VAHINY, MPIVAHINY
Ny teny hebreo hoe ger no ilazana ny olona avy any an-tany hafa ka tsy manan-jo firy ao amin’ilay tany onenany. Mety hanaraka ny fivavahan’ireo tompon-tany izy. “Vahiny” sy “mpivahiny” i Abrahama, Isaka, Jakoba ary ny taranany, talohan’ny nanomezana azy ireo ny zo hipetraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Ge 15:13; 17:8; De 23:7.
Olona tsy Israelita niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy na lasa mpanompon’i Jehovah no antsoin’ny Baiboly indraindray hoe “vahiny” na “mpivahiny” tany Israely. Mety ho mpiavy niara-nonina tamin’ny Israelita tany Palestina koa anefa izy io. Nankatò ny lalàna fototra tao amin’ilay tany izy, fa tsy lasa mpivavaka tamin’i Jehovah. Ny teny manodidina an’ilay andininy àry no ahalalana ny tena hevitr’ilay teny.
Im-70 mahery ny hoe ger no nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe prôselytôs (gr.), izay midika hoe olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Misy milaza fa niara-nonina tamin’ny fianakaviana hebreo ny vahiny mba ho voaro, ka somary niantehitra tamin’ny fanampian’izy ireo. Tsy lasa mpanompony anefa izy, matoa nantsoina hoe “vahiny monina eo aminy.”—De 5:14; ampitahao amin’ny De 1:16 sy Le 22:10, izay ahitana ny teny hoe tôhshav nadika hoe “vahiny.”
Nisy lalàna manokana nifehy ny fifandraisan’ny mpivahiny sy ny Israelita, tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna natao teo an-tendrombohitra Sinay. Nanehoana fitiavana sy fiahiana manokana ny mpivahiny, noho izy tsy teratany israelita. Niaro azy koa ireo lalàna maro natao hitsinjovana ny osa sy ny tsy nisy mpiaro. Nampahatsiahy imbetsaka an’ireo Israelita i Jehovah mba halala-tanana sy hiaro ny vahiny. Tsy nisy nanao toy izany tamin’ny Israely mantsy, fony izy ireo mpivahiny nampahorina tany an-tany hafa. (Ek 22:21; 23:9; De 10:18) Tokony hataon’izy ireo toy ny rahalahiny àry ny vahiny, indrindra fa ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy.—Le 19:33, 34.
Neken’ny Lalàna ho anisan’ny fiangonan’Israely izay rehetra nanaiky hanompo an’i Jehovah sy hoforana, na inona na inona firazanany, ankoatra an’ireto: Ny Ejipsianina sy Edomita (ny zafiafin’izy ireo nonina tany Israely kosa nekena ho anisan’ny fiangonana) (De 23:7, 8); ny zazasary “hatramin’ny taranany fahafolo” (De 23:2); ary ny Amonita sy Moabita ‘na hatramin’ny taranany fahafolo aza, mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ Tsy tokony ‘hitady izay hahasoa an’ireny na izay hiadanany’ ny Israelita, ‘mandritra ny androm-piainany, hatramin’ny fotoana tsy voafetra.’ (De 23:3-6) Nihatra tamin’ny lahy rehetra avy tamin’ireo firenena ireo izany. Tsy nahazo niditra ho anisan’ilay fiangonana koa ny lehilahy iray, raha nisy olana ny filahiany.—De 23:1.
Toa an’ireo Israelita, dia tsy maintsy nanaiky ny lalàna rehetra koa ny vahiny noforana izay lasa mpanompon’i Jehovah. (Le 24:22) Tsy maintsy nitandrina ny Sabata, ohatra, izy (Ek 20:10; 23:12), nankalaza ny Paska (No 9:14; Ek 12:48, 49), ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (Ek 12:19), ny Fetin’ireo Herinandro (De 16:10, 11), ny Fetin’ny Trano Rantsankazo (De 16:13, 14), ary ny Andro Fandrakofam-pahotana (Le 16:29, 30). Nahazo nanolotra fanatitra izy (No 15:14), ary toy ny nataon’ny Israelita ihany no nataony rehefa nanolotra azy io. (No 15:15, 16) Tsy tokony hisy tsiny ny fanatiny (Le 22:18-20), ary hoentiny eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, toy ny nataon’ny Israelita. (Le 17:8, 9) Tsy nahazo nanompo andriamani-kafa izy. (Le 20:2; Ezk 14:7) Tokony hararany amin’ny tany koa ny ran’ny haza azony, alohan’ny hihinanany azy, mba tsy ho ‘ringana’ izy. (Le 17:10-14) Mety ho samy voavela heloka izy sy ny Israelita, raha nanao fahadisoana tsy nahy ny vahoaka manontolo. (No 15:26, 29) Tsy maintsy nidio izy raha naloto, toy ny rehefa nikasika fatin’olona. (No 19:10, 11) Azo inoana fa tsy mpanompon’i Jehovah izay vahiny azo nomena biby maty ho azy.—De 14:21.
Notsaraina araka ny rariny izay vahiny nanana ady tamin’ny Israelita. (De 1:16, 17) Tsy nambakaina izy na nanaovana fitsarana miangatra. (De 24:14, 17) Voaozona izay nanao ny tsy rariny taminy. (De 27:19) Nahazo nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana toy ny Israelita ihany ny mpivahiny sy mpiavy nahafaty olona tsy nahy.—No 35:15; Js 20:9.
Nety ho mpivarotra na mpikarama ny vahiny satria tsy nanan-tany ho lovany. Nisy koa mpanompo. (Le 25:44-46) Nety ho lasa nanan-karena ny vahiny. (Le 25:47; De 28:43) Nahantra anefa ny ankamaroany, ka niaro sy nitsinjo azy ireny ny Lalàna. Nahazo tamin’ny ampahafolon-karena nomena isaky ny telo taona, ohatra, ny vahiny. (De 14:28, 29; 26:12) Nahazo naka tamin’izay vokatra sy voaloboka navelan’ny mpijinja teny an-tsaha koa izy (Le 19:9, 10; 23:22; De 24:19-21), ary naka tamin’izay voa naniry ho azy nandritra ny taona sabata. (Le 25:6) Nitovy tamin’ny an’ny Israelita ny fiarovana azony raha mpikarama izy. Azon’ny Israelita natao ny nivarotra ny tenany tamin’ny mpivahiny nanan-karena, raha lasa nahantra izy. Tsy tokony hampijaliana anefa izy, fa hatao toy ny mpikarama. Nahazo nanavotra ny tenany foana izy na ny havany, raha tsy hoe angaha nafahana tamin’ny taona fahafito nanompoany na tamin’ny Jobily izy, fara fahelany.—Le 25:39-54; Ek 21:2; De 15:12.
Mbola nifandray tsara tamin’ny Israelita ny vahiny tamin’ny andron’ny mpanjaka. Nampiasaina hanorina ny tempolin’i Jerosalema, ohatra, izy ireo. (1Ta 22:2; 2Ta 2:17, 18) Nivory tao Jerosalema niaraka tamin’ny Israelita koa ny vahiny nanerana ny Tany Nampanantenaina, rehefa nampirisihin’i Asa Mpanjaka hanompo an’i Jehovah indray ny Joda. Niara-nanao fifanekena izy ireo fa hitady an’i Jehovah amin’ny fony sy ny tenany manontolo. (2Ta 15:8-14) Nilaza i Hezekia Mpanjaka rehefa voadio ny tempoly fa hankalazaina ao Jerosalema ny Paska amin’ny volana faharoa. Nandefa fanasana nanerana an’i Israely àry izy, ka maro ny mpivahiny namaly ny antso.—2Ta 30:25.
Rehefa nody avy tany Babylona ny sisa tamin’ny Israelita natao sesitany ary voaorina ny tempoly, dia niara-nanompo an’i Jehovah indray izy ireo sy ny vahiny, anisan’izany ny Netinima (na “Ireo Nomena”), mpanompo, mpihira matihanina lahy sy vavy, ary ny taranaky ny mpanompon’i Solomona. Anisan’ny Netinima koa ireo Gibeonita notendren’i Josoa hanompo mandrakizay tao amin’ny toerana masina. (Ezr 7:7, 24; 8:17-20; Js 9:22-27) Voalazan’ny boky miresaka farany momba an’ireo vahiny ireo fa nanompo an’i Jehovah foana izy ireo, niaraka tamin’ny Israelita sisa tsy nivadika izay nody avy tany Babylona. (Ne 11:3, 21) Nohamafisin’ny mpaminanin’i Jehovah velona taorian’ny sesitany fa tokony harovana ny zon’ny vahiny, araka ny voalazan’ny Lalàna.—Za 7:10; Ml 3:5.
“Vahiny” koa no ilazana an’ireo tsy nanaraka an’izay voalazan’ny Lalàna ka lasa tafasaraka amin’i Jehovah. Antsoina hoe “vehivavy vahiny”, ohatra, ny mpivaro-tena. (Oh 2:16; 5:17; 7:5) “Vahiny” koa no ilazana an’ireo mpanompo sampy sy andriamani-diso.—Je 2:25; 3:13.
Ilazana olon-tsy fantatra koa ny hoe vahiny ao amin’ny Soratra Hebreo.—Oh 27:2; Jb 19:15.
Nilaza i Ezekiela fa hahazo anjara lova ao amin’ilay tany hitany tao amin’ny fahitana ny vahiny, toy ny teratany teo amin’ny zanak’Israely ihany. (Ezk 47:21-23) Notorina tamin’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana taorian’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy, ka nekena ho anisan’ny fiangonana kristianina izy ireo. Neken’i Jehovah ho mpanompony koa i Kornelio (taona 36), izay hafa firenena tsy voafora, sy ny ankohonany, ka nahazo ny fanomezan’ny fanahy. (As 10) Nanomboka tamin’izay, dia nekena ho anisan’ny fiangonana kristianina ny hafa firenena tsy voafora izay nanaiky an’i Kristy. “Koa amin’izany dia tsy misy na Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina, na andevo, na tsy andevo. Fa i Kristy no zava-drehetra sady ao amin’ny rehetra.” (Kl 3:11; Ga 3:28) Samy nisy olona 12 000 ireo foko 12 anisan’ny Israely ara-panahy resahin’ny Apokalypsy 7:2-8. Ny andininy faha-9-17 kosa miresaka momba ny vahoaka be tsy tambo isaina, avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, izay midera an’ilay Mpanjaka sy ny Zanak’ondriny. Ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo sady arovany.
Mpiavy. Olona nanorim-ponenana tany an-tanin’olona ny mpiavy. Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe yashav (“monina”) ny teny hebreo nadika hoe mpiavy (tôhshav). (Ge 20:15) Niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ny mpiavy sasany tany Israely. Ny hafa kosa niara-nonina tamin’ny Israelita fotsiny sady nankatò ny lalàna fototra tao amin’ilay tany, fa tsy noforana na lasa mpanompon’i Jehovah. Tsy nitovy tamin’ny vahiny ny mpiavy. Ny vahiny mantsy nandalo fotsiny ka noraisina tsara, araka ny fanaon’ny Tatsinanana.
Tsy nahazo nihinana ny Paska na zava-masina ny mpiavy tsy voafora nonina tany Israely. (Ek 12:45; Le 22:10) Nahazo nihinana tamin’ny vokatry ny tany kosa izy sy ny vahiny ary ny mahantra, rehefa taona sabata sy Jobily. (Le 25:6, 12) Azon’ny Israelita novidina hatao mpanompo ny mpiavy sy ny zanany. Azony nomena ho lovan’ny taranany mandrakizay koa izy ireo, satria tsy navotana na nafahana rehefa Jobily. (Le 25:45, 46) Mety ho nisy Israelita kosa nivarotra ny tenany ho mpanompo tamin’ny mpiavy na tamin’ny mpianakavin’izy io. Nanan-jo hanavotra ny tenany foana anefa izy, ary nafahana tamin’ny taona fahafito nanompoany na tamin’ny Jobily.—Le 25:47-54; Ek 21:2; De 15:12.
Nanana anjara lova tao amin’ilay tany ny Israelita, nefa azon’i Jehovah nampidirina tao na noroahina niala tao izy ireo, araka izay tiany, satria izy no tena tompon’ilay tany. Hoy izy: “Koa tsy tokony hatao varo-maty ny tany, satria ahy ny tany fa mpivahiny sy mpiavy kosa ianareo amiko.”—Le 25:23.
Toro lalana ho an’ny Kristianina. Asongadin’ny Soratra Grika Kristianina fa tsy maintsy tia vahiny (gr.: ksenôs) ny Kristianina. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny [gr.: filôksenias, “firaiketam-po amin’ny olon-tsy fantatra”], fa noho izany, dia nampiantrano anjely ny sasany nefa tsy fantany.” (He 13:2) Nilaza i Jesosy fa toy ny hoe nampiantrano azy ny olona nampiantrano ny rahalahiny, izay mety ho tsy fantatr’ilay olona akory. (Mt 25:34-46) Noderain’ny apostoly Jaona i Gaio noho izy nikarakara an’ireo Kristianina nirahina hitsidika ny fiangonany, na dia tsy fantany aza izy ireny. Nomelohin’i Jaona kosa i Diotrefa satria tsy nanaja azy ireny.—3Jn 5-10; 1Ti 5:10; jereo FITIAVANA MANDRAY VAHINY.
Antsoina hoe “vahiny” sy “mpivahiny” ny Kristianina satria tsy anisan’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity (Jn 15:19; 1Pe 1:1), izany hoe tsy manaraka ny fanaony. (1Pe 2:11) “Vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana” ny hafa firenena talohan’ny niovany ho Kristianina, ary tsy nanana fanantenana sady ‘tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.’ Noho i Kristy anefa, dia “tsy vahiny na mpivahiny intsony” izy ireo, fa “mpiray firenena amin’ny olona masina sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra.” (Ef 2:11, 12, 19) Miezaka ny tsy ho anisan’ity tontolo ity koa ny “ondry hafa” izay angonin’i Jesosy ho ao amin’ilay “andiany iray”, ka lasa ankasitrahan’Andriamanitra ary manantena ny hahazo fiainana.—Jn 10:16; Mt 25:33, 34, 46; ampit. Ap 7:9-17.
Noharin’i Kristy tamin’ny “mpangalatra” sy ‘olon-tsy fantatra’ ireo mitaona olona hanaraka azy, satria mpiandry sandoka. Hahita loza izay ‘ondrin’i’ Kristy manara-dia azy. Tsy mihaino ny feon’ny mpiandry sandoka ny tena ‘ondrin’i’ Jesosy, toy ny nataon’ny Israelita tsy nivadika izay tsy nety nifandray tamin’ireo hafa firenena nitaona azy hanompo andriamanitra tsy fantatra.—Jn 10:1, 5; jereo HAFA FIRENENA.