Marina ve ny Tantara Araka ny Baiboly?
MILAZA ny marina aho, fa tsy mandainga”, hoy ny mpanoratra Baiboly iray tamin’ny sakaizany tanora. (1 Timoty 2:7). Mahatonga fihaikana ho an’ireo mpanakiana ny Baiboly ny fitenenana toy izany ao amin’ireo taratasin’i Paoly.a Maherin’ny 1 900 taona izay no lasa hatramin’ny nanoratana ireo taratasin’i Paoly. Taorian’izany fotoana rehetra izany, dia tsy nisy olona nanolo-kevitra ary nanaporofo tamim-pahombiazana ny amin’ny hevitra tsy marina na dia iray aza tao amin’ireo taratasiny.
Nampiseho fiahiana ny amin’ny fahamarinana koa i Lioka mpanoratra Baiboly. Izy dia nitana an-tsoratra fitantarana ny amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany izay narahin’ilay fitantarana nataony antsoina hoe Asan’ny Apostoly. “Nofotorako tsara [“tamim-pahamarinana”, NW ] ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany”, hoy ny nosoratan’i Lioka. — Lioka 1:3.
Fanambarana marina
Nanohitra ny fahamarinan’ny tenin’i Lioka amin’ny maha-mpanoratra tantara azy ireo mpanakiana ny Baiboly tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19. Ambonin’izany, dia nilaza izy ireo fa ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia noforomporonina teo antenatenan’ny taonjato faharoa am.f.i. Iray amin’ireo nino izany ilay arkeology britanika atao hoe Sir William Mitchell Ramsay. Rehefa avy namotopototra ny amin’ireo anarana sy toerana notononin’i Lioka anefa izy, dia nibaboka toy izao: “Niaiky tsikelikely aho fa, tao amin’ireo tsipiriany samihafa, ilay fitantarana dia nampiseho fahamarinana nahatalanjona.”
Rehefa nanoratra ilay etsy ambony i Ramsay, dia nitoetra ho tsy voalamina ny ady hevitra iray momba ny fahamarinan’ny tenin’i Lioka. Izany dia nahakasika ireo tanànan’i Ikonioma sy i Lystra ary i Derbe izay nifandray akaiky. Nilaza tsy nivantana i Lioka fa i Ikonioma dia niavaka tamin’i Lystra sy i Derbe, tamin’ny filazalazana ireto farany ho “tanàna any Lykaonia”. (Asan’ny Apostoly 14:6). Araka ny asehon’ilay sarintany manaraka eto anefa, dia akaiky kokoa an’i Ikonioma, raha oharina amin’i Derbe, i Lystra. Nilazalaza an’i Ikonioma ho anisan’i Lykaonia ny mpanoratra tantara fahiny sasany; noho izany, dia nanohitra an’i Lioka ho tsy nanao toy izany koa ireo mpanakiana.
Avy eo, tamin’ny 1910, i Ramsay dia nahita tsangambato iray tao amin’ireo sisan-javatra tsy rava tamin’i Ikonioma. Nasehon’ilay tsangambato fa ny fiteny tao amin’io tanàna io dia fryziana fa tsy lykaoniana. “Misy soratra maro hafa ao Ikonioma sy ny manodidina azy manaporofo fa, ara-pirazanana, dia azo lazalazaina ho fryziana ilay tanàna”, hoy ny Dr. Merrill Unger ao amin’ny bokiny hoe Archaeology and the New Testament. Marina tokoa fa ilay Ikonioma tamin’ny andron’i Paoly dia fryziana teo amin’ny kolontsaina, ary niavaka tamin’ireo “tanàna any Lykaonia” izay nisy olona niteny “ny fitenin’i Lykaonia”. — Asan’ny Apostoly 14:6, 11.
Niady hevitra koa ireo mpanakiana ny Baiboly ny amin’ny nampiasan’i Lioka ilay teny hoe “politarque” mba hilazana ireo lehiben’ny tanànan’i Tesalonika. (Asan’ny Apostoly 17:6, fanamarihana ambany pejy, NW ). Tsy fantatra tao amin’ny haisoratra grika io fitenenana io. Avy eo, dia hita tao amin’ilay tanàna tranainy ny andohalambo iray izay nitondra ny anaran’ireo lehiben’ny tanàna nolazalazaina ho “politarque” — tena ilay teny nampiasain’i Lioka mihitsy. “Ny fahamarinan’ny tenin’i Lioka dia voamarin’ny fampiasana ilay teny”, hoy ny fanazavan’i W. E. Vine ao amin’ny Expository Dictionary of Old and New Testament Words.
Dia an-dranomasina nataon’i Lioka
Nisy manam-pahaizana manokana momba ny sambo nandinika ireo tsipiriany tamin’ilay faharendrehan-tsambo voalazalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-27. Araka ny filazan’i Lioka, ilay sambo lehibe niondranan’izy sy i Paoly dia azon’ny rivo-mahery avy tany avaratra atsinanana teo akaikin’ny nosy kelin’i Kaoda, ary natahotra ny ho voatarika tany amin’ireo fasika mandrevo nampidi-dozan’ny morontsiraka avaratr’i Afrika ireo tantsambo. (Asan’ny Apostoly 27:14, 17, fanamarihana ambany pejy, NW ). Tamim-pahaiza-mamily sambo, dia vitan’izy ireo ny nitondra ilay sambo lavitra an’i Afrika, tamin’ny lalana niankandrefana. Nitohy tsy nijanona ilay rivo-mahery, ary farany ilay sambo dia nanatona ny morontsiraky ny nosy Melita, nahavita halaviran-dalana teo amin’ny 870 kilaometatra teo ho eo. Notombanan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny sambo fa mila 13 andro mahery ny sambo lehibe iray mandeha ao anatin’ny rivo-mahery mba ho lasa lavitra toy izany. Ny asa marika nataon’izy ireo dia mifanaraka amin’ny fitantaran’i Lioka, izay milaza fa ilay faharendrehan-tsambo dia nitranga tamin’ny andro faha-14. (Asan’ny Apostoly 27:27, 33, 39, 41). Rehefa avy namotopototra ny amin’ireo tsipiriany rehetra tamin’ilay dia an-dranomasina nataon’i Lioka i James Smith, mpitondra sambo madinika, dia nanao izao fanatsoahan-kevitra izao: “Fitantarana zava-nitranga tena nisy izy io, nosoratan’ny olona iray tena tafiditra manokana tamin’izany (...) Tsy misy olona tsy tantsambo ho afaka nanoratra fitantarana dia an-dranomasina iray mifanaraka aoka izany eo amin’ny tapany rehetra, raha tsy avy amin’ny zavatra nodinihina tena nisy.”
Noho ny fahitan-javatra toy izany, dia vonona hiaro ny Soratra Grika Kristiana ho tantara marina ny teolojiana sasany. Ahoana anefa ny amin’ny tantara taloha kokoa hita ao amin’ny Soratra Hebreo? Misy mpitondra fivavahana maro manaiky ny filozofia maoderina ary milaza fa mirakitra angano izy io. Tsipirian-javatra maromaro momba ny tantara taloha araka ny Baiboly anefa no voamarina koa, ka mahasanganehana ireo mpanakiana. Diniho, ohatra, ny fahitana voalohany ilay Empira Asyriana hadino taloha.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa ny Romana 9:1; 2 Korintiana 11:31; Galatiana 1:20.
[Sarintany, pejy 3]
(Jereo ny gazety)
FRYZIA
LYKAONIA
Ikonioma
Lystra
Derbe
RANOMASINA MEDITERANE
KYPROSY