Fampitana hafatra eo amin’ny fanompoana kristiana
“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. — MATIO 28:19.
1. Fanirahana inona nomen’i Jesosy no milaza ny ilàna hampita hafatra?
NY FANIRAHAN’i Jesosy voatonona etsy ambony, dia manolotra zava-tsarotra tsy maintsy resena ho antsika eo amin’ny fampitana hafatra amin’ny olona eo amin’ny fanompoantsika: rehefa mandeha isan-trano, miverina mitsidika sy mandray anjara amin’ireo lafiny hafa rehetra amin’ny fitoriana ilay Fanjakana isika. Tafiditra amin’izany fanirahana izany ny andraikitra hampahafantatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra, sy i Jesosy Kristy, ary ny Fanjakana mesianika izay tapahin’i Jesosy izao. — Matio 25:31-33.
2. Mba hampitana hafatra amin’ny fomba mandaitra, inona no ilaintsika?
2 Ahoana no ahafahantsika mampita hafatra amin’ny fomba mandaitra? Voalohany, dia tsy maintsy mino ny fanazavana izay ampitaintsika isika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, isika dia tsy maintsy mino mafy fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina, fa ny Baiboly dia tena Tenin’Andriamanitra tokoa, ary ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona. Amin’izany fomba izany, dia ho avy ao am-po izay ampianarintsika, ary harahintsika ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty hoe: “Ataovy izay farany azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra mahazo sitraka, ho mpiasa tsy mahazo henatra na amin’inona na amin’inona, mampiasa tsara ny teny fahamarinana.” — 2 Timoty 2:15, NW.
Fampitana hafatra tsy amin’ny teny
3-5. a) Ahoana no ahafahantsika mampita hafatra na dia tsy miloa-bava aza? b) Fitantarana zava-nitranga inona no mampiseho ny fahamarinan’izany?
3 Mahatafiditra teny matetika ny fampitana hafatra. Raha ny marina anefa, dia mampita hafatra amin’ny olona isika na dia alohan’ny hiresahantsika aminy aza. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fihetsitsika ary ny fomba anafiantsika sy ikarakarantsika ny tenantsika. Taona maro lasa izay, ny misiônera iray nahazo diplaoman’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower, dia nandeha sambo mpitatitra olona ho any an-tany hafa nanendrena azy. Taorian’ny andro vitsivitsy teny an-dranomasina, dia nisy olona tsy fantany nanontany azy ny antony nampiavaka azy aoka izany tamin’ny hafa rehetra teny an-tsambo. Nampita hafatra tsara nomarihina ilay misiônera — dia ny hoe: nanana fari-pitondrantena hafa izy sady azo nohatonina — tamin’ny fisehoany ivelany sy ny fihetsiny fotsiny. Izany dia nanome ho an’ilay misiônera fahafahana tsara dia tsara hanao fanambarana.
4 Avy eo indray, ny anabavy iray izay nijoro teo amin’ny arabe nanolotra zavatra vita an-tsoratra tamin’ny mpandalo, dia nitsiky tamim-pisakaizana tamina vehivavy nandalo teo akaikiny. Nanomboka nidina ny tohatra nankany amin’ny garan’ny “métro” (fiarandalamby any ambanin’ny tany) io ramatoa io. Tamin’izay, dia niova hevitra izy ka niverina tany amin’ilay anabavy, ary nangataka fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano. Inona no nanohina azy? Na dia tsy notolorana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly aza izy, dia nahazo tsiky tamim-pisakaizana avy tamin’ilay Vavolombelona nitory teny amin’ny arabe.
5 Ity misy ohatra fahatelo: Nisy antokona Vavolombelona tanora nisakafo tany amin’ny hôtely, ary gaga izy ireo rehefa nanatona ny latabatra nisy azy ny olon-tsy fantatra iray ary nandoa ny vidin-tsakafon’izy ireo. Nahoana izy no nanao izany? Nanohina azy ny fomba nitondran’izy ireo tena. Tsy niteny na inona na inona tamin’ilay olon-tsy fantatra ireo kristiana tanora ireo, nefa dia nampita hafatra izy ireo fa olona matahotra an’Andriamanitra ny tenany. Mazava, fa amin’ny fihetsitsika sy ny fisehoantsika ivelany, ary ny fisehoantsika ho sakaiza, dia mampita hafatra isika na dia mbola tsy miloa-bava aza. — Ampitahao amin’ny 1 Petera 3:1, 2.
Fanjohian-kevitra: zava-dehibe eo amin’ny fampitana hafatra
6. Hazavao hoe amin’ny ahoana ny fanjohian-kevitra no misy vidiny tsy hay tombanana eo amin’ny fampitana hafatra?
6 Mba hampitana hafatra amin’ny teny amin’ny olona momba ny vaovao tsara, dia tsy maintsy voaomana isika, tsy hiteny amin’ny fomba jadona, fa hanjohy hevitra miaraka amin’izy ireo. Imbetsaka isika no mamaky fa i Paoly dia nanjohy hevitra niaraka tamin’ireo izay niezahany nilazana ny vaovao tsara. (Asan’ny apostoly 17:2, 17, MN; 18:19, MN). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nomeny? Ny toe-piainan’izao tontolo izao miharatsy hatrany dia mety ho nitarika ny sasany hisalasala ny amin’ny fisian’ny Andriamanitra tsitoha sy be fitiavana iray izay mikarakara ny taranak’olombelona. Na dia izany aza, dia afaka manjohy hevitra miaraka amin’izy ireo isika fa manana fotoana ho an’ny zavatra rehetra Andriamanitra. (Mpitoriteny 3:1-8). Araka izany, dia milaza ny Galatiana 4:4 fa rehefa tonga ny fotoana nety tamin’Andriamanitra, dia nalefany tetỳ an-tany ny Zanany. Izany dia an’arivony taona maro taorian’ny nampanantenany voalohany ny hanao izany. Toy izany koa, rehefa tonga ny fotoana mety aminy, dia hamarana ny fahoriana sy ny faharatsiana izy. Ambonin’izany, dia asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa Andriamanitra dia manana antony lehibe amelana ny faharatsiana hitohy mandritra ny fotoana ela toy izao. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 9:16.) Ny fanjohian-kevitra amin’ny fijerena ireo voalaza ireo, sy ny fanohanana izany fanjohian-kevitra izany amin’ny fanoharana sy porofo mahery ao amin’ny Soratra masina, dia hanampy ireo tso-po hahatakatra fa ny fielezan’ny faharatsiana dia tsy azo ampiasaina ho fanaporofoan-kevitra fa tsy misy na tsy miraharaha i Jehovah. — Romana 9:14-18
7, 8. Ahoana no ahafahan’ny fanjohian-kevitra manampy antsika mba hampita hafatra amin’ny Jiosy ôrtôdôksa iray?
7 Aoka hatao hoe rehefa mitety isan-trano ianao dia miteny aminao toy izao ny tompon-trano iray: “Jiosy aho. Tsy mahaliana ahy izany.” Ahoana no azonao atao? Nisy rahalahy iray nahita fahombiazana tamin’ny fampiasana ity fomba fitarihan-dresaka ity: ‘Hiara-manaiky amiko ianao, azoko antoka izany, fa i Mosesy dia iray amin’ireo mpaminany lehibe indrindra nampiasain’Andriamanitra. Ary fantatrao ve fa niteny toy izao izy, araka ny voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 31:29: “Fantatro fa rehefa maty aho, dia (...) hiala amin’ny làlana izay nasaiko nalehanareo [ianareo]; dia ho tratry ny loza hianareo”? Mpaminany marina i Mosesy, ary tsy maintsy ho tonga marina ny teniny. Sao kosa àry dia tonga marina ireo teny ireo fony Andriamanitra naniraka ny Mesia teo amin’ny Jiosy ary izany no tsy nandraisan’izy ireo azy? Mety ho izany ny toe-javatra. Raha izany àry no izy izao, ka nanao fahadisoana izy ireo, moa ve misy antony tokony hamerenantsika, dia izaho sy ianao, fahadisoana mitovy amin’izany?’
8 Tsarovy koa fa nijaly mafy ireo Jiosy teo an-tanan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, indrindra fa nandritra izao taonjato izao. Koa mety haniry hilaza amin’ilay tompon-trano ianao fa tsy nanana anjara tamin’izany isika. Ohatra, mety haniry hilaza ianao hoe: ‘Efa fantatrao ve fa, fony i Hitler teo amin’ny fahefana, dia nanohitra an-karihary ny fanaovany ankivy tamin’ny Jiosy ireo Vavolombelon’i Jehovah? Izy ireo koa dia tsy nety niteny hoe “Heil Hitler” sy tsy nety nanompo tao amin’ny tafiny.’a
9, 10. Ahoana no azo ampiasana ny fanjohian-kevitra mba hanampiana olona iray mino ny afobe mirehitra?
9 Rehefa miezaka mampita hafatra amin’olona iray mino ny afobe mirehitra ianao, dia afaka manjohy hevitra hoe: raha tsy maintsy mijaly mandrakizay ao amin’ny afobe ny olona iray, dia tsy maintsy manana fanahy tsy mety maty izy izany. Hanaiky tsy misy fihambahambana ilay mino ny afobe mirehitra. Avy eo dia afaka manisy fitenenana ny amin’ny fitantarana ny famoronana an’i Adama sy i Eva ianao, ary manontany amin-katsaram-panahy raha toa nahamarika filazana momba ny fanahy tsy mety maty toy izany izy tao amin’io fitantarana io. Amin’ny fanohizana ny fanjohian-kevitrao, dia azonao sarihina ny sainy avy eo ho amin’ny Genesisy 2:7(MN), izay ilazan’ny Baiboly amintsika fa i Adama dia tonga fanahy (âme). Ary mariho izay nolazain’Andriamanitra fa ho vokatry ny fahotan’i Adama: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Noho izany, i Adama, ilay fanahy, dia niverina ho amin’ny vovoka.
10 Afaka mitarika ny saina ho amin’izao koa ianao: na aiza na aiza ao amin’ny fitantaran’ny Genesisy, dia tsy nanisy fitenenana ny amin’ny fijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra Andriamanitra. Rehefa nampitandrina an’i Adama mba tsy hihinana tamin’ilay voankazo voarara Andriamanitra, dia hoy izy: “Fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Tsy nisy fitenenana ny amin’ny afobe mirehitra! Raha tsy maintsy ho fijaliana mandrakizay no tena vokatry ny fahotan’i Adama fa tsy fahafatesana, izany hoe ‘fiverenana ho amin’ny vovoka’, moa ve tsy ara-drariny tanteraka raha tokony ho nanazava izany tsara Andriamanitra? Noho izany, ny fanjohian-kevitra amim-pitandremana sy amin-katsaram-panahy dia mety hanampy olona tso-po iray hahita ny tsy fifanarahan’ny zavatra inoany. Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana ny maha-zava-dehibe ny fampiasana fanjohian-kevitra rehefa mizara amin’ny hafa ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:24-26; 1 Jaona 4:8, 16.
Toetra tsara ilaina amin’ny fampitana hafatra mandaitra
11-13. Toetra kristiana inona avy no afaka manampy antsika hampita hafatra amin’ny fomba mandaitra?
11 Inona àry izao no toetra tsara tsy maintsy ambolentsika mba hampitana ireo fahamarinan’ilay Fanjakana amin’ny fomba mandaitra indrindra? Inona no ampianarin’ny ohatr’i Jesosy antsika? Vakintsika ao amin’ny Matio 11:28-30 ny teniny hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [famelombelomana, MN]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana [famelombelomana, MN] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” Hitantsika eto ny iray amin’ireo fanalahidin’ny fahombiazan’i Jesosy tamin’ny fampitana hafatra. Nalemy fanahy sady tsy niavona am-po izy. Hitan’ireo olona tso-po ho namelombelona izy. Namela ohatra tsara dia tsara koa ny apostoly Paoly, satria, araka ny nolazainy tamin’ireo loholona tany Efesosy, hatramin’ny andro voalohany nankanesany tany amin’izy ireo, dia nanompo ny Tompo “tamin’ny fanetren-tena rehetra” izy. — Asan’ny apostoly 20:19.
12 Amin’ny fanehoantsika mandrakariva tsy fireharehana sy fanetren-tena, dia ho hitan’ny hafa ho mamelombelona koa ny tenantsika, ary ho mora kokoa amintsika ny hampita hafatra amin’izy ireo. Izay mety ho fihetsika hafa dia azo inoana fa hanangana fefy eo amintsika sy ireo izay iezahantsika ampitana hafatra. Marina tokoa fa “ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”. — Ohabolana 11:2
13 Mba hilazana fanazavana amin’ny fomba mandaitra, dia ilaintsika koa ny ho ampy faharetana sy hahay handanjalanja. Azo antoka fa nahay nandanjalanja ny apostoly Paoly rehefa nanao fanambarana tamin’ireo filôzôfa tafangona teo anatrehany teo amin’ny havoanan’i Marsa. Nasehony tamin’ny fomba mora azon’izy ireo ny vaovao tsara. (Asan’ny apostoly 17:18, 22-31). Raha irintsika ny hampita hafatra amim-pahombiazana amin’ireo mpihaino antsika, dia tsy maintsy arahintsika ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kolosiana rehefa niteny izy hoe: “Aoka ny resaka ataonareo hahafinaritra mandrakariva, tsy hatsatso na oviana na oviana; mianara ny fomba tsara indrindra hiresahana amin’ny olona tsirairay hitanao.” (Kolosiana 4:6, The New English Bible). Tokony hahafinaritra mandrakariva ny fitenenantsika. Ny fitenenana toy izany dia mety hampisokatra ny sain’ireo mihaino antsika, kanefa kosa ny teny tsy mampiseho fiheverana dia hahatonga azy ireo tsy handray hevitra.
14. Ahoana no ahafahan’ny fitarihan-dresaka amin’ny fomba tony sy tsy mihenjana, ary ny fanaovana resaka manampy antsika hampita hafatra amin’ny hafa?
14 Irintsika ny hiseho ho tony sy tsy hihenjana amin’ny fotoana rehetra. Izany dia hanampy mba tsy hahasanganehana ireo mpihaino antsika. Ny fahatoniana sy tsy fihenjanana dia midika ho tsy fitadiavana loatra ny hanao ny resaka rehetra. Amin’ny fihetsika tsy mikoropaka sy amin’ny fanontaniana amim-pisakaizana kosa, dia omentsika fahafahana hilaza ny heviny ireo mpihaino antsika. Rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana indrindra isika no fahendrena ny hampirisihana ilay hafa hiresaka. Ny Vavolombelona iray, ohatra, dia tafapetraka teo anilan’ny pretra katolika romana iray tao anaty fiaramanidina. Nandritra ny adiny iray mahery ilay Vavolombelona dia tsy nitsahatra nanontany tamim-pandanjalanjana ilay pretra izay nanao ny ankamaroan’ilay resaka tamin’ny famaliana. Tamin’ny fotoana nisarahan’izy ireo anefa, dia nahazo boky momba ny Baiboly maromaro ilay pretra. Ny fitarihan-dresaka amim-paharetana toy izany dia manampy antsika haneho toetra tsara ilaina hafa iray, dia ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa.
15, 16. Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa manampy antsika hampita hafatra?
15 Ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa dia fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, raha azo atao ny milaza izany. Nahatakatra tamin’ny fomba feno ny ilàna fahatakarana ny fihevitry ny hafa ny apostoly Paoly, araka ny mety ho hita avy amin’izay nosoratany ho an’ny Korintiana hoe: “Fa na dia afaka amin’ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako, mba hahazoako maromaro kokoa. Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna; tamin’izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna; tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.” — 1 Korintiana 9:19-22.
16 Mba hanahafana ny apostoly Paoly amin’ireo lafiny ireo, dia ilaintsika ny hahay handanjalanja sy hahay hanavaka, ary handini-javatra. Ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa dia hanampy antsika hampita ny fahamarinana amin’ireo mpihaino antsika araka ny fomba fihevitr’izy ireo sy ny fihetseham-pony. Ilay boky hoe Fomba fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra masina dia manome fanampiana betsaka amin’io lafiny io. Ento miaraka aminao foana izy io eny amin’ny fanompoanao.
Ny fitiavana — Fanampiana amin’ny fampitana hafatra
17. Amin’ireo toetra kristiana rehetra, iza no sarobidy indrindra amin’ny fampitana ny fahamarinana amin’ny fomba mandaitra, ary ahoana no isehoany?
17 Ny tsy fireharehana, ny fanetren-tena, ny faharetana, ary ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa dia tena ilaina amin’ny filazana fanazavana amin’ny fomba mandaitra. Ambonin’izany rehetra izany anefa, ny fitiavana tsy mitady tombony dia hanampy antsika hahita fahombiazana amin’ny fanohinana ny fon’ny hafa. Nitsetra ny vahoaka i Jesosy noho izy ireo “nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Ny fitiavana no nanosika an’i Jesosy hilaza hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [famelombelomana, MN].” (Matio 9:36; 11:28). Noho isika tia azy no aniriantsika koa hamelombelona ny olona sy hanampy azy ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana. Hafatra momba ny fitiavana no entintsika, koa aoka isika hanohy hilaza izany amim-pitiavana. Miseho io fitiavana io amin’ny tsiky feno fisakaizana, amin’ny hatsaram-panahy sy halemem-panahy, amin’ny toetra sariaka sy ny hafanam-po.
18. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Paoly, toy ny nanahafany ny Mpampianatra?
18 Amin’io lafiny io, ny apostoly Paoly dia mpanahaka tsara dia tsara ny Mpampianatra azy, dia i Jesosy Kristy. Nahoana izy no nahomby aoka izany tamin’ny fanorenana kongregasiona misesy? Noho ny zotom-pony ve? Eny. Kanefa koa noho ny fitiavana nasehony. Mariho ny fanehoany firaiketam-po tamin’ilay kongregasiona vaovao tao Tesalonika: “Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” Ny fanahafana an’i Paoly dia hanampy antsika eo amin’ny ezaka ataontsika mba hampita hafatra. — 1 Tesaloniana 2:7, 8.
19. Nahoana isika no tsy tokony hamela ny faritany tsy mamokatra hanakivy antsika?
19 Raha nanao izay farany azontsika natao isika mba hampitana hafatra ary tsy mahazo ny vokatra nirina, moa ve isika tokony ho kivy? Tsy izany velively. Ireo Mpianatra ny Baiboly (araka ny niantsoana ireo Vavolombelon’i Jehovah taloha) dia niteny fa, mba hanekena ny fahamarinana, dia ilain’ny olona ny hanana ireo toetra tsara telo. Mila ny ho marina izy ireo, hanetry tena ary ho noana ara-panahy. Tsy afaka manantena isika fa ny olona tsy tso-po, ireo tsy marina dia handray tsara ny fahamarinana, toy ny tsy ahafahantsika manantena ny hihainoan’ny olona miavonavona sy mirehareha ny vaovao tsara. Fanampin’izany, na dia manao ny marina sy manetry tena amin’ny fetra sasany aza ny olona iray, dia tsy azo inoana fa handray ny fahamarinana izy raha tsy noana ara-panahy.
20. Nahoana no azo atao foana ny milaza fa tsy very maina akory ny fiezahantsika?
20 Tsy isalasalana fa maro amin’ireo hitanao any amin’ny faritaninao no tsy manana ny iray na mihoatra amin’ireo toetra telo ireo. Nahita fanandraman-javatra mitovy amin’izany ny mpaminany Jeremia. (Jeremia 1:17-19; ampitahao amin’ny Matio 5:3, MN.) Na dia izany aza, dia tsy very maina akory ny ezaka nataontsika. Fa nahoana? Satria isika manambara ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany. Amin’ny fitoriana ataontsika sy amin’ny fanatrehan’ny tenantsika any amin’ilay faritany, dia mampitandrina ny ratsy fanahy isika. (Ezekiela 33:33). Ary aza hadinoina na oviana na oviana fa mandray soa avy amin’ny ezaka ataontsika hampita ny fahamarinana amin’ny hafa ny tenantsika. (1 Timoty 4:16). Mitana ny finoantsika hatanjaka sy ny fanantenantsika ilay Fanjakana hamirapiratra izany. Ambonin’izany, dia mihazona ny tsy fivadihantsika isika ary amin’izany dia mandray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah Andriamanitra, ka mampifaly ny fony. — Ohabolana 27:11.
21. Inona no azo lazaina ho famintinana?
21 Ho famintinana dia izao: Ny fampitana hafatra dia filazana fanazavana amin’ny fomba mandaitra. Iankinan’ny aina ny fahaizana mampita hafatra, ary be ny fanimbana mitranga rehefa tapaka ny fampitana hafatra. Efa hitantsika fa i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy no mpampita hafatra lehibe indrindra, ary nanendry fitaovana fampitana hafatra ho an’izao androntsika izao i Jesosy Kristy. Nomarihintsika koa fa amin’ny fisehoantsika ivelany sy ny fitondrantsika ny tenantsika dia mampita hafatra isika, mandefa hafatra amin’ny hafa. Nianarantsika fa mandray anjara lehibe eo amin’ny fiezahantsika hampita hafatra amin’ny olona ny fanjohian-kevitra, ary mba hampitana hafatra amin’ny fomba mandaitra dia ilaintsika ny tsy hirehareha sy hanetry tena, haneho fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy faharetana, ary, ambonin’ny zava-drehetra, hatosiky ny fo feno fitiavana. Raha mamboly ireo toetra tsara ireo isika ka manaraka ny ohatra ao amin’ny Baiboly, dia ho tonga kristiana mpampita hafatra mahomby. — Romana 12:8-11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanipazan-kevitra bebe kokoa ny amin’ny fomba fampitana hafatra amin’ny Jiosy mino an’Andriamanitra sy ny hafa, dia jereo ny Fomba fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra masina, pejy faha-20-24.
Ahoana no havalinao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no anombohan’ny fampitana hafatra alohan’ny hitenenana?
◻ Inona ireo ohatra sasantsasany momba ny fampitana hafatra amin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra mandaitra?
◻ Toetra tsara inona no namela an’i Jesosy Kristy sy i Paoly hampita hafatra tamin’ny fomba nandaitra?
◻ Nahoana isika no tsy voatery ho kivy raha miadana ny fiavian’ny vokatra?