30 Naniraka olona nankany amin’ny Israely rehetra+ sy ny Joda i Hezekia, sady nanoratra taratasy ho an’ny fokon’i Efraima sy Manase mihitsy aza,+ mba hanasa azy ireo ho ao an-tranon’i Jehovah any Jerosalema. Te hanasa azy ireo hankalaza ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mantsy izy.+