Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny nidiran’i Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema
NY AMPITSO maraina, ny alahady fahasivy Nisana, dia nandao an’i Betania i Jesosy sy ireo mpianany ary nandeha ho any amin’ny Tendrombohitra Oliva teo akaikin’i Jerosalema. Rehefa afaka fotoana fohy dia nanakaiky an’i Betifaga izy ireo, teo ambonin’ny Tendrombohitra Oliva. Nanome izao baiko izao ho an’ny roa tamin’ireo mpianany i Jesosy:
“Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento atỳ amiko. Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: misy raharaha analan’ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’izay izy.”
Na dia tsy takatr’ireo mpianatra aza tamin’ny voalohany fa nifandray tamin’ny fanatanterahana ny faminanian’ny Baiboly iray izany baiko izany, tatỳ aoriana kosa dia takany izany. Nanambara mialoha ny mpaminany Zakaria fa hitaingina boriky, “dia zana-boriky tanora”, hiditra ao Jerosalema, ilay Mpanjaka nampanantenain’Andriamanitra. Nitaingina zana-boriky tahaka izany koa i Solomona Mpanjaka rehefa handeha hosorana ho mpanjaka.
Rehefa tonga tao Betifaga ireo mpianatra ary naka ilay zana-boriky sy ny reniny dia hoy ny sasany tamin’ireo nitsangana teo: “Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?” Kanefa rehefa nanazava ireo mpianatra fa nilain’ny Tompo ireo biby dia navelan’ireo olona izy hitondra azy any amin’i Jesosy. Nataon’ireo mpianatra teo ambonin’ilay boriky sy ny zanany ny lambany, fa ilay zana-boriky no nitaingenan’i Jesosy.
Nandeha nanatona an’i Jerosalema i Jesosy ary nihamaro ny vahoaka. Namelatra ny lambany teny amin’ny lalana ny ankamaroan’ny olona, fa ny sasany kosa nanapaka rantsan-kazo avy teny amin’ny hazo ary namelatra izany teny amin’ny lalana. “Isaorana [Hotahina, MN ] anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!” hoy ny kiakiakan’izy ireo. “Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!”
Tezitra noho ireo antsoantso ireo ny Fariseo sasany niaraka tamin’ny vahoaka ka nitaraina tamin’i Jesosy hoe: “Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.” Fa namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.”
Raha nihananakaiky an’i Jerosalema i Jesosy, dia nahita ilay tanàna ary nanomboka nitomany azy ka nanao hoe: “Raha mba nahafantatra mantsy hianao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! — fa ankehitriny miafina amin’ny masonao izany.” Noho ny tsy fankatoavany an-tsitrapo, i Jerosalema dia tsy maintsy mandoa ny vidiny, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha:
“Ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao [ireo Romana teo ambanin’ny fitarihan’ny Jeneraly Titosy] tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina, ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao.” Io fandringanana an’i Jerosalema nambaran’i Jesosy mialoha io dia nitranga 37 taona taorian’izay, tamin’ny taona 70 al. fan. ir.
Herinandro vitsivitsy monja talohan’izay, dia maro be tamin’ireo vahoaka no nahita an’i Jesosy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Izao izy ireo dia tsy nitsahatra nitantara io fahagagana io tamin’ny hafa. Koa rehefa niditra an’i Jerosalema àry i Jesosy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra. Ta-hahafantatra ny olona hoe: “Iza moa izao?” Ary ny vahoaka dia namaly nilaza hoe: “Izao no Jesosy mpaminany, Izay avy any Nazareta any Galilia!” Raha nahita izany zava-nitranga izany ireo Fariseo, dia nalahelo satria tsy afa-nanao na inona na inona mihitsy, ka nilaza hoe: “Efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao”.
Toy ny fanaony isaky ny nitsidika an’i Jerosalema izy, dia nankany amin’ny tempoly i Jesosy mba hampianatra. Tany dia nanatona azy ireo jamba sy kilemaina, ary dia nositraniny! Nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga nataon’i Jesosy sy ny ankizy madinika teo amin’ny tempoly niantsoantso hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!”, dia tezitra izy. “Renao va izay lazain’ireo?” hoy ny fanoherana nataony.
“Eny,” hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’?”
Notohizin’i Jesosy ny fampianarany, ary nijery ireo zavatra rehetra nanodidina azy tao amin’ny tempoly izy. Tsy ela dia hariva ny andro. Koa dia lasa niaraka tamin’ireo 12 lahy izy, hiverina ho any Betania, tany amin’ny telo kilaometatra teo ho eo. Nijanona tao izy ny alahady alina, azo inoana fa tao amin’ny tranon’i Lazarosy namany. Matio 21:1-11, 14-17; Marka 11:1-11; Lioka 19:29-44; Jaona 12:12-19; Zakaria 9:9.
◆ Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa no nidiran’i Jesosy tao Jerosalema toy ny Mpanjaka?
◆ Zava-dehibe ve ny nankalazan’ny vahoaka an’i Jesosy?
◆ Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy rehefa nahita an’i Jerosalema izy, ary faminaniana inona no notononiny?
◆ Inona no nitranga rehefa nankany amin’ny tempoly i Jesosy?