Moa ve Ankasitrahan’Andriamanitra ny Fankamasinana Relìka?
NY RAN’I “San Gennaro” nolazaina fa mitsiranoka, mazàna intelo isan-taona, dia anisan’ireo relìka ara-pivavahana maro be. Toy izany koa ilay Lambam-paty any Turin, lazaina fa namonosana ny fatin’i Jesosy Kristy. Anisan’ireo relìka mifamatotra amin’i Jesosy ilay lazaina fa fihinanam-bilona natoriany (ao amin’ny bazilika lehibe iray any Roma), ilay boky fianarany manonona teny, ary fantsika maherin’ny arivo lazaina fa nampiasaina tamin’ny famonoana azy! Ireo relìka ara-pivavahana koa dia mahafaoka maromaro amin’ny lohan’i Jaona mpanao batisa, ary, any amin’ny toerana isan-karazany any Eoropa, dia faty efatra lazaina fa i “Masimbavy Lucie”.
Anisan’ireo tanàn-dehibe malaza indrindra noho ny relìkany i Trier, any Alemaina, izay itahirizana ny iray amin’ireo “akanjo masina”, dia ny akanjo anatiny tsy misy vitrany nanaovan’i Jesosy Kristy. Any amin’ny tanànan’i Vatican mihitsy dia misy relìka ara-pivavahana maherin’ny arivo, ao anatin’ny fitahirizana manokana. Marina tokoa fa relìka ara-pivavahana an’arivony maro no tahirizina ao amin’ny eglizin’i “Sainte Ursule” any Cologne, any Alemaina. Azo halavaina hatrany foana ny lisitra. Any Italia fotsiny dia ahitana izay lazaina fa toerana masina miisa ho 2 468, misy relìka ara-pivavahana maro!
Ny fanajana ny relìka dia inoan’ny olona ho nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra amin’ny fanisan-taona iraisana, toy ny amin’ny fankamasinana “olo-masina”. Noho ny antony ara-pivavahana, ara-toekarena, ary ara-politika mihitsy aza, dia nitombo niandalana ny isan’ireo relìka nandritra ireo taonjato, miaraka amin’ireo an’arivony maro misy amin’izao andro izao. Namerina nanambara ny Konsily Vatikana Faharoa fa “araka ny lovantsofiny, dia mankamasina an’ireo olo-masina sy manome voninahitra ireo relìkany marina mbamin’ireo sariny ny Eglizy.” (Constitution “Sacrosanctum Concilium” sulla sacra Liturgia, ao amin’ny I Documenti del Concilio Vaticano II, 1980, Edizioni Paoline). “Ireo relìka malaza, ary koa ireo zavatra ankamasinin’ny vahoaka maro be”, dia voasoratra ao amin’ny Codex Iuris Canonici (Fehezan-dalàna momba ny didin’ny Eglizy) nambaran’i Joany Paoly II ho fanta-bahoaka tamin’ny 1983. (Fehezan-dalàna faha-1190). Manome voninahitra ny relìka koa ny Anglikana sy ny mpikambana ao amin’ny fiangonana ôrtôdôksa.
Noho ny fisian’ireo fantsika maro be aoka izany lazaina fa nanomboana an’i Kristy sy ireo lohan’i Jaona mpanao batisa, dia miharihary fa mifono hosoka matetika ireo relìka ara-pivavahana. Ohatra, ny “Carbone 14” dia nanamarina ny maha-hosoka an’ilay Lambam-paty any Turin. Mahaliana fa nandritra ilay adihevitra nafana momba an’io tamin’ny 1988, dia nanontany toy izao ilay mpandinika fanta-daza ao Vatican atao hoe Marco Tosatti: “Raha toa ireo tsikera ara-tsiansa nampiasaina tamin’ilay Lambam-paty ka nampiharina tamin-javatra hafa malaza amin’ny fankamasinana azy, hanao ahoana re ny valin’ny fitsarana e?”
Miharihary fa tsy misy olona hendry haniry ny hankamasina relìka sandoka iray. Nefa, moa ve izay no hany anton-javatra tokony hodinihina?
Inona no lazain’ny Baiboly?
Tsy milaza ny Baiboly fa ny Isiraelita fahiny, izay vahoaka nankasitrahan’Andriamanitra, dia nankamasina relìka ara-pivavahana na dia tany amin’ny fanandevozan’ny Egyptiana aza. Marina fa maty tany Egypta i Jakoba patriarka ary nentina nankany amin’ny tany Kanana ny fatiny mba halevina ‘ao anatin’ny zohy izay tany amin’ny saha Makpela’. Maty tany Egypta koa i Josefa zanany lahy, ary nentina nankany Kanana, tamin’ny farany, ny taolambalony mba halevina. (Genesisy 49:29-33; 50:1-14, 22-26; Eksodosy 13:19). Na dia izany aza, dia tsy manome filazana ny Soratra masina fa nankamasina mandrakariva ny fatin’i Jakoba sy i Josefa tamin’ny naha-relìka ara-pivavahana an’izany ny Isiraelita.
Hevero koa izay nitranga tamin’i Mosesy mpaminany. Teo ambanin’ny fitarihan’Andriamanitra, dia nitari-dalana ny Isiraelita nandritra ny 40 taona izy. Avy eo, teo amin’ny faha-120 taonany, dia nianika ny tendrombohitra Nebo izy ka nitazana ny Tany Nampanantenaina, ary maty. Niady tamin’ny Devoly ka nifanditra momba ny fatin’i Mosesy i Mikaela arikanjely, ary tsy nahomby i Satana tamin’izay fanandramana rehetra azony natao hampiasana izany mba hamandrihana ny Isiraelita tamin’ny fivavahana amin’ny relìka. (Joda 9). Na dia takatra avy hatrany aza fa nitomany ny fahafatesan’i Mosesy izy ireo, dia tsy nankamasina na oviana na oviana ny fatiny kosa. Raha ny marina, Andriamanitra dia nanao izay hetezan’izany tamin’ny fandevenana an’i Mosesy tany amin’ny fasana iray tsy voamarika tany amin’ny toerana iray tsy fantatr’olombelona. — Deoteronomia 34:1-8.
Ny mpanohana sasany ny fankamasinana relìka dia manonona ny 2 Mpanjaka 13:21, manao hoe: “Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony.” Izany dia fahagagana mahakasika ireo taolambalo tsy nisy aina an’ny iray tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra. Efa maty anefa i Elisa ary ‘tsy nahalala na inona na inona’ tamin’ny fotoana nitrangan’ilay fahagagana. (Mpitoriteny 9:5, 10). Noho izany, io fitsanganana tamin’ny maty io dia tsy maintsy ho avy amin’ny herin’i Jehovah Andriamanitra manatanteraka fahagagana, izay nanao izany tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, na hery miasa. Mendrika ny homarihina koa fa ny Soratra masina dia tsy milaza fa nankamasinina mandrakariva ireo taolan’i Elisa.
Misy olona sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manohana ny fankamasinana relìka noho izay voalaza ao amin’ny Asan’ny apostoly 19:11, 12, izay hamakiantsika toy izao: “Ny tànan’i Paoly [apostoly] no nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.” Mariho, aza fady, fa Andriamanitra no nanatanteraka izany asa miavaka izany tamin’ny alalan’i Paoly. Tsy nanatanteraka ny asa toy izany tamin’ny herin’ny tenany ilay apostoly, ary tsy nanaiky fankamasinana avy amin’olombelona na oviana na oviana izy. — Asan’ny apostoly 14:8-18.
Mifanipaka amin’ireo fampianaran’ny Baiboly
Raha ny tena izy, dia mifanipaka amin’ireo fampianaran’ny Baiboly maromaro ny fankamasinana relìka ara-pivavahana. Ohatra, ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona dia foto-javatra lehibe iray ao amin’io fankamasinana io. Mpikambana mafana fo an-tapitrisany maro ao amin’ny fiangonana no mino fa ny fanahin’ireo rehetra nohamasinina sy ankamasinina amin’ny maha-“olo-masina” dia velona any an-danitra. Mivavaka amin’ny “olo-masina” toy izany ireny olona tso-po ireny, mitady ny fiarovany, ary mangataka an’ireny olo-masina ireny mba hanalalana amin’Andriamanitra ho tombontsoan’ireo mpangataka. Raha ny marina, araka ny voalazan’ny boky iray momba ny fiangonana, dia mino ny katolika fa ao amin’ireo relìka “ny hery fanalalanan’ny Olo-masina amin’Andriamanitra”.
Araka ny Baiboly anefa, dia tsy hoe tsy mety maty ny fanahy olombelona. Ny olombelona dia tsy hoe manana fanahy ao anatiny, izay tsy maty sady afaka manana fisiana any ivelan’ny vatana aorian’ny fahafatesana. Milaza kosa ny Baiboly hoe: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [fanahy velona, MN] izy.” (Genesisy 2:7). Tsy mampianatra ny Baiboly hoe manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, fa milaza kosa izy hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Mihatra amin’ny olombelona rehetra izany — anisan’izany ireo nohamasinina ho “olo-masina” tatỳ aoriana — satria samy nandova ota sy fahafatesana avy amin’i Adama, olombelona voalohany, avokoa isika rehetra. — Romana 5:12.
Tokony hohalavirina ny fankamasinana ny “olo-masina” satria tsy nomena fahefana hanalalana na iza na iza amin’Andriamanitra mihitsy izy ireny. Nandidy i Jehovah Andriamanitra fa tsy misy afa-tsy ny Zanany, Jesosy Kristy, no afaka manao izany. Nilaza ny apostoly Paoly fa i Jesosy dia “tsy maty ho antsika fotsiny — nitsangana tamin’ny maty izy, ary eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy no mijoro ary mifona ho antsika.” — Romana 8:34, Ny Baibolin’i Jerosalema; ampitahao amin’ny Jaona 14::6, 14.
Ny antony hafa iray tokony hanalavirana ny fankamasinana ny “olo-masina” sy ireo relìka ara-pivavahana mifandray aminy, dia miorina amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny fanompoan-tsampy. Manambara toy izao ny iray amin’ireo Didy Folo nomena ny Isiraelita: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [mitaky fifikirana aminy irery ihany, MN].” (Eksodosy 20:4, 5). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia niteny toy izao tamin’ireo kristiana namany ny apostoly Paoly: “Ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.” (1 Korintiana 10:14). Mitovy amin’izany koa, fa nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” — 1 Jaona 5:21.
Ny fanajana ny “olo-masina” nohamasinina sy ireo relìka ara-pivavahana, araka izany, dia tsy tohanan’ny Baiboly. Na dia izany aza, ny olona sasany dia maniry ny fanatrehan’ny zavatra heverina ho masina izay azo jerena sy tsapaina ary heverina ho manana hery mahavonjy. Maro tokoa no mihevitra ireo relìka ara-pivavahana ho mason-drojo iray hita maso mampitohy ny lanitra sy ny tany. Saintsaino kely aloha, aza fady, ny amin’izay.
Tsy amin’ny fijerena sy fitsapana ireo relìka ara-pivavahana no anaovan’ny olona iray zavatra mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy momba ny fanompoam-pivavahana irin’Andriamanitra hatao. Hoy i Jesosy hoe: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24). I Jehovah Andriamanitra dia “Fanahy”, tsy hitan’ny mason’olombelona. Ny hoe mivavaka “amin’ny fanahy”, dia midika fa ny asa masina ataontsika ho an’Andriamanitra dia atosiky ny fo feno fitiavana sy finoana. (Matio 22:37-40; Galatiana 2:16). Tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra ‘amin’ny fahamarinana’ amin’ny fankamasinana relìka isika, fa amin’ny fanariana ireo lainga ara-pivavahana ihany sy amin’ny fianarana ny sitrapony aharihary ao amin’ny Baiboly ary amin’ny fanaovana izany ihany.
Tsy mahagaga àry raha niaiky ilay mpivaofy teny atao hoe James Bentley fa ‘tsy nankamasina relìka mihitsy ireo ntaolo hebreo.’ Milaza koa izy fa nandritra ireo taonjato efatra teo anelanelan’ny nahafatesan’i Stefana sy ny namongaran’i Lucien ny fatiny, dia niova tanteraka ny fihetsiky ny kristiana manoloana ny relìka. Hatramin’ny taonjato fahadimy am.fan.ir. anefa, ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana dia efa nitsahatra tsy nitana ireo fampianaran’ny Baiboly mazava momba ny fanompoan-tsampy, ny toetran’ny maty, ary ny toerana tanan’i Jesosy amin’ny maha-ilay “mifona ho antsika” azy. — Romana 8:34; Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11-14.
Raha maniry ny hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana ataontsika isika, dia tsy maintsy manao izay hahazoana antoka fa tsy miharoharo amina endri-panompoan-tsampy na inona na inona izy io. Mba hanekena azy, dia tsy maintsy mankany amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona, ny fanompoam-pivavahana ataontsika, fa tsy any amina relìka na zavaboary na inona na inona. (Romana 1:24, 25; Apokalypsy 19:10). Tsy maintsy mahazo ny fahalalana marina ao amin’ny Baiboly sy manorina finoana matanjaka koa isika. (Romana 10:17; Hebreo 11:6). Ary raha mizotra amin’ny lalan’ny fanompoam-pivavahana marina isika, dia hanao zavatra mifanaraka amin’ny porofo mahery avy ao amin’ny Soratra masina, milaza fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fankamasinana relìka.
[Sary, pejy 5]
Tsy nankamasinina ny taolambalon’i Elisa na dia tafiditra tamin’ny fananganana olona iray tamin’ny maty aza izany