Ry Loholona — Areno Amin’ny Toe-tsaina Feno Fahalemem-panahy ny Hafa
AZO oharina amin’ny saha ara-panahy iray mamokatra voa tsara dia tsara ny fon’ny Kristiana marina iray. Ho ara-dalàna ny hiroboroboan’ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena, ao aminy. Ary nahoana moa no tsy ho izany no ho hita ao? Rehefa dinihina tokoa, dia ireo no vokatry ny fanahy masina omen’i Jehovah Andriamanitra an’ireo mpanompony nanolo-tena. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Kanefa, ny Kristiana rehetra maniry ny hihazona ny sahan’ny fony ho toerana hahafaly ny Rainy any an-danitra dia tsy maintsy manao ady mafy sady mitohy amin’ireo voka-dratsin’ny ota nolovana azo oharina amin’ny ahi-dratsy. — Romana 5:5, 12.
Indraindray dia misy zavatra tsy dia irina manomboka maniry ao amin’ny fo tsy tanteraky ny olona iray tia an’Andriamanitra. Mety ho nanana fiainana ara-panahy faran’izay tsara izy. Kanefa izao dia mipoitra ny zava-manahirana, angamba noho ny fifaneraserana tsy mahasoa na ny fanapahan-kevitra tsy nampiseho fahendrena. Ahoana no ahafahan’ireo loholon’ny kongregasiona manampy ny olona toy izany eo amin’ny ara-panahy?
Torohevitra avy amin’ny apostoly
Rehefa manampy ny Kristiana iray naniasia ireo loholona, dia mila ny manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Ry rahalahy, na dia manao fahadisoana alohan’ny hahalalany izany aza ny lehilahy iray, dia iezahonareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina, harenina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izany lehilahy izany, sady hevero ny tenanao manokana, fandrao ianao koa mba halaim-panahy.” (Galatiana 6:1, NW ). Rehefa nanao “fahadisoana alohan’ny hahalalany izany” ny mpiray finoana aminy iray, dia manana andraikitra hanolotra fanampiana haingana araka izay azony atao ireo loholona.
Miresaka ny amin’ny “lehilahy iray” manao fahadisoana i Paoly. Kanefa ilay teny grika (anʹthro·pos) ampiasaina eto dia afaka manondro lehilahy na vehivavy. Ary inona no hevitry ny hoe “manarina” olona iray? Io teny grika io (ka·tar·tiʹzo) dia midika hoe “mamerina ho eo amin’ny laharana mety”. Ampiasaina amin’ny famboarana harato simba koa io teny io. (Matio 4:21). Ampiharina amin’ny famerenana ho amin’ny laoniny ny tongotra na tanana tapaka iray koa izy io. Manao izany amim-pitandremana ny dokotera mba tsy hampiharana fanaintainana tsy amin’ny antony amin’ilay marary. Toy izany koa, ny fanampiana rahalahy na anabavy iray mba hiverenany ho eo amin’ny laharana ara-panahy mety dia mitaky fitandremana, fahaiza-mandanjalanja ary fiantrana.
Ireo loholona dia manome porofo ny amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny tenany manokana amin’ny fanehoana toe-tsaina feno fahalemem-panahy rehefa miezaka hanarina olona iray. Azo antoka fa handamina raharaha toy izany amim-pahalemem-panahy i Jesosy izay nalemy fanahy. (Matio 11:29). Ireo loholona dia tokony haneho io toetra tsara io amin’ny mpanompon’i Jehovah iray izay nanao fahadisoana, satria ny tenan’izy ireo koa dia tsy hoe tsy ho azon’ny ota akory, na dia mifanohitra amin’ny fikasan’ny fony aza izany. Mety hitranga izany amin’ny hoavy, raha tsy efa nitranga mihitsy aza tamin’ny lasa.
Ireo lehilahy mahafeno ireo fepetra ara-panahy ilaina ireo dia tokony ‘hitondra izay mahavesatra’ mahazo ireo mpiara-manompo aminy. Eny, tena raisin’ireo loholona ao am-po tokoa ny hanampy ny rahalahy na anabavy iray mba hiady amin’i Satana, amin’ny fakam-panahy, amin’ireo fahalemen’ny nofo ary amin’ireo famelezan’ny ota. Izany dia tena fomba iray ‘hahatanterahan’ireo mpiandraikitra kristiana ny lalàn’i Kristy’. — Galatiana 6:2.
Ireo lehilahy manana ireo tena toetra ara-panahy ilaina dia manetry tena, noho ny fahatakarany fa “raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy”. (Galatiana 6:3). Na manao ahoana na manao ahoana fiezahana mafy ataon’ireo loholona mba hanaovana izay mahitsy sy mahasoa ny hafa, dia mbola tsy hahatratra ny toetran’ilay Zanak’Andriamanitra izay tanteraka sy be fiantrana amam-pitiavana, dia i Jesosy Kristy, ihany izy ireo. Izany anefa tsy antony tsy hiezahan’izy ireo hanao ny faran’izay mety ho vitany.
Fantatr’ireo loholona fa tsy hety ny hanamelohana ny mpiray finoana aminy iray amin’ny fihetsika feno avonavona sy miseho ho masina noho ny hafa rehetra! Azo antoka fa tsy hanao izany mihitsy i Jesosy. Izy aza nanolotra ny ainy, tsy ho an’ireo sakaizany ihany, fa na dia ho an’ireo fahavalony koa! Ireo loholona dia mitandrina mba haneho fitiavana toy izany rehefa miezaka hanampy ireo rahalahy na anabavy hiala amin’ny zava-manahirana iray ary hitarika azy ireo hanatona akaiky kokoa ny Rain’izy ireo any an-danitra sy ny fari-pitsipiny marina. Inona avy ny dingana sasantsasany izay hanampy ireo loholona mba hanarina ireo mpiara-manompo aminy?
Dingana mahasoa sasantsasany
Miantehera amin’i Jehovah amim-bavaka sady mitenena sy manaova zavatra amim-pahalemem-panahy. Nalemy fanahy i Jesosy, nivavaka mafy tamin’ilay Rainy any an-danitra mba hahazoana fitarihana, ary nanao izay sitrany mandrakariva. (Matio 21:5; Jaona 8:29). Tsy ho latsaka izany no tokony hataon’ireo loholona rehefa miezaka hanarina olona iray nanao fahadisoana izy ireo. Amin’ny maha-mpiandry lefitra malemy fanahy azy, ny loholona iray dia hampahery sy hampiorina rehefa miteny, fa tsy hampahatahotra. Mandritra ilay fifampiresahana, dia hiezaka izy hanorina rivo-piainana izay tsy hahasadaikatra ilay Kristiana mila fanampiana araka izay azo atao rehefa milaza ny heviny io. Mba hahatongavana ho amin’izany, ny vavaka fanokafana feno fahatsorana iray dia hitondra fanampiana be dia be. Ny olona iray omena torohevitra amim-pahalemem-panahy dia vonona kokoa ny hanokatra ny fony ho amin’izany, raha fantany fa maniry hanao izay sitrak’Andriamanitra, tahaka an’i Jesosy, ilay manome azy torohevitra. Ny fanaovana vavaka famaranana iray dia azo inoana fa hampifantoka ao an-tsain’ilay olona ny ilàny hampihatra ny torohevitra nomena azy tamin’ny fomba feno fitiavana sy fahalemem-panahy toy izany.
Aorian’ny vavaka, dia manomeza teny fiderana amim-pahatsorana. Mety hahakasika ireo toetra tsaran’ilay olona izany teny izany, ohatra ny hatsaram-panahiny, ny maha-azo ianteherana azy na ny fahazotoany. Mety ho azo resahina ny nanompoany an’i Jehovah tamim-pahatokiana, angamba tao anatin’ny taona maro. Amin’izany fomba izany, isika dia mampiseho fa miahy ny amin’ilay olona sady manam-piheverana azy, tahaka an’i Kristy. Nanomboka ny hafatra nomeny ho an’ny kongregasionan’i Tyatira tamin’ny teny fiderana i Jesosy, tamin’ny filazana hoe: “Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.” (Apokalypsy 2:19). Ireo teny ireo dia nanome toky an’ireo mpikambana tao amin’ilay kongregasiona fa fantatr’i Jesosy ny asa tsara dia tsara nataon’izy ireo. Na dia nisy tsininy aza ilay kongregasiona — noleferina teo anivony ny hery mitaonan’i “Jezebela” — dia nanao zavatra tsara tamin’ny lafiny hafa, ary nirin’i Jesosy ho fantatr’ireo rahalahy sy anabavy ireo fa tsy hoe tsy nisy nahita akory ny asa feno zotom-pon’izy ireo. (Apokalypsy 2:20). Amin’ny fomba mitovy amin’izany koa, ireo loholona dia tokony hanao teny fiderana rehefa mendrika ny hatao izany.
Aza mandray ny fahadisoana iray ho toy ny zava-dehibe kokoa noho ny tena izy. Tsy maintsy miaro ny andian’ondrin’Andriamanitra ireo loholona ary mihazona ny fandaminany ho madio. Kanefa ny fahadisoana ara-panahy sasany izay mitaky ny hanomezana torohevitra mafy dia azon’ny loholona iray na roa monja alamina, ka tsy ilana dingana ho fihainoana ara-pitsarana. Amin’ny toe-javatra maro, dia fahalemena amin’ny maha-olombelona, fa tsy ny haratsiam-panahy an-tsitrapo, no manosika ny Kristiana iray hanao fahadisoana. Tokony hitondra ny andian’ondry amim-panehoam-pitiavana ireo loholona ka hahatadidy izao manaraka izao: “Fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary ny famindrampo kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.” (Jakoba 2:13; Asan’ny Apostoly 20:28-30, NW ). Tsy hanitatra ilay raharaha hihoatra ny tena izy marina àry ireo loholona, fa tokony hifampiraharaha amim-pahalemem-panahy amin’ireo mpiray finoana aminy manenina, toy ilay Andriamanitsika be fiantrana sy famindram-po, dia i Jehovah. — Efesiana 4:32.
Manehoa fahatakarana ireo lafin-javatra izay nety ho nitarika ho amin’ilay fanaovana fahadisoana. Mila ny mihaino amim-pitandremana ireo loholona rehefa mamboraka ny ao am-pony ny mpiray finoana aminy. Koa satria ‘Andriamanitra tsy manao tsinontsinona ny fo torotoro’, dia tsy tokony hanao izany koa izy ireo. (Sal. 51:17). Angamba ny tsy fisian’ny fanohanan’ny vadiny eo amin’ny ara-pihetseham-po no fototr’ilay zava-manahirana. Ny fahaketrahana ara-tsaina mafy sy maharitra dia nety ho nikiky tsikelikely ny tanjaka ara-pihetseham-po lehibe nananan’ilay olona, na nety ho nahatonga ny fanaovana fanapahan-kevitra tamim-pahendrena ho faran’izay sarotra. Handinika ny lafin-javatra toy izany ny loholona be fitiavana, satria na dia nampirisika ny rahalahiny mba ‘hananatra izay tsy mitoetra tsara’ aza i Paoly, dia nampirisika toy izao koa izy: “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka, tohano ireo malemy, manehoa fahari-po amin’ny rehetra.” (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Na dia tsy tokony hampihem-bidy ny herin’ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra aza ireo loholona, dia tokony hihevitra ireo lafin-javatra afaka manamaivana ilay heloka kosa, tsy misy hafa amin’ny ataon’Andriamanitra. — Salamo 103:10-14; 130:3.
Aza manao izay hihenan’ny fahatsapan’ilay Kristiana namanao tena ho mendrika. Na oviana na oviana isika tsy ho tia ny hanala amin’ny rahalahintsika na anabavintsika ny fahamendrehany, na hanome hevitra fa tsy misy maha-mendrika azy. Ny toky omentsika fa ny tenantsika dia mino fa manana toetra tsara kristiana sy fitiavana an’Andriamanitra ilay olona, dia hampirisika azy kosa hanitsy ny fahadisoana iray. Ireo Korintiana, ohatra, dia azo inoana fa nahazo fampirisihana mba halala-tanana rehefa nilazan’i Paoly fa nireharehany tany amin’ny hafa ny ‘fahazotoan’izy ireo sy ny zotom-pony’ tamin’io lafiny io. — 2 Korintiana 9:1-3.
Asehoy fa azo resena ilay zava-manahirana amin’ny fitokiana amin’i Jehovah. Eny, miezaha amim-pahatsorana hanampy ilay olona hahita fa ny fitokiana amin’Andriamanitra sy ny fampiharana ny torohevitry ny Teniny dia hanampy ho amin’ilay fanarenana ilaina. Mba hahatongavana amin’izany, izay lazaintsika dia tsy maintsy miorina amin’ny Soratra Masina ary amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Roa sosona ny zava-kendrentsika: 1) hanampy ilay olona mila fanampiana mba hahita sy hahatakatra ny fomba fihevitr’i Jehovah, ary 2) hampiseho amin’ilay olona fa nisy nanadinoany na tsy nanarahany ireo torolalana avy amin’Andriamanitra ireo.
Ampiaraho amin’ny fanontaniana feno hatsaram-panahy nefa mivantana tsara ny torohevitra araka ny Soratra Masina. Mety handaitra tsara izany mba hanohinana ny fo. Tamin’ny alalan’i Malakia mpaminaniny, dia nampiasa fanontaniana iray i Jehovah mba hahatakaran’ny vahoakany fa nania izy ireo. “Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo?”, hoy izy. (Malakia 3:8). Ny tsy nanomezan’ny Isiraely ny fahafolon-karena tamin’ny vokatra azony, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy, dia toy ny fandrobana an’i Jehovah. Mba hanitsiana izany tarehin-javatra izany, dia nila ny niantsoroka ny adidiny teo amin’ny fanompoam-pivavahana marina ireo Isiraelita, tamin’ny fananana finoana fa hanome fitahiana tondraka azy ireo Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fanontaniana mahatonga hieritreritra sady maneho fiheverana, ireo loholona koa dia afaka manantitrantitra fa tafiditra amin’ny fanaovana izay mahitsy amin’izao andro izao ny fitokiana an’ilay Raintsika any an-danitra sy ny fankatoavana azy. (Malakia 3:10). Ny fampitana izany hevitra izany amin’ny fony dia hanampy be dia be ny rahalahintsika ‘hanao lala-mahitsy halehan’ny tongony’. — Hebreo 12:13.
Asongadino ireo soa azo avy amin’ny fanekena ilay torohevitra. Tafiditra ao amin’ny fanomezana torohevitra amin’ny fomba mandaitra ny fananarana momba ireo vokatry ny fanarahana lalan-diso ary koa ny fampahatsiahivana ireo soa azo avy amin’ny fanitsiana ny tarehin-javatra. Rehefa avy nanome fampitandremana nety i Jesosy, dia nanome toky ny kongregasionan’i Laodikia tsy niraika teo amin’ny ara-panahy fa, raha nibebaka tamin’ny lalana narahiny teo aloha izy ireo ka nanjary mpianatra be zotom-po, dia hahazo tombontsoa miavaka, anisan’izany ny fahatsinjovana ny hiara-manapaka aminy any an-danitra. — Apokalypsy 3:14-21.
Manehoa fiheverana amin’ny hoe narahina ve ilay torohevitra sa tsia. Toy ny dokotera mahay iray izay mijery indraindray raha mbola mipetraka tsara ny taolana iray naveriny tamin’ny laoniny, dia toy izany koa, ireo loholona dia tokony hiezaka hamantatra raha arahina ny torohevitra araka ny Soratra Masina nomeny. Mety ho azony atao ny hanontany tena hoe: Misy ilàna ny hanomezana fanampiana hafa koa ve? Tokony haverina indray ve ilay torohevitra, angamba amin’ny fomba hafa? Tsy maintsy namerimberina nanome torohevitra momba ny ilana fanetren-tena tamin’ny mpianany i Jesosy. Nandritra ny fotoana elaela ihany, dia niezaka tamim-paharetana ny hanarina ny fomba fihevitr’izy ireo izy tamin’ny alalan’ny torohevitra, ny fanoharana ary ny zava-mitranga anatsoahana fianarana. (Matio 20:20-28; Marka 9:33-37; Lioka 22:24-27; Jaona 13:5-17). Mitovy amin’izany koa, ireo loholona dia afaka manampy mba hahazoana antoka ny amin’ny fanarenana tanteraka ny rahalahy na anabavy iray. Hanao izany izy ireo amin’ny fandaminana fifampiresahana araka ny Soratra Masina fanampiny, ka ny zava-kendren’izany dia ny fandrisihana ny fandrosoan’ilay olona ho amin’ny fahasalamana ara-panahy tanteraka.
Manaova teny fiderana noho izay fihatsarana vita rehetra. Raha miezaka amim-pahatsorana mba hampihatra ny torohevitra araka ny Soratra Masina ilay nanao fahadisoana, dia anaovy teny fiderana amin-kafanam-po izy. Izany dia hanamafy ilay torohevitra nomena tany am-boalohany ary azo inoana fa hampirisika ny fisian’ny fihatsarana fanampiny. Ao amin’ny taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ireo Korintiana, dia voatery nanome azy ireo torohevitra mafy momba ny zavatra maromaro izy. Fotoana fohy taorian’ny nampahafantaran’i Titosy an’ilay apostoly ny amin’ny fihetsika faran’izay tsara nasehon’izy ireo teo anoloan’ilay taratasiny, dia nanoratra i Paoly mba hanaovana teny fiderana azy ireo. “Ary mifaly kosa aho ankehitriny”, hoy izy, “nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampalahelovina araka an’Andriamanitra hianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin’inona na amin’inona.” — 2 Korintiana 7:9.
Antony hifaliana
Eny, nifaly tokoa i Paoly rehefa nahare fa nanampy ireo Korintiana ny toroheviny. Mitovy amin’izany koa, ireo loholona amin’ny andro ankehitriny dia faly aoka izany rehefa miarina avy amin’ny fahadisoana iray ny mpiara-manompo aminy iray, noho ny fananana fihetsika tsara teo anoloan’ny fanampiana feno fitiavana avy tamin’izy ireo. Tena afaka mahita fahafinaretana marina izy ireo amin’ny fanampiana ny Kristiana manenina iray hamongotra avy ao am-pony ireo ahi-dratsy feno tsilon’ny ota mba hiroboroboan’ny vokatra tsara araka an’Andriamanitra ao.
Raha mahavita manarina olona iray nanao fahadisoana ireo loholona, dia mety hampiverina azy io avy amin’ny lalana iray izay ho nitondra loza ara-panahy tanteraka ho azy. (Ampitahao amin’ny Jakoba 5:19, 20, NW.) Mba hahazoana fanampiana toy izany, dia tokony haneho fankasitrahana amin’i Jehovah Andriamanitra ilay mandray fanampiana. Hety koa ny hanaovany teny maneho fankasitrahana marina ny fanampiana sy fiantrana ary fahatakarana feno fitiavana nasehon’ireo loholona. Ary rehefa tanteraka ny fiverenana ho amin’ny fahasalamana ara-panahy, dia afaka mifaly ny rehetra voakasik’izany fa natao tamin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy ilay fanarenana.