Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ataoko mba Handraisan’ny Tenako Mihitsy ny Fahamarinana?
“Notezaina tao amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nihevitra foana aho fa ny olona notezaina toy izany, dia tena mahafantatra an’i Jehovah. Diso hevitra anefa aho!” — Antoinette.
“INONA no marina?” I Pontio Pilato, ilay lehilahy nanolotra an’i Jesosy hovonoina, no nametraka io fanontaniana malaza io. (Jaona 18:38). Hita taratra ao amin’io fanontaniana io anefa ny tsy finoan’i Pilato, ary niharihary fa ny hamarana, fa tsy ny hanomboka fifanakalozan-kevitra amim-pahatsorana, no nokendreny tamin’izy io. Tsy liana mihitsy tamin’ny ‘fahamarinana’ izy. Ary ahoana ny aminao? Liana amin’ny fahamarinana ve ianao?
Efa taonjato maro izao no nisaintsainan’ireo filôzôfa momba ny atao hoe fahamarinana, nefa zara raha nisy vokany ny ezaka nataon’izy ireo. Afaka mahita ny valin’ilay fanontanian’i Pilato anefa ianao. Nampianatra mantsy i Jesosy Kristy fa ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. Nilaza ny tenany ho ny “fahamarinana” koa izy. Ary nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: ‘Ny fahamarinana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy.’ (Jaona 1:17; 14:6; 17:17). Nantsoina hoe “ny fahamarinana” na “ny fahamarinan’ny filazantsara” koa àry ny fitambarana manontolon’ireo fampianarana kristianina, izay nanjary anisan’ny Baiboly tatỳ aoriana. (Titosy 1:14; Galatiana 2:14; 2 Jaona 1, 2). Voafaoka amin’izany fampianarana kristianina izany ny anarana manokan’Andriamanitra, ny fiorenan’ny Fanjakany, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny avotr’i Jesosy. — Salamo 83:18; Matio 6:9, 10; 20:28; Jaona 5:28, 29.
Tanora an’arivony maro no nampianarin’ny ray aman-dreniny kristianina fahamarinana ara-baiboly. Midika ve anefa izany fa ‘mandeha araka ny fahamarinana’ ireny tanora ireny? (3 Jaona 3, 4). Tsy voatery ho izany. I Jennifer, ohatra, izay 20 taona, dia notezaina tao amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no tsaroany: “Nentin’ny reniko tany amin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelona aho, ary nanipy hevitra tsy nivantana tamiko izy hoe tokony hisaintsaina ny hatao batisa aho. Hoy anefa aho anakampo hoe: ‘Tsy te ho tonga Vavolombelona mihitsy aho. Ny hany iriko dia ny hampifalifaly ny tenako!’ ”
Mino ny zavatra nampianarina azy ny tanora sasany, saingy tsy nampitombo fahatakarana lalina izay zavatra tena ampianarin’ny Baiboly izy ireny. Inona no loza amin’izany? Nampitandrina i Jesosy fa misy olona sasany “tsy manam-paka ao anatiny”. Mety ‘haharitra vetivety foana [ny olona toy izany]; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy’. (Marka 4:17). Ny hafa mety hahay hanazava ihany ny zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly, nefa tsy nanjary nahalala manokana an’Andriamanitra izy ireo. Hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Aneesa: “Tsy tena nanana fifandraisana tamin’i Jehovah aho, tamin’izaho mbola kely kokoa ... Heveriko fa niankina indrindra indrindra tamin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreniko taminy izany.”
Ahoana ny aminao amin’io lafiny io? Andriamanitry ny ray aman-dreninao fotsiny ve i Jehovah? Sa, toy ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly, dia afaka milaza ianao hoe: “Izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao”? (Salamo 31:14). Mety hilana herim-po ny fiekena ny tena zava-misy. Nilaza toy izao ny tovolahy iray antsoina hoe Alexander: “Amiko, dia ny fandinihan-tena amim-pahatsorana no dingana voalohany.” Rehefa avy nandini-tena ianao, dia mety hanjary hahatakatra fa tsy tena nanaporofo ny mahamarina ny fahamarinana (ny fitambarana manontolon’ny fampianarana kristianina) mihitsy ianao. Mety tsy tena hiaiky mafy ianao, hany ka mety ho toa tsy misy zava-kendrena ny fiainanao, ary toa tsy hitanao mazava izay hitondrana azy.
Misy hira iray mitondra ny lohateny hoe “Raiso ny Marina”a hirain’ny Vavolombelon’i Jehovah matetika any amin’ireo fivoriana kristianina ataony. Mety ho sahaza anao koa izany torohevitra izany. Ahoana anefa no anaovana izany? Amin’inona no hanombohanao azy?
Porofoy ny mahamarina ny fahamarinana
Ao amin’ny Romana 12:2 (NW ) isika dia mahita izao torohevitry ny apostoly Paoly izao: ‘Ny tenanao mihitsy no aoka hanamarina fa tsara sy azo ekena ary lavorary ny sitrapon’Andriamanitra.’ Ahoana indrindra anefa no azonao anaovana izany? Amin’ny fahazoana “fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”. (Titosy 1:1, NW ). Tsy nanaiky befahatany ny zavatra reny ireo mponina fahiny tao amin’ny tanànan’i Beria. Mifanohitra amin’izany kosa fa “nandinika ny Soratra Masina isan-andro [izy ireo], na marina izany [ny zavatra nianarany], na tsia”. — Asan’ny Apostoly 17:11.
Hitan’ny tanora kristianina iray antsoina hoe Erin fa nila nanao toy izany koa ny tenany. Izao no tsaroany: “Nanao fikarohana aho. Nanontany tena aho hoe: ‘Ahoana no ahafantarako fa io no fivavahana marina? Ahoana no ahafantarako fa misy Andriamanitra antsoina hoe Jehovah?’ ” Nahoana moa raha manomboka manao ny fandaharam-potoananao amin’ny fianarana manokana? Azonao atao ny manomboka amin’ilay boky miorina amin’ny Baiboly hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.b Vakio amim-pitandremana izy io. Jereo avokoa ny andinin-teny voatonona rehetra, ary mariho ny fomba ifandraisany amin’izay voambara. Mety ho gaga ianao hahita fa hafa be mihitsy ny fiheveranao ny fahamarinana rehefa tonga “mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana”, ianao! — 2 Timoty 2:15.
Nilaza ny apostoly Petera fa “saro-pantarina” ny zavatra sasany ao amin’ny Baiboly, ary ho hitanao fa marina izany. (2 Petera 3:16). Ny fanahin’Andriamanitra anefa dia afaka manampy anao hahatakatra na dia foto-kevitra sarotra aza. (1 Korintiana 2:11, 12). Mivavaha mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra rehefa misy zavatra tsy azonao. (Salamo 119:10, 11, 27). Miezaha hanao fikarohana fanampiny ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Mangataha fanampiana raha tsy hainao tsara ny fomba fanaovana izany. Afaka manampy anao ny ray aman-dreninao na angamba olona hafa matotra ao amin’ny kôngregasiôna kristianina.
Tadidio fa tsy hoe mba hahavaky vava ny hafa noho ny fahalalana anananao akory no antony ianaranao. Manazava toy izao ny tanora iray antsoina hoe Collin: “Manjary mahalala ireo toetran’i Jehovah ianao.” Makà fotoana hisaintsainana izay vakinao mba hilentika tsara ao am-ponao izany. — Salamo 1:2, 3.
Afaka manampy anao koa ny fifaneraserana amin’ny kôngregasiôna any amin’ireo fivoriana kristianina. Rehefa dinihina tokoa, dia “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” ny kôngregasiôna, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (1 Timoty 3:15). Mitaraina ny tanora sasany hoe tsy mahaliana ny fivoriana kristianina. “Raha tsy manomana ny fivoriana kosa aloha ianao, dia tsy handray soa firy avy aminy e!”, hoy ny fampahatsiahivan’i Collin. Koa manaova fanomanana. Mahaliana lavitra ireo fivoriana rehefa mpandray anjara ianao, fa tsy mpijery fotsiny.
Be atao loatra ve ka tsy afaka mianatra?
Marina aloha fa mety ho sarotra ho anao ny fahitana fotoana ianarana rehefa jerena ny habetsahan’ny devoara sy ny raharaha ao an-trano. Izao no nosoratan’ny tanora iray antsoina hoe Susan: ‘Nandritra ny taona maro, dia nisy ady mafy tato anatiko satria fantatro fa mila manomana fivoriana sy manao fianarana manokana aho. Na izany aza anefa, dia tsy nahavita nanao izany mihitsy aho.’
Nianatra ny ‘naka fotoana azo nohararaotina’ avy tamin’ny zavatra hafa tsy dia nanao ahoana loatra i Susan. (Efesiana 5:15, 16, NW ). Voalohany aloha, dia nanao lisitry ny zavatra rehetra nilainy hianarana izy. Avy eo, dia nanao fandaharam-potoana izy mba hianarana azy ireny. Nasiany fotoana ho amin’ny fanarian-dia anefa tao amin’ny fandaharam-potoanany. Nanoro hevitra toy izao izy: “Aza fenoina daholo ny fotoana malalaka rehetra. Mila fotoana hakana aina avokoa isika rehetra.” Mety handaitra aminao koa ny fananana fandaharam-potoana.
Zarao amin’ny hafa izay ianaranao
Tena manampy indrindra ny fampiasana izay ianaranao mba hahatafalentika azy tsara ao aminao. Miezaha mampianatra olon-kafa. Hoy ny mpanao salamo: “Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ny foko dia fahalalana.” — Salamo 49:3.
Raha tsy menatra noho ny vaovao tsara ianao, dia tsy hisalasala hizara azy io amin’ny mpiara-mianatra sy amin’olon-kafa mety ho sendra anao. (Romana 1:16). Raha hararaotinao ny fahafahana toy izany hiresaka ny fahamarinana amin’ny hafa, dia hampiasa izay nianaranao ianao; ary amin’izany fomba izany no hahatonga ny fahamarinana ho latsa-paka ao am-po sy ao an-tsainao.
Tandremo ny olona ifaneraseranao
Nanao fandrosoana ara-panahy tsara ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Tsy ela anefa dia voatery nanoratra ho azy ireo toy izao ny apostoly Paoly: “Iza no nisakana anareo tsy [hankato hatrany ny fahamarinana, NW ]?” (Galatiana 5:7). Zavatra mitovy amin’izany no nitranga tamin’ny tanora iray antsoina hoe Alex. Niaiky izy fa rava tsikelikely ny ezaka nataony mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra noho izy “nandany fotoana niarahana tamin’ny naman-dratsy”. Mba handrosoanao eo amin’ny ara-panahy dia mety hilainao koa ny mitondra fanovana sasantsasany eo amin’io lafiny io.
Mifanohitra amin’izany kosa fa tena afaka manampy anao mba handroso ny namana tsara. Hoy ny Ohabolana 27:17: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” Mitadiava àry olona halaina ho modely, izany hoe olona mampihatra ny fahamarinana eo amin’ny fiainany manokana. Mety tsy hila hitady lavitra ianao fa ao an-tokantranonao ao ihany. Izao no tsaroan’i Jennifer tanora: “I Dadabe no ohatra tsara indrindra ho ahy. Nandany adiny telo foana izy nanomanana ny fianaran’ny kôngregasiôna Baiboly ny alahady. Nojereny tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa avokoa ny andinin-teny rehetra ao amin’ilay fianarana. Nojereny tao amin’ny diksionerany koa ny dikan’ny teny. Mahay tsara zavatra izay tsy be mpahalala ao amin’ny Baiboly izy. Azonao anontaniana azy na zavatra inona na zavatra inona, fa hainy ny valiny.”
Raha ny tenanao mihitsy no mandray ny fahamarinana, dia hahazo fananana iray sarobidy ianao: zavatra izay tsy hatakalonao na inona na inona. Koa aza heverina mihitsy hoe “fivavahan’ny ray aman-dreniko” fotsiny ny fahamarinana. Tokony hiaiky toy ny mpanao salamo izay nilaza toy izao ianao: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Raha tena mahalala izay ampianarin’ny Baiboly ianao, sy mino izany, ary mizara ny finoanao amin’ny hafa, ary ambonin’ny zavatra rehetra, raha miaina mifanaraka amin’ireny zavatra inoanao ireny ianao, dia hasehonao fa ny tenanao mihitsy no nandray ny fahamarinana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nalaina avy tao amin’ilay boky fihirana hoe Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 13]
Porofoy ny mahamarina ny fahamarinana amin’ny fanaovanao fikarohana sy fianarana manokana