Fotopoto-pitsipika sa Fitiavan’ny Besinimaro — Iza no mpitari-dalana anao?
FONY izy tao amin’ny taona fahenina, dia nandray anjara tamin’ny fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena i Norihito. Tampoka teo, dia niatrika fanapahan-kevitra iray izy. Ny mpianatra rehetra dia nasaina nandray anjara tamin’ny fombafomba iray fampisehoana fitiavan-tanindrazana. Tokony hiaraka amin’ireo mpianatra namany eo amin’io toa fanazaran-tena mahazatra io ve izy?
Nianaran’i Norihito tao amin’ny Baiboly fa ratsy ny fandraisana anjara amin’izay mety ho asa fanaovana fanompoam-pivavahana amin’andriamanitra hafa noho i Jehovah. (Eksodosy 20:4, 5; Matio 4:10). Fantany koa fa ny Kristiana dia tokony hialanalana amin’ny raharaha ara-politika rehetra eo amin’izao tontolo izao. (Daniela 3:1-30; Jaona 17:16). Koa na dia nampirisika azy handray anjara aza ireo mpianatra namany, dia nitana ny heviny izy, tamin-kerim-po kanefa tamim-panajana. Inona no ho nataonao tao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany?
Ny faniriana ho anisan’ny antokon’olona iray
Asehon’ny Soratra Masina fa ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra ho tia ny hiaraka amin’olona, hifankahazo tsara eo amin’izy samy izy, ary hankafy ny fiarahana manao zavatra. Voajanahary ny faniriana hiaraka amin’olona mitovy amin’ny tena, ny haneken’ny hafa ny tena, ny ho anisan’ny antokon’olona iray. Ny fihetseham-po toy izany dia mahatonga ny fiainana hahafinaritra kokoa, sady mandray anjara amin’ny filaminana sy ny fifandrindrana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. — Genesisy 2:18; Salamo 133:1; 1 Petera 3:8.
Ny faniriana anaty ho anisan’ny fitambaran’olona dia hita taratra eo amin’ny fanantitranterana mafy ny fampitoviana atao any amin’ny kolontsaina sasany na dia amin’izao andro izao aza. Ireo ankizy japoney, ohatra, dia ampiofanina hatramin’ny fahakeliny mba hahafantatra sy hanaraka ny fitsipika omen’ny besinimaro. Ny fomban-drazan’izy ireo dia mampianatra azy fa iray amin’ireo adidiny lehibe indrindra ny hifanarahany amin’ny fitambaran’olona. “Azo antenaina hiasa amin’ny maha-antokon’olona kokoa ny Japoney noho ny Tandrefana”, hoy i Edwin Reischauer, ambasadaoron’i Etazonia taloha tany Japana, sady mpandinika lalina ireo fomba japoney. Nanampy teny toy izao izy: “Eo amin’izay mety hampisehoan’ireo Tandrefana tsy fiankinana sy fiavahana amin’ny hafa fara fahakeliny, ny ankamaroan’ny Japoney dia hianina tanteraka amin’ny fampifanarahana ny akanjo, ny fitondran-tena, ny fomba fiaina, ary na dia ny fomba fisainany koa aza, amin’ny fari-pitsipiky ny antokon’olona misy azy.” Tsy voafetra velively ho eo amin’ny Japoney ihany anefa ny faniriana hanaraka ny hafa. Manerana izao rehetra izao izany.
Fanerena hanaraka ny hafa
Na dia faniry aza ny fanaovana izay tratran’ny tena mba hifankahazoana tsara amin’ny hafa, dia eo ny loza amin’ny fanarahana an-jambany izay zavatra tian’ny besinimaro. Nahoana? Satria izay zavatra tian’ny besinimaro dia matetika mifanohitra amin’izay azon’Andriamanitra ekena. “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, hoy ny Baiboly amintsika. (1 Jaona 5:19). Mampiasa amin-kafetsena izay fomba rehetra eo am-pelatanany i Satana — fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, fari-pitondran-tena ambany, fitsarana an-tendrony ara-pirazanana, fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana, fanindrahindram-pirenena, sy ny toy izany — mba hitaomana ny daholobe sy hampialana azy amin’Andriamanitra. Ny fanarahana ny fanao toy izany, raha ny marina, dia mahatonga ny tena hanohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. Izany no antony anoroana hevitra ny Kristiana toy izao: “Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:2.
Noho izy ireo miaina eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia eo ambany fanerena hanaraka tsy an-kijanona izay tian’ny besinimaro ny Kristiana. Mora voa indrindra ny tanora amin’io lafiny io. Faran’izay mahery ny faniriana hitovy sy hanao zavatra sahala amin’ireo mpiara-mianatra aminy. Tena ilana herim-po ho azy ireo ny fanazavana amin’ireo tanora mitovy aminy ny antony tsy andraisany anjara amin’ny fihetsiketsehana sasany. Ny tsy filazana amin-kasahiana ny toerana tanany anefa, dia mety hidika ho loza ara-panahy ho azy ireo. — Ohabolana 24:1, 19, 20.
Miatrika izany fanerena izany koa ny olon-dehibe any am-piasana. Mety hantenaina ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny fihetsiketsehana ara-tsosialy sasany aorian’ny ora fiasana na amin’ny andro tsy iasana sasany. Ny tsy fetezana hanao araka izany dia mety hahatonga azy ireo hoheverina ho mihatakataka sy tsy tia fiaraha-miasa, ka mahatonga rivo-piainana manahirana any amin’ny toeram-piasana. Ny sasany dia mahatsiaro tena ho voatery handany ora maro be ankoatra ny ora fiasana satria fotsiny hoe manao izany ny hafa ary antenaina avy amin’izy ireo izany. Ny fileferana amin-javatra toy izany dia hanimba azy ireo ara-panahy, sady hanakana azy ireo tsy hanatanteraka ireo adidiny hafa. — 1 Korintiana 15:33; 1 Timoty 6:6-8.
Misy ny fanerena hanaraka ny hafa na dia any ivelan’ny sekoly sy ny toeram-piasana aza. Nitantara ny reny kristiana iray fa indray mandeha izy dia tsy nanafay ny zanany, na dia fantany aza fa nilaina mafy izany, satria fotsiny noheveriny fa tsy ho nankasitraka izany ireo renim-pianakaviana nanatrika teo. — Ohabolana 29:15, 17.
Mety ho diso ny besinimaro
Manome antsika torohevitra mivantana maro be ny Baiboly mikasika ny fanarahana ny besinimaro. Izao, ohatra, no nolazaina tamin’ny firenen’ny Isiraely: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ny adin’olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.” (Eksodosy 23:2; ampitahao amin’ny Romana 6:16.) Tsy narahina foana akory io torohevitra io. Indray mandeha, fotoana fohy taorian’ny nandaozana an’i Egypta, rehefa tsy teo i Mosesy, dia nisy olona sasany nitaona an’i Arona sy ny vahoaka hanao ombilahy kely volamena sy hivavaka tamin’izany tamin’ny “andro firavoravoana ho an’i Jehovah”. Nihinana ny olona ary nisotro sy nifaly tamin’ny hira sy ny dihy teo am-panaovana fanatitra ho an’ilay ombilahy kely volamena. Noho io fanaovan-javatra feno fanaranam-po tamin’ny ratsy sy fanompoan-tsampy io, dia olona mpitarika hanao ratsy sahabo ho 3 000 no novonoina ho faty. Kanefa dia maro hafa no nasian’i Jehovah tamin’ny loza koa noho izy ireo nanaraka ny besinimaro tsy tamim-pieritreretana. — Eksodosy 32:1-35.
Ny ohatra hafa iray momba ny fanarahana ny besinimaro mba hanao ratsy dia nitranga tamin’ny taonjato voalohany, nifandray tamin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy. Noho izy ireo resy lahatra noho ireo filoha ara-pivavahana be fialonana, dia maro tamin’ny olona no nandray anjara tamin’ny fitakiana ny famonoana an’i Jesosy ho faty. (Marka 15:11). Rehefa nampahatsiaro ny fahadisoana lehibe nataon’izy ireo i Petera tamin’ny Pentekosta nanaraka ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny niakarany tany an-danitra, dia maro no “voatsindrona tam-pony” ary nahatakatra izay vitan’izy ireo tamin’ny fanarahana ny besinimaro. — Asan’ny Apostoly 2:36, 37.
Tsara kokoa ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly
Araka ny voazava tsara ao amin’ireo fitantarana ireo, ny fanarahana an-jambany izay zavatra tian’ny besinimaro dia afaka hitarika ho amin’ny vokany lehibe. Tsy ho tsara kokoa ve ny manaraka ny Baiboly ary mamela ny fotopoto-pitsipiny ho mpitari-dalana eo amin’ny fiainantsika? “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo”, hoy i Jehovah. (Isaia 55:9). Eo amin’ny raharaha momba ny fitondran-tena sy ny fifandraisana eo amin’ny samy olombelona — eny, eo amin’ny fanapahan-kevitra rehetra eo amin’ny fiainana — dia voaporofo imbetsaka fa ny fanarahana ny lalan’i Jehovah dia tsara lavitra noho ny fanarahana izay zavatra tian’ny besinimaro. Izany no fanalahidin’ny fomba fiaina sambatra kokoa sy mahasoa kokoa.
Raiso, ohatra, ny fanandraman-javatra hitan’i Kazuya. Na dia efa nianatra ny Baiboly nandritra ny fotoana kelikely aza izy, dia nanohy nanaraka fiainana tian’ny besinimaro — nikely aina mba hanankarena sy hahita fahombiazana. Ny fiezahany hampifaly ny lehibeny sy ho mamy hoditra tamin’ny mpiara-miasa taminy, dia matetika nitarika azy hivoaka mba hanaram-po tamin’ny fisotroana mandra-maraina. Nanjary sarotiny be sy tsy nilefitra ary mora sosotra izy. Tsy ela ny fomba fiainany tafahoatra dia nahatonga fahatapahana lalan-dra izay namela azy halemy ila. Raha teo am-pahasitranana teo am-pandrianan’ny hopitaly izy, dia nanam-potoana hieritreretana ny amin’izay nianarany tao amin’ny Baiboly sy ny amin’ny fomba nitondrany ny fiainany. Nanapa-kevitra izy fa tonga ny fotoana hanombohana hampihatra izay nianarany. Niala tamin’ilay toerany tamin’ny naha-mpitantan-draharaha azy izy ary nanova ny fifaneraserany. Nanao ezaka mafy kokoa izy mba hitafiana ny toetra kristiana sy mba hanitsiana ny fomba fiheverany ny fananana ara-nofo. Ho vokatr’izany, dia niova ny zava-tsarobidy teo imasony, ary dia nihatsara ny fahasalamany. Farany, dia nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy, ary natao batisa.
Mba hahombiazana eo amin’ny fanarahana fiainana tsy tian’ny besinimaro, dia tsy maintsy mahafantatra ireo fotopoto-pitsipika tafiditra ny tena, ary hiaiky tanteraka fa marina izy ireny. Mampiseho ny maha-marina izany ny nanjo an’i Masaru. Fony izy tao amin’ny taona fahenina tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra, dia natolotr’ireo iray kilasy taminy ho mpilatsaka hofidina ho prezidàn’ny konsilin’ny mpianatra izy. Somary sakodiavatra izy nampahatsiaro fa noho ny tsy fahatakarany tanteraka ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tafiditra, dia tsy afaka nanazava tamin’ny iray kilasy taminy ny antony tsy nahafahany nilatsaka hofidina ho amin’ny asa ara-politika iray izy. Ny fahatahorany olona dia nanakana azy tsy hanambara fa Kristiana izy. Ny hany azony natao dia ny nanondrika ny lohany sy namerimberina tamin-dranomaso hoe: “Tsy afaka hanao izany aho.”
Io fanandraman-javatra nampanaintaina io dia nahatonga azy hanadihady ny antony tsy idiran’ny Kristiana iray amin’ny fihetsiketsehana ara-politika. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:15.) Tatỳ aoriana, rehefa tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra izy, dia nisy tarehin-javatra nitovy tamin’izany nipoitra indray. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ anefa, dia vonona ny hanazava tamim-piekena mafy ny toerana notanany tamin’ny mpampianatra azy izy. Nanaiky ny fanazavany ilay mpampianatra, toy ny nataon’ny iray kilasy taminy maromaro izay nanontany azy ny amin’ireo zavatra ninoany miorina amin’ny Baiboly.
Rehefa hanao ny tsara avokoa ny rehetra
Ao amin’ilay tontolo vaovao eo ambany fanapahan’i Kristy ho avy, ny zavatra ho tian’ny besinimaro hatao, dia ho zavatra tsara tokony hatao. Mandra-pahatongan’izany, dia voatery mitandrin-tena isika amin’ny fitaomana hanaraka izay zavatra tian’ny besinimaro. Afaka manovo fampaherezana avy amin’ny fananaran’i Paoly toy izao isika: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — Hebreo 12:1.
Rehefa tojo zavatra mahatonga ady hevitra na fihaikana ianao, inona no hataonao? Moa ve ianao ho latsaka ao anatin’ny tahotra olona ary hanaiky ho resin’ny fanaovana izay zavatra tian’ny besinimaro? Sa ianao hitodika any amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ary hanaraka ny fotopoto-pitsipiny? Tsy vitan’ny hoe hitondra soa ho anao amin’izao fotoana izao fotsiny ny fanarahana ilay lalana farany, fa hanome anao koa fanantenana ny ho anisan’ireo izay “mino sy maharitra ka manana anjara amin’ny soa nampanantenain’Andriamanitra”. — Hebreo 6:12, DIEM.