ny 16 Aprily. Tafiditra amin’izany ny fifanarahana amin’ireo fiangonana mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ny fanadiovana azy io, ny fifidianana ny mpikarakara ny mpanatrika sy izay hikarakara ny hahazoana ny mofo sy divay, ary izay handroso izany. Tokony holazaina amin’ny fiangonana ny fotoana sy toerana hanaovana ny Fahatsiarovana, ary izay fiovana mahakasika ny fivoriana amin’io herinandro io. “Hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana” ny Fahatsiarovana, rehefa voakarakara tsara ireo zavatra ireo.—1 Kor. 14:40.
24 Mety horesahin’ny loham-pianakaviana mandritra ny fianaram-pianakaviana koa, izay hataon’izy mianakavy mba hanompoana bebe kokoa, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Afaka ny ho mpisava lalana mpanampy daholo ve ianareo mianakavy? Sa afaka manohana an’izay ho mpisava lalana ao amin’ny fianakaviana? Raha tsy afaka manao izany ianareo, dia ataovy tanjona ny hampitombo ny fotoana hanompoanareo. Misy tanora azo ampaherezina kely sy ampiana ve ao aminareo, mba hahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa? Firy ny olona azonareo mianakavy asaina amin’ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity? Tena ho faly sy handray fitahiana maro ny fianakavianao raha miomana tsara.
25 Hararaoty ny fotoana sisa tavela: Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina voalohany ny apostoly Petera, dia nampahatsiahy azy ireo fa mila manao zavatra haingana izy ireo, satria efa hifarana ny tontolo jiosy. (1 Pet. 4:7) Voaporofo tsara koa ankehitriny fa efa hifarana ity tontolo ity. Tokony ho hita eo amin’ny fomba fiainantsika isan’andro fa miaiky an’izany isika. Mpanompon’i Jehovah be zotom-po isika, ka tokony hifantoka amin’ilay asa maika, dia ny fitoriana ny vaovao tsara.—Tit. 2:13, 14.
26 Izao no fotoana tokony hananana zotom-po sy hanaovan-javatra! Saintsaino ny zavatra nataon’i Jehovah ho anao sy ny fianakavianao ary ny fiangonana. Afaka manompo azy amin’ny fontsika manontolo isika, na dia tsy ho voavalintsika mihitsy aza ny soa rehetra nataony tamintsika. (Sal. 116:12-14) Hovaliany soa ny ezaka mafy ataontsika. (Ohab. 10:22) Enga anie isika rehetra ka ‘hazoto amin’izay tsara’ mandritra izao vanim-potoana manokana sy be asa atao izao, “mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.”—1 Pet. 3:13; 4:11.
[Efajoro, pejy 3]
Mpanatrika Fahatsiarovana Eran-tany
1999 14 088 751
2000 14 872 086
2001 15 374 986
2002 15 597 746
[Efajoro, pejy 4]
Iza no Hasainao Amin’ny Fahatsiarovana?
□✔ Mpianakavy sy havana
□✔ Mpiray tanàna sy olom-pantatra
□✔ Mpiara-mianatra sy mpiara-miasa
□✔ Olona tsidihinao sy mpianatra Baiboly
[Efajoro, pejy 5]
Ampio Izay Nanatrika ny Fahatsiarovana
□✔ Mahaiza mandray olona
□✔ Tsidiho izy
□✔ Asao hianatra Baiboly izy
□✔ Asao amin’ny lahateny manokana izy
[Efajoro, pejy 6]
Inona no Tanjonao Mandritra ny Vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?
□✔ Mahataona olona hanatrika ny Fahatsiarovana
□✔ Mameno fepetra ho mpitory ny vaovao tsara
□✔ Manompo mandritra ny ora voafaritra tsara
□✔ Manatsara ny lafiny sasany amin’ny fanompoana
□✔ Mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy