ISMAELITA
(Ismaelìta) [An’i Ismaela].
Taranak’i Ismaela lahimatoan’i Abrahama tamin’i Hagara Ejipsianina mpanompovavin’i Saraha. (Ge 16:1-4, 11) Nanambady vehivavy ejipsianina koa i Ismaela ka niteraka 12 lahy (Nebaiota, Kedara, Adbela, Mibsama, Misma, Doma, Masa, Hadada, Tema, Jetora, Nafisy ary Kedema). Mpiadidy teo amin’ireo foko ismaelita izy ireo. (Ge 21:21; 25:13-16) Sady taranak’i Sema àry ny Ismaelita no taranak’i Hama, fa ny rohim-pihavanany amin’i Hama no mahery kokoa.
Lasa “firenena lehibe” tokoa ny Ismaelita ‘ka tsy voaisa noho ny hamaroany’, araka ny fampanantenan’Andriamanitra. (Ge 17:20; 16:10) Tsy nanorina tanàna (afa-tsy vitsy monja) anefa izy ireo fa naleony nifindrafindra monina. ‘Tsy laitra nofehezina toy ny zebra’ i Ismaela, izany hoe tsy nahatombin-tsiraka mihitsy fa nivezivezy eran’ny Tany Efitr’i Parana. Ny fihazana no fivelomany. Arabo mpifindrafindra monina ny taranany, ary nipetraka an-tranolay ny ankamaroan’izy ireo. Nivezivezy eran’ny Saikinosin’i Sinay “tandrifin’i Ejipta” koa izy ireo, izany hoe hatrany atsinanan’i Ejipta sy ny faritra avaratr’i Arabia ka hatrany Asyria. Nalaza ho nasiaka sy tia ady ary tsy azo nifanarahana ny Arabo mpifindrafindra monina, sahala amin’i Ismaela razambeny ihany, izay voalaza hoe: “Ny tanany hanohitra ny rehetra, ary ny tanan’ny rehetra kosa hanohitra azy.”—Ge 16:12; 21:20, 21; 25:16, 18.
Hoy ny Baiboly momba ny Ismaelita: “Tandrifin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany [heb.: nafal].” (Ge 25:18) “Nitoetra [nôfelim: iray tarika amin’ny nafal] tany amin’ny lemaka iva” tany Israely koa ny Midianita sy ny namany, rehefa hifanandrina tamin’i Gideona. Resiny anefa izy ireo. (Mpts 7:1, 12) Faritra tian’ny Ismaelita hobodoina fotsiny àry ilay faritra “nitoerany”, ary tsy niala teo izy ireo raha tsy voaroaka.
Azo inoana fa nifanambady ny Ismaelita sy ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Ketora (Ge 25:1-4) tatỳ aoriana, ka ny taranak’ireny no nonina tany Arabia. Mpirahalahy iray ray i Ismaela sy Midianina. Nifanambady koa ny taranany, ka nifangaroharo ny fomba amam-panaon’izy ireo sy ny toetoetrany ary ny asa aman-draharahany. Izany angamba no nahatonga an’ireo “Ismaelita” (nivarotra an’i Josefa ho andevo tany Ejipta) hantsoina koa hoe “Midianita.” (Ge 37:25-28; 39:1) Sady nantsoina hoe Midianita no nantsoina hoe Ismaelita koa ireo nanafika ny Israely tamin’ny andron’i Gideona. Anisan’ny nampiavaka ny Ismaelita ny nanaovany kavin’orona volamena.—Mpts 8:24; ampit. Mpts 7:25 sy 8:22, 26.
Tsy i Ismaela ihany no nankahala an’i Isaka fa ny taranany koa. Lasa halan’izy ireo mihitsy aza ilay Andriamanitr’i Isaka. Nilaza mantsy ny mpanao salamo fa anisan’ireo ‘nankahala mafy’ an’i Jehovah ny Ismaelita. (Sl 83:1, 2, 5, 6) Nisy naningana anefa. Ismaelita, ohatra, i Obila izay voatendry hiandraikitra ny ramevan’i Davida Mpanjaka.—1Ta 27:30, 31.
Nilaza i Mahometa (t. 570-632), izay namorona ny fivavahana silamo, fa Ismaelita taranak’i Abrahama ny tenany.