“Mpankatò ny Teny” Falifaly
“Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy
ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankatò [“mpanao”, NW ] ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany”. — JAKOBA 1:21, 22.
1. Ahoana no tokony hiheverana ny teny fototra ampiasaintsika ho an’ny taona 1996?
“AOKA HO MPANKATÒ NY TENY HIANAREO”. Mitondra hafatra mahery io filazana tsotra io. Nalaina avy ao amin’ny “Taratasin’i Jakoba” ao amin’ny Baiboly izy io, ary haseho any amin’ireo Efitrano Fanjakana ho ny teny fototra ho an’ny taona hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra ny 1996 manontolo.
2, 3. Nahoana no mety indrindra raha i Jakoba no tokony ho nanoratra ilay taratasy mitondra ny anarany?
2 Niavaka tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany i Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy Tompo. Indray mandeha, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia niseho manokana tamin’i Jakoba, ary avy eo dia tamin’ireo apostoly rehetra, ny Tompontsika. (1 Korintiana 15:7). Tatỳ aoriana, rehefa navoaka tamin’ny fomba nahagaga avy tao an-tranomaizina ny apostoly Petera, dia hoy izy tamina antokona Kristiana tafavory: “Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany.” (Asan’ny Apostoly 12:17). Miharihary fa na dia tsy apostoly aza ny tenany, i Jakoba dia nitarika tamin’ny fivorian’ny fitambara-mpitantana tao Jerosalema rehefa nanapa-kevitra ireo apostoly sy loholona fa tsy voatery hoforana ireo Jentilisa niova finoana. Namintina ny raharaha i Jakoba, ary nalefa tany amin’ny kongregasiona rehetra ilay fanapahan-kevitra izay nohamarinin’ny fanahy masina. — Asan’ny Apostoly 15:1-29.
3 Miharihary fa nisy lanjany lehibe ny fanjohian-kevitra matotra nataon’i Jakoba. Niaiky tamim-panetren-tena anefa izy fa “mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo” fotsiny ny tenany. (Jakoba 1:1). Ny taratasiny ara-tsindrimandry dia mirakitra torohevitra marim-pototra sy fampaherezana tondraka ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao. Vita izy io, tokony ho efa-taona talohan’ilay fanafihana romana voalohany an’i Jerosalema, nataon’ny Jeneraly Cestius Gallus, rehefa avy notorina tamin’ny fomba niitatra ‘teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Fotoan-tsarotra tamin’izay, ary ireo mpanompon’i Jehovah dia nahafantatra tsara fa nadiva hampiharina teo amin’ny firenena jiosy ny didim-pitsaran’i Jehovah.
4. Inona no milaza fa ireo Kristiana tany am-boalohany dia nanana fatokiana lehibe ny Tenin’Andriamanitra?
4 Efa nanana ny Soratra Hebreo manontolo sy ny maro tamin’ny Soratra Grika ireo Kristiana ireo. Araka ny asehon’ny fanisian’izy ireo fitenenana maro be ny amin’ireo asa soratra taloha kokoa, dia niharihary fa ireo Kristiana mpanoratra ny Baiboly dia nanana fatokiana lehibe ny Tenin’Andriamanitra. Toy izany koa fa mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra amim-pahatsorana sy mampihatra azy io eo amin’ny fiainantsika isika amin’izao andro izao. Mba hiaretana, dia mila ilay tanjaka sy herim-po ara-panahy izay omen’ny Soratra Masina, isika. — Salamo 119:97; 1 Timoty 4:13.
5. Nahoana isika no mila tari-dalana manokana amin’izao andro izao, ary aiza no hahitantsika izany?
5 Amin’izao andro izao ny taranak’olombelona dia eo an-tokonan’ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21). Miankina amin’ny fananana tari-dalana avy amin’Andriamanitra ny fahatafitantsika velona. Ahoana no mety hahitantsika izany? Amin’ny fanokafana ny fontsika handray ireo fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandrin’ny fanahy. Izany dia hahatonga antsika ho “mpankatò ny teny”, toy ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika tamin’ny andro taloha. Tsy maintsy mamaky sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra amim-pahazotoana isika, ary mampiasa azy io ho fiderana an’i Jehovah. — 2 Timoty 2:15; 3:16, 17.
Fiaretana amim-pifaliana
6. Nahoana isika no tokony hahita fifaliana rehefa iharan’ny fisedrana?
6 Rehefa nanomboka ny taratasiny i Jakoba, dia nanonona ny fifaliana, ilay vokatry ny fanahin’Andriamanitra faharoa. Izao no nosoratany: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny [fisedrana, NW ] samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga [fiaretana, NW ]. Ary aoka ny [fiaretana, NW ] hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.” (Jakoba 1:2-4; Galatiana 5:22, 23). Ahoana no mety hilazana fa “fifaliana avokoa” ny iharan’ny fisedrana maro? Na dia i Jesosy aza, dia niteny toy izao tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra”. (Matio 5:11, 12). Misy fahafaham-po feno hafaliana amin’ny fahitana ny fitahian’i Jehovah ny ezaka ataontsika eo am-pikelezantsika aina hanatratra ilay tanjona, dia ny fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3; 2 Timoty 4:7, 8; Hebreo 11:8-10, 26, 35.
7. a) Ahoana no mety hanampiana antsika mba hiaritra? b) Sahala amin’i Joba, ahoana no mety hamalian-tsoa antsika?
7 Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia niaritra “noho ny fifaliana izay napetraka teo anoloany”. (Hebreo 12:1, 2, NW ). Amin’ny fibanjinantsika amim-pitandremana ny ohatr’i Jesosy mampiseho herim-po, dia afaka miaritra koa isika! Araka ny asian’i Jakoba fitenenana eo am-pifaranan’ny taratasiny, dia mamaly soa feno an’ireo mpihazona tsy fivadihana i Jehovah. “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa [niaritra, NW ]”, hoy i Jakoba. “Efa renareo ny [fiaretan’i, NW ] Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’[i Jehovah, NW ] taminy, fa miantra indrindra [i Jehovah, NW ] sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11). Tsarovy ny namalian-tsoa ny tsy fivadihan’i Joba rehefa naverina tamin’ny laoniny ny fahasalamany sy ny fifaliany tamin’ny fiainana feno sy sambatra niaraka tamin’ireo olon-tiany. Ny fiaretana amin’ny tsy fivadihana dia afaka mitondra ho anao fifaliana mitovy amin’izany ao amin’ilay Paradisan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra nampanantenaina, ka izany dia ho fara tampony amin’ilay fifaliana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dieny izao.
Fitadiavana fahendrena
8. Ahoana no mety hahitantsika fahendrena marina sady azo ampiharina, ary inona no anjara asan’ny vavaka amin’izany?
8 Ny fianarantsika amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra, miaraka amin’ny tena fampiharana azy, dia hiteraka fahendrena araka an’Andriamanitra, hahatonga antsika ho afaka hiaritra fisedrana eo anivon’ny fahasimbana ara-pitondran-tenan’ny fandehan-javatr’i Satana efa miala aina. Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa hahita izany fahendrena izany? Izao no lazain’i Jakoba amintsika: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.” (Jakoba 1:5, 6). Tokony hivavaka amim-pahatsorana isika, amin’ny fatokiana tsy azo hozongozonina fa handre ny fitalahoantsika i Jehovah, ary fa hamaly izany izy amin’ny fotoana sy amin’ny fomba mety aminy.
9. Ahoana no ilazalazan’i Jakoba ny fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fampiharana azy io?
9 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Hoy i Jakoba, raha nilazalaza izany fanomezana izany: “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.” Tatỳ aoriana kokoa, tao amin’ny taratasiny, dia nanazava ny vokatry ny fahazoana fahendrena marina i Jakoba rehefa nilaza hoe: “Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. (...) Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.” — Jakoba 1:17; 3:13-17.
10. Ahoana no ifanoheran’ny fivavahan-diso amin’ny marina?
10 Eo amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, na ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izany, na any an-tany hafa, dia matetika fomban’ireo mpivavaka ny mihira hiram-pivavahana sasany, mihaino vavaka mamerimberin-teny, ary angamba mandre toriteny. Tsy misy fampaherezana omena mifandray amin’ny fanambarana hafatra mitondra fanantenana, satria ny ankamaroan’ny fivavahana dia tsy mahita fahatsinjovan-javatra mamirapiratra ho an’ny hoavy. Ilay fanantenana be voninahitra momba ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra dia, na tsy tononina mihitsy, na diso tanteraka ny fahazoana ny heviny. Niteny toy izao ara-paminaniana momba ireo mpikambana amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana i Jehovah: “Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.” (Jeremia 2:13). Tsy manana ranon’ny fahamarinana izy ireo. Tsy ao ny fahendrena avy any an-danitra.
11, 12. a) Ahoana no tokony hanosehan’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra antsika? b) Mampitandrina antsika amin’inona ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?
11 Hafa noho izany toy inona moa ny eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao! Noho ny hery omen’Andriamanitra, dia manafotra ny tany amin’ny vaovao tsara momba ilay Fanjakany ho avy, izy ireo. Miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fahendrena izay resahin’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 1:20; Isaia 40:29-31.) Tsy azo lavina fa mampiasa ny fahalalana marina sy ny fahatakarana hevi-javatra amin’ny fomba azo ampiharina izy ireo, amin’ny fanambarana ilay fikasana lehiben’Andriamanitsika sady Mpamorona antsika. Tokony ho faniriantsika ny hahatonga ny rehetra ao amin’ny kongregasiona “hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon[’Andriamanitra] (...) amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy”. (Kolosiana 1:9). Noho ny fananany io fototra io, ny tanora sy ny antitra dia samy ho voatosika mandrakariva ho tonga “mpankatò ny teny”.
12 “Ny fahendrena avy any ambony” dia mampitandrina antsika ny amin’ny ota izay mety hahatonga ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. “Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako”, hoy i Jakoba. “Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra.” Eny, tsy maintsy malady, dodona hihaino ny torohevitr’Andriamanitra sy hampihatra azy io isika. Tsy maintsy mitandrin-tena anefa isika mba tsy hampiasa amin’ny fomba ratsy ilay “rantsana kely”, dia ny lela. Amin’ny alalan’ny fandokafan-tena, ny resadresa-poana tsy mampiseho fahendrena, na resaka mampiseho di-doha, ny lela dia afaka, ara-panoharana, mandrehitra ‘antontan-kazo miavovona’. Noho izany, isika dia mila mamboly fomba mahafinaritra sy fifehezan-tena eo amin’ireo fifaneraserantsika rehetra. — Jakoba 1:19, 20; 3:5.
13. Nahoana no zava-dehibe ny anekentsika “ny teny nambolena”?
13 “Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra”, hoy i Jakoba, “ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.” (Jakoba 1:21). Madiva handalo itỳ tontolo mpierina itỳ, miaraka amin’ny fomba fiainany “izaho aloha” tia fatratra zavatra ara-nofo sy be rehaka, ary miaraka amin’ny fari-pitondran-tenany mikororosy. “Fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17). Zava-dehibe toy inona àry ny anekentsika “ny teny nambolena”! Mifanohitra mazava tsara ny fahendrena omen’ny Tenin’Andriamanitra sy ny faharatsian’itỳ tontolo eo am-pialana aina itỳ. Tsy maniry na inona na inona amin’izany faharatsiana izany isika. (1 Petera 2:1, 2). Mila manana fitiavana ny fahamarinana sy finoana matanjaka mamaka ao am-pontsika isika mba hahatonga antsika ho tapa-kevitra ny tsy hivily mihitsy amin’ny lalana marin’i Jehovah. Kanefa ampy ve ny mandre ny Tenin’Andriamanitra?
Fahatongavana ho “mpankatò ny teny”
14. Ahoana no ahafahantsika ho tonga sady ho “mpihaino” no ho “mpankatò” ny Teny?
14 Izao no vakintsika ao amin’ny Jakoba 1:22: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.” “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo”! Azo antoka fa asongadina ao amin’ny taratasin’i Jakoba io foto-kevitra io. Tsy maintsy mihaino isika, avy eo dia manao ‘araka izany’! (Genesisy 6:22). Olona maro amin’izao andro izao no milaza fa ampy ny mandre toriteny iray na mandray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana ara-pomba fotsiny indraindray, kanefa dia hatreo ihany. Mety hieritreritra izy ireo fa raha mbola manana ‘fiainana tsara’ araka ny fari-pitsipiny koa ny tenany, dia ho ampy izay. Nilaza toy izao anefa i Jesosy Kristy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Takina mazava tsara amin’ny Kristiana marina ny fanaovan-javatra feno fahafoizan-tena sy ny fiaretana eo amin’ny fanarahana ny modelin’i Jesosy, amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ho azy ireo, ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao andro izao dia mitovy amin’ilay tamin’ny taonjato voalohany, fony nandidy toy izao i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. (Matio 28:19). Manao ahoana ny tenanao amin’io lafiny io?
15. a) Fanoharana inona no omen’i Jakoba, mampiseho ny fomba hahafahantsika ho tonga “mpankatò ny teny” sambatra? b) Nahoana no tsy ampy ny fanompoam-pivavahana ara-pomba fotsiny?
15 Raha tsy mitsahatra mandinika ny Tenin’Andriamanitra isika, dia afaka ny ho toy ny fitaratra izy io, amin’ny fampisehoana amintsika taratr’ilay karazan’olona maha-isika antsika marina tokoa. Hoy i Jakoba: “Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.” (Jakoba 1:23-25). Eny, ho “mpankatò ny teny” sambatra izy. Ambonin’izany, dia zava-dehibe ny ho “mpankatò” eo amin’ny tsipiriany rehetra amin’ny fiainantsika kristiana. Tsy tokony hamitaka ny tenantsika mihitsy isika amin’ny fieritreretana fa ampy ny fanompoam-pivavahana ara-pomba fotsiny. Manoro hevitra antsika i Jakoba mba hanaraka lafiny sasany amin’ny fanompoam-pivavahana marina, dia lafiny izay mety ho nanao tsirambina azy, na dia ireo Kristiana be zotom-po aza. Nanoratra toy izao izy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — Jakoba 1:27.
16. Tamin’ny fomba ahoana avy i Abrahama no nanjary “Sakaizan’Andriamanitra”, ary ahoana no mety hahazoantsika ny fisakaizan’Andriamanitra?
16 Tsy ampy ny milaza fotsiny hoe: ‘Mino an’Andriamanitra aho”, dia hatreo ihany. Araka ny marihin’ny Jakoba 2:19, dia hoe: “Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, — ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.” Nanantitrantitra i Jakoba fa “ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy”, ary nanisy firesahana an’i Abrahama izy tamin’ny filazana hoe: “Niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. (Jakoba 2:17, 20-22). Ireo asan’i Abrahama dia nahafaoka famonjena ny havany, fanehoana fahaiza-mampiantrano vahiny, fiomanana hanao sorona an’i Isaka, ary ‘fanambarana ampahibemaso’ ny finoana tsy azo hozongozonina an’ilay fampanantenan’Andriamanitra “tanàna manana tena fanorenana”, dia ilay Fanjakana Mesianika ho avy. (Genesisy 14:16; 18:1-5; 22:1-18; Hebreo 11:8-10, 13, 14; 13:2, NW ). Tamin’ny fomba nifanentana tsara, dia nanjary “natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra’ ” i Abrahama. (Jakoba 2:23). Azo isaina ho ‘sakaizan’i Jehovah’ koa isika rehefa manambara amim-paharisihana ny finoantsika sy ny fanantenantsika an’ilay Fanjakany ho avy hisian’ny fahitsiana.
17. a) Nahoana i Rahaba no ‘nohamarinina’, ary ahoana no namalian-tsoa azy? b) Lisitra lava be inona no omen’ny Baiboly ny amin’ireo izay tonga “mpankatò ny teny”? d) Ahoana no namalian-tsoa an’i Joba, ary nahoana?
17 Ireo izay tonga “mpankatò ny teny” dia tsy azo lavina fa “hamarinina amin’ny asa (...), fa tsy amin’ny finoana ihany”. (Jakoba 2:24). I Rahaba dia iray amin’ireo izay nanampy asa ny finoany an’ilay “teny” izay reny nahakasika ireo asan’i Jehovah nampiseho hery. Nanafina ireo mpisafo tany isiraelita sy nanampy azy ireo handositra izy, ary avy eo dia namory ny ankohonan-drainy mba ho voatsimbina. Amin’ny fitsanganan’ny maty, dia ho toy inona moa ny hafaliany hahafantatra fa ny finoany notohanan’ny asa dia nahatonga azy ho razamben’ny Mesia! (Josoa 2:11; 6:25; Matio 1:5). Ny Hebreo toko faha-11 dia manome lisitra lava be misy olon-kafa izay tonga “mpankatò” tamin’ny fampisehoana ny finoany, ary dia hovalian-tsoa feno izy ireo. Tsy tokony hohadinointsika koa i Joba, izay teo ambany fisedrana mafy dia niteny hoe: “Isaorana anie ny anaran’i Jehovah.” Araka ny efa nomarihintsika, dia niteraka valisoa lehibe ny finoany sy ny asany. (Joba 1:21; 31:6; 42:10; Jakoba 5:11). Toy izany koa, ny fiaretantsika amin’izao andro izao, amin’ny maha-“mpankatò ny teny” antsika, dia hitondra ny tsikim-pankasitrahan’i Jehovah.
18, 19. Tamin’ny ahoana ireo rahalahy nampahorina hatramin’ny ela no tonga “mpankatò ny teny”, ary nitondra fitahiana inona ny asan’izy ireo?
18 Anisan’ireo izay niaritra mafy nandritra ny taona maro ireo rahalahintsika any Eoropa Atsinanana. Amin’izao nanesorana fameperana maro izao, dia tonga “mpankatò ny teny” tokoa izy ireo eo amin’ny toe-javatra vaovao manodidina azy. Nisy misionera sy mpisava lalana avy any amin’ireo tany mifanila, nifindra nankany mba hanampy eo amin’ny fampianarana sy ny fandaminan-javatra. Ny sampana any Failandy sy ny sampana akaiky hafa an’ny Fikambanana Watch Tower dia nandefa olona manana fahaizana manokana momba ny fanorenana, ary ny firahalahiana malala-tanana maneran-tany dia nanome ny vola ho an’ny fanorenana biraon’ny sampana sy Efitrano Fanjakana vaovao. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 8:14, 15.
19 Tamin-jotom-po toy inona moa no namalian’ireo rahalahy nampahorina hatramin’ny ela ireo, teny amin’ny saha ho setrin’izany! ‘Mikely aina sy miezaka’ izy ireo mba hanonitra, raha azo atao ny milaza izany, an’ireo tsy fahafahana nandritra ny “vanim-potoana sarotra”. (1 Timoty 4:10; 2 Timoty 4:2, NW ). Tamin’ny Aprily lasa teo, ohatra, tany Albania izay nisian’ny fanakanana tena feno habibiana, dia voazara tao anatin’ny telo andro monja ny tahiry manontolon’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana mitondra ny lohateny hoe “Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao?” Izy io dia fanolokoloana tsara dia tsara ilay fahalianana tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, natrehin’ny olona 3 491 — betsaka lavitra noho ireo mpitory 538 miasa eo aminy.
20. Mampiseho inona ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’itỳ taona itỳ, ary ahoana no azo anampiana ny maro?
20 Nisy tany hafa koa nanana anjara lehibe tamin’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana izay nitombo tao anatin’ireo taona faramparany ho maherin’ny 10 000 000. Tany amin’ny toerana maro, dia nisy olona vaovao tonga “mpankatò ny teny”, noho ny finoan’izy ireo nohatanjahin’ny fanatrehana sy ny fitandremana ny Fahatsiarovana. Afaka mampirisika mpikambana vaovao maro kokoa mba hahafeno fepetra ho amin’io tombontsoa io ve isika?
21. Mifanaraka amin’ny teny fototra ho an’ny taona hampiasaintsika, lalam-pitondran-tena inona no tokony harahintsika, ary ho amin’ny tanjona inona?
21 Sahala amin’ireo Kristiana be zotom-po tamin’ny taonjato voalohany sy ireo maro aoka izany hatramin’izay, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hiezaka mafy “hanatratra ny [tanjona, NW ]” dia ny fiainana mandrakizay, na ho any amin’ny Fanjakana any an-danitra izany, na ho eo amin’ny faritra tapahiny eto an-tany. (Filipiana 3:12-14). Mendrika ny ezaka rehetra ataontsika ny fanatratrarana izany tanjona izany. Tsy izao no fotoana tokony hahalavoana indray ao amin’ny fihainoana fotsiny, fa fotoana mety indrindra kosa mba ‘haherezana ka hiasana’. (Hagay 2:4; Hebreo 6:11, 12). Noho isika ‘nanaiky ny teny nambolena’, dia enga anie isika ho tonga “mpankatò ny teny” falifaly dieny izao ka hatramin’ny mandrakizay ho avy.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahantsika miaritra amim-pifaliana?
◻ Inona ilay “fahendrena avy any ambony”, ary ahoana no ahafahantsika manatratra azy io?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy tonga ‘mpankatò ny teny fa tsy mpihaino fotsiny ihany’?
◻ Tatitra inona avy no tokony handrisika antsika ho “mpankatò ny teny”?
[Sary, pejy 17]
Enga anie isika koa hanokatra ny fontsika ho amin’ny fampianaran’Andriamanitra
[Sary, pejy 18]
Novalian-tsoa ny tsy fivadihan’i Joba tamin’ny famerenana taminy indray ny fiainana feno sy sambatra niaraka tamin’ireo olon-tiany