LAHATSORATRA FIANARANA 42
“Sambatra Izay Tsy Mivadika” Amin’i Jehovah
“Sambatra izay tsy mivadika ... dia izay mankatò ny lalàn’i Jehovah.”—SAL. 119:1, f.a.p.
HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!
HO HITANAO ATOa
1-2. a) Inona no mampiseho hoe manohitra ny vahoakan’i Jehovah ny fitondram-panjakana sasany, nefa ahoana no ataon-dry zareo na eo aza izany? b) Nahoana isika no afaka ny ho sambatra na dia enjehina aza? (Hazavao koa ilay sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)
VOARARA na voasakantsakana izao ny asantsika any amin’ny tany 30 mahery. Nogadrain’ny manam-pahefana ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ny sasany amin’ireny tany ireny. Fa inona no ratsy nataon-dry zareo? Tsy misy aloha raha i Jehovah no anontaniana e! Namaky sy nianatra ny Baiboly fotsiny ry zareo, niresaka ny zavatra inoany tamin’ny hafa, ary nivory niaraka tamin’ireo mpiray finoana taminy. Tsy manaiky hidikiditra amin’ny politika koa ry zareo. Tsy mivadikab mihitsy anefa ireny mpanompon’Andriamanitra manam-pinoana ireny, na dia notoherina mafy aza. Mifikitra mafy amin’i Jehovah ry zareo. Mahafaly an-dry zareo ny manao an’izany!
2 Azo inoana fa efa hitanao ny sarin’ny sasany amin’ireny Vavolombelona be herim-po ireny. Voamarikao ve hoe mitsikitsiky erỳ ry zareo? Faly ry zareo satria fantany hoe mampifaly an’i Jehovah ny ataony, noho izy ireo tsy mivadika aminy. (1 Tan. 29:17a) Izao no nolazain’i Jesosy: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana ... Mifalia sy miravoravoa, satria lehibe ny valisoanareo.”—Mat. 5:10-12.
MODELY HO ANTSIKA
3. Inona no nataon’ny apostoly rehefa nenjehina, araka ny Asan’ny Apostoly 4:19, 20? Nahoana ry zareo no nanao an’izany?
3 Mitovy amin’izay nanjo ny apostoly tamin’ny taonjato voalohany ny mahazo ny rahalahy sy anabavintsika. Nenjehina ireo apostoly ireo satria nitory momba an’i Jesosy. Imbetsaka àry ny Fitsarana Avo Jiosy no ‘nandrara an-dry zareo tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony.’ (Asa. 4:18; 5:27, 28, 40) Dia ahoana no nataon’ny apostoly? (Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:19, 20.) Fantany hoe nisy fahefana ambony kokoa ‘nandidy an-dry zareo hitory amin’ny olona, ka hanazava tsara’ momba an’i Kristy. (Asa. 10:42) Nisolo tena an-dry zareo àry i Petera sy Jaona, ka sahy niteny hoe Andriamanitra no tsy maintsy ankatoaviny fa tsy ireo mpitsara ireo, ka tsy hangina izy ireo fa hiresaka momba an’i Jesosy foana. Hoatran’ny nilaza tamin’ireo manam-pahefana ireo ry zareo hoe: ‘Dia sahinareo ve ny miteny hoe manana fahefana kokoa noho Andriamanitra ianareo?’
4. Inona no modely nomen’ny apostoly ho an’ny tena Kristianina rehetra, araka ny Asan’ny Apostoly 5:27-29? Ary ahoana no anahafantsika an-dry zareo?
4 Ohatra tsara ny apostoly. Nanaraka ny modely nomeny ny tena Kristianina rehetra nanomboka tamin’izay, dia nanaiky hoe ‘Andriamanitra no mpitondra an-dry zareo, ka izy no tsy maintsy ankatoaviny fa tsy olona.’ (Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:27-29.) Rehefa avy nokapohina ny apostoly satria tsy nanaiky hivadika, dia niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. ‘Faly izy ireo satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho [ny anaran’i Jesosy].’ Dia notohizany foana ny fitoriany!—Asa. 5:40-42.
5. Inona avy ny fanontaniana mila valiantsika?
5 Mety hisy hanontany tena rehefa mahita ny modelin’ireo apostoly ireo hoe: ‘Mifanaraka amin’ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe “manaiky ny manam-pahefana” ihany ve ny fanapahan-kevitry ry zareo hankatò an’Andriamanitra fa tsy olona? (Rom. 13:1) Ahoana no hahafahantsika “mankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana”, araka ny tenin’ny apostoly Paoly, nefa koa tsy hivadika amin’Andriamanitra, ilay Mpitondra ambony indrindra?’—Tit. 3:1.
“NY MANAM-PAHEFANA”
6. a) Iza ireo “manam-pahefana” resahin’ny Romanina 13:1, ary inona no adidintsika amin-dry zareo? b) Manao ahoana ny fahefan’ny mpitondra olombelona rehetra?
6 Vakio ny Romanina 13:1. Iza ireo “manam-pahefana” eo amin’io andininy io? Ny mpitondra fanjakana manana fahefana amin’ny hafa sy mifehy an-dry zareo. Manaiky an’ireo manam-pahefana ireo àry ny Kristianina. Ry zareo mantsy no mitandro ny filaminana, manao izay hampanan-kery ny lalàna, ary indraindray aza miaro ny vahoakan’i Jehovah. (Apok. 12:16) Nomena didy àry isika mba hanome an-dry zareo an’izay takiny, dia ny hetra, haba, tahotra, ary haja. (Rom. 13:7) Tsy ho nanana fahefana anefa ireo mpitondra ireo, raha tsy i Jehovah no nanome azy an’izany. Nataon’i Jesosy mazava tsara izany rehefa nanadihady azy i Pontio Pilato, governora romanina. Rehefa nilaza tamin’i Jesosy i Pilato hoe manana fahefana hitsimbina ny ainy na hamono azy ho faty, dia namaly i Jesosy hoe: “Tsy ho nanana fahefana tamiko mihitsy ianao, raha tsy nomena anao avy tany ambony izany.” (Jaona 19:11) Voafetra hoatran’ny an’i Pilato ihany ny fahefan’ny mpitondra fanjakana sy mpanao politika rehetra amin’izao.
7. Rahoviana isika no tsy tokony hankatò ny mpitondra olombelona, ary inona no tokony ho fantatr’izy ireo?
7 Manaiky ny mpitondra ny Kristianina, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny lalàn’izy ireo. Tsy afaka mankatò olombelona anefa isika, raha mitaky zavatra raran’Andriamanitra ry zareo, na mandrara an’izay takin’Andriamanitra. Mety hasain-dry zareo hiady ao amin’ny tafika, ohatra, ny tovolahy.c Na mety horarany ny Baibolintsika sy ny boky sy gazetintsika, ary tsy avelany hitory sy hivory isika. Rehefa manampatra ny fahefany ny mpitondra, ohatra hoe manenjika ny mpianatr’i Kristy, dia tsy maintsy hataon’Andriamanitra ampamoaka ry zareo. Mandinika an’izay ataony mantsy i Jehovah!—Mpito. 5:8.
8. Inona no tsy mampitovy an’i Jehovah sy ny mpitondra olombelona? Ary nahoana izany no mila fantatsika?
8 Marina fa manana fahefana ny mpitondra olombelona, kanefa tsy manana fahefana fara tampony ry zareo. I Jehovah Andriamanitra ihany no manana ny fahefana ambony indrindra. Inefatra izy ao amin’ny Baiboly no antsoina hoe ‘ilay Andriamanitra Fara Tampony.’—Dan. 7:18, 22, 25, 27.
‘ILAY FARA TAMPONY’
9. Inona no hitan’i Daniela mpaminany tao amin’ny fahitana?
9 Hitan’i Daniela mpaminany tao amin’ny fahitana hoe manana fahefana ambony lavitra noho ny manam-pahefana rehetra i Jehovah. Nahita biby ngezabe efatra izy. Mifanitsy amin’ireo firenena matanjaka taloha izy ireo, dia i Babylona, Media-Persa, Gresy, ary Roma, sy amin’ilay firenena matanjaka amin’izao dia ny Anglisy-Amerikanina. (Dan. 7:1-3, 17) Taorian’izay i Daniela dia nahita an’i Jehovah Andriamanitra nipetraka teo amin’ny toerana fitsarany tany an-danitra. (Dan. 7:9, 10) Nahita zavatra hafa io mpaminany tsy nivadika io avy eo, ary fampitandremana ho an’ny mpitondra amin’izao izany.
10. Omen’i Jehovah an’iza ny fahefana hifehy ny tany, araka ny Daniela 7:13, 14, 27? Ary inona no asehon’izany?
10 Vakio ny Daniela 7:13, 14, 27. Esorin’Andriamanitra amin’ny mpitondra olombelona ny fahefana rehetra, dia omeny an’izay mendrika kokoa sy mahery kokoa. Iza no omeny an’izany? I Jesosy Kristy, ilay “hoatran’ny zanak’olona”, sy “ny olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony”, dia ireo 144 000 izay hanjaka “mandrakizay mandrakizay.” (Dan. 7:18) Mazava àry fa i Jehovah ‘ilay Andriamanitra Fara Tampony’, satria izy irery ihany no manana fahefana hanao an’izany.
11. Inona koa no nosoratan’i Daniela momba ny fahefana fara tampony ananan’i Jehovah amin’ireo firenena?
11 Mifanaraka amin’ny zavatra nolazain’i Daniela talohan’izay ny zavatra hitany. Nilaza izy fa ‘manongana mpanjaka sy mametraka mpanjaka eo amin’ny toerany, ilay Andriamanitry ny lanitra.’ Hoy koa izy: “Ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.” (Dan. 2:19-21; 4:17) Efa nisy fotoana ve i Jehovah nanongana mpanjaka sy nametraka mpanjaka teo amin’ny toerany? Ie!
12. Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’izy nanongana mpanjaka taloha? (Jereo ny sary.)
12 Nasehon’i Jehovah mazava tsara hoe ny fahefany no ambony indrindra, raha oharina amin’ny an’ny “manam-pahefana.” Andao isika handinika ohatra telo. Nandevozin’i Faraon’i Ejipta ny vahoakan’i Jehovah, ary imbetsaka izy no tsy nety nanafaka an-dry zareo. Nafahan’Andriamanitra anefa ny vahoakany, ary nataony maty an-drano tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao. (Eks. 14:26-28; Sal. 136:15) Nisy fotoana koa i Belsazara mpanjakan’i Babylona nanao fanasam-be, dia “nanandra-tena hanohitra ny Tompon’ny lanitra.” Dia ‘ireo andriamanitra volafotsy sy volamena no noderainy’, fa tsy i Jehovah. (Dan. 5:22, 23) Naetrin’Andriamanitra anefa io lehilahy nanambony tena io. Nisy namono i Belsazara “tamin’iny alina iny ihany”, ary nomena ny Medianina sy ny Persianina ny fanjakany. (Dan. 5:28, 30, 31) I Heroda Agripa I, mpanjakan’i Palestina, indray nampamono ny apostoly Jakoba. Nogadrainy koa ny apostoly Petera satria tiany hovonoina. Tsy navelan’i Jehovah hanatanteraka ny teti-dratsiny anefa i Heroda. ‘Namely azy ny anjelin’i Jehovah’ dia maty izy.—Asa. 12:1-5, 21-23.
13. Ahoana no nataon’i Jehovah mba handresena mpitondra maromaro mitambatra?
13 Efa nasehon’i Jehovah koa hoe ny fahefany no ambony indrindra, raha oharina amin’ny an’ny mpitondra maromaro mitambatra. Nisy mpanjaka kananita 31, ohatra, nanao fifanekena hiady tamin’ny Israely. Niady ho an’ny vahoakany anefa i Jehovah, dia vitan-dry zareo ny nandripaka an’ireo mpanjaka ireo, ary azony ny ampahany lehibe tamin’ny Tany Nampanantenaina. (Jos. 11:4-6, 20; 12:1, 7, 24) Nampian’i Jehovah koa ny Israelita handresy tanteraka an’i Beni-hadada Mpanjaka sy ireo mpitondra syrianina 32 niady tamin-dry zareo.—1 Mpanj. 20:1, 26-29.
14-15. a) Inona no nolazain’i Nebokadnezara sy Dariosy momba ny fitondran’i Jehovah? b) Inona no nolazain’ny mpanao salamo momba an’i Jehovah sy ny fireneny?
14 Efa imbetsaka i Jehovah no nanaporofo hoe izy ilay Andriamanitra Fara Tampony. Nisy fotoana i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona nirehareha ny amin’ny ‘tanjaky ny heriny sy ny voninahiny lehibe.’ Tsy mba nanetry tena izy ka niaiky hoe i Jehovah irery ihany no mendrika hoderaina, dia nataon’Andriamanitra lasa adala izy. Rehefa sitrana i Nebokadnezara, dia “nidera an’ilay Avo Indrindra”, sady niaiky fa “fitondrana mandrakizay” ny fitondran’i Jehovah, ary “tsy misy mahasakana azy.” (Dan. 4:30, 33-35) Mariho koa izay nolazain’i Dariosy Mpanjaka, rehefa noporofoin’i Daniela hoe tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy ary nafahan’i Jehovah avy tao amin’ny lavaky ny liona. Izao no nolazainy: “Tokony hangovitra sy hatahotra an’ilay Andriamanitr’i Daniela ny olona ... Fa izy no Andriamanitra velona sy maharitra mandrakizay. Tsy ho rava mihitsy ny fanjakany, ary maharitra mandrakizay ny fitondrany.”—Dan. 6:7-10, 19-22, 26, 27.
15 Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Ataon’i Jehovah tsy mahomby ny tetik’ireo firenena; ataony tsy tanteraka ny fikasan’ny vahoaka.” Hoy koa izy: “Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny vahoaka nofidiny ho fananany.” (Sal. 33:10, 12) Tsy hitanao hoe antony tsara tsy hivadihana amin’i Jehovah ve izany?
ILAY ADY FARANY
16. Inona no atokisantsika mandritra ny “fahoriana lehibe”, ary nahoana? (Jereo ny sary.)
16 Hitantsika teo izay nataon’i Jehovah tamin’ny lasa. Ary inona no antenaintsika atsy ho atsy? Matoky isika fa hamonjy ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah mandritra ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21; Dan. 12:1) Hanao an’izany izy rehefa manafika an’izay rehetra tsy mivadika aminy eran-tany ny firenena maro mitambatra, izany hoe i Goga avy any Magoga. Na dia hivondrona daholo aza ireo mpikambana 193 anisan’ny Firenena Mikambana, dia mbola tsy hisy dikany raha oharina amin’ilay Andriamanitra Fara Tampony sy ny tafiny any an-danitra! Mampanantena mantsy i Jehovah hoe: “Izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Tena homeko voninahitra sy hohamasiniko ny tenako, ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.”—Ezek. 38:14-16, 23; Sal. 46:10.
17. Inona no lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny mpanjakan’ny tany sy ireo tsy mivadika amin’i Jehovah?
17 Ny fanafihan’i Goga no hitarika ho amin’ilay ady farany, izany hoe ny Aramagedona. Handringana ny “mpanjakan’ny tany manontolo” i Jehovah amin’izay. (Apok. 16:14, 16; 19:19-21) “Ny olo-marina ihany [kosa] no honina eto an-tany, ary ny tsy mivadika no hipetraka eto foana.”—Ohab. 2:21, f.a.p.
TSY TOKONY HIVADIKA MIHITSY ISIKA
18. Vonona hanao inona ny Kristianina maro ary nahoana? (Daniela 3:28)
18 Be dia be hatramin’izay ny tena Kristianina vonona higadra sy hamoy ny ainy mihitsy aza, noho ry zareo tia an’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Tapa-kevitra ny tsy hivadika ry zareo. Hoatr’izany mihitsy ireo Hebreo telo lahy. Tsy nanaiky hivadika tamin’ilay Andriamanitra Fara Tampony izy ireo, ka novonjeny tsy ho faty na dia natsipy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay aza.—Vakio ny Daniela 3:28.
19. Inona no hitsaran’i Jehovah ny vahoakany, ary inona no tsy maintsy ataontsika dieny izao?
19 Nilaza i Davida mpanao salamo fa tena zava-dehibe ny tsy mivadika amin’Andriamanitra. Izao no nolazainy: “Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah. Jehovah ô, tsarao araka ny fahamarinako sy ny tsy fivadihako aho.” (Sal. 7:8) Hoy koa izy: “Ho voaro anie aho satria tsy mivadika sady manao izay mahitsy.” (Sal. 25:21) Ny fomba fiaina tsara indrindra àry dia hoe tsy mivadika amin’i Jehovah sy tsy manaiky hiala aminy mihitsy, na inon-kidona na inon-kihatra! Raha manao an’izany isika dia hahatsapa hoatran’ilay mpanao salamo, izay niteny hoe: “Sambatra izay tsy mivadika ... dia izay mankatò ny lalàn’i Jehovah.”—Sal. 119:1, f.a.p.
HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!
a Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly mba hankatò ny manam-pahefana, izany hoe ny mpitondra fanjakana. Hita be hoe manohitra an’i Jehovah sy ny mpanompony anefa ny sasany amin’izy ireny. Ahoana àry no ahafahantsika mankatò ny mpitondra fanjakana, nefa koa tsy mivadika amin’i Jehovah?
b FANAZAVANA: Ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah dia hoe tsy manaiky hiala aminy mihitsy sady manohana ny zony hitondra foana, na dia rehefa iharam-pitsapana aza.
c Jereo ato ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Isika no Tsy Tokony Hiady na dia Niady aza ny Israelita?”