Fiarovana ny Finoantsika
“Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo”. — 1 PETERA 3:15.
1, 2. Nahoana no tsy mahataitra ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanoherana, kanefa inona no fanirian’izy ireo?
MAZÀNA no ekena ho olona manao ny marina sy tsara fitondran-tena ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny ankamaroan’ireo tany. Maro no mihevitra fa sady tsara iaraha-monina izy ireo no tsy mampisy olana na inona na inona. Mahagaga anefa fa niharam-panenjehana tsy ara-drariny ireo Kristianina tia fihavanana ireo, na tamin’ny fotoan’ny ady izany, na tamin’ny fotoana nampilamina ny tany. Tsy mahataitra azy ireo izany fanoherana izany. Efa ampoiziny aza, raha ny marina, ny hisian’izany. Fantatr’izy ireo tokoa mantsy fa ‘nankahalaina’ ireo Kristianina nahatoky tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., koa nahoana tokoa moa no hanantena ny hoentina amin’ny fomba hafa ireo miezaka ho tena mpanara-dia an’i Kristy amin’izao andro izao? (Matio 10:22). Ankoatra izany, dia hoy ny Baiboly: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” — 2 Timoty 3:12.
2 Tsy mitady fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah no sady tsy finaritra amin’ireo zava-tsarotra mety hoentin’izany, toy ny lamandy, ny fampidirana am-ponja, na ny fitondrana azy amin-kalozana. Maniry ‘hiaina miadana sy mandry feizay’ izy ireo mba hahafahany hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, tsy misy fanakantsakanana. (1 Timoty 2:1, 2). Ankasitrahan’izy ireo ny fananany fahalalahana hanohy hatrany ny fanompoam-pivavahany, any amin’ny ankamaroan’ireo tany, ary manao amim-pitandremana izay rehetra azony atao izy ireo mba ‘hihavanany amin’ny olona rehetra’, ka anisan’izany ireo mpitondra eo amin’ny fanjakan’olombelona. (Romana 12:18; 13:1-7). Nahoana àry izy ireo no ‘ankahalaina’?
3. Inona no antony iray nankahalana tsy ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah?
3 Raha ny votoatiny no jerena, dia antony mitovy amin’ny nanenjehana ireo Kristianina tany am-boalohany ihany no nankahalana tsy ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah. Voalohany aloha, dia manao zavatra mifanaraka amin’izay inoany ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mahatonga azy ho tsy tian’ny sasany ny fomba anaovany izany. Mitory amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ohatra, izy ireo, saingy mandika vilana ny zotom-pon’izy ireo mazàna ny olona, ka mihevitra ny fitoriany ho “fisisihana hitaona olona hanaraka ny finoany”. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:19, 20.) Tsy momba ny atsy na ny aroa koa izy ireo eo amin’ny sehatry ny politika sy ny adin’ireo firenena. Diso fandray izany ny sasany indraindray ka mihevitra ny Vavolombelona ho mpamadika tanindrazana. — Mika 4:3, 4.
4, 5. a) Tamin’ny ahoana no lasibatry ny fiampangana lainga ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Iza moa matetika no tena rangory fototry ny afo nahatonga fanenjehana ny mpanompon’i Jehovah?
4 Faharoa, dia lasibatry ny fiampangana lainga ny Vavolombelon’i Jehovah. Lainga an-kitsirano sy fandikana vilana ny zavatra inoany no anasoketana azy ireo. Ny vokany dia niharan’ny fanafihana tsy ara-drariny izy ireo any amin’ny tany sasany. Ankoatra izany, dia nosoketaina ho “mpamono zanaka” sy “sekta mpamono tena” izy ireo, noho ny fitadiavany fitsaboana tsy ampiasana ra, mifanaraka amin’ny faniriany hankato ny didin’ny Baiboly ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny ra’. (Asan’ny Apostoly 15:29). Ny zava-misy anefa dia hoe mihevitra ny aina ho tena sarobidy ny Vavolombelon’i Jehovah ka mitady ny fitsaboana tsara indrindra, na ho an’ny tenany izany na ho an’ny zanany. Tsy marim-pototra velively ny fiampangana fa zanaka Vavolombelon’i Jehovah maro be no maty, isan-taona, noho ny nandavany fampidiran-dra. Ankoatra izany, noho ny fahamarinana ara-baiboly misy vokany samy hafa eo amin’ny mpianakavy rehetra, dia nampangaina koa ho mampisara-bazana ny fianakaviana ny Vavolombelona. Ireo izay mahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia mahalala fa manaja fatratra ny fiainam-pianakaviana izy ireo, ary miezaka hanaraka ireo didin’ny Baiboly ny amin’ny tokony hifankatiavan’ny mpivady sy hifanajany, ary koa ny amin’ny tokony hankatoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny, na mpino ny ray aman-dreniny na tsia. — Efesiana 5:21–6:3.
5 Tamin’ny toe-javatra maro, ny tena rangory fototry ny afo nahatonga fanenjehana ny mpanompon’i Jehovah dia hita ho ireo mpanohitra ara-pivavahana izay nitaona ny manam-pahefana ara-politika sy ny filazam-baovao mba hiezahana hanafoanana ny asan’ny Vavolombelona. Ahoana no tokony ho fihetsitsika Vavolombelon’i Jehovah manoloana ny fanoherana toy izany, na ateraky ny zavatra inoantsika sy ny fanaontsika izany, na noho ny fiampangana lainga?
“Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fahalalanareo ny antonony”
6. Nahoana no zava-dehibe ny hananana fomba fijery voalanjalanja momba ireo any ivelan’ny kôngregasiôna kristianina?
6 Voalohany aloha, dia ilaintsika ny manana fomba fijery araka ny tokony ho izy, izany hoe ny fomba fijerin’i Jehovah, mahakasika ireo tsy mitovy finoana amintsika. Raha tsy izany, dia mety ho isika ihany no hahatonga ny hafa hankahala na hanome tsiny antsika tsy amin’antony. “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fahalalanareo ny antonony”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Filipiana 4:5, NW ). Noho izany, dia mampirisika antsika ny Baiboly mba hananantsika fomba fijery voalanjalanja momba ireo olona any ivelan’ny kôngregasiôna kristianina.
7. Inona no tafiditra amin’ny hoe miaro ny tena “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”?
7 Etsy an-danin’izany, dia mananatra antsika mazava tsara ny Soratra Masina mba ‘hiarovantsika ny tenantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. (Jakoba 1:27; 4:4). Ny teny hoe “izao tontolo izao” eto, toy izay hita ao amin’ny andininy maro ao amin’ny Baiboly, dia manondro fitambaran’olona tsy anisan’ny Kristianina marina. Miaina eo anivon’io fitambaran’olona io isika; mifandray amin’izy ireny isika any am-piasana, any an-tsekoly, ary eo amin’ny fiaraha-monina. (Jaona 17:11, 15; 1 Korintiana 5:9, 10). Na izany aza, dia miaro ny tenantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao isika, amin’ny fanalavirana ireo fihetsika sy fiteny ary fitondran-tena mifanipaka amin’ny lalana marin’Andriamanitra. Tena zava-dehibe koa ny hahatakarantsika ny loza entin’ny fifaneraserana akaiky amin’ity tontolo ity, indrindra fa amin’ireo izay tsy miraharaha tanteraka ny fari-pitsipik’i Jehovah. — Ohabolana 13:20.
8. Nahoana no tsy manome antsika antony hanambaniana ny hafa ny nanomezana torohevitra antsika mba hitoetra tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao?
8 Ny fanoroana hevitra antsika mba hitoetra tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao anefa dia tsy manome antsika antony hanaovana tsinontsinona tanteraka an’ireo tsy Vavolombelon’i Jehovah. (Ohabolana 8:13). Tsarovy ny ohatr’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy, resahina ao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Sady tsy nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ilay endri-pivavahana narahin’izy ireo no tsy nananany fifandraisana tsara tamin’ny tsy Jiosy. (Matio 21:43, 45). Nihevi-tena ho marina ireny lehilahy nafana fo tafahoatra ireny ka nanambany ny Jentilisa. Tsy tery saina toy izany isika, ka hamingavinga ireo tsy Vavolombelona. Toy ny an’ny apostoly Paoly ny faniriantsika. Irintsika hahazo sitraka amin’Andriamanitra izay rehetra mandre ny hafatra momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — Asan’ny Apostoly 26:29; 1 Timoty 2:3, 4.
9. Tokony hisy vokany manao ahoana eo amin’ny fomba iresahantsika an’ireo tsy mitovy finoana amintsika, ny fomba fijery voalanjalanja sy araka ny Soratra Masina?
9 Tokony hisy akony eo amin’ny fomba iresahantsika an’ireo tsy Vavolombelona koa ny fomba fijery voalanjalanja sy araka ny Soratra Masina. Nasain’i Paoly nampahatsiahivin’i Titosy ireo Kristianina tany amin’ny nosy Kreta mba “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”. (Titosy 3:2). Mariho fa ny Kristianina dia tsy tokony hiteny ratsy “olona” na iza na iza, na dia amin’ireo olona tsy Kristianina tany Kreta, izay nalaza ho mpandainga sy tendan-kanina sy kamo aza ny sasany taminy. (Titosy 1:12). Tsy ho araka ny Soratra Masina àry ny hampiasantsika teny fanambaniana rehefa miresaka momba ny olona tsy mitovy finoana amintsika isika. Tsy hanintona ny hafa ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ny fiheveran-tena ho ambony kokoa. Rehefa mifanaraka kosa amin’ireo foto-pitsipika araka ny antonony, hita ao amin’ny Tenin’i Jehovah, ny fomba iheverantsika sy itondrantsika ny hafa, dia ‘mampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra’ isika. — Titosy 2:10.
Rahoviana no tokony hanginana, ary rahoviana no tokony hitenenana?
10, 11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa fantany ny fotoana tokony a) ‘hitenenana’? b) ‘hanginana’?
10 “Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”, hoy ny Mpitoriteny 3:7. Eo àry no mipetraka ny olana: ny fanapahana ny hoe rahoviana no tokony tsy horaharahaina ny mpanohitra, ary rahoviana no tokony hitenenana mba hiarovana ny finoantsika. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ny ohatr’i Jesosy isika, satria tonga lafatra foana ny fanehoany fahamalinana. (1 Petera 2:21). Fantany ny fotoana tokony ‘hanginana’. Rehefa niampanga lainga azy teo anatrehan’i Pilato, ohatra, ny mpisoronabe sy ny loholona, dia “tsy namaly akory” izy. (Matio 27:11-14). Tsy naniry hilaza zavatra izay nety ho nisakana ny sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka izy, dia ny sitrapon’Andriamanitra momba azy. Naleony kosa namela ny asany hiteny ho azy. Fantany fa na dia ny fahamarinana aza dia tsy hanova ny saina sy ny fon’izy ireo niavonavona. Tsy niraharaha ny fiampangan’izy ireo àry izy, ka nanda tsy hiloa-bava. Nisy antony matoa izy tsy niteny. — Isaia 53:7.
11 Fantatr’i Jesosy koa anefa ny fotoana tokony ‘hitenenana’. Indraindray dia nanohitra nivantana sy an-karihary an’ireo nitsikera azy izy, ka nitsipaka ny fiampangana lainga nataon’izy ireo. Ohatra, rehefa niezaka nanala baraka azy teo anatrehan’ny vahoaka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, tamin’ny fiampangana azy ho namoaka demonia tamin’ny alalan’ny Belzeboba, dia nifidy ny tsy hamela fotsiny amin’izao an’ilay fiampangana lainga i Jesosy. Nandrodana izany lainga izany izy, tamin’ny fampiasana lôjika tsy hay toherina sy fanoharana mafonja. (Marka 3:20-30; jereo koa ny Matio 15:1-11; 22:17-21; Jaona 18:37.) Toy izany koa fa rehefa notaritarihina teo anatrehan’ny Synedriona i Jesosy, taorian’ny namadihana sy nisamborana azy, dia nanontany tamin-kafetsen-dratsy toy izao i Kaiafa Mpisoronabe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” Fotoana tokony ‘hitenenana’ koa tamin’izay, satria ny tsy fetezany hiloa-bava dia mety ho azo nadika ho fandavana ny maha Kristy azy. Namaly toy izao àry i Jesosy: “Izaho no Izy”. — Matio 26:63, 64; Marka 14:61, 62.
12. Inona ny tarehin-javatra nanosika an’i Paoly sy i Barnabasy hiteny tamim-pahasahiana tany Ikonioma?
12 Diniho koa ny ohatr’i Paoly sy i Barnabasy. Manambara toy izao ny Asan’ny Apostoly 14:1, 2: “Nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa. Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra ny rahalahy.” Hoy kosa ny The New English Bible: “Nanentana ny Jentilisa anefa ny Jiosy tsy nety niova finoana, ka nanapoizina ny sain’ny Jentilisa hanohitra ny Kristianina.” Tsy nianina fotsiny tamin’ny fandavana ilay hafatra ireo Jiosy mpanohitra fa nanomboka nampiely fanendrikendrehana koa, ka nataony izay hahatonga ny Jentilisa hitsara an-tendrony ny Kristianina.a Lalina tokoa lahy izany fankahalan’izy ireo ny Kristianisma izany! (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:28.) Araka ny fiheveran’i Paoly sy i Barnabasy, dia fotoana tokony ‘hitenenana’ tamin’izay, sao ho kivy noho ny fanaratsian’ny besinimaro ireo mpianatra vaovao. “Ary nitoetra ela teo [i Paoly sy i Barnabasy], dia nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo”, izay nampiseho ny fankasitrahany tamin’ny nanomezany hery azy mirahalahy mba hanaovany famantarana mahagaga. Izany dia nahatonga ny sasany ‘homba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly’. — Asan’ny Apostoly 14:3, 4.
13. Amin’ny fotoana toy inona mazàna no tokony ‘hanginana’ rehefa misy manaratsy antsika?
13 Ahoana àry no tokony ho fihetsitsika rehefa misy manaratsy antsika? Miankina tanteraka amin’ilay tarehin-javatra izany. Ny toe-javatra sasany dia mitaky ny hampiharantsika ilay foto-pitsipika hoe ao ny “andro anginana”. Izany indrindra no izy rehefa mitady hisarika antsika ho amin’ny adihevitra tsy misy dikany ireo mpanohitra tsy laitra akisoka amin’ny heviny. Tsy tokony hohadinointsika fa tsy maniry tsotra izao hahalala ny fahamarinana ny olona sasany. (2 Tesaloniana 2:9-12). Tsy misy vokany ny fiezahana hanjohy hevitra amin’ireo manana fo mifikitra amim-piavonavonana amin’ny tsy finoana. Mihoatra noho izany aza fa raha variana miady hevitra amin’ny mpiampanga lainga rehetra manafika antsika isika, dia mety hanjary hihataka amin’ny asa iray mbola lehibe lavitra sy mahafa-po, dia ny fanampiana ireo olona tso-po izay tena maniry hianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Rehefa tojo mpanohitra izay tapa-kevitra ny hampiely lainga momba antsika àry isika, ny torohevitra ara-tsindrimandry dia hoe: “Mialà amin’ireny olona ireny.” — Romana 16:17, 18; Matio 7:6.
14. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika iarovana ny finoantsika eo anatrehan’ny hafa?
14 Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe tsy miaro ny finoantsika isika. Rehefa dinihina tokoa, dia misy koa ny fotoana tokony ‘hitenenana’. Rariny raha ahintsika ny olona tso-po izay nandre fanakianana natao hanosoram-potaka antsika. Vonona hanome fanazavana tsara amin’ny hafa mahakasika ireo zavatra tena inoantsika isika, no sady mandray an-tanan-droa tokoa ny fahafahana hanao izany. Hoy no nosoratan’i Petera: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:15). Rehefa tena liana ny olona iray ka mitady porofo mahakasika ireo zavatra inoantsika sy ankamamintsika, na koa rehefa manontany momba ireo fiampangana lainga ataon’ny mpanohitra izy ireny, dia andraikitsika ny miaro ny finoantsika, amin’ny fanomezana valiny marim-pototra avy ao amin’ny Baiboly. Fanampin’izany, dia afaka manao fanambarana miezinezina ny fitondran-tenantsika tsara dia tsara. Rehefa voamarik’ireo mpandinika malala-tsaina fa tena miezaka marina hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra isika, dia hitan’izy ireo avy hatrany fa diso ireo fiampangana antsika. — 1 Petera 2:12-15.
Ahoana ny amin’ny fanelezana fanendrikendrehana?
15. Inona no ohatra iray mampiseho fa lasibatry ny fanazavana vilana avy tamin’ny fampitam-baovao ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Indraindray ny Vavolombelon’i Jehovah dia lasibatry ny fanazavana vilana avy tamin’ny fampitam-baovao. Tamin’ny 1 Aogositra 1997, ohatra, dia namoaka lahatsoratra feno fanendrikendrehana ny gazety rosianina iray. Anisan’ny nolazainy tamin’izany ny hoe: ny Vavolombelona dia mitaky amin’ny fomba hentitra amin’ny mpikambana ao aminy mba ‘hanary ny vadiny sy ny ray aman-dreniny raha toa ka tsy takatr’izy ireo sy tsy ekeny ny finoan’ny Vavolombelona’. Izay rehetra mahafantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia mahalala fa diso izany fiampangana izany. Milaza ny Baiboly fa tokony ho amim-pitiavana sy amim-panajana no hitondran’ny Kristianina ny mpianakaviny tsy mpino, ary miezaka mafy hanaraka izany toromarika izany ny Vavolombelona. (1 Korintiana 7:12-16; 1 Petera 3:1-4). Na izany aza, dia navoaka ihany ilay lahatsoratra, hany ka mpamaky maro no nahazo fanazavana diso. Ahoana no azontsika iarovana ny finoantsika rehefa misy fiampangana lainga atao amintsika?
16, 17, sy ny faritra voafefy p. 16. a) Inona no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana, indray mandeha, momba ny fihetsika tokony horaisina eo anoloan’ny fanazavana diso omen’ny fampitam-baovao? b) Amin’ny tarehin-javatra inona avy no mety hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah zavatra ho setrin’ny tatitra ratsy avoakan’ny fampitam-baovao?
16 Eto indray koa dia “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. Nilaza izany toy izao, indray mandeha, Ny Tilikambo Fiambenana: “Hiankina amin’ny toe-javatra sy ilay mpampirisika ny fanakianana ary ny zava-kendreny no tsy hiraharahantsika ilay fanazavana diso omen’ny fampitam-baovao na hiarovantsika ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fomba mety.” Amin’ny tarehin-javatra sasany, dia ny tsy firaharahana ny tatitra ratsy angamba no tsara indrindra, sao vao mainka hiparitaka ilay lainga.
17 Mety ho fotoana tokony ‘hitenenana’ angamba amin’ny tarehin-javatra hafa. Mety ho nahazo fanazavana diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanao gazety na mpanangom-baovao itokisana iray, ka mety ho faly izy raha mahazo fanazavana marina momba antsika. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fanitsiana Fanasoketana”.) Raha misy tatitra ratsy avoakan’ny fampitam-baovao, ka miteraka fitsarana an-tendrony izay manakantsakana ny asa fitoriantsika, dia mety handray fanapahan-kevitra avy hatrany hiaro ny fahamarinana amin’ny fomba mety, ny solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower.b Ohatra, mety hisy loholona mahay hotendrena mba hilaza ny tena zava-misy, amin’ny fandaharan’ny televiziona iray, ohatra, satria ny tsy fahatongavana amin’izany dia mety hilaza an-kolaka fa tsy manan-kavaly ny Vavolombelon’i Jehovah. Maneho fahendrena ny Vavolombelona isam-batan’olona raha manaraka ny toromarika omen’ny Fikambanana Watch Tower sy ireo solontenany, amin’ny raharaha toy izany. — Hebreo 13:17.
Fampiasana ny lalàna mba hiarovana ny vaovao tsara
18. a) Nahoana isika no tsy mila fanomezan-dalana hitory avy amin’ny fitondram-panjakan’olombelona? b) Inona no ataontsika rehefa tsy omen-dalana hitory isika?
18 Avy any an-danitra ny fanomezan-dalana antsika hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nomena ny “fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” i Jesosy, izay naniraka antsika hanao io asa io. (Matio 28:18-20; Filipiana 2:9-11). Noho izany, dia tsy mila fanomezan-dalana hitory avy amin’ny fitondram-panjakan’olombelona isika. Na izany aza, dia takatsika fa mampiroborobo ny fielezan’ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fananana fahalalahana ara-pivavahana. Any amin’ny tany izay ananantsika fahalalahana hanohy hatrany ny fanompoam-pivavahantsika, dia hampiasa ny fitsarana isika mba hiarovana azy io. Any amin’ny tany izay tsy anomezana antsika izany fahalalahana izany, dia hiezaka hahazo izany ao anatin’ny rafi-dalàna misy, isika. Tsy ny hisian’ny fanavaozana ara-tsosialy akory no tanjontsika fa “ny fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara”.c — Filipiana 1:7, NW.
19. a) Inona no mety ho vokatry ny ‘fandoavantsika ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’? b) Tapa-kevitra ny hanao inona isika?
19 Vavolombelon’i Jehovah isika ka manaiky an’i Jehovah ho Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao. Fara tampony ny lalàny. Mankato ny fitondram-panjakan’olombelona isika, noho ny feon’ny fieritreretantsika, ka ‘mandoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’. Tsy avelantsika hisy na inona na inona anefa hanakantsakana antsika tsy hanatontosa andraikitra mbola lehibe lavitra, dia ‘fandoavana ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’. (Matio 22:21). Takatsika tanteraka fa hahatonga antsika ho ‘halan’ireo’ firenena izany, kanefa ekentsika kosa ho anisan’ny vidin’ny fahatongavana ho mpianatra. Porofon’ny fahatapahan-kevitsika hiaro ny finoantsika ireo ady ara-pitsarana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ity taonjato faha-20 ity. Noho ny fanampiana sy ny fanohanan’i Jehovah, dia hanohy ‘hampianatra sy hanambara ny vaovao tsara’ isika, ary tsy hitsahatra hanao izany. — Asan’ny Apostoly 5:42, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hazavain’ny Matthew Henry’s Commentary on the Whole Bible (Famoaboasana Nataon’i Matthew Henry Momba ny Baiboly Manontolo) fa nataon’ireo Jiosy mpanohitra “ho anton-draharahany ny ninia nandeha tany amin’ny [Jentilisa] nifankahalala taminy, ka izay rehetra azon’ny sainy na ny hasomparany noforonina, dia nambarany avokoa mba hahatonga ny Jentilisa, tsy vitan’ny hoe hanamavo ny Kristianisma fotsiny, fa ho ratsy fijery azy io koa”.
b Taorian’ny namoahana ilay lahatsoratra feno fanendrikendrehana, tao amin’ilay gazety rosianina (voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-15), ny Vavolombelon’i Jehovah dia nametraka fitoriana tany amin’ny komity mpitsara ao amin’ny Prezidànsy misahana ny ady momba ny fampahalalam-baovao manerana ny Federasiônan’i Rosia, ka nangataka ny handinihana indray ireo fiampangana diso natao tao amin’ilay lahatsoratra. Vao haingana izay, dia namoaka didim-pitsarana nanasaziana ilay gazety ny fitsarana, noho namoahany ilay lahatsoratra feno fanaratsiana. — Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1998, pejy faha-26-27.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fampiasana ny Lalàna mba Hiarovana ny Vaovao Tsara”, ao amin’ny pejy faha-19-22.
Tsaroanao Ve?
◻ Nahoana no ‘ankahalaina’ ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ireo tsy mitovy finoana amintsika?
◻ Inona no ohatra voalanjalanja navelan’i Jesosy rehefa nifampiraharaha tamin’ny mpanohitra ny tenany?
◻ Rehefa misy manaratsy antsika, dia ahoana no ahafahantsika mampihatra ilay foto-pitsipika hoe “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”?
[Efajoro, pejy 16]
Fanitsiana Fanasoketana
‘Tany Yacuiba, any Bolivia, ny fivavahana ara-pilazantsara iray tany an-toerana dia nandamina ny hampisehoan’ny televiziona iray sarimihetsika izay niharihary fa nataon’ny mpivadi-pinoana. Rehefa nodinihina ny vokatra ratsin’io fandaharana io, dia nanapa-kevitra ny hitsidika foiben’ny televiziona roa ireo loholona, ka nilaza ny fahavononany handoa vola mba hampisehoan’izy ireo tamin’ny besinimaro ny vidéos Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana sy La Bible: un livre historique et prophétique. Rehefa avy nahita ireo vidéos-n’ny Fikambanana ny tompon’ny radio iray, dia tezitra noho ilay fanasoketana tao amin’ilay fandaharan’ireo mpivadi-pinoana, ka nilaza ny fahavononany handefa fampandrenesana maimaim-poana ho an’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatao tsy ho ela. Be dia be tsy araka ny nahazatra ny mpanatrika, ary olona tso-po maro no nanomboka nametraka fanontaniana feno fahatsoram-po, rehefa nitsidika azy ny Vavolombelona, teny amin’ny fanompoana.’ — Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1997, pejy faha-61-62.
[Sary, pejy 17]
Indraindray i Jesosy dia nitsipaka an-karihary ny fiampangana lainga nataon’ireo nitsikera azy