Ataovy Mpanohana Anao ny Sandrin’i Jehovah Mandrakizay
“Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialòfana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao”. — DEOTERONOMIA 33:27, Baiboly katolika.
1, 2. Nahoana ny olon’i Jehovah no afaka mitoky amin’ny fanohanany?
MIKARAKARA ny olony i Jehovah. Ohatra, tamin’ny fahoriana rehetra nanjo ny Isiraelita, “dia niory koa Izy”! Tamim-pitiavana sy fangorahana no “nivimbinany azy sy nitondrany azy”. (Isaia 63:7-9). Koa raha tsy mivadika amin’Andriamanitra isika, dia afaka mitoky amin’ny fanohanany.
2 Hoy i Mosesy mpaminany: “Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany.” (Deoteronomia 33:27). Hoy ny fandikan-teny hafa iray: “Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialòfana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao”. (Baiboly katolika amin’ny fiteny malagasy). Ahoana anefa no anohanan’ny sandrin’Andriamanitra ny mpanompony?
Nahoana no misy adim-piainana maro aoka izany?
3. Rahoviana ny taranak’olombelona mankatò vao hifaly amin’ny fomba feno amin’ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”?
3 Ny fanompoana an’i Jehovah dia tsy miaro antsika amin’ny adim-piainana iraisan’ny olombelona tsy tanteraka. Hoy i Joba, mpanompon’Andriamanitra: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1). Raha ny amin’ny “andron’ny taonanay”, hoy ny mpanao salamo dia “fijaliana sy zavatra manimba fotsiny no iriny fatratra”. (Salamo 90:10, MN). Ho toy izany ny fiainana mandra-panafaka ‘izao zavatra ary rehetra izao amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hananany ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra’. (Romana 8:19-22, MN). Hitranga izany mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy. Amin’izay, dia hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana ny vahoakan’ilay Fanjakana, mifototra amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, i Kristy sy ireo mpanjaka sady mpisorona miaraka aminy dia ho efa nanampy ny olombelona mankatò hahatratra ny fahatanterahana, ka ireo tsy hivadika amin’Andriamanitra mandritra ny fitsapana farany hataon’i Satana sy ireo demoniany, dia hanana ny anarany voasoratra amin’ny fomba raikitra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”. (Apokalypsy 20:12-15). Amin’izay izy ireo vao hifaly amin’ny fomba feno amin’ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
4. Toy izay hitaraina ny amin’ny toe-piainana misy antsika, inona no tokony hataontsika?
4 Eo am-piandrasana izany, dia aoka isika hatoky an’i Jehovah fa tsy himenomenona ny amin’ny tarehin-javatra eo amin’ny fiainantsika manokana. (1 Samoela 12:22; Joda 16, MN). Aoka koa isika hahay hankasitraka an’i Jesosy, Mpisoronabentsika, izay amin’ny alalany no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra “mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory [amin’ny fotoana mety, MN].” (Hebreo 4:14-16). Enga anie isika tsy hanao sahala amin’i Adama na oviana na oviana. Raha ny marina, izy dia niampanga tamin’ny fomba diso an’i Jehovah ho nanome azy vady ratsy tamin’ny filazana hoe: “Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.” (Genesisy 3:12). Manome zava-tsoa Andriamanitra ary tsy mitondra adim-piainana ho antsika. (Matio 5:45; Jakoba 1:17). Mazàna ny fahavoazana dia vokatry ny tsy fananan’ny tenantsika fahendrena na noho ny fahadisoan’olon-kafa. Mety hitranga amintsika koa izany satria mpanota isika sady miaina eo amin’ny tontolo iray eo ambany fahefan’i Satana. (Ohabolana 19:3; 1 Jaona 5:19). Na dia izany aza, ny sandrin’i Jehovah mandrakizay dia manohana foana ny mpanompony tsy mivadika izay miantehitra aminy amim-bavaka sady mampihatra manokana ny torohevitra ao amin’ny Teniny. — Salamo 37:5; 119:105.
Tohanana mandritra ny tsy fahasalamana
5. Fampaherezana inona no mety ho hitan’ireo tsy salama ao amin’ny Salamo 41:1-3?
5 Mitondra fahoriana ho an’ny ankamaroantsika indraindray ny tsy fahasalamana. Na dia izany aza, dia hoy i Davida: “Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony. Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.” — Salamo 41:1-3.
6, 7. Ahoana no nanampian’Andriamanitra an’i Davida rehefa teo amin’ny fandriana faharariana izy, ary amin’ny ahoana izany no mampahery ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao?
6 Manampy ireo sahirana ny olona iray maneho fiheverana. “Ny andro fahoriana” dia mety ho toe-javatra iray nahitana loza na vanim-potoana lava nisian’ny adim-piainana izay nandreraka ny olona iray. Matoky an’Andriamanitra izy mba hiaro azy mandritra ny fahosany, ary ny hafa dia ‘hanao azy hoe sambatra ambonin’ny tany’ amin’ny fampielezana ny vaovao momba ny famindrampo nasehon’i Jehovah taminy. Nanohana an’i Davida teo ‘ambonin’ny farafara nitsaboana azy’ Andriamanitra, angamba nandritra ny fotoana nisian’ny fihenjanana, rehefa nitady haka an-keriny ny seza fiandrianan’ny Isiraely i Absaloma zanakalahin’i Davida. — 2 Samoela 15:1-6.
7 Koa satria i Davida naneho fiheverana ny madinika, dia nino izy fa hanohana azy Andriamanitra raha mbola tsy nanam-piarovana teo am-pandriana naharariany izy. (Salamo 18:24-26). Na dia narary mafy aza izy, dia natoky fa Andriamanitra dia ‘hanova ny fandriany’, tsy amin’ny fanesorana ilay aretina amin’ny fomba mahagaga akory, fa amin’ny fanatanjahana azy amin’ny hevitra feno fampiononana. Toy ny hoe novan’i Jehovah ho fandriana fampodiana tanjaka ilay fandriana naharariany teo. Toy izany koa, fa raha mijaly noho ny aretina isika amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika, dia hanohana antsika ny sandrin’i Jehovah mandrakizay.
Fampiononana ho an’ireo ketraka
8. Ahoana no nampisehoan’ny kristiana narary iray ny fiankinany tamin’Andriamanitra?
8 Mety hitarika fahaketrahana ara-tsaina ny aretina. Nitantara toy izao ny kristiana narary mafy iray izay tsy nanan-kery ampy indraindray na dia mba hamakiana teny aza: “Izany dia nahatonga ahy handalo fihetseham-po nahaketraka maro, fahatsapan-tena ho tsy nisy vidiny, ary ranomaso mihitsy aza.” Noho ny fahafantarana fa mitady ny handavo azy amin’ny fahakiviana i Satana, dia nanohitra izy, takany fa tsy afaka ny ho resy izy noho ny fanampian’i Jehovah. (Jakoba 4:7). Io lehilahy io dia fampaherezana ho an’ny hafa izay nahafantatra fa natoky an’Andriamanitra izy. (Salamo 29:11). Na dia niditra hôpitaly aza izy dia niantso an-telefaonina olona marary sy ny olon-kafa mba hampiorenana azy ireo ara-panahy. Niorina ara-panahy koa ny tenany tamin’ny fihainoana horonam-peo misy ireo feon-kiran’ilay Fanjakana ary misy lahatsoratra avy amin’ity gazety ity sy avy amin’ilay gazety namany hoe Mifohaza!, ary tamin’ny fiarahana tamin’ireo namany kristiana. Hoy io rahalahy io hoe: “Miresaka tsy tapaka amin’i Jehovah amin’ny vavaka aho, mangataka ny hanomezany ahy hery, fitarihana, fampiononana ary fanampiana mba hiaretana.” Raha kristiana mahita zava-manahirana lehibe ara-pahasalamana ianao, dia matokia an’i Jehovah mandrakariva ary ataovy mpanohana anao ny sandriny mandrakizay.
9. Ohatra inona avy no mampiseho fa manakorontana ny olona tia an’Andriamanitra indraindray ny fahaketrahana ara-tsaina?
9 Zava-manahirana efa nisy hatramin’ny ela ny fahaketrahana. Raha nandalo fitsapana i Joba dia niteny toy ny olona nahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra. (Joba 29:2-5). Ny fanahiana ny amin’i Jerosalema sy ny mandany mbola rava dia nahatonga an’i Nehemia halahelo tarehy, ary ketraka aoka izany i Petera noho ny nandavany an’i Kristy ka nitomany mafy indrindra izy. (Nehemia 2:1-8; Lioka 22:62). Difotry ny alahelo i Epafrodito satria ren’ireo Kristiana tany Filipy fa narary izy. (Filipiana 2:25, 26). Namely ny kristiana sasany tany Tesalonika ny fahaketrahana, matoa nampirisika ireo rahalahy tany i Paoly mba “hilaza teny fampiononana ho an’ny fanahy ketraka”. (1 Tesaloniana 5:14, MN). Ahoana àry no anampian’Andriamanitra ny olona toy izany?
10. Inona no mety hanampy amin’ny fiezahana handresy ny fahaketrahana ara-tsaina?
10 Fanapahan-kevitra manokana no tsy maintsy atao mikasika ny fomba fitsaboana fahaketrahana lehibe.a (Galatiana 6:5). Mety hanampy ny fialan-tsasatra ampy sy ny asa voalanjalanja. Mety hahita ny olona ketraka iray fa manampy ny miezaka mandamina ny zava-manahirana tsirairay fa tsy hihevitra azy ireo mitambatra ho toy ny toe-javatra mampahonena iray lehibe. Tena mety hahasoa ny fanampiana feno fampiononana avy amin’ireo loholon’ny kongregasiona, indrindra fa raha misy akony ara-panahy io zava-manahirana ara-pihetseham-po io. (Jakoba 5:13-15). Ambonin’izany rehetra izany, dia zava-dehibe ny hiankinana amin’i Jehovah amin’ny ‘fametrahana aminy ny fanahiantsika rehetra, fa Izy miahy antsika’. Ny vavaka feno fikirizana sy hafanam-po dia afaka mitondra ho an’ny tena ‘ny fiadanan’Andriamanitra izay miaro ny fo sy ny fahaizana ara-tsaina amin’ny alalan’i Kristy Jesosy’. — 1 Petera 5:6-11; Filipiana 4:6, 7, MN.
Manampy antsika hizaka fahoriana i Jehovah
11-13. Inona no afaka manampy mba hampitony ny alahelo noho ny fahafatesan’ny olon-tiana iray?
11 Zava-mihatra mampahory hafa iray ny fahafatesan’ny olon-tiana. Nitomany noho ny namoizany an’i Saraha vadiny i Abrahama. (Genesisy 23:2). Rehefa maty i Absaloma zanany, dia vonton’alahelo i Davida. (2 Samoela 18:33). Na dia i Jesosy, lehilahy tanteraka, aza dia “nitomany” noho ny fahafatesan’i Lazarosy sakaizany! (Jaona 11:35). Koa misy ny alahelo rehefa paohin’ny fahafatesana ny olon-tiana iray. Inona anefa no afaka manampy mba hampitony ny alahelo toy izany?
12 Manampy ny olony hiaritra ny alahelo mafy noho ny famoizana olon-tiana Andriamanitra. Milaza ny Teniny fa hisy fitsanganana amin’ny maty. Noho izany, isika dia tsy ‘halahelo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana’. (1 Tesaloniana 4:13; Asan’ny apostoly 24:15). Ny fanahin’i Jehovah dia manampy antsika hanana fiadanana sy finoana ka hisaintsaina ilay hoavy mahatalanjona nampanantenaina ao amin’ny Teniny, mba tsy ho difotry ny alahelo tanteraka noho ny fieritreretana amin’alahelo an’ilay olon-tiana maty. Ny fampiononana koa dia azo avy amin’ny famakiana ny Soratra masina sy amin’ny fivavahana amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. — 2 Korintiana 1:3, 4; Salamo 68:4-6.
13 Afaka mahazo fampiononana avy amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty isika sahala amin’i Joba tia an’Andriamanitra, izay nihiaka hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao [Jehovah] ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy! Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:13-15). Mazàna dia tsy mahatsapa alahelo be ny tena rehefa lasa manao dia lavitra ny olon-tiana iray, noho isika manantena ny mbola hahita azy indray. Mety hihena ny alahelo lalina entin’ny famoizana olon-tiana iray raha eritreretintsika ho toy izany ny fahafatesan’ny kristiana mahatoky iray. Raha manana fanantenana ny ho eto an-tany izy, dia hofohazina avy amin’ny torimason’ny fahafatesany eto an-tany mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy. (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 20:11-13). Ary raha manantena ny hiaina eto an-tany mandrakizay isika, dia mety ho eo isika mba hitsena ilay olon-tiantsika tafatsangana.
14. Inona no nataon’ny kristiana mpitondratena roa mba hizakana ny fahafatesan’ny vadin’izy ireo?
14 Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny, dia fantatry ny anabavy iray fa tsy maintsy nanohy ny asany teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy. Ankoatra ny fanaovana izay hahavariana hatrany ny tenany tamin’ny ‘fanefana be tamin’ny asan’ny Tompo’ dia nanao bemiray tamin’ny tapatapa-damba 800 izy. (1 Korintiana 15:58). “Fikasana tsara ilay izy”, hoy izy, “satria nandritra ny fotoana rehetra niasako dia afaka nihaino ireo feon-kiran’ilay Fanjakana sy horonam-peo momba ny Baiboly izay nitana ny saiko ho variana aho.” Tsaroany tamim-pihetseham-po ny fitsidihana nataon’ny loholona iray nahita fanandraman-javatra sy ny vadiny. Nasehon’ilay loholona avy tao amin’ny Baiboly fa tena mikarakara ny mpitondratena tokoa Andriamanitra. (Jakoba 1:27). Tsy nanaiky ho resin’ny fitseran-tena ny vehivavy kristiana hafa iray rehefa maty ny vadiny. Nankasitraka ny fanohanan’ireo sakaiza izy ary naneho fiheverana bebe kokoa ny hafa. “Nivavaka matetika kokoa aho ary nampitombo fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah”, hoy izy. Ary fitahiana toy inona moa izany hoe mahazo ny fanohanan’ny sandrin’Andriamanitra mandrakizay!
Fanampiana rehefa manao fahadisoana isika
15. Inona no ventin-kevitry ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 19:7-13?
15 Na dia tiantsika aza ny lalàn’i Jehovah, dia manao fahadisoana isika indraindray. Tsy isalasalana fa mampahory antsika izany, toy ny naha-toy izany an’i Davida izay nihevitra ny lalàna sy fampahatsiarovana ary fandidiana sy didim-pitsaran’Andriamanitra ho faniry lavitra noho ny volamena. Hoy izy: “Ary ny mpanomponao dia hazavain’ireny; amin’ny fitandremana azy misy valiny lehibe. Raha ny fahatsontsana [fahadisoana, NW], dia iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ny ota tsy fantatra [ota miafina, NW]. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe.” (Salamo 19:7-13). Aoka hofakafakaintsika ireo teny ireo.
16. Nahoana isika no tokony hanary ny fahasahisahian-dratsy?
16 Ny ota sahisahy dia fahotana lehibe kokoa noho ny fahadisoana. Nolavina tsy ho mpanjaka i Saoly noho izy sahisahy ratsy nanolotra fanatitra ary noho izy nitsimbina an’i Agaga, mpanjaka amalekita, sy ireo zavatra tsara indrindra azo babo, na dia efa nodidian’Andriamanitra hatokana ho amin’ny fandringanana aza ny Amalekita. (1 Samoela 13:8-14; 15:8-19). Voan’ny habokana i Ozia mpanjaka noho izy sahisahy ratsy nandrombaka ny anjara asan’ny mpisorona. (2 Tantara 26:16-21). Rehefa nentina tany Jerosalema ny fiaran’ny fanekena ka saika nampivadika ny sarety ireo omby nitarika, dia namely an’i Oza ho faty Andriamanitra noho izy nihazona tsy nisy fanajana ilay Fiara mba hanohanana azy. (2 Samoela 6:6, 7). Koa raha toa tsy fantatsika izay tokony hatao, na mahazo lalana hanao zavatra iray isika na tsia, dia tokony haneho fanetren-tena sy hanontany ireo manana fahaiza-manavaka isika. (Ohabolana 11:2; 13:10). Marina aloha fa raha sanatria ka efa sahisahy ratsy isika, dia tokony hivavaka mba hahazo famelana sy hangataka an’Andriamanitra hanampy antsika tsy ho sahisahy ratsy amin’ny hoavy.
17. Amin’ny ahoana ny ota miafina no mety hisy akony eo amin’ny olona iray, kanefa ahoana no mety hahazoana famelan-keloka sy fanamaivanana?
17 Mety hahatonga fahoriana ny ota miafina. Araka ny Salamo 32:1-5, dia nanandrana nanafina ny fahotany i Davida, kanefa dia hoy izy hoe: “Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao; niova ny fahatanjahako [ny ranon-kazom-piainako, MN] toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona”. Ny fanandramana nampangina fieritreretana meloka dia nandreraka an’i Davida, ary ny fahorian-tsainy dia nampihena ny tanjany toy ny amoizan’ny hazo iray ny ranon-kazony mahavelona mandritra ny hain-tany na ny hafanana mingaingaina amin’ny lohataona. Toa niaritra voka-dratsy ara-tsaina sy ara-batana izy ary namoy ny fifaliana noho ny tsy niekeny heloka. Ny fieken-keloka amin’Andriamanitra ihany no afaka mitondra famelan-keloka sy fanamaivanana. Hoy i Davida hoe: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. (...) Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” Afaka manampy mba hanafaingana ny fahasitranana ara-panahy ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ireo loholona kristiana. — Ohabolana 28:13; Jakoba 5:13-20.
18. Inona no porofo fa mety hanana vokany maharitra ela ny fahotana, kanefa inona no mety ho loharanom-pampiononana amin’ny toe-javatra toy izany?
18 Mety hisy vokany maharitra ela ny fahotana. Izany no nitranga tamin’i Davida izay nijangajanga tamin’i Batseba sy nanao izay hahafatesan’ny vadiny ary nanambady an’ilay vehivavy mpitondratena bevohoka. (2 Samoela 11:1-27). Na dia naneho famindrampo aza Andriamanitra noho ny fanekena momba ilay Fanjakana, ary noho ny fibebahan’i Davida sy ny fitondrany ny hafa tamim-pamindrampo, dia nahita ‘loza avy tao amin’ny ankohonany’ ihany i Davida. Maty ilay zaza avy tamin’ny fijangajangana. Nisavika an’i Tamara anabaviny tsy iray reny taminy i Amnona zanakalahin’i Davida ka novonoina ho faty noho ny baikon’i Absaloma anadahin-drazazavavy. (2 Samoela 12:15-23; 13:1-33). Nanala baraka an’i Davida i Absaloma rehefa nanana firaisana tamin’ireo vaditsindranon-drainy. Nanandrana naka an-keriny ny seza fiandrianana izy kanefa dia fahafatesana no hitany. (2 Samoela 15:1 — 18:33). Mbola misy vokany foana ny ota. Ny mpanao ratsy voaroaka iray, ohatra, dia mety hibebaka ary horaisina indray ao amin’ny kongregasiona, kanefa dia mety hila taona maro vao ho afaka ny laza ratsy sy ny ratra ara-piraiketam-po naterak’ilay fahotana. Eo am-piandrasana izany, dia fampiononana toy inona izany hoe mahazo ny famelan’i Jehovah sy ny fanohanan’ny sandriny mandrakizay!
Voavonjy amin’ireo fanerena mahazo antsika
19. Ahoana no ahafahan’ny fanahin’Andriamanitra manampy rehefa sedraina mafy isika?
19 Rehefa voasedra mafy isika dia mety tsy hanana fahendrena sy hery ampy mba handraisana fanapahan-kevitra sy hanatanterahana izany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia “ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina.” (Romana 8:26). Raha mahatonga fiovan’ny toe-javatra i Jehovah, dia tokony ho velom-pankasitrahana isika. Na dia izany aza, dia mety hamonjy antsika amin’ny fomba hafa ny sandriny. Raha mivavaka mba hahazoana fahendrena isika, dia mety hatoron’i Jehovah amin’ny alalan’ny fanahiny izay tokony hataontsika ary hanome ny hery ilaina izy mba hanaovana izany. (Jakoba 1:5-8). Noho ny fanampiany, dia afaka miaritra isika rehefa ‘ampalahelovina amin’ny fakam-panahy maro’ ary ho tafavoaka amin’izany isika, manana finoana voazaha toetra sy nohatanjahina. — 1 Petera 1:6-8.
20. Hifaly amin’inona isika raha tena manao ny sandrin’i Jehovah mandrakizay ho mpanohana antsika?
20 Aoka isika tsy ho sasatra na oviana na oviana amin’ny fitodihana any amin’Andriamanitra amin’ny vavaka. “Ny masoko mijery an’i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato”, hoy i Davida. “Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.” (Salamo 25:15-18). Sahala amin’i Davida, dia hifaly amin’ny fanavotana sy ny fankasitrahana ary ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika raha tena manao ny sandrin’i Jehovah mandrakizay ho mpanohana antsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo lahatsoratra momba ny fahaketrahana ara-tsaina ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Oktobra 1987, pejy faha-2-16, sy tamin’ny 8 Novambra 1987, pejy faha-12-16.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no anampian’i Jehovah ireo mpanompony izay marary?
◻ Inona no mety hanampy rehefa miezaka mandresy fahaketrahana ara-tsaina isika?
◻ Inona no afaka manampy mba hanamaivana ny alahelo noho ny fahafatesan’ny olon-tiana iray?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo izay manafina ota hahazo fanamaivanana?
◻ Inona no fanampiana misy rehefa sedraina mafy ireo olon’i Jehovah?
[Sary, pejy 16, 17]
Afaka manovo fampiononana isika avy amin’ny fanantenana ny fananganana amin’ny maty, sahala amin’ny nataon’i Joba tia an’Andriamanitra